gasy ve ireo tsy miteny gasy

1. bidagda ( 05/04/2007 15:00)
mba fanontaniana ny ahy, tsy hay na gesta na ambo,2 ihany zahay no gasy eto @ tanananay, hany ka raha mahita gasy hafa ohatran'ny mahita havana akaiky.
Indray andro mba nisy malagasy nandalo ka hoy aho hoe ndeha hiresaka tenigasy kely ndray aloha , kanjo na manahoana aza tsy hain-dry zareo ny dikany.Na dia efa firintaona aza nareo no nipetraka taty, tazomy ny tenindrazana fa ohatran'ny manompa raha milaza fa hadino na tsy mahay miteny gasy ,( je suis malgache mais je ne parle pas malgache), henaro raha tsy hay ,vitanareo ny mianatra teny frantsay, anglais, sns..... nefa ny tenindrazana indray ve no avela!!! mampalahelo !!raha tsy izany aza manonontonina hoe zaho anie gasy eh! en français io betsaka mihitsy ny manao an'io
novalian'i fanilo ny 18/04/2007 16:23
2. Samoana ( 05/04/2007 15:14)
bidagda:

( je suis malgache mais je ne parle pas malgache),


mbola tanora latsaky ny 18 taona angamba no natoninao.
Na izany aza efa miezaka manatona sy mamaly resaka izy matoa namaly anao ihany na t@ teny frantsay aza. Tsy ny fiteny ihany no azo itsarana ny maha-gasy fa ny fo sy saina manao ezaka manatona manaja anao koa. Aza kiviana @ fandatsana izy raha miseho izany fa mainka iresaho fa fampianarana daholo izany.


3. nikopol ( 05/04/2007 15:15)
ary ireo teraka taty ivelany tsy miteny gasy ?
4. nikopol ( 05/04/2007 15:17)
tsy voatery ho gesta na hambo ka ! ny fahatsapany hoe gasy no zava-dehibe !

5. booboo ( 05/04/2007 15:31)
Samoana, Nikopol > eka ouz
6. bidagda ( 05/04/2007 15:31)
izaho no nanantona fa tsy izy ,ary olona efa 35 ans eo , manambady gasy, araka ny fitatarany miara_mipetraka @ gasy fianakaviana izy aty , bebeny miteny gasy tsara, tsy te hiteny gasy mihitsy izy e!! ireo gasy teraka taty ivelany betsaka ireo mba miezaka miteny gasy na mot à mot aza fa ity anie manao manahona ianao de tsy hainy hono na ny manonona aza, ny tiko tenenina tsy hoe hahay miresaka tsara @ teny gasy fa na za aza tsy de mahay miresaka tsara fa mba hoe mahafantatra teny kelikely gasy
7. dadie ( 05/04/2007 15:46)
hoy i bidagda
tsy hoe hahay miresaka tsara @ teny gasy fa na za aza tsy de mahay miresaka tsara fa mba hoe mahafantatra teny kelikely gasy

azonay fantarina v firy taona zay ianao no taty ivelany?
8. sipagasy ( 05/04/2007 16:17)
eiiiii mahamenatra be izany kannnnn :oops:
9. Samoana ( 05/04/2007 16:21)
Raha izany efa 35 taona izany indray hafa ny fipetrany...
10. Fiffi ( 05/04/2007 16:33)
heu....le izy koh ange tsy misy mahafantatra hoe inona no mahatonga azy tsy hiteny gasy eh ! fa maninona no tondé raisina hoe ambo2 ,a gesta avy hatrany le izy ? :roll: ary raha hoe teraka taty izy de tsy nisy opportunité hianarany teny gasy ? tsy misy mahafantatra zay fiainany tsinona......
11. ikaretsaka ( 05/04/2007 16:45)
nikopol:

tsy voatery ho gesta na hambo ka ! ny fahatsapany hoe gasy no zava-dehibe !




fa mba tokony miezaka miteny gasy kely kosa ka.. jereo ny zana-tsinoa sy ny karana izao misy bedebe tsy mbola tany chine sy Inde mihitsy ( na ny ray sy reniny aza) fa teraka teo amin'ilay toerana ilany Ravin'ahitra, efa generations fahafiry.

fa tandremo fa miteny Sinoa sy karana tsara ireny an!

Dia ho ambakan'izany ve isika?
12. pissoa ( 05/04/2007 16:56)
ampianaro reto ny ankizy an ... na de manaona sy tiko enao fotsiny aza :-D:-D:-D
13. simplex ( 05/04/2007 17:14)
ary indrindra ny teny ratsy ;-)
14. simplex ( 05/04/2007 17:15)
sao d misy manopa any manko ny ankizy ka mafantatra akory :°)8)
15. nikopol ( 05/04/2007 17:49)
ika marina io , saingy raha sanatria tsy mahay dia tsy maninona. ny toetra no tena zava-dehibe

16. sipagasy ( 05/04/2007 18:04)
Eny ary tena marina daholo ireo

Fa mba omeo kely ary aho ny atao hoe famaritana ny hoe toetra maha malagasy??:-o
17. ponita ( 05/04/2007 18:05)
manahoana daholo!

tsy hiditra resaka fanazavana be fa efa resaka miverimberina eraky ny web ty resaka ity, saingy tsy aritro mihitsy dia mba hilaza ny hevitro eto koa aho

momba ny tsy fitenenana malagasy intsony dia betsaka tokoa ny antony, ny tsy possible dia ny hoe teraka sy lehibe tany M/kara nefa tsy nahay tsony taty, tsy misy izany raha tsy hoe 3 taona izy nakaty angaha!
mety kosa aloha hoe volon-koditra ML fa teraka taty izy (mety ho olona 35 taona, na 50 taona an!) dia mety tsy ahay izy satria tsy nampianarina teny gasy

Eo indrindra, dia aoka lazaiko fa tsy azo comparer-na @ sinoa sy ny karana isika satria izy ireo tsy voazanaka ny sainy sy ny fiteniny. jereo sy alalino anie fa vao mirava ny zaza sinoa de miteny sinoa ny reniny sy ny havany mitsena azy e, tsy matahotra an'ilay mpampianatra sy ny hoe sao tsy mahay rehefa any ampianarana.
Ny antsika anefa de menamenatra satria matahotra koa hoe sao lazain' ilay mpampianatra fa mifosa zay nampianarina tany an-tsekoly , na hoe sao de tsy maharaka ilay zaza satria miteny gasy dia lasa dondrona eo. moa isika ray aman-dreny gasy koa moa mahay miteny frantsay dia lasa vary amin'ny anana dia farany tsy araka ilay miteny gasy rano iray e, (indrindra rehefa mianatra ny zaza dia lasa miteny frantsay dia tsy mamaly amin'ny teny gasy ny parent fa "resy" sady tsy te hanazava ela dia lefy ilay tenindrazana)

Moa nisy fotoana koa anie hoe mahamenatra ny ataon'ny vazaha hoe tsy mahay ny teniny sy ny hoe raha tsy miteny vazaha tsy misy accent tsy atao hoe ambony e, resaka culturel sy fanjanahantany daholo ny mahatonga an'io.
Ao koa moa ilay hoe, ny mpananakarena dia miteny frantsay ary izay mahay miteny vazaha dia manankarena zay, nony tonga taty ivelany dia toy ny hoe zay mpanana ihany no lasa taty; lasa niteny vazaha daholo raMalagasy (na ny taty na ny tany an-tanana) mba hiavaka rehefa tonga any amizany pays sady fiere hoe ny zanakay tsy miteny gasy!
Amin'izao anefa dia te hiteny gasy daholo indray satria nahita fa na inona na inona atao dia hay kay tsy ho ataon'ny vazaha ho mpiray tanindrazana aminy mihitsy na andeha h@ fananana aza, dia io ndray fa te hiteny gasy sy te ho gasy avy,

lava be ilay resaka fa sombin-kevitra io aloha e!
18. nikopol ( 05/04/2007 18:25)
hoy i ponita :

Amin'izao anefa dia te hiteny gasy daholo indray satria nahita fa na inona na inona atao dia hay kay tsy ho ataon'ny vazaha ho mpiray tanindrazana aminy mihitsy na andeha h@ fananana aza, dia io ndray fa te hiteny gasy sy te ho gasy avy,



tsia, tsy ny hitovy amin'ny vazaha no tanjona, ary tsy izay any antsain'ny vazaha akory no hitenenana na tsy hitenenana fa gasy na tsia ...

anisan'ny tsara raha mahay miteny gasy, satria tsy manakana ny teny frantsay tsy ho hay akory ilay izy, raha eto frantsa ohatra no mipetraka, saingy ilay misabaka koa tsy voatery ho tsara ... misy izao ireo tsy intégré mihintsy ( tsy intégré no resahiko fa tsy hoe lasa vazaha ), efa teraka taty an-dafy, nefa tsy mahalala ny regles de base aty, nefa sady tsy mahalala ny any Madagascar koa ...tsy cas généralakory io ...

Ny origine ange tsy ho voakosoka mihintsy e ! satria nisy ra gasy tao, saingy tsy midika hoe rehefa tsy miteny gasy ilay olona dia tsy gasy ...



19. lanissa ( 05/04/2007 18:30)
aty aminay koa 3 ihany zahay no gasy aty, le anakiray tonga talohanay milaza fa tsy mahay teny gasy tsony hono...8O fa iresaho teny gasy foana ane mandra-pisarakareo raha tsy tafateny gasy eo iny e? zavatra gesta fotsiny ny an' ny sasany no betsaka.
20. sitlo ( 05/04/2007 18:31)
Za mbola tsy nanandrana fa mba hevitra nandalo tato an-tsaiko fotsiny ity. Andramo ompaina amin'ny teny gasy hoe dia tantarao eto ny avaliny!

Ohatra ny hampihomehy angamba an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.37