tolory tanana

1. xxx ( 15/05/2007 13:12)
faly miarahaba antsika rehetra, sambany ny tenako no niditra teto amin'ity sehatra fivavahana sy finoana ity. Manana olana lehibe za eo amin'ny fiainako ka mba mangataka vavaka avy aminareo. Misaotra tompoko
novalian'i xxx ny 22/05/2007 07:48
2. Fiffi ( 15/05/2007 13:19)
xxx:

faly miarahaba antsika rehetra, sambany ny tenako no niditra teto amin'ity sehatra fivavahana sy finoana ity. Manana olana lehibe za eo amin'ny fiainako ka mba mangataka vavaka avy aminareo. Misaotra tompoko
tongasoa aloha enao zany ....na de niafina xxx aza ! ary hivavahana tokoh moa zany ! :)


3. rakaroka ( 15/05/2007 13:32)
Dia mety ve ny vavaka raha tsy fantatra tsara lé xxx sy lé blem-ny:roll::?::?:
4. fanaina ( 15/05/2007 13:36)
xxx eny tokoa raha mba fatatra indray ny anaranao dia mora ny manao azy.:-*
5. xxx ( 15/05/2007 14:11)
misaotra anareo namaly, eny na dia tsy fantatra aza ny tenako
6. rush ( 15/05/2007 14:33)
"rakaroka":
Dia mety ve ny vavaka raha tsy fantatra tsara lé xxx sy lé blem-ny
fa tsy maintsy fantarina izany hoe iza no iza izay vao afaka mivavaka ho an'olona ianao?dia ahoana izany ireny hoe hivavahana ireny traboina any an-tany lavitra ireny nefa tsy misy olona fantatra na dia iray aza?dia tsy hivavaka ho azy izany ianao?
"fanaina":
xxx eny tokoa raha mba fatatra indray ny anaranao dia mora ny manao azy
dia mitovy hiany koa izany!ianareo koa izany tsy mba hivavaka @ olona raha tsy fantatrareo io olona io nefa mangataka fanoloran-tanana?aiza re izany kristianina izany e?
7. nathie86 ( 15/05/2007 14:33)
io ndray i xxx
8. nathie86 ( 15/05/2007 14:37)
rush an, lay olona tsy manin ra tsy fantatra ka fa le blem no mila fantatra.
9. pissoa ( 15/05/2007 15:33)
tsisy ilaina fantatra kosa angamba e ! Efa fantatr'Andriamanitra tsinn dia teneno izy hoe ilay namanay ao amin'ny serasera nangataka vavaka iny, fantatrao izy ary fantatrao ny olany ... :-D:-D:-D
10. rakaroka ( 15/05/2007 16:09)
[quote=rush]
dia ahoana izany ireny hoe hivavahana ireny traboina any an-tany lavitra ireny nefa tsy misy olona fantatra na dia iray aza?dia tsy hivavaka ho azy izany ianao?[

Voafaritra anie ny hoe ho an'ny "traboina" donk "rattaché" koa ilay hataka atao @ ilay vavaka sy izay sahaza azy... Raha "précis" mantsy no mangata-javatra , inoako hoe mora mahazo valiny e:lol::lol::lol:, dès fois na tsy valian'Atra aza mety valian'ny "ange"sera angamba?:-D:-D:-D
11. xxx ( 15/05/2007 16:27)
Farito aloha hoe inona no atao hoe mivavaka, izay vao lazao hoe mety na tsy mety ny mivavaka ho an'ny olona tsy fantatra: na ny anarany na ny momba azy.

raha ho ahy manokana aloha dia tsy mety ny mivavaka ho an'ny tsy fantatra, izany hoe tsy misy hay mihitsy ny aminy: na ny olana sedrainy, na ny fahorina entiny, na ny hafaliny, na koa ny anarany, sns... Iray amin'ireo no fantatra dia efa izy izay. Amiko mantsy ny hoe vavaka dia resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary rehefa mivavaka ho an'ny olona iray aho na maromaro dia mitondra azy sy ny aminy eo anatrehan'Andriamanitra. Miresaka ny aminy amn'Andriamanitra. Tsy resaka manidina amin'izay ny vavaka atao fa mifototra tsara. Tsy paokaty fa misy votoaton-dresaka, sns...
12. pissoa ( 15/05/2007 16:49)
xxx : misy fantatrao mikasika an'i xxx nanokatra sujet ! Fantatrao fa manana olana izy. Ilaina ve ny ankoatra izay ? Araka ny teninao dia "resaka" ny vavaka, izany hoe tsy ianao irery no mandray anjara ao, fa Andriamanitra koa ! Ka Andriamanitra efa mahafantatra izay mahazo an'i xxx nangataka vavaka. Heveriko fa tsy manakana antsika tsy hivavaka ny "tsy fahampiana informations" ... misy vavaka azontsika atao foana araka ny zavatra fantantsika ... RAHA TE HIVAVAKA TOKOA ISIKA fa tsy lany andro mitady antony tsy hivavahana ! Asa aloha ...
13. rakaroka ( 15/05/2007 17:11)
SSssssss Tsotra tokoa izany:
"Andriamanitra ô :roll:
Fantatrao i xxx ao @ serasera :lol:
Manana blem izy ! fa tsy haiko loatra aloha io blemn-ny io :-w:-wfa Ianao no mahafantatra azy sy izay am-pony tsy miloaka sy ny blem-ny rehetra!:-w:-w:-w
Dia ampio izy: vahao ny olana manahirana azy!:-w:-w
Atra mpihaino vavaka Ianao!Inoana fa hanampy azy @ izany zava-tsarotra mianjady aminy izany!
Misaotra Ray ô!
Amen!
14. rakaroka ( 15/05/2007 17:17)
:-$
Dé koungefa ny lohateny eto hoe "tolory tanana".
Ka ianao moa izany ty ry namana xxx sady tsy hita maso no tsy haiko tsara le blem koa , atolotro toa ny ahoana moa ny tanako fa toa misy hoe"mila vonjy?"
izay ao @ page d'acceuiln'ny sera ao. Asa mety manampy ve?...:wink:
15. rush ( 15/05/2007 17:20)
izany hono e!raha misy olona mba mangataka vavaka @ nareo dia aza manaiky raha tsy fantatrareo aloha io olona io!dia avy eo aza manaiky hivavaka ho azy koa raha tsy lazainy @ nareo ny zavatra manjoa azy!aiza re izany rakristianina o!
16. rakaroka ( 15/05/2007 17:46)
rush:

izany hono e!raha misy olona mba mangataka vavaka @ nareo dia aza manaiky raha tsy fantatrareo aloha io olona io!dia avy eo aza manaiky hivavaka ho azy koa raha tsy lazainy @ nareo ny zavatra manjoa azy!aiza re izany rakristianina o!


Ianao kosa toa manome moraly Bbbe anefa raha zohina ny ao anaty baiboly aza toa nilaina "nentina" teo @ i Jesoa ilay olona sy ny momba azy! ka tsy tokony hitompo teny fantatra na izany aza satria misy "antony" mifamatotra @ lohateny rahateo ny "piste" n'ny valim-bavaka
17. rush ( 15/05/2007 18:32)
pissoa:

RAHA TE HIVAVAKA TOKOA ISIKA fa tsy lany andro mitady antony tsy hivavahana !
dia ampiko hoe" RY KRISTIANINA O!AO MBA HIVAVAO IO NAMANA IO!


18. Fiffi ( 15/05/2007 18:47)
iza no mahay ity hiram-pivavahana ity ?

Laisserons-nous à notre table
Un peu de place à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un peu de pain et d’amitié ?

Laisserons-nous à nos paroles
Un peu de temps à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un cœur ouvert pour l’écouter ?
19. xxx ( 15/05/2007 23:31)
Mahalala ny manjo ny olona rehetra Andriamanitra. Afaka mamonjy sy manampy ny tsirairay koa izy. Ka nahoana àry no mbola ilaina ny mivavaka ho an'ny hafa e? nahoana no mbola mila miresaka amin'Andriamanitra mikasika ny olona iray aho? Nahoana no mbola mila milaza aminy fa mila vonjy avy aminy ity olona ity? Tsy izy ve no efa nahalala izany nialoha ahy?

rush: diso hevitra ianao rahavako satria raha nilaza aho fa mba mila mahalala kely ny amin'ilay olona dia tsy sanatria fahalainana velively ny hitondra azy am-bavaka akory, fa famaliana ny hetahen'i Kristy amintsika, dia ny hoe: aoka mba ho iray izy ireo. Ny fitondrana am-bavaka ny olona iray amiko dia fiombonam-po amam-panahy aminy. Firaisana aina tanteraka aminy.

Ataoko fa raha misaotra ianao dia nahatsapa fa nisy zava-tsoa voaraina tao. Toa manahirana ny misaotra raha tsy misy izay fahatsapana izay.
Tsy hifona koa ianao raha tsy mahatsapa fa nanao hadisoana, hafahafa ny mifona nefa tsy mahatsapa fa diso
Tsy afaka ny hitaraina ianao raha tsy mahatsapa fijaliana, hadalana ny fitarainana tsy misy antony loatra
Tsy afaka ny hangataka ianao raha tsy mahatsapa fahabangana, sns...

Hafa kokoa ny vavaky ny olona mahatsapa fa iray amin'ny olona entiny am-bavaka.
20. niryna ( 16/05/2007 06:04)
xxx:

Farito aloha hoe inona no atao hoe mivavaka,

Ny fahazoako azy raha amin'ny maha kristiana no resahina dia fitadiavana sy fifandraisana amin'Atra.Fisaorana aminy,fiderana azy,fanantonana azy,fanomezana azy toerana ambony noho ny rehetra.Mivavaka ihany koa ny olona rehefa angataka zavatra aminy izany hoe miresaka amin'Atra izany.Mitantara izay manjo azy ary mangataka sy mitalaho aminy ny amahany ny olana izay mety mianjady amin'ny olona iray.Mivavaka no filaza rehefa hiresaka aminy.Miresaka amin'ny tompo isika dia izay ilay atao hoe mivavaka.Miresaka amin-tsika kosa Atra amin'ny alalan'ny baiboly.Ny famakiana ny teniny dia mahavaly ny vavaka izay angatantsika aminy,izany hoe manome hery ho antsika ny fahalalana ny teniny ka na dia tsy mbola mivaly akory aza ny vavaka ataontsika dia efa manana fanantenana isika fa hamaly izy.:roll::D:D

Miresaka izany dia tafiditra ny fisaorana amin'izay nataony,sy mbola ataony ary vao ataony amin'ny fiainantsika.Sa ahoana hoy ianareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3815