fanitona (épilepsie)

1. ftma ( 31/05/2007 07:56)
Mba saika anontany aho sao mba mahita fomba na toerana azo hitsaboana an'io arentina io ianareo any Madagascar? zaza no voan'izy io, efa nentina tany @ dokotera fa toa mbola mihetsika foana na dia mihinana fanafody aza
novalian'i endriny ny 07/05/2018 12:25
2. sakaizakely ( 31/05/2007 08:30)
ny epilepsie dia aretimitaiza mandrampahafaty, ka tsy azo sitranina, fa mila mihinana fanafody hiarovana ny krizy tsy hatetika loatra, na ho mafy loatra, fa tsy mahasitrana tanteraka ny fanafody, nefa tsy maintsy raisina traitement à vie.

Tsy mahalala ny karazampanafody fihinana aho ka miala tsiny fa tsy afaka hanome torohevitra. Fa mila fanarahimaso avy @ dokotera matetika ilay olona, ary manaraka tsara ny traitement omena.
3. ftma ( 31/05/2007 09:12)
misaotra sakaizakely
Misy dokotera spesialista momba ireny ve sa rehefa dokotera dia mety?
4. sakaizakely ( 31/05/2007 09:21)
eto Frantsa dia neurologue no mpitsabo an'ireny, fa any madagasikara tsy fantatro raha misy sy mety ho araka
:-*
5. bozyboleta ( 31/05/2007 10:30)
Ao Soavimbahoaka misy centre natsangana mihitsy hikarakarana ny epileptique. Neurologue gasy izay no mitsabo ao fa an-dry masera le centre. Tsy haiko ny tena contact le centre, fa le neurologue io manana cabinet privé ao Ambodifilao. Ity ny adresse-ny:

Centre de Diagnostic Neurologique
29 Av Rabezavana Ambodifilao
Tél: 020 22 630 46
Dr RAHARISON Andrianiaina
6. fanilo ( 31/05/2007 11:42)
izaho tratran'izy io fa nanao traitement telo taona teo ho eo nihinana fanafody foana "tegretol"
nanao scaner kosa aloha dia kely dia kely ilay kankana any amin'ny ati-dohamahatonga ny epilepsie dia tsy dia tena gravy ny ahy fa nihetsika indroa nisesy fotsiny dia izay niditra hopital izay, ny any dago no tsy haiko loatra hoe aiza no tokony haleha:?
7. volana1 ( 31/05/2007 11:56)
Zaho manoratra eto dia manana zanaka nanao épilepsie, tsy aretina tsy azo sitranina izany izy io, fa arakaraky ny mahatonga azy, misy ilay hoe kankana tenenin'ny sasany, misy ny traumatisme (nisy choc kely), misy ny zavatra hafa, 17 ans izao ny zanako, nanomboka vao teraka izy dia efa nanao, ary ny traitement nitohy foana, somary tery teo am-piterahana no nahatonga azy, dia rehefa feno 6 ans izy nianjera indray ny lohany, dia izay vao tena nifanintona be. Mandram-pahatongan'ny 14 ans-ny dia nisy foana ny crise, Docteur Bruno Andriamiarina (Neurologue ao amin'ny Ravoahangy no mi-traiter azy), isaky ny enimbola treo aloha dia manao contrôle foana zahay, EEG, scanner sns, ary mihinana Phénobartbital izy isan-kariva. Tamin'izy feno 15 ans dia efa tsy nahitana n'inon'inona intsony ny résultat ny EEG ny, madio tsara, sitrana izy zany, fa ny sevrage amin'ny fanafody no tsy azo atao hainga, izao izahay manao contrôle isan-taona, ary ahenan'ny dokotera isan-taona ny dose ny fanafody. Ny fanafody dia tsy azo asiana fenêtre mihitsy (tsy azo tapahina na indray andro aza) mila malina tsara ary miambina, fa raha vao misy fenêtre dia mifanintona, matetika ny mahatonga ny olona mifanintona nefa efa mihinana fanafody dia manadino izy (misy fenêtre). Lavitr'ezaka ny traitement fa mahereza, fa lainga ny hoe tsy ho sitrana, azo sitranina soa aman-tsara io. lavabe ny resaka, karazana témoignage fa ampaherezako ny namana io.
8. hoobi ( 31/05/2007 12:00)
ftma:

Mba saika anontany aho sao mba mahita fomba na toerana azo hitsaboana an'io arentina io ianareo any Madagascar? zaza no voan'izy io, efa nentina tany @ dokotera fa toa mbola mihetsika foana na dia mihinana fanafody aza



mety le fanafody zany no tsy mandaitra @ le zaza na koa ny diagnostikan'le dokotera no tsy nety satria misy karazana epilepsie maro. Betsaka ny fanafody antiépileptiques sady misy efficaces be mintsiny fa tsy afaka tanteraka aloha fa miprevenir sy lasa mielanelana ny crise.
9. rbkpro ( 31/05/2007 12:26)
ftma:

Mba saika anontany aho sao mba mahita fomba na toerana azo hitsaboana an'io arentina io ianareo any Madagascar? zaza no voan'izy io, efa nentina tany @ dokotera fa toa mbola mihetsika foana na dia mihinana fanafody aza


eny ambohimangakely eny misy dokotera mpitsabo nentim-paharazana izay fa mahasitrana aretina maro mihintsy izy.
10. sakaizakely ( 31/05/2007 12:26)
volana1> ka nahoana no tsy azo ajanona ny traitement raha toa ka azo sitranina ilay izy ? :roll::roll::roll:

marina fa arakaraky ny antony, raha toa ka trauma crânien dia mety ho sitrana fa maharitra ela, fa raha toa kosa anomalie @ atidoha dia possible tsy ho sitrana mihintsy fa mila ttment à vie

samy manana ny cas-ny fa tsy hoe rehefa tsy mitovy @ fantatrao dia mandainga :!:
11. linarako2 ( 31/05/2007 12:31)
sakaizakely:

ny epilepsie dia aretimitaiza mandrampahafaty, ka tsy azo sitranina, fa mila mihinana fanafody hiarovana ny krizy tsy hatetika loatra, na ho mafy loatra, fa tsy mahasitrana tanteraka ny fanafody, nefa tsy maintsy raisina traitement à vie.

Tsy mahalala ny karazampanafody fihinana aho ka miala tsiny fa tsy afaka hanome torohevitra. Fa mila fanarahimaso avy @ dokotera matetika ilay olona, ary manaraka tsara ny traitement omena.

Mety misy aretina mitaiza mandra-pa fa mety ho sitrana koa io any amin'ny toerana misy mpivavaka manasitrana ireny.

12. vahiny2004 ( 31/05/2007 12:52)
sakaizakely:

volana1> ka nahoana no tsy azo ajanona ny traitement raha toa ka azo sitranina ilay izy ? :roll::roll::roll:

marina fa arakaraky ny antony, raha toa ka trauma crânien dia mety ho sitrana fa maharitra ela, fa raha toa kosa anomalie @ atidoha dia possible tsy ho sitrana mihintsy fa mila ttment à vie

samy manana ny cas-ny fa tsy hoe rehefa tsy mitovy @ fantatrao dia mandainga :!:


ny sevrage @ fanafody no nazavainy teo fa mila atao progressif , satria raha nihinana ilay fanafody nandritra ny 15 ans izy dia tsy azo ajanona tampoka. Raha ny fahazoako ny voalazany teo dia efa dégressif ny fanafody izao


13. kally ( 31/05/2007 13:14)
HS be aho fa hono ho'a ny épilepsie ve tsy androbe no izy e? fanintona convulsion no tena dikany.

Azafady fa ohatry ny HS be.
14. vahiny2004 ( 31/05/2007 13:48)
ny fahalalàko azy ny épilepsie dia aretina fa ny convulsion dia manifestation n'ilay aretina

ny épileptique dia manao convulsion,
ny ankizy miakatra hafanàna be koa dia mety manao convulsion

ireo nahazo cysticercose t@ loha dia manao convulsion fa tsy voatery ho épileptique. Mety ho lasa épilepsie ihany ilay cysti @ loha raha tsy voatsabo
15. ftma ( 31/05/2007 15:47)
Misaotra anareo rehetra namaly.
Vao afak'omaly alina no tratran'io zaza io, nandeha nianatra ihany izy dia tratra indray tany ka nentina tany @ dokotera generaliste dia efa nahazo fanafody fa mba tiako ho specialiste no mijery azy satria tsy hay izay nahatonga ilay aretina.
16. xxx ( 31/05/2007 19:07)
za ko efa tratarn'io t@za vao 1an de 7 ans fa avye eo de nilamina ko ; fa zany hoe reafa diso mafana be za de tratra'io t@mbola kely
17. watafon ( 01/06/2007 04:01)
Ny fanitona dia "convulsion", ny zaza latsaky ny 05 taona no tratrany matetika rehefa miakatra ambony loatra ny hafanany, raha ankoatr'izay kosa izy no miseho dia mety ho fitrangan'ny "épilepsie"; ka sao dia mba nafana be ilay zaza dia nifanitona ? Ny tiako lazaina zany dia fisehon'aretina mandalo ftsn ny fanitona fa tsy tena aretina akory !
Ny "épilepsie" ndray na "androbe" dia mila traitement continu, marihina fa ny cysticercose cerebrale zao dia manome crise na épilepsie koa!
Fehiny dia aleo mijery NEUROLOGUE izay specialisé amin'ireny aretina ireny!
18. ftma ( 01/06/2007 06:45)
Misy taleta miafina any ho any :wink:
Misaotra anareo @ fanazavana rehetra, lazaiko eo ihany rehefa mahazo vaovao aho
épilepsie ilay izy fa heveriko hoe fanintona no dikany @ teny gasy
19. diamondra27 ( 01/06/2007 17:42)
tokony manaraka traitement le olona raha voan'io = rivoltil fa mijere ihany aloha dr e!
20. diamondra27 ( 02/06/2007 14:24)
diamondra27:

tokony manaraka traitement le olona raha voan'io = rivoltil fa mijere ihany aloha dr e!


rivotril fa tsy rivoltil
tsssssssssssss diso frapy ndray za :twisted::twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7421