Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa ...?

21. lapino ( 12/06/2007 10:36)
Ny kristiana no maro an'isa ivelan'ny fonja
Ny kristiana no maro an'isa anatin'ny fonja

... inona no ifandraisan'ny fonja sy ny kristiana ? satria ve kristiana no maro an'isa amin'ny polisy ?

xxx:
ary rehefa zohiny ny nahavanona izany habibiana izany dia mpino avy amin'ireo fiangonana ireo
ary rehefa zohiana koa, dia hita fa malagasy tahaka an'i xxx no nahavanona ny habibiana. Mba tsy vanona koa ianareo malagasy izany ry xxx

xxx:
Misy nosy tany iray izay,ny mampiavaka an'izy io dia ny mponina ao aminy,izay iray finoana avokoa ("kristiana" tsy ho lazaiko ny finoany);ka ny mahagaga ao amin'io nosy io dia tsy mba ahitana fonja ao,tsy ahitana pôlisy na zandary na miaramila,kanefa dia milamina sy mandry fahalemana ny mponina ao aminy.
Firy no isan'ny mponina ?
Sao dia mba misy sivana ny fidirana ao, dia ny ivelan'ny nosy no fonjan-dry zareo ?
Sao dia mba misy ihany ny polisy sy zandary fa ny anarany fotsiny no miova ? asa mety hoe katekista sa diakona sa mpiandry sa rahalahy sy ranabavy tompon'andraikitra ?

xxx:
Fa inona ary no mahatonga an'izany fahasamihafana be izany eo amin'ny samy mpino.Sa ilay fanahy miasa ao amin'izy ireo mihitsy no samy hafa
Tandremo !!!!!!!!!!! Sao dia mitatra ho blasfemia izao resakao izao :!::!:
22. johnnyandri ( 12/06/2007 11:24)
Ka ho iza indray ary no hoampidirina any am-ponja? ny polisy???:-D:-D:-D
Mba efa nandinika ve ianareo hoe fidiny hoan'ireo olona voafonja ireo ny nankanesany tany am-ponja? Fidiny azy ve ny fahantrana nozakainy ka nampigadra azy satria nanao hala-botry izy ohatra? Fa maninona ny mpanam-bola no tsy hitanao ao am-ponja? Kristianina tokoa ireo olona ao am-ponja ireo ary efa nilaza iKristy fa izay hanaraka azy dia tsy maintsy hoenjehina...
Koa mivavaha hoazy ireo na mandehana mamangy azy raha hitanao fa Kristianina izy fa izany no ilainy fa tsy ny fanokafana dinika hoe izy izy daholo ireo ao am-ponja ireo.:cry::cry::cry:
23. prime ( 12/06/2007 15:32)
Dia ny mahakristiana tokoa ve no mahatonga izany? sarotra inoana...
johnny:
Mba efa nandinika ve ianareo hoe fidiny hoan'ireo olona voafonja ireo ny nankanesany tany am-ponja?
... Fa natao ho an'iza ny fonja?
johnny:
Fidiny azy ve ny fahantrana nozakainy ka nampigadra azy satria nanao hala-botry izy ohatra?
... Dia mety ny manao halabotry ve?
johnny:
Fa maninona ny mpanam-bola no tsy hitanao ao am-ponja?
... sao dia manonofy ary ianao izany... fa tokony ho an'ny mpanam-bola ve ny fonja? sao dia diso hevitra ary ianao ka resaka harena sy fahantràna no hitsaràna ny olona tokony hiditra na tsy hiditra fonja... sa tokony ny mpanam-bola no ampidirina am-ponja?
johnny:
Kristianina tokoa ireo olona ao am-ponja ireo ary efa nilaza iKristy fa izay hanaraka azy dia tsy maintsy hoenjehina...
... Aoka lehiretsy a, lasa mivadika mihitsy ny tenin'Andriamanitra... ny fonja dia atao ho an'ny olo-meloka eo imason'ny lalàna velona eo amin'ny tany sy ny fanjakàna, ka matoa voafonja dia olo-meloka... aoka aloha hazava izay andrao handiso hevitra eto indray koa hoe olo-marina indray koa ny atao hoe voafonja...

Raha ny voafonja no anontanianao, dia tsy hisy hiaiky heloka eo fa ny hafa no diso nahatonga azy manao an'izao sy izao...

Ny amin'ny tenin'i Kristy mikasika ny hoe enjehina dia manambara izay enjehina noho ny anaran'i Kristy sy ny fijoroana vavolombelona ny amin'ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra fa tsy resaka fanenjehana ara-piarahamonina velively...

Mikasika ny famaranana ny teny nolazainao no itoviako hevitra amin'ny ampahany hoe tokony entina amim-bavaka sy vangiana ary ankaherezina ny voafonja...
24. marozevo ( 12/06/2007 18:47)
izay tena vorona avoaka fa ny akoho mody ho azy eh... Mba ataovy mifandraika ny lohateny sy ny ventin-kevitra.

Inona ny finoana misy anao, Prostestanta sa Katolika sa...?

Dia hoy ny valiny :
- Misy nosy kely izay... Io dia tena hita fa zavatra foronina fotsiny mba hanehoana ilay fifanoherany amin'ilay §-2.- Polisy... Fonja... Zandary
- Olo-meloka
- Mahantra ; be vola.

Tena marina kosa aloha fa be dia be ny manam-bola tsy voafonja na tokony ho voafonja aza e. Ohatra : Ratsiraka Didier... Fa resaka hafa iny.Misy koa ny voafonja nefa tsy tokony ho voafonja. Be dia be mihitsy io, satria tsy manam-bola homena an-dRapolisy, na ry prokirera, na ny Prezidàn'ny tribnaly. Tena misy io fa aza minia mikimpy.
25. ikaretsaka ( 12/06/2007 21:40)
ary nahita aho tany @ io nosikelin'i XXX io nanao izany..
26. marozevo ( 13/06/2007 09:21)
Ary sao dia mba Nosilava ary io nosy kely io ?
27. majesty ( 13/06/2007 09:22)
ika:tsy i Madagasikara kosa aloha angamba le Nosy kely e!:D
28. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:34)
tsy izy ka..
29. prime ( 13/06/2007 14:36)
marozevo:
Tena marina kosa aloha fa be dia be ny manam-bola tsy voafonja na tokony ho voafonja aza e. Ohatra : Ratsiraka Didier... Fa resaka hafa iny.
... :-D Rehefa meloka r'ise voafonja daholo fa tsy misy hoe manam-bola tsy voafonja izany a...
marozevo:
Misy koa ny voafonja nefa tsy tokony ho voafonja. Be dia be mihitsy io, satria tsy manam-bola homena an-dRapolisy, na ry prokirera, na ny Prezidàn'ny tribnaly. Tena misy io fa aza minia mikimpy.
... Tsia tsy mitombina izany r'ise a... aza mampitovy ny "fiction" sy ny "réalité"... Mety hisy 1 na 2 ny hoe voafonja na voagadra noho ny tsy rariny nefa tsy maharitra ela izany fa hita eny ihany ny tena marina... fa tsy hoe be dia be na izy rehetra toy ny lazain'i johnny... izay no lazaiko hoe tsy mitombina sy diso tanteraka...

Asa ianareo raha mba efa namangy fonja fa tsy misy miaiky fahadisoana eny na dia iray aza fa ny hafa foana no diso... misy ihany vitsy dia vitsy no mibebaka ka sahy miaiky heloka...
30. sonwin ( 13/06/2007 15:38)
prime> mitombina kosa io lazain'i marozevo io e! Tena réalité io fa tsy fiction.
31. sonwin ( 13/06/2007 15:43)
xxx:

Misy nosy tany iray izay,ny mampiavaka an\'izy io dia ny mponina ao aminy,izay iray finoana avokoa (\"kristiana\" tsy ho lazaiko ny finoany);ka ny mahagaga ao amin\'io nosy io dia tsy mba ahitana fonja ao,tsy ahitana pôlisy na zandary na miaramila,kanefa dia milamina sy mandry fahalemana ny mponina ao aminy.:D



Averiko ny efa voalaza teo ambony: Angano angano arira arira be io :-D. Raha tsy angano io dia omeo ny anaran'ilay Nosy fa tsy tokony afenina. Fa mety hoe Nosy kely dia kely io raha sanatria ka misy dia nentin'ilay Gourou tany ny mpanara-dia aminy rehetra.:D
32. pissoa ( 13/06/2007 16:48)
:-D:-D:-D
33. majesty ( 14/06/2007 05:36)
34. patrick2002 ( 14/06/2007 21:46)
Inona ny finoana misy anao ,protestanta sa katolika sa...?
KA RAHARAHINAO INONA IZAY FINOAKO :-*
35. marozevo ( 14/06/2007 22:59)
prime:

marozevo:
Tena marina kosa aloha fa be dia be ny manam-bola tsy voafonja na tokony ho voafonja aza e. Ohatra : Ratsiraka Didier... Fa resaka hafa iny.
... :-D Rehefa meloka r'ise voafonja daholo fa tsy misy hoe manam-bola tsy voafonja izany a...
marozevo:
Misy koa ny voafonja nefa tsy tokony ho voafonja. Be dia be mihitsy io, satria tsy manam-bola homena an-dRapolisy, na ry prokirera, na ny Prezidàn'ny tribnaly. Tena misy io fa aza minia mikimpy.
... Tsia tsy mitombina izany r'ise a... aza mampitovy ny "fiction" sy ny "réalité"... Mety hisy 1 na 2 ny hoe voafonja na voagadra noho ny tsy rariny nefa tsy maharitra ela izany fa hita eny ihany ny tena marina... fa tsy hoe be dia be na izy rehetra toy ny lazain'i johnny... izay no lazaiko hoe tsy mitombina sy diso tanteraka...

Asa ianareo raha mba efa namangy fonja fa tsy misy miaiky fahadisoana eny na dia iray aza fa ny hafa foana no diso... misy ihany vitsy dia vitsy no mibebaka ka sahy miaiky heloka...


Asa ianareo na mba efa namangy fonja ? hoy ianao. Dia hoy aho hoe "Fantatro fa ianao mbola tsy namangy fonja tokoa".
Tsara dia tsara ilay principe, ary tsy anao irery fa tena universel io e... malahelo anefa aho milaza aminao fa izany no zava-misy ao am-ponja...
Miara-adalana ny vola sy ny fahafahana.
Miara-dalana ny fahantrana sy ny fonja.
Madagasikara no resahina eto an...

36. Fiffi ( 17/06/2007 10:59)
patrick2002:

Inona ny finoana misy anao ,protestanta sa katolika sa...?
KA RAHARAHINAO INONA IZAY FINOAKO :-*
heu....de rehefa zany de aza valiana koh ! ny anaha koh aloha efa hatram-voalohany no tsy azoko le dinika eh ! io ny fanontaniana nefa zavatra hafa be no resahina ka.....


37. marozevo ( 17/06/2007 20:36)
Ko efa miteny fa tokony hoe "angano" no lohateny koo...
38. gasynamana ( 18/06/2007 18:30)
lazainareeo fa angano io nefa tsy misy "hono" ao anatin'ilay tantara na iray aza. Ary ambadika ary anefa misy tantara maro, ary feno hono ao anatiny, tsy misy sahy milaza na iray aza hoe: Angano ireo.

39. marozevo ( 18/06/2007 21:39)
Rehefa tsy misy milaza hoe angano dia lazao e... Mba miara-miasa re !!...

Raha vao be hono loatra dia tsy angano indray fa honohono.

Ny fiantombohan'ny angano ange tsy hoe hono, fa izao hoe "Fahiny fahalainga dia nisy firenena kely izay..."
40. gasynamana ( 18/06/2007 22:23)
mandehana mamaky ny tantaran'i trinobe sy faramalemy indray aloha, dia fantaro ny atao hoe angano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1855