Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa ...?

1. xxx ( 11/06/2007 05:35)
Misy nosy tany iray izay,ny mampiavaka an\'izy io dia ny mponina ao aminy,izay iray finoana avokoa (\"kristiana\" tsy ho lazaiko ny finoany);ka ny mahagaga ao amin\'io nosy io dia tsy mba ahitana fonja ao,tsy ahitana pôlisy na zandary na miaramila,kanefa dia milamina sy mandry fahalemana ny mponina ao aminy.:D

Raha hiverina eto Madagasikara kosa,dia azo lazaina hoe ny Kristiana no maro an\'isa (ny kristiana protestanta,sy Katôlika indrindra indrindra).Ny mahavariana dia ny mpino amin\'ireo fiangonana ireo no tena mameno ny fonja eto Madagasikara(Antanimora,Tsiafahy,Anosilava...).Vao tsy ela akory izay no nisy lohan-jazakely 4 notapahiny hita teto amin\'ny faritra manodidina an\'Antananarivo,ary rehefa zohiny ny nahavanona izany habibiana izany dia mpino avy amin\'ireo fiangonana ireo,izay tsy ho tononiko eto.:(

Fa inona ary no mahatonga an\'izany fahasamihafana be izany eo amin\'ny samy mpino.Sa ilay fanahy miasa ao amin\'izy ireo mihitsy no samy hafa:?:

novalian'i marozevo ny 23/06/2007 22:29
2. liba ( 11/06/2007 05:44)
tsy tena iainana izany le finoana no mahatonga an' izany !
3. ikaretsaka ( 11/06/2007 05:46)
ny tsy fampiasana sy ny fiainana ilay finoany no tsy mety ka mahatonga ilay izy ka.
tsy voatery heo izaho dia izao no finoako na izao na rehefa izao ny finoako dia tsy maintsy izao aho.
fa rehefa tsy ampiasainao ilay izy fa entinao miparady fotsiny dia izay foana no vokany NA FINOANA INONA IO NA FINOANA INONA

ohatran'ny zavatra rehetra io xxx a... izaho manana basy fa tsy ampiasaiko ny basiko dia sady tsy mamono olona aho no arafesina fotsiny ilay izy.
dia ny olona any Madagasikara ka hitanao any am-ponja dia manana ny anaram-pinoana (katolika, protestant, sns...) fa tsy nampiasainy ilay izy dia arafesina dia nifototra aminy
4. Fiffi ( 11/06/2007 06:44)
dinika tsy mazava......ny lohateny "Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa ...?" nefa lasa
Misy nosy tany iray izay,ny mampiavaka an'izy io dia ny mponina ao aminy,izay iray finoana avokoa ("kristiana" tsy ho lazaiko ny finoany);ka ny mahagaga ao amin'io nosy io dia tsy mba ahitana fonja ao,tsy ahitana pôlisy na zandary na miaramila,kanefa dia milamina sy mandry fahalemana ny mponina ao aminy
sady hoe
("kristiana" tsy ho lazaiko ny finoany);
avy eo de hoe:
Raha hiverina eto Madagasikara kosa,dia azo lazaina hoe ny Kristiana no maro an'isa (ny kristiana protestanta,sy Katôlika indrindra indrindra).Ny mahavariana dia ny mpino amin'ireo fiangonana ireo no tena mameno ny fonja eto Madagasikara(Antanimora,Tsiafahy,Anosilava...).
lasa resaka ....
Ny mahavariana dia ny mpino amin'ireo fiangonana ireo no tena mameno ny fonja eto
de avy eo indray de nivadika be le resaka hoe:
Vao tsy ela akory izay no nisy lohan-jazakely 4 notapahiny hita teto amin'ny faritra manodidina an'Antananarivo,ary rehefa zohiny ny nahavanona izany habibiana izany dia mpino avy amin'ireo fiangonana ireo,izay tsy ho tononiko eto
http://www.midi-madagasikara.mg/ " Sady mampisavorovoro no mampihoron-koditra ny fampielezana zavatra tsy misy.
Tsaho mampivadi-po, tsy lohan’olona fa fatin’alika"

nefa indray misy fanontaniana hoe:
Fa inona ary no mahatonga an'izany fahasamihafana be izany eo amin'ny samy mpino.
tena tsy mazava le izy an !
http://www.midi-madagasikara.mg/
5. Fiffi ( 11/06/2007 06:46)
Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa
heu.....noheveriko ho dinika fanontaniana ka hamaliana hoe "zah protestanta na katolika ........satria zao ....
6. bozyboleta ( 11/06/2007 07:03)
Ny filazana hoe mpino izao na izao de tsy ampy ilazana ny olona ho marina satria na ny devoly koa aza ange ka nino e!
Fa ny fananana ny Fanahy Masina no mahasamy hafa ny kristiana sy ny devoly.
Ary ny Fanahy Masina aloha de 1 ihany na inona na inona antokom-pivavahana misy anao e!

7. xxx ( 11/06/2007 07:56)
Misy ny hilaza "tompoko tompoko", ary hisy maro ny haanonona ny anarako" ary misy ny "hanao fahagagana @ ny anarako" ary hisy hilaza ary misy, tonga ary Jesosy" ary hitanay tary sy ny sisa sy ny sisa saingy iray ihany no izy " Tsy izay manao Tompoko tompoko, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko"...... Dia asa inona avy ireo sitrapon'i "Raiko" ireo?
8. marozevo ( 11/06/2007 08:14)
Izahay ilay nihaino anao teny an-kianjanay...
Izahay ilay nidera anao tao an-tempoly...
Izahay ilay....
izahay.

Mialà amiko, tsy fantatro akory ianareo.
9. majesty ( 11/06/2007 09:24)
Finoana tsy miasa = maty


Dia tsy nampiasa ve izany ireo voatanisa eo ambony ireo?
10. pimaso ( 11/06/2007 10:36)
tsy ny antonkom-pinoana no tokony ho jerena fa ny psychologie ny le olona en question,
mila pediatre izy izany
tsisy hifandraisany @ gadra izany,
any amponja manao reformation na reéducation dia basy
ok
;-)
11. Fiffi ( 11/06/2007 11:10)
pimaso:
mila pediatre izy izany
an ? fa atao inona ny pédiatre am-zany ?


12. bozyboleta ( 11/06/2007 11:13)
>>>Pimaso, pédiatre nga moa tsy dokoteran-jazakely, sa?
Plz advise fa tsy arako kely.
13. xxx ( 11/06/2007 15:53)
Inona àry ity dinika ity?
Toa resaka tsy misy lohany sy vody izany. Tsy tena hitako loatra izay tena votoatiny. Efa saika tsy hamaly ihany aho fa ohatra ny tsy mety raha tsy mba manipy teny kely ihany hoe: rehefa feno zavatra tsy mazava ny zavatra tiana iadina hevitra dia aleo tsy apetraka. Hevitro moa io mety ho diso ihany.

14. pissoa ( 11/06/2007 16:44)
1 - marina amiko aloha le hevitry i xxx farafaharatsiny !

2 - mba ataovy mifanaraka amin'ny lohateny ny votoatiny fa manjary mahakamo ny mamaky azy :roll::-D Jereo ny fanazavana nomen'i Fiffi fa mahalaza tsara ny tiako ambara !
15. Fiffi ( 11/06/2007 18:04)
tena dinika tsy lohany sy....mihintsy ity an ! tsy misy hifandraisan'loha-hevitra na de kely aza....
16. nikopol ( 11/06/2007 20:52)
inona marina ary no idiran'ty resaka ty amin'ny fialamboly maozatra ?
17. marozevo ( 11/06/2007 21:39)
Ovao hoe "angano" ny lohatenin'ity, dia amin'izay mifanaraka tsara.
18. xxx ( 12/06/2007 04:47)
marozevo:
Ovao hoe "angano" ny lohatenin'ity, dia amin'izay mifanaraka tsara.


Tsy angano io fa tena zava-misy sy iainana amin'ny fiainana andavanandro.

nikopol:
inona marina ary no idiran'ty resaka ty amin'ny fialamboly maozatra ?


Tsy azoko ilay hoe fialam-boly maozatra.

Fiffi:
tena dinika tsy lohany sy....mihintsy ity an ! tsy misy hifandraisan'loha-hevitra na de kely aza....


Raha jerena maika,dia toa ôtran'ny hoe marina io filazanao io,fa raha sanatria ka mandalina kely an'izay voalaza ery ambony ianao,dia hitanao fa tena misy ifandraisany bdb kokoa,ohatra,"inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa...",dia vakian'i Fiffi amin'izay ilay fehezan-teny dia hitanao hoe fanontaniana mipetraka aminao izy io,hoe raha toa ka izay no zava-misy hita amin'ny ankamaroan'ireo fiangonana voalaza ireo,dia inona kosa ny finoana misy anao,dia sao sanatria ka misy trangan-javatra ôtran'ireo voalaza teo ireo,dia raha izay no zava-misy dia inona ny anjara-biriky entinao,ahafahana misoroka an'ireo toe-javatra mitranga ireo.Dia mino aho fa azon'ny fiffi amin'izay ny fifandraisany an.


xxx :
Inona àry ity dinika ity?
Toa resaka tsy misy lohany sy vody izany. Tsy tena hitako loatra izay tena votoatiny. Efa saika tsy hamaly ihany aho fa ohatra ny tsy mety raha tsy mba manipy teny kely ihany hoe: rehefa feno zavatra tsy mazava ny zavatra tiana iadina hevitra dia aleo tsy apetraka. Hevitro moa io mety ho diso ihany.



Mitovy amin'io hazavaiko amin'ny fiffi io ihany dia mino aho fa ho azonao ny tian'io loha-hevitra ambara.

Misaotra tompoko!
19. marozevo ( 12/06/2007 07:59)
Misy nosy tany iray izay,ny mampiavaka an'izy io dia ny mponina ao aminy,izay iray finoana avokoa ("kristiana" tsy ho lazaiko ny finoany);ka ny mahagaga ao amin'io nosy io dia tsy mba ahitana fonja ao,tsy ahitana pôlisy na zandary na miaramila,kanefa dia milamina sy mandry fahalemana ny mponina ao aminy.

Izao ve dia tsy ho angano !

Na raha tsy zakantsika ilay teny hoe "angano", dia ataovy hoe parabole, na mythe, na legende.
20. Fiffi ( 12/06/2007 09:15)
Tsy angano io fa tena zava-misy sy iainana amin'ny fiainana andavanandro.
aiza zany ? ny zavatra tiako lazaina de zao: ny lohatenin'le dinika de hoe "Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa ...? de tokony io no namaliana azy fa izy ity toa lasa resaka fonja , tsy misy miaramila , polisy sns.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1449