tolory tanana

21. nathie86 ( 16/05/2007 09:01)
rush:

!aiza re izany rakristianina o!

ireo ol reetra reo kristianina ra mitady enao.
Ary aza mitsara mba tsy hotsaraina fa tsara kokoa @ko ny maalala ny olana misy alohan'i itondrana azy eo @Jesoa. @ zay precis kokoa d manamora ny asany zany:-D
22. cristal ( 16/05/2007 09:38)
(l)(l)(l)Mbola miarahaba anareo indray e!
Eto dia tsara ny ahafantarantsika fa ny solon'anarana na ny apetantsika eto dia tsy azo hivavahana satria:
1/Raha misy olona tena io tokoa no anarany any amin'Andriamanitra dia izy no mahazo valiny tsy ratsy ankory izany fa tena tsara satria mivavaka hoan'ny hafa fa tsy tia tena
2/Io anaranao io na dia mbola tsy teraka aza ianao dia efa voasoratra sy fantany,zany hoe tsy hisy vokany hoan'xxx eto izay mangataka ny vavaka!
3/Ny vavaka oa mila mahintsy ka inona no hivavahanay,
FEHINY:Ianao mahalala izy tsy atoro,fa izahay hivavaka hoe,ianao mahafantatra an'io olona izay mitondra ny solon'anarana hoe xxx io koa mamelaha ny helony ary manampia azy @ zay maha ory azy,misy toby atoroko anao fa tsy miteny aho hoe mifindra mivavaka any fa misy ASA SY FAMPAHEREZANA isan'andro any raha mila fampianarana ianao dia tongava ny zoma maraina manomboka @ 8h maraina,
TOBY FLM Logt 238 67H tsy misy tsy mahalala io toerana io,isan'andro @8h-10h dia ny hariva 14h-16h ny zoma izy io no tena tsy homby ny trano fa mila tonga aloha!Na ny tranokala www.madalight izy zay!Tsy manery fa manoro izay nahasoa ahy dia mba zaraiko e!
23. xxx ( 16/05/2007 13:27)
Fiffi:

iza no mahay ity hiram-pivavahana ity ?

Laisserons-nous à notre table
Un peu de place à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un peu de pain et d’amitié ?

Laisserons-nous à nos paroles
Un peu de temps à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un cœur ouvert pour l’écouter ?
aleo mandinika an'ity hira ity fa toa nandiso fanantenana be ahy ny valin'nomen'ny namana momba an'io fangatahan-tolo-tanana ho an'ny namana mangataka fivavahana io.


24. niryna ( 16/05/2007 15:14)
cristal>misaotra tamin'ny fampaherezana an'i xxx.Atra koa tsy manampy izay tsy manampy ny tenany.Izany hoe amin'ity mangataka fivavahana ity dia izy tenany mihitsy no manolotra ny fony,ny fanahy ary mibebaka amin'ny tompo izy.Mifona aminy ary dia miresaha aminy amin'ny fo feno torotoro sy fo madio.Hoy izy hoe izay mangataka dia omena ,izay mitady dia ahita,izay mandona dia ho vohana,vakio Matio 7:7 ny tena fanazavana an'io teniko io.Isika hoy izy hatramin'izao mbola tsy nangataka tamiko,mangataha zavatra amiko ianao hoy izy ary ataovy amin'ny anarako izany,izaho irery ihany fa tsy any amin'ny hafa ianao no mangataka dia omeko anao izany,raha mino ahy tanteraka sy mametraka ny fonao amiko tanteraka ianao:P.Fantany tokoa i xxx ary izy no hilaza azy aminy,eny mamaly vavaka izy ho an'izay rehetra mino sy matoky ary mametraka ny fiainany aminy.Mazoto xxx ary mandehana mivavaka aminy ianao.Raha misy roa na telo mangataka zavatra amiko amin'ny anarako dia ataoko koa izany hoy izy.Miantso ny havanao,ny namanao ,ny olona any am-piangonanao izay mahalala anao sy ny anaranao,milaza fa mila ny fanampiana aminy ianao fa misy olana ka mba mangataka vavaka.Tsy misy na iray aza mahavita tena,ny manendry tena no fahendrena,rehefa mahatsapa isika fa mila azy,izay zavatra kely izay fotsiny dia efa mahavita sy mahasolo ary manome fampaherezana antsika.:D:D:D
(l)niryna
25. diamondra27 ( 17/05/2007 07:38)
ary le olona eto wa de tia wa wa wa
maninona zao raha tsy asiana commentaire

nangataka vavaka izy de na ianao hanao na ianao tsy hanao, un point c'est tout fa tsy mila we zao sy zao

aza miditra @ fiainan'ny olona fa fangatahana no ataony de mamaly , de vita


aiza ve isaky ny misy dinika izao dia hitarina foana le resaka

mazotoa daholo mivavaka...
26. diamondra27 ( 17/05/2007 07:45)
Azafady mifona fa direct be
Sao dia misy olona tsy mahay ny atao hoe: mivavaka kosa aloha raha tsy fantatra ny tokony atao sy tenenina?

Ny vavaka dia tsy mila tsianjery na teny lavabe.
Rehefa mangataka zavatra @ RAD ny zaza de direct;
dia ataovy tahaka izay ihany koa ny fangatahanao @ Atra rehefa mivavaka.

Misy namana sambany vao nandeha teto @ internet , manana olana be de mangataka fiaraha-mivavaka etc etc
Valio ny fangatahiny Tompo ô!Amen


27. rakaroka ( 17/05/2007 08:11)
diamondra27:

ary le olona eto wa de tia wa wa wa
maninona zao raha tsy asiana commentaire

nangataka vavaka izy de na ianao hanao na ianao tsy hanao, un point c'est tout fa tsy mila we zao sy zao

aza miditra @ fiainan'ny olona fa fangatahana no ataony de mamaly , de vita


aiza ve isaky ny misy dinika izao dia hitarina foana le resaka

mazotoa daholo mivavaka...


Tsy hoe wa,wa,wa fa TSY MITOVY ny "CONCEPT" ny FINOANA sy ny "VAVAKA"8O8O8O
28. diamondra27 ( 17/05/2007 08:22)
29. xxx ( 17/05/2007 12:50)
Diamondra27:
Ekena tsy mila tsianjery ny vavaka: Averiko fa resaka ho ahy ny atao hoe vavaka. Raha mivavaka ho an'ny olona iray aho dia miresaka ny aminy amin'Andriamanitra.
Dia alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin'ny olona iray momba ny olona iray izay tsy misy fantatrao ny aminy: ny zavatra ilainy, ny manjo azy, sns... Ataoko fa na ilay mihaino anao na ianao miresaka aminy dia samy ho monamonaina avy. Bla bla bla fotsiny ny resaka atao

Izaho akory tsy mitaky hoe omeo eto ny momba anao rehetra, nefa moa raha izay no hataony vao maika tsara.
Tsara satria misy finoana lalina ao. Misy fitokisana tanteraka amin'ny herin'ny vavaka sy ny herin'Andriamanitra.
Misaotra anao dia aza mora misafoaka fa samy milaza izay iainany ny finoany ny eto. Ny anao angamba marina, ny ahy koa anefa mety tsy diso. Mifameno isika ka raiso izay tsara, avelao izay tsy mendrika
30. Fiffi ( 17/05/2007 15:15)
Fiffi:

iza no mahay ity hiram-pivavahana ity ?

Laisserons-nous à notre table
Un peu de place à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un peu de pain et d’amitié ?

Laisserons-nous à nos paroles
Un peu de temps à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un cœur ouvert pour l’écouter ?

tsy nisy namaly zah......(tena étranger marina ve zany io namana io ? nefa na de étranger aza izy de io nolazain'le hira io no andeha dinihako kely)........


31. diamondra27 ( 17/05/2007 16:02)
xxx: za dia mitovy hevitra aminao ange e!saingy izao rehefa manome le sujet de prière izy de zay vao mivavaka en détail sns
Atra nge mahalala ny momba antsika rehetra, hatr@ isan'ny volondohantsika tsirairay aza dia voaisany

mazotoa indray ô!:-*:-*
32. pissoa ( 17/05/2007 16:31)
xxx:
Mahalala ny manjo ny olona rehetra Andriamanitra. Afaka mamonjy sy manampy ny tsirairay koa izy. Ka nahoana àry no mbola ilaina ny mivavaka ho an'ny hafa e? nahoana no mbola mila miresaka amin'Andriamanitra mikasika ny olona iray aho? Nahoana no mbola mila milaza aminy fa mila vonjy avy aminy ity olona ity? Tsy izy ve no efa nahalala izany nialoha ahy?

Valiko ianao satria za niteny hoe mahalala ny manjo an'xxx nanokatra size Andriamanitra.
Raha io teninao io no zohina dia lasa hoe "tsy tokony hivavaka intsony isika satria efa hainy daholo". Hevitrao angamba izay, fa tsy izay mihitsy ny hevitro tamin'izaho niteny hoe mahalala ny rehetra Andriamanitra.

Amiko fotsiny, averiko indray, tsy mahasakana antsika tsy hivavaka ny tsy fahampiana informations. Misy vavaka azontsika atao foana ... ka rehefa io monja no azon'i xxx nanokatra sujet ho nambara antsika mikasika azy, dia vavaka araka io info ananantsika io no tokony ataontsika. Ny vavaka, indrindra ny fangatahana, dia tsy misy ratsy eo anatrehan'Andriamanitra rehefa ny sitrapony no atao lohalaharana. Tsy voatery ho blabla fotsiny ny vavaka ! Tsy bedy anie raha fohy ny vavaka atao e ! ary tena vavaka tokoa raha mangataka "fotsiny" isika mba hatoron'Andriamanitra an'i xxx nangata-bavaka ny lalana tian'Andriamanitra hiatrehany sy hialany amin'ny olana mianjady aminy --- ary omen'Andriamanitra hery izy hanjohy izay lalana atoron'Andriamanitra azy. Ny fangatahana amin'Andriamanitra tsy voatery hoe : Andriamanitra o ! Omeo vary iray kilao i Pissoa mipetraka ao Afrika atsimo, mirefy 1m56 ... Tsia ! tsy izay mihitsy.
33. rakaroka ( 17/05/2007 17:17)
Hafahafa ihany anie isika ireto indraindray: "rehefa mampianatra ny soratra masina eto" dia pingapinga ery isika manentana ny hafa hitondra eo @ "Kristy izay manjo azy, sns", ka raha izany maninona no tsy avantana any avy hatrany izay tsy ambaratelo aza e? fa atao inn eto indray rahateo tsy tiana volanina akory mba hahitana izay vahaolana ohatra?:roll:8O:lol:
34. pissoa ( 17/05/2007 17:42)
Rakaroka : :-D:-D:-D
Saika notohizako ny hevitro teo ... fa najanoko kely aloha fa lava loatra !

(Tohiny)
Mangataka vavaka amintsika i xxx.
Supposons hoe fantantsika ny olana mahazo azy. Ny "fakam-panahy" hahazo antsika voalohany dia hanao be saina hamaha ny olany ary avy eo dia hangataka isika mba ho voavaha araka ny vahaolana hitantsika ny olana mianjady amin'i xxx ... fa ho hadino eo ny sitrapon'Andriamanitra sy n vahaolana avy amin'Andriamanitra.
rakaroka:
fa atao inn eto indray rahateo tsy tiana volanina akory mba hahitana izay vahaolana ohatra?

Tsindriko : fakam-panahy io hoy aho ... tsy voatery ho tratra ao daholo ny rehetra ary izaho koa tsy miteny hoe tsy mety ho avy amin'Andriamanitra ny vahaolana hitantsika an - fa hoy aho hoe tsy voatery. Ka tsara kokoa rehefa ny mangataka ny sitrapon'Andriamanitra aloha. Raha ny hitondran'i xxx ny olany mivantana eto moa ny sitrapony ... Aoka hotanteraka araka izany :wink:
35. rakaroka ( 17/05/2007 18:52)
:roll:Marina tokoa aloha fa misy ny "secret personnel" tsy famboraka aman'olona dia izay izany no mitranga eto ka noho izy ianjadian'izany dia mangataka "vavaka", fa tsy safariako indray ny hoe
mety afaka hitondra vahaolana ny namana tsy ampoizina isan-karazany: tsy atao izany hoe tsy avy @ Atra satria isika dia mety irika iasan'Atra koa ahato ny zava-maro, rahateo c'est vraiment pas de "fraternité" ho ahy ny "indifférence" @ namana
sahirana 'ndrao misy azo hifanampiana :tsy heloka izany fa au contraire aza ny maha "tena iray" ao @ Kristy ohatra tsy tokony ho tafandry mandry ny iray raha misy manjo ny iray! Izay aloha ny eritreritro:wink:
36. xxx ( 17/05/2007 18:58)
Misaotra betsaka anareo nivavaka ho ahy, na dia tsy nilaza ny anarako aza aho ary ihany koa tsy nilaza ny olana mianjady amiko.
Na dia mbola tsy voavaha aza ny olana dia miara mihombom-bavaka amiko ianareo satria ny vavaky ny maro hono mahataka-davitra.

37. sitlo ( 17/05/2007 19:30)
:-D, hay ve ka misy ohatra izao ato am serasera eh. Nitsatsaingo-dresaka kely aho tamn'iny aleo tonga dia exit:arrow:

38. pissoa ( 17/05/2007 19:49)
hita eny foana wa ny ondrakondrafana :-D:-D:-D
39. nathie86 ( 18/05/2007 08:18)
diamondra27:

ary le olona eto wa de tia wa wa wa
maninona zao raha tsy asiana commentaire

nangataka vavaka izy de na ianao hanao na ianao tsy hanao, un point c'est tout fa tsy mila we zao sy zao

aza miditra @ fiainan'ny olona fa fangatahana no ataony de mamaly , de vita


Fa aoka ko tsy ho adino fa dinika no atao eto ane milaza ny heviny ny reetra entina hanatsarana le wa wa wa fa tsy hoe kihana be fahatany kory.
40. xxx ( 18/05/2007 10:17)
Pissoa: mba vakio hatramin'ny farany ny zavatra soratako izay vao mamaly fa manjary mandiso ny zavatra tiana hampitaina ianao, sady manjary mivilana ny valin-teny. Misaotra betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818