O ry namana ato amin'ny sera2 Inona no kalinareo (sakafo) ?

1. niryna ( 04/05/2007 06:27)
Miala tsiny fa tokony tany amin'ny sakafo no nataoko saingy tsy maninona fa tsy manontany ny fandrahoana azy tsinona kou.
Misy maromaro ihany ny misy antsika ato amin'ny serasera mba lazao hoe ny toerana misy anareo ary inona no foto-tsakafonareo any ?:miam::miam::miam:
Aleo aloha tonga dia teneniko ity fa tsy maintsy misy.
Dago : vary ihany ny anay malagasy.:snif:
Amerika:karazana toton-kena ireny atao ao anaty mofo ary asiana fromage,miaraka ny ovy endasina sy ny soda coca na spirit.:D
novalian'i saroun ny 11/05/2007 10:58
2. sipagasy ( 04/05/2007 07:26)
manao ahoana,

Izaho kosa mipetraka aty Lille (frantsa) ary ny foto-tsakafoko, euuhh ny anay mianakavy moa izany e! dia vary ny atoandro sy hariva, satria (gasy hihih) + fangarony mety ho hena (kisoa, omby, agneau, mouton)io + karazana legumes, mety ho trondro ihany koa, endasina na atao anaty four, + akoho amam-borona, izay somary mankaleo hihih satria tsy dia misy tsirony loatra, rehefa maika dia steak haché endasina na koa atody, dia ny voankazo, salady, koa moa misy ihany e! ary izaho moa misy ankizy an-trano dia tsy hadinoina koa ny karazana yaourts e! faran'izay tsotra ihany e! hihihi satria tsy haiko isika na velona mba hihinana, na hihinana mba ho velona kouuuuhhh, tsy dia tia karazan-drano mamy ny ato an-trano raha tsy hoe ranom-boakanzo tsy nampiana siramamy ngaha!!! fa dia rano tsotra @ izao ihany e!, euuhh saika hadino, ny maraina dia ronono sy karazana cereales e!!

dia tongava aza aty @ izay fa efa ho vacances e!, efa ireo ny zavatra hiandry aty hihihihi:-*:-*:-*
3. ftma ( 04/05/2007 07:35)
tsy ny specialité ny toerana ve no tian'i nyrina anontaniana?
Zolie-sipagasy: mbola tsy niova ihany ve ny foto-tsakafonareo aho :wink: nefa efa ...
Aty aminay (sud France) lasopy trondro (bogabaisse tsy haiko ny manoratra azy:roll:) paty (akaikin'i italia moa dia manaraka ny any) indrindra ravioli à la niçoise :miam:
raha ato an-trano dia mazava ho azy vary miaraka amin'ny trondro, sosisy vieux Nice (tsara noho ny any Dago io an) ravitoto, tsaramaso, rehefa sakafo gasy dia mety ho hita ato e
dia tongava aza aty @ izay fa efa ho vacances e!, efa ireo ny zavatra hiandry aty hihihihi
:-* miampy ranomasina fotsiny io an :wink:
4. sipagasy ( 04/05/2007 07:39)
mmhhh zoli-Ftma, ho tanterahina akia ny sitrapon-jiko raha ho avy injy ann, jereo anie ny 'carte' e! fa tsy dia alavitra ny ranomasina anie e!!!
mmhhh ka tsy hihinam-bary ve izany hoy injy akia???? mmhhhh za tsy hanary ny ahy kannn hihih eny e!!! rehefa maika anie dia mba manao pates sns ihany koa e! fa ny 80% n'ny andavan'andro dia vary kannnn
5. johnnyandri ( 04/05/2007 09:07)
Misy doziny io vary ioa an.
Mba faly ery aho aloha fa hoe mihinambary be ry Thai, kinanjo inona? tena THAI, vary maina maraina vary maina antoandro vary maina hariva, kay izahay gasy fa tsy mihinana an\'izany kosa kleh. Misy karazana sakafo bedebe aty izany ary saika ohanindry THAI avokoa io karazana bozaka sy voninkazo ary zozoro sy hazo rehetra io. Misy lasopy koa ary afaka manao potage sy ny karazany satria misy vegetables aty. Afaka mihinana salade tonga dia nisy koa na salady nisyhoazy:-D:-D:-D, Ny sakafo maraina dia mihinana chocolat miaraka amin ny ice na karazana ranom-boakazo, ny rano fisotro rehetra dia tsy maintsy ampiarahina amin ny glacons fa mafana be ny andro aty. Misy karazana varisoa sahala amin ny Tsock izay, matsiro izy io. Ny sakafo rehetra dia saika be sakay avokoa, na dia sakafo maraina aza sady ampiarahina amin ny siramamy n tantely, vetaveta fahandro hanina mihitsy ry Thai. Mihinana cake na omelette na ouef sur le plat na ouef dur miaraka amin ny tantely. Ny antoandro afaka mihinana pattes na vary na lasopy pattes madity izay. Manantalenta amin\'ny sakafo vezetariana ry zareo ary hainy ny manao sarina hena vezetaly na ny sosisy vezetaly. Misy poulet dessera koa fa ataony sahala amin ireny tetika loks ireny raha mba efa mihinana loks ianao. Fa matsiro koa ny poulet roti-ny aloha raha hirevena miaraka amin ny kofy ery Ambodimita e. Mihinana lasopy karazany maro koa aty ary sady mahandro ianao no mihinana, izany hoe eo ambony latabatra izany ny fatana sy ny ingredinents rehetra dia manao lasopy ianao sady miresaka no mihinana. Efa vonona ny bouillon, ary karazana anana hafa mihitsy ilay izy, miaraka amin ny boulette de pouisson sy tetika akoho tonga dia barbecue, eo amboniny, miaraka amin ny pattes vao arotsaka dia masaka. Misy lasopy rambon\'omby koa aty saingy hafa ny fahandrony azy ary saika be fofofna epices ireo. Ny lasopy trondro lena koa dia nahazendana saingy andrahoina miaraka amin ny veromanitra sy ravim-boasary ary ravina olives, dia mihinana ahitra sy bozaka sy ravinkazo ndraindray e. Mihinnana ny sakafo rehetra aty saingy misy revy hafa mihitsy indraindray. Fa dia vary sy laoka foana aloha ny fotontsakafo e. Anjaranao fotsiny no mitandrina sy mandanjalanja hoe hihinana salady aho na hihinana paty aho na hihinam-bary aho na hihinan-kena, ny henakisoa dia saika mamy ny andrahoiny azy ka mankaleo satria izany tsasiou foana. Ny fromazy dia rare mihitsy fa tsy mihinana matetika. Tia zava-mamy ny Thai, ary rehefa mamy izay dia ohatry ny zazakely manao sakafo miharo siramamy sy tantely. Ny cafe sy the ary ny beks sy ny rano rehetra dia miaraka amin ny glacons avokoa.Bobaka koa ny karazana voankazo ary mamy tsara avokoa fa tsy marikivy. Tongava ary aty Thaland fa te ihinan\'tsy fihinana e...:lol::wink:
6. tywa68 ( 04/05/2007 09:08)
ftma sy sipagasy : miam² efa fantatra mihitsy ny tia kaikitra ato :lol:

Niryna, ny anay (aty france) efa voalazan'izy 2 ireo e !

Fa hafa ihany hoa ny vary sa laoka e (hena sy anana vidiana eny @ sinoa).:wink:
7. adidy ( 04/05/2007 09:31)
Raha ny ato an-trano dia sakafo gasy: vary + laoka cf fatma sy sipagasy!!
Fa ny ahy ny tena tiako dia ny manandrana kaly hefa, na any @ resto aty (atsimo) na rehefa mandehandeha!
Ka tena tiako: ny kaly tavaratra: couscous sy tajine!! Sady za manana akama tavany!
Dia kaly indien: pakora de légume, tandoori de poulet na curri, miaraka @ ilay riz basmati manitra be sy ilay gâteau semoule!!
dia ny kefona libanais: miaraka @ ireo karazana purée de légume, chausson miaraka @ épinard, dia hena mariné
kaly antillais: hors d'oeuvre miaraka @ morue , vary dia hena miaraka @ saucen-jareo.
Misy resto brésilien vao misokatra fa mbola tsy vita visiten'i adidy!!
8. Vahinala ( 04/05/2007 09:49)
Araka ny voalazany nyrina d izahay aty Mada noho izany vary no ady eo, saingy tsy vary foana kosa fa hovaina kely ndraindray, mety ho pâte zany ohatra na koa couscous. Ny laoka ampiarahana aminy no somary manahirantsaina satria ndraindray ts hita intsony izay atao fa lany fika !
9. mignone ( 04/05/2007 10:10)
aiza aza i booboo :-P
10. nikopol ( 04/05/2007 10:31)
ny ahy kourgety sy atody foana zao tato ho ato
11. kelly13 ( 04/05/2007 11:18)
ftma:

tsy ny specialité ny toerana ve no tian'i nyrina anontaniana?
Zolie-sipagasy: mbola tsy niova ihany ve ny foto-tsakafonareo aho :wink: nefa efa ...
Aty aminay (sud France) lasopy trondro (bogabaisse tsy haiko ny manoratra azy:roll:) paty (akaikin'i italia moa dia manaraka ny any) indrindra ravioli à la niçoise :miam:
raha ato an-trano dia mazava ho azy vary miaraka amin'ny trondro, sosisy vieux Nice (tsara noho ny any Dago io an) ravitoto, tsaramaso, rehefa sakafo gasy dia mety ho hita ato e
dia tongava aza aty @ izay fa efa ho vacances e!, efa ireo ny zavatra hiandry aty hihihihi
:-* miampy ranomasina fotsiny io an :wink:



tsy voavakiko hatramin'ny frany fa bouillabaisse ankia ry ftma le lasopy tsonjo aty amintsika a :wink::)
12. sonwin ( 04/05/2007 11:37)
labiera no foto-tsakafo fa ny fangarony no miovaova, indraindray "olona".
13. booboo ( 04/05/2007 12:01)
Mignone > présente ! vô nahita lé titre fotsiny defa ....:°) hihihihihihi.

Nenay kounkou motika gasy matetika dia miaraka @ divay menan'i Bourgogne -faritany mpisy anay(fce)- Chablis matetika :}:}. Ny laoka ndraindray no ampitoviko² @ recettes bourguignonnes ireny = andrahoina miaraka @ divay dia tsy adino ny moutarde rehefa himotika @ zay :°):°)
Ankoatra izay, tartes/tourtes + salades kounkou no fanaoko.




14. adidy ( 04/05/2007 12:16)
ny aty @ région nay ndray dia chataigne, champignon: cèpes, ary gibier satria be ala sady be mpihaza! Rahariva zao handeha kaly vazaha dia efa koboko ny menu fa daube de sanglier, dia efa hitako milona soa aman-tsara ao anaty divay ao! Somary natao "maivamaivana " zany androany atoandro:-D:-D
15. booboo ( 04/05/2007 12:28)
Adidy > vô @ firy ve zao defa milela-molotra ny motika rahalina sahady ? hihihihihihi
16. dadie ( 04/05/2007 12:46)
niryna> efa voatenin'i ftma daolo ,fa ra ny ato an trano dray zay d ny antoandro samy mande samy mitady fa ny hariva no misakafo ,hany ka refa alahady antoandro hafahafa b mipetraka eo ambonin'ny latabatra hihihihi,
NB :t akaty an dafy eo v? lol ,nefa any dago am 9 maraina ,avy misakafo maraina d oy ilay feo : madama inona no ataontsika sakafo antoandroooooo ? hihihihi ,asiana blagy kely eeeee :-*
17. sakaizakely ( 04/05/2007 13:28)
za manao diabeta de tsy tsy mahazo mikaly ravintoto sy voanjobory tsony raha tsy rehefa teraka indray

de :cry: sady :evil: mahita anareo miresaka

maraina : lait ecrémé 1/2 bol = flocon avoine tsisy siramamy na 40g mofo tsy azo asiana dobera sy konfitira

collation : yaourt nature na fromage blanc 0%

antoandro : crudité tsisy saosy + riz/pâte complet na blé na quinoa 6 sotro lehibe + légumes atao bedabe manentsina ny vavony + voankazo 1 + trondro na hena grillé 150g

collation : fromage allegé 30g + 1/2 voankazo

hariva : 1/2 sakafo antoandro ny ration

de mitsindrona maka glycémie fona aloha sy après sakafo 6 fois/jour


de mihafy be zany mandrampatongan'ilay be konetaka iry

de tokony lasa mahia kaongona be zany za, otran'le sary arikatra :evil:
de aza gaga nareo raha lasa kizitinjitina be eto @ serasera eto indray za an :-D:-D:-D

de mazotoa homana daholo ny salama vatana rehetra ô :°)
18. sakaizakely ( 04/05/2007 13:31)
hadinoko hoe eraky ny sotrolehibe indroa isan'andro ihany ny menaka azo hanina
19. dailynews ( 04/05/2007 14:00)
vary sy loka.
20. niryna ( 04/05/2007 15:50)
sipagasy> matsatso daholo ny sakafo aty e ,tsy mitovy ny any amintsika razanamaria miaraka ny menaka fotsiny dia efa tiako tany.
Voanjombory sy saosety, trondro sy voanjombory..Tsara daholo e na menaka kely fotsina aza no atao aminy.
Mankaleo tokony indraindray ,,malahelo koa ve ianao rehefa manary sakafo :roll: mieritreritra ny any tana tsy manana sakafo hohanina?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2829