fanitona (épilepsie)

21. watafon ( 04/06/2007 21:23)
diamondra ::-D
22. diamondra27 ( 05/06/2007 09:41)
wata::oops::oops:
hihinana ravioli eo ny hiafarany
23. xxx ( 05/06/2007 10:33)
Tsy ny dokotera ve no tsara kokoa manome izay tena fanafody sahaza ilay marary ?
24. xxx ( 05/06/2007 10:40)
xxx:
Tsy ny dokotera ve no tsara kokoa manome izay tena fanafody sahaza ilay marary ?
izaho mba gaga!dia raha hihaino izay lazain'ny tsy mpitsabo eto dia asa fotsiny angamba!


25. Mandefitra ( 29/06/2007 10:30)
Ny rafozako nianjera fony kely,ny lohany no nitsatoka t@ tany,ary tsy nahatsiaro tena izy.T@ zany mo tsy de nisy fitsaboana fa vita ho azy.Nony efa lehibe izy,nihetsika epilepsie,nanantona ny Pr Sambany,ao @ hopitaly befelatanana izahay,natao ny analyse sy ny eeg etc... nisy faritra voadona tao @ lohany tao.Nomeny karazana antibiotique sy anti convulsion.Tsy mbola nihinana fanafody izy de nisy crise ny aretina,ka toy ny lasa adala izy.Nakana mpiandry, niasany nandritry ny herinandro vitsivitsy.rehefa afaka zany,nohaniny ihany ny antibiotique,sy ilay anticonvulsion,saingy 3 mois teo de najanona satria zahay nino,izy koa nino fa efa sitrana izy (nositranin i Jesosy).
H@ zao tsy nihetsika ntsony ny aretina, izy aza efa nampianatra sekoly alahady.Efa t@ 2003 zany.
=>Azo atao tsara ny manantona mpitsabo, nefa tadidio fa "Dokotera mitsabo, Jesosy manasitrana."
Mirary fahasalamana
26. Nakasoa ( 06/05/2018 08:37)
Manahoana daholo nareo...za manana zanaka lahy kely 4ans izy zao,mbol tsy miteny foana 3ans izy vao nanomboka nande,narary foana izy io nandritra izy fony vao teraka ka hatram zao..misy karazana aretina hafa mivoka foana ,fony mbol bebe izy dia oe misy maloto ao amin'ny mahalehilahy azy dia natao traitement tsy nety sitrana nef raha tsy natao didipoitra izy avy eo ndray dia lasa otran somary bosue zan lay zanako netiny nihotra indray dia ef mb mahintsihintsy,vita zay dia marary lava manao crise be nentina dokotera nef fa dia tsy naita fiovana akory..am zao ndray milaza ny dokotera fa manao fanintona ao anaty lohany lay zanako fa tsy miseo ety hivelany...marary ny foko ontsa an lay sombiniaiko kely aho,nande dokotera indray zahay dia tsy nisy fanafody nomena fa dia oe mande orthophoniste mampianatra azy hiteny fa rehefa miteny izy sy miasa ny saina dia mihena ny crise sy ny fanintona...mb mila sosokevitra avy aminareo fa tena malahelo...misaotra mialoha
27. endriny ( 07/05/2018 12:25)

Nakasoa:



Dia mirary soa ary mankahery anao amin'ny fikatsahana fahasalamana ho an'ny zanakao.

Fa mba manantona ihany eny amin'ny hopitalin'ny ankizy eny Ambohitsoa-Ambohimiandra raha mety.

Misy antony maro mantsy no mahatonga ny ankizy na ny olona tsy miteny, fa ny antony iray mateti-pitranga dia ilay hoe marenina ilay zaza.

Mahita izay katsahina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3182