Ny heloky ny rainy ve no tsy anaovana batisa ny zanany?

1. ronaldo09 ( 26/05/2007 12:21)
Zavatra niseho tao amina fiangonana protestanta iray tao Antananarivo,mpivavaka ao amilay fiangonana efa ho roa taona ilay ramatoa fa ny vadiny kosa dia tsy mpivavaka saingy tsy misakana ny vadiny handeha hivavaka!Nisy anefa ny fotoana hanaovana batisa ilay zaza zanak'izy roa ary tsy maintsy misy aloha ny dinika atao amin'ny mpitandrina ary nilaza io mpitaiza am-panahy io fa tsy afaka manao batisa ny zaza izy satria tsy mpivavaka ny rainy !Jesosy anefa niteny hoe:Avelao ny zaza hanantona ahy ary aza rarana fa an'ny toa azy fanjakan'ny lanitra nefa ity raiaman-dreny ampinoana ity dia nanda fa tsy mpivavaka ilay raim-pianakaviana ka tsy nanao batisa ilay zaza izy !Dia hoy aho hoe :Ny heloky ny rainy ve no tsy hanaovam-batisa ilay zaza?Ary moa tsy tafiditry ny lanitra ny olona iray mpivavaka marina raha toa ka mpanompo sampy ny raiamandreniny?Mila ny hevitsika Kristiana ny tenako fa toa mahalasa saina ity toe-javatra ity !!!
novalian'i miraymel ny 28/11/2007 15:55
2. Fiffi ( 26/05/2007 13:09)
"ronaldo09":
Ny heloky ny rainy ve no tsy anaovana batisa ny zanany?
amiko aloha de na meloka tahaka n'inona aza le rainy de tsy tokony hanakana ny fanaovana batisa ny zanany zany !
"ronaldo09":
nilaza io mpitaiza am-panahy io fa tsy afaka manao batisa ny zaza izy satria tsy mpivavaka ny rainy !
tsy aiko ary tsy afaka ny hitsara an'io mpitaiza am-panahy io zah an ! fa kosa ozy zah hoe:

-raha manaiky ny hanaovana batisa an'le zaza io mpitaiza io de manoné "opportunité" an'le rain-jaza mety :
-handinin-tena (fandinihan-tena)

-ny "importance" zany fanaovana batisa zany

-ny fanajana ny finoan'sasany (na de tsy nanao na inona na inona tam olona aza izy) fa na de ho an'vadiny hiany aza...

3. Fiffi ( 26/05/2007 13:16)
de hoy zah hoe : na ny faneken'le rain'le zaza ny hanaovana batisa an'le zanany aza de efa tena zava-dehibe ka tsy aiko hoe fa nahoana ny nolavina izany ? de @ maha-mpitaiza am-panahy an'io olona io ve de tsy ahatakatra an'zany ?
4. Fody ( 26/05/2007 13:40)
Izaho kosa dia mahita fa rariny ary tena marina ny fandavan'ilay Pastera ny tsy hanaovana batemy ilay zaza, izay inoako fa mbola kely.
Ny antony dia izao: Tsy hoe meloka ny rainy dia izay no tsy hanaovana batemy ilay zaza fa zava-dehibe loatra ny fandraisana an'io sakramenta iray io. Mitaky andraikitra lehibe eo amin'ireo Ray sy Reny mitaiza ilay zaza. Izy ireo mantsy no mampita amin'ilay zaza ny fampianaran'ny Fiangonana mikasika ilay fahasoavana lehibe noraisiny mba tsy ho very maina fotsiny izany. Raha hita fa tsy hahefa izany ireo Ray aman-dreniny dia aleo miandry azy lehibe vao hatao.

Manaraka: amin'ny fanaovana batemy ny zaza dia ny finoan'ireo Ray aman-dReny no jerena. Mino marina ve izy, ary vonona handray andraikitra amin'izay finoany izay?

Marina fa tena sitrak'i Kristy raha entina manatona azy ny zaza, nefa aza adino fa ny fitantanana ny zaza, amin'ny alalan'ny fanabeazana azy amin'ny fomba kristiana, no tena tsara indrindra.

Ampalalao ny zanatsika hatrany i Kristy hitiavany azy bebe kokoa hatrany.

Hitombo fahalalana an'i Kristy hatrany anie isika, hitiavantsika azy bebe hatrany koa. Amen

5. Fiffi ( 26/05/2007 14:01)
"fody":
Mitaky andraikitra lehibe eo amin'ireo Ray sy Reny mitaiza ilay zaza.
ka izay angé no antony nolazaiko hoe
"Fiffi":
raha manaiky ny hanaovana batisa an'le zaza io mpitaiza io de manoné "opportunité" an'le rain-jaza mety :
-handinin-tena (fandinihan-tena)

-ny "importance" zany fanaovana batisa zany
de hanatrika an'io batemy io izy de iza no mahafantatra raha mba hiova am-zay izy hitodika am finoana ? ary zao koh an ! am io fifankahitana am le mpitaiza io indrindra no hilazana na ahafantarany ny zavatra miandry azy ! satria zava-dehibe tokoa ny batemy
"fody":
Ampalalao ny zanatsika hatrany i Kristy hitiavany azy bebe kokoa hatrany.
@ fomba ahoana ozy enao raha zao toe-javatra izao no miseho ? io le nolazaiko hoe "opportunité" ho azy mba hanarahany ny lalan'Jesoa ho an'zanany na ho azy....
6. ikaretsaka ( 26/05/2007 14:15)

fiffi:
raha manaiky ny hanaovana batisa an'le zaza io mpitaiza io de manoné "opportunité" an'le rain-jaza mety :
-handinin-tena (fandinihan-tena)
-ny "importance" zany fanaovana batisa zany

ekena
sa kao ve samihafa ny finoan'ilay rainy sy ilay reniny?
7. Fody ( 26/05/2007 14:23)
Fiffi: mila mitandrina ihany amin'ny zavatra sahala amin'itony fa betsaka ny olona no manao izay fomba mba hanaovana batemy ny zanany fotsiny, avy eo tsy hita intsony. Ny antony aloha dia tsy haiko loatra.
Ohatra: zavatra fahita matetika rehefa amin'ny fotoana fanomanana batemy, sy amin'ny fotoanan'ny batemy dia miakatra be ny isan'ny kristiana tonga mivavaka. Tsara be izany. Saingy ny alahady manaraka an'io dia efa miverina amin'ny isany taloha indray no tonga.
Toe-javatra misy hatraiza hatraiza io (any Mada no resahako eto).
8. Fiffi ( 26/05/2007 16:41)
Fody: heu...marina ny anao...zah aloha de tena efa naheno ary tena nanatrika batemin'zaza zay de tena niteny mintss ny mamany hoe "atao batemy ohatran'zaza rehetra izy fa tsy hanaiky zah hoe hanao caté zany izy noho ny fijaliako tam zah nipetraka teny am masera" :(

Fa kosa an: tokony omena chance io rainy io , raha tsy te-hanomé chance an'io olona io ny mpitaiza de mba tokony le zaza no nojereny !
9. mignone ( 26/05/2007 16:48)
endraso ho lehibé ilay zaza raha izany , rehefa mahatsapa tena izy hoe tokony hiroso dia miroso ... "izay mino no hatao batisa " :°)
10. kelly13 ( 26/05/2007 17:05)
kanefa ny aina tsy mifametra, ka raha sanatria maty ilay zaza dia tsy hahazo ny paradisa izany? :o
11. Stretch ( 26/05/2007 17:24)
ny zaza ry reto madio tsy manatsiny toy ny anjely a !
heloka ho an'izay tsy manaiky ny hanaovana batisa azy,
Atra no mahita , fa ny fanahin'ilay zaza dia efa voavonjy raha izany no ahiahin-dry ry kelly.
ny batisan-jaza dia fanolorana ny fiainany ho an'Atra fa tsy hoe raha tsy vita batisa ny zaza dia ho lasa any am afobe [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/e_no.gif[/IMG]
12. niryna ( 26/05/2007 18:01)
Stretch:

ny zaza ry reto madio tsy manatsiny toy ny anjely a !
heloka ho an'izay tsy manaiky ny hanaovana batisa azy,
Atra no mahita , fa ny fanahin'ilay zaza dia efa voavonjy raha izany no ahiahin-dry ry kelly.
ny batisan-jaza dia fanolorana ny fiainany ho an'Atra fa tsy hoe raha tsy vita batisa ny zaza dia ho lasa any am afobe [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/e_no.gif[/IMG]

Izaho koa dia manaiky an'izany.Izay mino sy atao batisa hoy ny Tompo no hovonjena.Raha mbola tsy mahalala sy tsy mbola vonona amin'ny fanolorantena ho an'ny Tompo izy dia aleo miandry lehibe.
Ny tsy nahavitana ny zaza batisa fony kely tsy ahatonga azy ho any amin'ny afobe mihitsy.Tompo no nilaza ny fanjakan'ny lanitra izay fanoharana hilazana fa any ny zaza no mandeha rahatrizay mody ety.
Izay olona meloka ka tsy nifona no fahafantarako azy fa mankany amin'ny afobe,ny zaza tsy manantsiny,tsy manana eloka tsy ho any.Hatramin'ny firy taona no atao hoe zaza?Rehefa mbola tsy mahalala ny ratsy sy ny tsara ka mifanaraka ny didy folo.:D




13. kelly13 ( 26/05/2007 19:29)
tsy zany nefa no nampenarina anay fa oe ny zaza ono tsinona vokatry ny atao oe "peché originel" dia mila io "fandiovana" io. ary tsy oe any @ afobe zany fa any @ inn indray izy teo, fandiovana un truc de ce genre e. sa mampianatra katesizy diso?
14. ikaretsaka ( 26/05/2007 20:34)
Avelao kosa ny zaza hanatona Azy e. ary tsy fahotana sy fahadisoana ny manao batisa azy ,
15. xxx ( 27/05/2007 10:32)
Raha amiko indray dia sy hitako ny antony tsy nanaovana batemy an'ilay zaza. Satria ny reniny dia voalaza fa kristianina ary mpivavaka ao @ io Fiangonana io. Sady ny rainy tsy nisakana rahateo. Ary tadidio fa ny reny no tena mitana andraikitra lehibe @ io fampitana finoana io ho an'ny ankizy. Na ny fotoana na ny finiavana eny na ny fanaraha-maso dia hafa ihany ny reny. Ka raha vonona hanabe azy ara-pinoana ilay reny inona no sakana ?
Manaraka, dia tsy azo terena hino izany koa ny olona é, tonga ho azy eo foana io raha mahita ohatra tsara eo @ vady aman-janany izy.
Ary mahagaga ihany ilay fiheverana hoe : aleo rehefa lehibe izy manapa-kevitra @ izay ho finoany. Diso tanteraka ary fialana andraikitra izany amiko. Maninona koa raha tsy andrasana lehibe vory saina izy vao alefa any an-tsekoly hianatra.
Adidy @ maha-kristianina ny mampanao batemy ny zanaka, ary tsy hitako izay maharatsy an'izany fa fanoroana azy @ lalan-tsara izany.

16. tywa68 ( 27/05/2007 14:23)
Ronaldo09 : Ilay Ray sy Reny anie manome toky eo imason'Atra sy ny fiangonana fa hitaiza an'ilay zaza @ finoana kristiana, ary an'isany hitsanganana ery aloha ery zany miaraka @ ireo marraine sy parrain !
Dia aza miteny hoe maninona no tsy mety, satria efa zany ny firafitra arahin'ny fiangonana. Tena hafa raha hoe kamboty ray, dia ny reniny sisa no mitaiza azy.

xxx sy Ikaretsaka : Taizàna anatin'io finoana io ny zaza ary farimbon'asa miaraka @ fiangonana sy ny vavolombelona mijoro izany satria tsy mora. Ny nandavan'ilay pasitera satria rainy ao an-trano aza tsy mino, dia sadaikatra izy hoe ahoana no hahalavorary an'izany ? :wink:
17. xxx ( 27/05/2007 23:31)
Aza dia matin'ny lalàna isika fa vao mainka hampandositra ny olona te-hanantona an'Andriamanitra. Dia mifono fanavakavahana avy hatrany anie izany io fandavana io. Satria dia tsy ekena koa izany ny fanambadian'ny vehivavy na lehilahy iray protestant amin'ny olona hafa finoana aminy( izany hoe tsy kristianina na tsy mpivavaka). Satria raha ny ilay protestant ihany no mankany am-piangonana dia tsy ho vita batemy mihitsy ny zanany.
Mba diniho akaiky ihany fa aza faly mampiatra lalana fotsiny.
18. tywa68 ( 28/05/2007 07:25)
xxx : tsy hampandositra olona ny hanaovana izany fa matoa koa enao anatin'io fiangonana io, dia mba manaja ohatran'ny rehetra ny fepetra narahan'ny rehetra h@izay. Afaka manao batisa sy mariazy any an-trano koa anie enao na eny an-tokontany raha tianao, fa matoa enao miditra @ilay fikambanana, dia mba manaiky ny règles efa misy ho an'ny rehetra, fa tsy mitady irika ialàna @izany.
Ary raha tena te-hatao batisa sns, na efa lehibe aza vao miditra maninona moa ? au contraire, safidy mazava sy tsara fototra izy @izay.
Ny mariazy ampiangonana kosa raha samy kristiana tsy olana e ! :wink:
19. sonwin ( 28/05/2007 09:28)
Diso ho hentitra loatra ingahy Pasy satria:
1- Ny Reniny sy ny mpiantoka no ho tompon'antoka ny fanabeazana ilay zaza amin'ny fomba kristianina
2- Ny Rainy izay tsy mpino aza manaiky ka tsy hitako ny olana:matoa izy manaiky, dia mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny batisa, ary antenainy fa hahasoa ny zanany ( Tsy misy Ray tsy mieritreritra ny hahasoa ny zanany izany)
3- Amiko izany dia fanampenam-pahasoavana tsotra izao ny ataon'ilay Pasitera
4- Io zaza io mety ho lasa misionera ho an'ilay Rainy aoriana

kelly13> marina ilay katesizy nianaranao ka,manala ny fahotana tamin'ny fototra tokoa ny batemy

tywa68> ary raha kristianina sy tsy kristianina ve ny mariazy ampiangonana dia olana? tsy azo atao??
20. Fiffi ( 28/05/2007 09:37)
ny zaza tsy manan-tsiny....tsy nangataka ny ahatongavana ety izy.....noho izany de tokony fantatr'io mpitaiza am-panahy io zany satria izy koh nandalo tam zany !
Ny tsy fanekeny ny hanaovana batemy an'io zaza io amiko de tena fahadisoany tanteraka nefa izy koh mba mpitaiza am-panahy hiany !

Sinon ......inona no maha mpitaiza am-panahy azy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1974