Mila misaina, mieritreritra sy mandanjalanja tsara ...

1. lapino ( 13/04/2007 13:56)
Efa miezaka izay azo atao, fa dia mbola resy foana. Efa misaina, mieritreritra mafy ary mandanjalanja ihany, fa tsy afaka e ... Efa mieritreritra sy manantena fa hoe nahavoa, kanjo hay voafitaka ihany.

Iza no afaka hanoro ahy ny hetsika atao isaky ny mamindra mba ho tonga amin'ny fandresena ? Fa tena tsy maharaka mihitsy ny saiko, ary ny vatako miha-reraka ...

I Petera aza moa, olona matanjaka lavitra noho za amin'ny ara-batana sy ara-tsaina, ary tena sincère tanteraka ny fony raha nilaza izy fa tsy handà an'i Jesosy mihitsy ... kanefa dia lavo ihany izy nandeha tamin'ny herin'ny tenany.

Ka iza no afaka hanoro? Fa ilay misaina sy mieritreritra ary mandanjalanja tsara dia mankany amin'ny fahaverezana ihany no itondrany! ... ataon'ny adversera "koban'i masera" fotsiny ...
novalian'i prime ny 14/05/2007 14:38
2. nathie86 ( 13/04/2007 14:30)
[quote=lapino]


"I Petera aza moa, olona matanjaka lavitra noho za amin'ny ara-batana sy ara-tsaina, ary tena sincère tanteraka ny fony raha nilaza izy fa tsy handà an'i Jesosy mihitsy ... kanefa dia lavo ihany izy nandeha tamin'ny herin'ny tenany."


ko jereo ary ty enao tonga de manambany moraly B tsy misy ôtr'zany koa.
Ambony fôna ny moraly r'se an. Ny ahy zao ny philosophieko de hoe "C PAS GRAVE"
3. lapino ( 13/04/2007 14:35)
Tsy ny morale no ambany ka! Fa ny herintsika olombelona mihitsy no tsy mahefa n'inon'inona raha vao mifanandrina amin'ny herin'ny adversera izay tsy olombelona.

Ka na hisaina sy hieritreritra ary handanjalanja araka ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra ananana aza, dia zava-poana foana izany manoloana an'ilay fahavalo.

Ka iza no afaka hanoro ny marina ? torolalana avy aiza no harahina ?
4. rakaroka ( 13/04/2007 14:42)
[quote=lapino]


Ka na hisaina sy hieritreritra ary handanjalanja araka ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra ananana aza, dia zava-poana foana izany manoloana an'ilay fahavalo.


Quel "fahavalo"?
i Satana?....
Mivavaha maaaafy, dia manàna "discipline" et "force"miatrika izay atao ,
sy arahim-pinoana hoy ny firesaka ato izay fa
ho resinao foana izy e :lol::lol::lol:
5. ikaretsaka ( 13/04/2007 14:47)
mivavaha maaaaafy, de mi medite mafffffffffy, de mieritrereta laliiiiiiina, de mifohaza amin'izay...
de hitanao ny valiny!:wink:
6. xxx ( 13/04/2007 15:07)
Raha ny herinao no entinao hiadiana dia tsy garanti ny resultat.
galatiana 5 : 16 fa hoy izaho \"mandehana araky ny fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan\'ny nofo hianareo\"

hetsika isaky ny mamindra :

1- raha vao mifoha dia mivavaka, apetraka amin\'Atra ny tontolo andro
2- mangataka ny Fanahy Masina mba ho feno ny fanahy mba tsy hahatanteraka ny filànan\'ny nofo araky ny tenin\'Andriamanitra
3- manàna volonté, rehefa tonga ny fahalemena dia manàna finiavana,miezaha mitodia, amin\'io fotoana io dia MIVAVAHA mangina amin\'Atra, mangataha ny Fanahy Masina hanome hery.

Ao Aminy ny hery handresena.
Raha mandeha araky ny herinao \"irery\" ianao dia tsy ho tanteraka ny fanasitrananao

Tsarovy fa tsy maintsy miady ny nofo sy ny fanahy. Ny fanahy miteny hoe \"eh, tsy mety izao\" ary ny nofo anefa mangetaheta an\'ilay fahotana. Efa zatra koa ny nofo ka hitaky ilay fahotana ka raha privé-nao izy dia hahatsiaro hijaly dia ho mafy aminao izany. Normal anefa izany satria miady ny nofo sy ny fanahy.

Raha feno fanahy ianao dia havesa-danja ao anatinao izany, ny fanahy. Dia hanana hery avy amin\'ny Fanahy ianao handresena ny zavatra maha-resy anao.

Tsy voatery ho vita ao anatin\'ny iray andro izany fa mety maharitra arakaraka kanefa MAHARETA. Ho maivana aminao ny manao izany raha feno fanahy ianao satria hisy hery avy amin\'ny Fanahy hanamp anao ary hahatanteraka ny fandresena.

Ny tena ilaina dia IANAO vonona sy MANAPAKEVITRA hoe \"hiala aho\". Ampahafantaro an\'i Jesosy ny fanirinao. MANEKE eo anatreheny fa manana fahalemena ianao, fa resy ianao. Important io dingana io.

Andriamanitra anie ka te hanampy antsika e ! tsy mi-IMPOSER anefa izy fa mi-PROPOSER. Miandry feu vert avy aty amintsika izy vao tonga miasa ao anatintsika. tsy manery Izy..

mahereza o

sonia : Babouch
7. xxx ( 13/04/2007 15:20)
lapino :

ny valiny dia ao anaty baiboly. Aza mitady valiny hafa.

I Petera tokoa dia lavo, eny. Fa nahatsiaro tena i petera fa lavo. tsy nandà izy. Fa nibebaka izy

Raha sendra lavo ianao dia aza manamelo-tena fa tohizo ny vavaka (mangataka ny HERIn'ny Fanahy Masina satria raha ny herinao dia tsy handresy mihitsy ianao)dia "en avant" indray.

hoy ny tenin'Atra hoe :

IPetera 5:8-9 "Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany
9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao".


sonia : babouch

TOHERO IZY hoy ny tenin'Andriamanitra. Noho izany, misy finiavana avy aminao hanohitra ary misy ADY eo.

fa ho vitanao izany raha :
1- mivavaka sy miray tsara amin'Atra ianao
2- mangataka ny Fanahy masina foana foana foana hisian'ny hery
3- Maharet
4- MINOA MINOA
5- aza kivy fa raha tsy nahomby indray mandeha dia tohizo foana.



8. cutie ( 13/04/2007 16:17)
Iza no afaka hanoro ahy ny hetsika atao isaky ny mamindra mba ho tonga amin'ny fandresena ? Fa tena tsy maharaka mihitsy ny saiko, ary ny vatako miha-reraka ...

i jesoa e
iza njay aza :wink:
9. pissoa ( 13/04/2007 16:31)
ie :-D:-D:-D
10. rakaroka ( 13/04/2007 16:34)
cutie:

Iza no afaka hanoro ahy ny hetsika atao isaky ny mamindra mba ho tonga amin'ny fandresena ? Fa tena tsy maharaka mihitsy ny saiko, ary ny vatako miha-reraka ...

i jesoa e
iza njay aza :wink:



Tena hadinoko! Izy tokoa hono!:-D:-D
11. Fiffi ( 13/04/2007 22:14)
mangataha @ Andriamanitra hanampy anao de aza manaiky rebireben'ny satana fa tsy tery lalana izy...

"Eny na dia hamakivaky ny lohasaha halokin'ny fahafatesana aza aho , dia tsy hatahotra ny loza aho fa Ianao no amiko"....
12. ikaretsaka ( 13/04/2007 22:28)
miserere mei
13. Fiffi ( 13/04/2007 22:29)
an ?
14. apache ( 14/04/2007 07:07)
iza kay izany Petera lavo izany? lavo taiza? Nazeran'ny inona? tsy tapaka ve, tsy folaka? Mba iteneno ange izy raha misy mahita azy nareo hoe soa lavo hahay mamindra hoe ozizy i Apache! de mirary fahasitranana ho azy.
15. xxx ( 14/04/2007 12:09)
Paux roge marina nareo de tsy nahalala an'i Petera sy ny tantarany :°):-D:-D
16. ikaretsaka ( 14/04/2007 12:24)
ikaretsaka:

miserere mei



fiffi> miserere mei (mampindra fo amiko) .. to misy an'izay rehefa mihira ny salamo 23 ko! :roll: sa tsy hitanisa an'io ianao fa hatreo fotsiny
17. ikaretsaka ( 14/04/2007 12:27)
izany ve ny vaovaompiangonana farany hoe lavo i petera? de tafitohina ve hono na misy hoditr'ankonjo koa eo @ varavaran'ny lanitra?
raha izany tokoa marina dia miaraka zahay sy apache miraryfahasitranana ho azy
18. majesty ( 16/04/2007 05:53)
lapino:raha mbola eto amin'ity fiainana ity dia tsy ahita olona tanteraka izany isé,na mivavaka na ny tsy mivavaka dia samy mety ho lavo ihany,samy mety maty ihany,samy mety marary ihany,fa ny mampiavaka ny kristiana dia ny fananany finona sy fanantenana izay ao @ kristy izay efa naharesy izao tontolo izao ka io fandresena io no atolony ihany koa an'izay mpanaraka azy rehefa ho avy izay andro izay ka aharesentsika koa ny herin'ny fahafatesana,fa "katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany ..." ary "Andramo ka izahao fa tsara Jehovah":D
19. nathie86 ( 16/04/2007 12:17)
ikaretsaka:

izany ve ny vaovaompiangonana farany hoe lavo i petera? de tafitohina ve hono na misy hoditr'ankonjo koa eo @ varavaran'ny lanitra?
raha izany tokoa marina dia miaraka zahay sy apache miraryfahasitranana ho azy


aza mapme eh.
lapino Rom : 12. 12 vakiana

20. ikaretsaka ( 16/04/2007 12:50)
nathie... ka velabelaro fa tsy hainay ko:wink:
lapino: apok 21,14
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0715