Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa ...?
41. cutie
(
19/06/2007 03:49)
Mpandefa : patrick2002 [ Valio ] 14-06-2007 23:46:18
Lohateny : Re : Inona ny finoana misy anao,Protestanta sa Katolika sa ...?
Inona ny finoana misy anao ,protestanta sa katolika sa...?
KA RAHARAHINAO INONA IZAY FINOAKO
patrick :-D
42. prime
(
19/06/2007 14:21)
sonwin:...:-D Mitombina ahoana r'ise? réalité ahoana?:-D mba omeo fanazavàna hoe!!!
prime> mitombina kosa io lazain'i marozevo io e! Tena réalité io fa tsy fiction.
marozevo:...:-D Aza mampihomehy r'ise a... misy zavatra tsy tiako ambara nefa tsy maintsy ambarako dia izao, efa namangy fonja aho ary mbola mamangy foana noho ireto antony ireto, ny vadiko dia mpitsara ary fantatro tsara ny andraikitra mankadiry amin'izany sy ny adidy amin'ny voafonja izany, ny faharoa dia tompon'andraikitra amina fikambanana mpanao asa soa aho ary efa nitondra ny namana teny @ fonja ary tsy indray mandeha ka fantatro ny tontolon'ny voafonja fa tsy vaovao amiko...:-D
Asa ianareo na mba efa namangy fonja ? hoy ianao. Dia hoy aho hoe "Fantatro fa ianao mbola tsy namangy fonja tokoa".
marozevo:Tsy principe io r'ise fa zava-misy a... nefa marina ny lazain'ise fa maneran-tany dia izany tokoa no izy...
Tsara dia tsara ilay principe, ary tsy anao irery fa tena universel io e...
marozevo:... Dia izay no lazaiko hoe raha tena fantatrao ny momba ny voafonja (avec dossiers de fonds et jugement) dia ho diso fanantenana ianao fa olo-meloka ireo ary izany mihitsy (eto Dago no resahiko)... izaho efa nilaza eo ambony eo fa mety hisy olona iray mety voaheloka tsy rariny na koa mbola eny am-ponja miandry ny fitsaràna azy (izany hoe mbola "sous présomption d'innocence") fa midira lalindalina kokoa fa aza variana mihaino feon-gazety sy resaka amoron-dalana ary honohono sy tondro-molotra...
malahelo anefa aho milaza aminao fa izany no zava-misy ao am-ponja...
Miara-adalana ny vola sy ny fahafahana.
Miara-dalana ny fahantrana sy ny fonja.
Madagasikara no resahina eto an...
Tena olo-meloka ireo voafonja ireo fa diso mihitsy ny fiheveranareo raha izany... misy amin'ireo noho ny fahelàny eny dia hita efa miarina ary nibebaka mihitsy aza fa izaho miteny aminareo fa ny 90% dia mbola ilay manamarin-tena daholo nefa didim-pitsaràna mihitsy no mivoaka momba azy...
Izaho mitovy hevitra aminareo fa tokony hojerena akaiky ny momba ny voafonja eo amin'ny lafiny mahaolona... fa rehefa mahita ny dossiers momba ireo ianareo dia kivy ratsy fa rà anie no nalatsany e, haren'olona nihariana nandritra ny firy taona no nahodina e, fihariana namoizana sy nanaovana sacrifice maro no faohin'ny sasany indray alina monja, tokantranon'olona niaina ara-dalàna no simban'ny sasany ora vitsy monja amin'ny fanendahana sy famonoana... ny resaka ody sy rongony sy dahalo sns tsy resahiko aloha...
Fa milaza aminareo aho mila fitiavana ireo fa ny filazàna boribory kosa aloha hoe marina ny ankamaroan'ireo dia disoako tanteraka...
43. marozevo
(
19/06/2007 20:29)
Tsy afaka ny hilaza ankoatra ireo lazainao ireo aho, fa marina tokoa ireo... Diso izany ny zavatra reko rehetra tao am-ponja, na tany amin'ny tanàna misy ny fianakavian'ny voafonja sasany izay mba efa hitako.
Eny tokoa eh... Atao inona moa ny fonja tsy ho an'ireo olona lazainao ireo ve ? Fa ianao kosa ve tena mino fa ao am-ponja daholo ny olona tokony ho voafonja ? Ary ianao koa ve tena mino fa olo-meloka daholo ireo voafonja ireo.
Hilaza ianao, sady efa nilaza rahateo, fa misy vitsivitsy voafonja tsy ara-drariny... sa moa ahoana ilay filazanao azy teo, fa hitako ao ambony ao... Dia azo atao ve ny sanatria manao hoe "minorité negligeable" ireo. Ahy io teny io fa tsy anao anh...
Tena mino ve ianao fa tsy miara-dàlana ny fonja sy ny vola ?
Ity saiky tsy holazaiko, fa lazaiko ihany, ary antenaiko sy inoako fa tsy anisan'ity ny vadinao. "Mino ve ianao fa tsy miara-dàlana ny fitsarana sy ny vola ?". Tsy HS izany satria tsy misy ny fonja raha tsy misy fitsaràna, tsy misy fitsaràna raha tsy misy mpitsara.

44. majesty
(
20/06/2007 06:42)
Prime:mety misy fahamarinany ireo lazainao ireo kanefa kely ihany ny finoako raha eto Mada hoe meloka avokoa ny voafonja.Ny antony,mbola tsy ampy fitaovana ari-fomba entiny manao famotorana ny manam-pahefana.Ary tsy vitsy koa ireo olona mividy vola ny fahamarinana ka ny tsy manantsiny no mizaka ny tsy rariny any am-ponja:D
45. prime
(
20/06/2007 12:05)
marozevo:... Tsy izay aloha no nolazaiko an... fa marina ny fanamarihanao nefa... fa ny olona tokony ho voafonja dia tsy ao am-ponja avokoa...:wink: raha ao am-ponja avokoa ireo dia tsy ilaina karamaintsika izaho sy ianao sy ny namana eto @ serasera ny mpitsara sy ny mpisolovava sy ny tafika sy miaramila sy zandary ary polisy...
Fa ianao kosa ve tena mino fa ao am-ponja daholo ny olona tokony ho voafonja ?
marozevo:... olo-meloka ireo fa tsy mahasakana ny olona iray hoy aho mety noho ny tsy rariny ho voafonja... io ilay hoe \"l\'exception qui confirme la règle\", ka anovàna ny tena zava-misy sy ny marina hoe \"lasa olo-marina indray avokoa ireo\"...
Ary ianao koa ve tena mino fa olo-meloka daholo ireo voafonja ireo.
marozevo:... Tsy niteny izany aho fa ny laviko dia ilay fanovàna ny marina hoe \"lasa olo-marina ny voafonja noho ny fahantràna sy ny vola fa tsy misy olo-meloka ireo\"... tsy négligable velively saingy ao anatin\'ny programme de l\'administration @ izao ny fanarenana ireo \"erreurs judiciaires\" rehetra (jugement, vices, manque de preuve) no sady hafainganina avokoa ny fikarakaràna ny taratasim-pitsaràna satria na ny foja aza tsy ampy... asa raha fantatrao fa miverina autopsie daholo @ izao ny razana nisy doute\'na crime ohatra....
Dia azo atao ve ny sanatria manao hoe \"minorité negligeable\" ireo.
marozevo:... miara-dalana mihitsy ireo fa ny fanovàna ny marina hoy aho no laviko, hoe tsy misy mpanam-bola voafonja, tsy te hiresaka betsaka aho fa amin\'izao fitondràna izao indrindra no tena maro ny mpanam-bola sy ny mpanodinkodina no miditra fonja, nihevitra ho tsy azo nokitihina nandritra ny fotoana ela izay... tsy vitsy na ny mpitsara aza izao no midoboka satria hentitra ny bianco amin\'io ohatra... nefa mbola govana ny asa miandry tsy lavina...
Tena mino ve ianao fa tsy miara-dàlana ny fonja sy ny vola ?
marozevo:... Tsy ny fitsaràna ihany r\'ise a, fa izaho mahita fa ny misiteran\'ny fitsaràna no anisan\'ny lohalaharana amin\'izao, manafongana kolikoly... tsy vitsy ny magistrat déclassé na rayé mihitsy... ny avocats sy ny greffiers migadra noho ny kolikoly... mbola misy nefa ny tsy maty voalavo an-kibo saingy efa tena mihavitsy tanteraka...
\"Mino ve ianao fa tsy miara-dàlana ny fitsarana sy ny vola ?\".
Ny amin\'ny fividianana vokam-pitsaràna koa dia mbola misy saingy matetika tratra rehefa misy appel... ka izay ilay lazaiko hoe ny marina tsy azo afenina ary diso ny fiheverana hoe olo-marina indray ireo voafonja ireo...
majesty:... tsy fantatro aloha ny tianao lazaina amin\'ny hoe fitaovana ari-fomba fa efa mivoatra be ny tontolon\'ny famotorana fa tsy araka ny iheveranao azy satria miara-miasa amin\'ny interpol avokoa ny services rehetra @ izao... ny amin\'ny fividianana ny fahamarinana dia misy io n\'aiza n\'aiza fa tsy ny voafonja rehetra akory no voan\'izany? efa nolazaiko ireo ambony ireo ny ampahany mikasika ny tena zava-misy eo amin\'ny tontolon\'ny fitsaràna @ izao...
raha eto Mada hoe meloka avokoa ny voafonja.Ny antony,mbola tsy ampy fitaovana ari-fomba entiny manao famotorana ny manam-pahefana.Ary tsy vitsy koa ireo olona mividy vola ny fahamarinana ka ny tsy manantsiny no mizaka ny tsy rariny any am-ponja
46. prime
(
20/06/2007 12:18)

47. marozevo
(
20/06/2007 22:22)
Kay niverina in-droa le izy... za nefa saiky handinika tsara ilay faharoa. Ilay voalohany voadiniko tsara matoa izao aho vao mamaly.
Efa nolazaiko moa fa ilay teny hoe "minorité negligeable" dia tsy teninao fa teniko, entina hilazana ny fisian'ny olona vitsy dia vitsy voafonja noho ny tsy rariny samihafa. Tena tsy niteny an'izany ianao ka...
Misaotra anao fa mazava tsara ireo ka... Raha ny marina dia io koa no hevitro. Na ianao koa aza dia miaky ny fisian'ny mbola tsy mety ao amin'ny fitsaràna sy ny fonja sy ny ministera.
Tsoriko koa fa efa taona vitsivitsy no jialako tany Mcar, ka mbola ilay fery be taloha no mibahana ao an-tsaina...izay lazainao rahateo fa sarotra ny manarina azy.
Hitako etoana fa tsy mandainga mihitsy ianao fa mahita ny zava-misy eo amin'ny tontolon'ny fonja sy ny fitsaràna.
Ny fanamarihako kely fotsiny dia ity. Sehatra ambony ilay misy anao sy hitanao ary anomezanao fanazavana eto. Tsara izany, fa misy sehatra ambany koa, izay tena zava-dehibe mihitsy. Ny fahitana ny tontolo niainan'ilay voafonja. Ny tany ama-monina misy azy izany eh.... Any ambanivohitra any izany...
Asa na aiza no fonja tena itondranao fanazavana, fa ny ahy dia ny ao Antsirabe no hitako aloha. Eo ho'aho ny fonja, fa eo koa ilay tany niavian'ny voafonja sy ny tontolo iainany. Raha mety ho vita - sady heveriko fa ilaina mihitsy - dia tsara koa ny manadihady any ambany : Jereo iny tontolon'ny s/prefecture Betafo iny (Ankazomiriotra, Mandoto; Mahaiza.... mandram-pahatonga any Beakanga sy Betsohana). Iny manko faritra mena (taloha fa izao kosa aloha tsy haiko intsony).
Averiko indray fa zava-nisy sy niainana talohan'ny 2002 izao lazaiko izao. Raha misy ny ezaka taorian'izay araka io lazainao io, dia tsy misy afa-tsy ny fankasitrahana no azo ambara manoloana izany, ary enga anie hitohy ny ezaka.

48. marozevo
(
20/06/2007 22:25)
Noho izany, - raha iverenana ilay loha hevitra niandohan'ity dinika iray ity - atsy ho atsy dia i Madagasikara ilay firenena kely tsy voalaza anarana.
49. naughtyboy
(
21/06/2007 12:29)
tonga de tohanako le hevitra ny akama 1 tao aloha tao tsy tokony ny antokompinoana no jerena fa ny pediatre izaha ny etat psychologique reny oul reny:-D:°)taolana ny nify ka tsy maintsy mime:wink:
50. prime
(
21/06/2007 13:45)
Ny tena mahavariana amin'ity lohahevitra ity dia ny fanipazana baolina amin'ny kristiana ny hadalàna rehetra mahavoafonja... aleo atao hoe mahagaga...:wink:
51. marozevo
(
22/06/2007 08:42)
Pediatre = Mpitsabo zaza.
Psychiatre angamba no tian'i Naugty holazaina. Teny diso tsy mba kabary iny.
Atsipy any amin'ny Kristianina ny baolina ! Mety mahagaga tokoa oh... Nefa hatsipiny aiza tokoa moa ? Na hevrin'izao tontolo izao ho fahadalana sy fahambaniana aza izany, dia azo raisina amin'ny lafiny positif koa : Atsipy amin'ny mahalala, atsipy amin'ny manam-panahy....

52. naughtyboy
(
22/06/2007 10:23)
:-P akama tany aloha tany no nilaza an'iny teny diso tsy mba kabary iny naveriko kely fa nampiseho nifiko misaotra na tsy nilaiko aza le fanazavana
53. prime
(
22/06/2007 14:11)
marozevo> =D
Misy tsy dia mitombina loatra no tena tiako ambara nefa mahafinaritra ilay fomba fijerinao zavatra... ny tsy mitombina tiako ambara dia ny hoe raha adala ny olona na maditra ny olona na manota ny olona, inona ilay mahakristiana tiana tsipihina amin'izany?:wink::-D:-D

54. marozevo
(
22/06/2007 17:00)
Efa hitako koa ilay teny diso tsy mba kabary tany ambony tany io ka... Izany hoe somary asian'i Naugty tsindrom-paingotra kely fotsiny ilay namana any... izay ilay maha namana. Tsara ka!.... Misaotra na tsy nilaiko aza ilay fisaorana.
Momba io tenin'i prime farany io dia marina, ka miantefa amin'izay nilaza io hevitra io izany ny baoliny.
Fa ity koa mba misy tsipika kely : Ny hoe adala na maditra tsy hidirako. Fa ny hoe fahotana tokoa anie mifandringotra amin'ny fananana finoana eh. Moa azo lazaina fa manota ve ny olona raha tsy manam-pinoana ?