Ny heloky ny rainy ve no tsy anaovana batisa ny zanany?

41. Zina ( 30/05/2007 00:04)
tywa68 [ Valio ] 29-05-2007 09:59:14
Lohateny : Re : Ny heloky ny rainy ve no tsy anaovana batisa ny zanany?
Iza no tena borné eto ô ? samy maneho ny heviny ary ny hitako tena aviavy dia enao io ry xxx (zay angambany no tena hiafenanao).

Malalatinasoa : misaotra nanome ny hevitrao ; hita hoe namaky tsara enao (fa tsy misafotofoto ohatran'i xxx).


:-* nareo roa
nyrina:-*
42. tywa68 ( 30/05/2007 05:11)
Zina sy xxx : avereno vakiana h@ voalohany hoa ny resaka nifanaovana fa toa maro² ihany ny bornés ato :-D:-D :-*

Tsy ny fifandirana sy ny fanesoana eto akory ny hahavita ny raha², fa samy manana ny fijeriny ary azoko antsaina ny antony nandavan'ilay pasitera. Zany akory tsy midika hoe tsy hiova hevitra izy raha tena tsapany fa hahavita hitaiza an'ilay zaza araky ny fomba kristiana ny olona manodidina azy.


43. bozyboleta ( 30/05/2007 11:02)
Ny lalàna misy @ fiangonana Protestanta @ zao kosa no nahatonga io Pasitera io tsy nanaiky le batisa e!

@ zao aza de ny RAD mitsy no miantoka ny zanany atao batisa fa tsisy marraine na parrain zany tsony. Ny antony de noho le fanekena atao refa any am-piangonana. Zava-dehibe loatra iny fanekena iny satria miantoka ny fitaizana ara-panahy ilay zaza ary ny RAD ihany no heverina fa tena akaiky ny zaza satria miaraka aminy foana ka afaka haharaka io fitaizana io. Ny RAD koa no tompon'andraikitra voalohany @ fitaizany ny zanany ara-batana, saina, fanahy.
Ka raha tsy mivavaka aza le rainy, ahoana no ahafahany hanaiky fa hitaiza le zaza @ fomba kristiana tanteraka izy?
Taloha mantsy de manaikinaiky daholo fotsiny refa anontaniana eny @ alitara, fa tsy nisy nandinika loatra le fanekena. Fomba sal@ fomba rehetra fotsiny fa tsy niditra lalina t@ tena heviny ara-pinoana. Nisy aza ny sasany taloha havana tsy mifankahita matetika @ le zaza akory, na dadabe sy bebe efa antitra no atao mpiantoka ny zanany, de maty ireny avy eo na tsy mifanerasera loatra intsony de iza ndray no hanatanteraka le fanekena?

44. ronaldo09 ( 31/05/2007 12:46)
Le fiovan'ny lalana mifehy ny fiangonana aloha tsy fantatro hoe oviana,za tsy manda fa saingy Jesosy mihitsy no niteny hoe:Izay manantona ahy tsy ho laviko mihitsy ary raha maty ary ilay zaza sanatria dia tsy ho tafiditry ny lanitra ve satria ny rainy tsy mpivavaka?
45. xxx ( 01/06/2007 17:25)
ronaldo09:

Le fiovan'ny lalana mifehy ny fiangonana aloha tsy fantatro hoe oviana,za tsy manda fa saingy Jesosy mihitsy no niteny hoe:Izay manantona ahy tsy ho laviko mihitsy ary raha maty ary ilay zaza sanatria dia tsy ho tafiditry ny lanitra ve satria ny rainy tsy mpivavaka?

Izany mihitsy,hevitra avy amin'ny ray aman-dreny fotsiny io,fa Andriamanitra efa nametraka ny zaza rehetra ho any an-danitra rehefa maty na zanaka generaly,kaporaly,senagaly,jentilisa,na kristiana na malagasy,na mpino na tsy mpino.Dia ahoana ny fiangonana sasany tsy maitsy mivadika ilay finoany ilay vehivavy vao atao mariazy ary na efa noraisina aza ilay vehivavy dia tsy maitsy atao kominio?Izany izao no tena hafa indrindra amiko satria tsy lasa Andriamanitra na Jesosy kristia fa lasa ilay finoana ao amin'ny fiangonana no arahana.Io dia tena diso tanteraka amiko.:roll:?Izany ve tsy ny fiangonana no hindraindraina fa tsy Jesosy.Dia ahoana ny hevitrareo amin'izany?

46. xxx ( 01/06/2007 20:45)
Ka io no lazaiko fa tokony mbola mila mianatra ireo mpitandrina sasany fa sao lasa borné eo koa. Ilàna fandanjalanjana ihany anie ity resaka finoana ity fa raha ts'izany dia lasa idéologie tampoka eo.
47. ronaldo09 ( 05/06/2007 09:34)
:-w
48. marozevo ( 05/06/2007 11:44)

Hoy i xxx :
Dia ahoana ny fiangonana sasany tsy maitsy mivadika ilay finoany ilay vehivavy vao atao mariazy ary na efa noraisina aza ilay vehivavy dia tsy maitsy atao kominio?

Aiza ho'aho no ahitanao an'io eh ?
49. prime ( 07/06/2007 11:11)
ronaldo> Ny tsy azonao raha ny fahitako ny fiaingan\'ny adihevitra dia ny rafitra FJKM mihitsy... aleo marihiko vety2 ireto foto-kevitra ireto dia ho azonao angamba :

[list=a]
  • raha zaza no atolotra amin\'ny batisa dia ny RAD no tompon\'antoka ny amin\'ny fanolorana azy ka tsy misy idiran\'ny safidin\'ilay zaza io na dia kely aza fa adidin\'ny RAD kosa ny mampatsiahy sy mampianatra azy ny lalam-pamonjena ka manatanteraka ny voady natao rehetra teo amin\'ny alitara, na t@ fanambadiana, na t@ batisa
  • ny RAD manolotra zaza atao batisa dia tsy maintsy sady vita batisa no mpandray ny fanasan\'ny tompo (io dia toy ny mariazy ihany fa ny mpanambady entina eo anoloan\'ny alitara sy hamasinina ao am-piangonana dia tsy maintsy vita batisa sy mpandray ny fanasan\'ny tompo)
  • ny RAD no mpiantoka feno ny zaza atao batisa
  • ny RAD no manatanteraka ny voady atao @ batisa, izay ny tena goavana (tsy manamaivana ny hafa) dia ny antoka hahatonga ny zaza ho mpianatra sekoly alahady, ny mampianatra azy ny finoana sy ny famonjena sy ny antony nanaovana azy batisa, ny mitaiza azy hahatonga azy ho mpandray ny fanasan\'ny tompo toa ireo RAD koa...
  • raha samy mbola velon\'aina ny RAD ka mbola mivady ara-dalàna sy voamasina am-piangonana dia tsy misy mahazo banga rehefa manolotra ny zaza atao batisa
  • ny ankoatr\'izay dia ny dinika hifanaovana amin\'ny iray na izy roa mpivady no ahafahan\'ny mpitandrina manapaka feno ny hahafahana mampandroso ny zaza na tsia ho amin\'ny batisa...

  • Ny tsy nomenao dia ny hoe vita batisa sy mpandray ny fanasan\'ny tompo koa ve ilay rangahy? raha tsia dia mazava ny antony...

    Ny amin\'ny hoe ny zazakely dia tafiditra any an-danitra ho azy avokoa dia tena diso tanteraka... ny niantsoan\'i Kristy ny zaza hanatona azy sy ny nanoharana ny zaza ho mendrika ny fanjakan\'Andriamanitra dia noho ireo apostoly sy mpianatra sy fariseo nanatrika an\'i Kristy tamin\'io fotoana nilazàny io teny io... fa ny tenin\'Izy Andriamanitra ihany no efa namaritra fa :

    \"araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;\" Romana 3:10...

    Ka na zazakely io na mbola vao mitsaika any am-bohoka aza io dia izao no voasoratra amin\'ny anaran\'i Jesosy :

    \"Indro, tamin\'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin\'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.\" Salamo 51:5

    Ny famonjen\'i Kristy sy ny nandatsahany ny ràny dia nataony ho an\'ny rehetra... tsy misy olona na dia iray aza tafiditra ho azy any an-danitra raha tsy mandalo ny batisa sy ny famelan-keloka avy amin\'i Kristy... ary izany no anisan\'ny mahazavadehibe ny fanolorana ny zaza ka tsy hanaovana izany ho fombafomba fotsiny fa misy fototra ara-tsoratra masina miantoka ny famonjen\'ilay zaza mihitsy...

    Aoka tsy hadino fa Saoly Mpanjaka raha niady t@ Filistina dia nodidian\'Andriamanitra haringana ireo Mpanjaka fahavalo sy ny fianakaviany sy ny vahoakany sy ny hareny iray manontolo dia ny omby aman\'osy... ary notsipihiny manokana haringana avokoa na zazakely na vehivavy na antitra satria mpanohitra an\'Andriamanitra t@ fanompoan-tsampy...

    Raha tonga koa ny safodranon\'i Noa dia maty tao avokoa na ny zaza na iza na iza tsy nanaiky ny fanambaran\'i Noa avy tamin\'Andriamanitra...

    Raha nofaizina koa Sodoma sy Gomora dia tsy nisy navahana manokana ankoatran\'ny rahalahin\'i Abrahama fa novonoina avokoa satria vetaveta teo imason\'Andriamanitra, na ny lehibe na ny zazakely, na ny tanora, na lhl na vhv...

    Ka miambena rey olona...
    50. miraymel ( 28/11/2007 15:55)
    ny haiko indray dia ny hoe zaza tsisy ray (tsy misoratra amin'ny rainy) tsy azo atao ny manao batisa an'ilay zazà raha tsy mifona eo anatrehan'ny fiangonana ny neniny
    flm (protestant io a):(
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079