Farihy mirehitra Afo! Mitomany Izy mahita ireo tsy nanaraka!

1. niryna ( 09/03/2007 07:47)
Mbola manana fotoana izaho sy ianao ny hiverina Aminy.
Araraoty ny fotoana fa tsy fantatra izay hiaviany.

Indray andro rehefa nivavaka toy ny fanaony ity ramatoa dia nisy zavatra nitranga toy izao.Hoy izy:Nisy fahazavana nanjelatra nanantona ahy ary nisy feo niteny tamiko hoe "Izaho no Jesosy,Tomponao, maniry aho omeko anao ny hampafantatra ny fiafarana mba hikarakarana ny Fahatongavako sy ny hanova amin'ny rehetra ny olona andeha @ fahamarinana."
Ny herin'ny maizina dia misy ary ny Fitsarako dia marina. The power of darkness is real and My Judgment is true.
Ho Jesosy taminy:"Ho entiko hanaraka ahy ianao ahita izany fahaverezana(hell)izany ary ho asehoko anao ny zavatra maro izay tiako ho fantatr'izao tontolo izao izany.
Ho esoriko ny fanahinao hiala ny vatanao ary dia ho entiko ho an'ny amin'ny helo ianao."
Hoy Izy:"Tiako ho soratanao ary ho teneninao izay fahitana sy ny zavatra rehetra asehoko anao izao."
- Tompo o! Sady niantso mafy aho hoy izy,Inona no tianao ho ataoko? Ny vatako iray manontolo hoy izy no niantso nitomany hitady Azy ,mba ahafantatra ny Fisiany.
novalian'i niryna ny 16/03/2007 06:13
2. linarako2 ( 09/03/2007 11:24)
niryna a !Dia ahoana io,misy tohiny sa misy fanontaniana?
3. ikaretsaka ( 09/03/2007 15:36)
izay no zavatra tena tsy azoko amin'i niryna... i niryna manizingizina fa ao @ baiboly ihany i jesoa no miteny, nisy tsy fitoviankevitra be t@ resaka apocryphes, fisehoana tatsy sy teroa ....
nefa avy eo avoaka sy tenenina ilay fitenenana sy famitana hafatr'i jesoa "ivelan'ny baiboly" toy ny nitranga t@ io ramatoa io
dia ahoana?

niryna:

4. fijo ( 09/03/2007 23:42)
niryna an,de niteny gasy ve lery teo sa niteny anglisy e????a
ary angano io sa tantara
5. niryna ( 10/03/2007 01:52)
fijo:

niryna an,de niteny gasy ve lery teo sa niteny anglisy e????a
ary angano io sa tantara

Bjr fijo,olona nisehoan'i Jesosy io ary afaka omeko anao ilay boky nosoratany.Samy mifandrombaka mamaky azy ato izahay mivady.Mino ny fisian'ny Heaven sy ny HELL izahay mivady fa ny tena nampa-donaka anay dia ny fitantaran'ilay olona ny zava-nitranga any amin'ny fiverezana .
Teny anglisy io ka ary izaho no miezaka mamaky sy mandika azy amin'ny fitenintsika ,araka ny fitantarany ny boky nosoratany.

6. niryna ( 10/03/2007 01:58)
[quote=ikaretsaka]
izay no zavatra tena tsy azoko amin'i niryna... i niryna manizingizina fa ao @ baiboly ihany i jesoa no miteny, nisy tsy fitoviankevitra be t@ resaka apocryphes, fisehoana tatsy sy teroa ....
nefa avy eo avoaka sy tenenina ilay fitenenana sy famitana hafatr'i jesoa "ivelan'ny baiboly" toy ny nitranga t@ io ramatoa io
dia ahoana?

bjr ika.Tsy azoko ny tianao ho tenenina.Nanazava aho hoe izay voasoratra ao anaty baiboly dia tsy azo anasorana na analana.Voasoratra io fa tsy hoe i niryna no nanao an'io a.Raha misy manao zavatra izay tsy ao anaty baiboly na tsy voasoratra ao dia tsy avy amin'Atra izany.Izay aloha no fantatro.Tsy anjarako kosa no miteny azy hoe satria efa tsy voasoratra io kanefa mbola ataonareo,eritreritry ny tsirairay iny.
Ika a vehivavy nanoratra boky ity ary hiezahako ho resahina antsika ny zavatra nitranga hitany sy izy nilaza niaraka an'i Jesosy.
7. niryna ( 10/03/2007 02:26)
Ity indray izany dia zavatra nitranga tamin'olona iray ary miezaka izy mba hamporisika ny rehetra hanantona sy hibebaka amin'ny fahotana fa tena misy hoy izy ny helo mirehitra afo.Mbola velona ihany isika no afaka mangataka famelankeloka fa rehefa maty dia ny vatana ao am-pasana fa ny fanahy mbola velona.Ny helo no teneniny eto ary io no ho resahiko.
NY FANAHITSIKA IZANY DIA VELONA NA MATY AZA ISIKA.
Inona izany no mahazo ny fanahy?
Na izy mifaly sy ravo satria voavonjy :P na izy mijaly sy mitomany mandritra ny fotoana hiandrasana ny Tompo.:cry:

Rehefa nandalo vavahady maro izahay hoy izy dia niditra ny helo ary tafiditra lalana toy ireny lalandrano ireny,nihodikodina ,miakatra-midina ary farany nivoaka izahay.
Feno aizina nanantona anay hoy izy ary ireo ilay devoly na fanahy ratsy (evil spirits) hiandry ny baikon'ny satana hiakatra ety an-tany .
8. niryna ( 10/03/2007 02:49)
Arakaraka ny hanantonanay hoy izy no mihamitombo ny fofona ary tsy laitra hiainana,feno feo mikiakiaky amin'ny karazany maro izay mbola tsy henoko.
Izay zavatra hitanao manomboka eto hoy Izy dia fampitandremana ary ny boky ho soratana dia hanavotra ny fanahin'ny olona maro(souls).Rehefa nianalavitra ilay helo izahay dia nanomboka nahita lavaka mazava ary dia nandeha nanantona an'io lavaka io.
Hoy Izy:" Mampitandrina anao aho aza mandeha amin'io toerana io,feno fahoriana,fijaliana,fitomaniana.Ny fahahinao dia ho velona foana,ny fanahinao dia hiainana mandrakizay.Io no maha ianao anao,ny fanahinao dia andeha na any an-danitra na any amin'ny helo."
"Your soul will always be alive,your soul lives forever.It is the real you,and your soul will go to either heaven or hell."
9. ikaretsaka ( 10/03/2007 03:15)
HItan'i niryna ianao talloha nilaza fa tsy maintsy ao amin'ny baiboly ihany andriamanitra no mampita hafatra fa tsy @ zavatra hafa aty ivelany,
ary io ilay hoe baibolista sytsy baibolista taloha (asa raha tadidinao)
dia izao ianao lasa mitantara fa mampita hafatra avy aty ivelany i Jesoa
izany hoe zavatra tsy baibolista
dia fanina aho
niryna:

[quote=ikaretsaka]
izay no zavatra tena tsy azoko amin'i niryna... i niryna manizingizina fa ao @ baiboly ihany i jesoa no miteny, nisy tsy fitoviankevitra be t@ resaka apocryphes, fisehoana tatsy sy teroa ....
nefa avy eo avoaka sy tenenina ilay fitenenana sy famitana hafatr'i jesoa "ivelan'ny baiboly" toy ny nitranga t@ io ramatoa io
dia ahoana?

bjr ika.Tsy azoko ny tianao ho tenenina.Nanazava aho hoe izay voasoratra ao anaty baiboly dia tsy azo anasorana na analana.Voasoratra io fa tsy hoe i niryna no nanao an'io a.Raha misy manao zavatra izay tsy ao anaty baiboly na tsy voasoratra ao dia tsy avy amin'Atra izany.Izay aloha no fantatro.Tsy anjarako kosa no miteny azy hoe satria efa tsy voasoratra io kanefa mbola ataonareo,eritreritry ny tsirairay iny.
Ika a vehivavy nanoratra boky ity ary hiezahako ho resahina antsika ny zavatra nitranga hitany sy izy nilaza niaraka an'i Jesosy.

10. niryna ( 10/03/2007 04:19)
Ho antsika izay miteny hoe ny helo dia ety an-tany-marina izany- Eo am-povoan'ny tany izy hoy izy ary ny fanahy dia mijaly mitomany andro aman'alina.Tsy misy fety any, tsy misy fiadanana,tsy misy fitiavana,tsy misy fialantsasatra.Fa kosa toerana iray izay hitondrana fahoriana.
Hoy Izy "Izay zavatra ho asehoko anao momba ny helo sy ny zavatra hafa asehoko anao dia marina."
Niseho tamiko Jesosy hoy izy ao anaty endrika hazavana mazava noho ny masoandro ary indraindray izy miseho amin'ny endrika olona izay didinin'ny hazavana fa miseho ihany koa izy amin'ny endrika fanahay(he was in the form of a spirit).
Niteny indray izy,"Anaka,rehefa miteny aho dia niteny Atra.Atra sy izaho dia iray ihany.Tadidio tiavo izay rehetra any amin'ny avo ary mahaiza mifamela ianareo.""Child,when I speak,the Father has spoken.The Father and I are one.Remember to love above all and to forgive one another."
11. niryna ( 10/03/2007 04:31)
Aza fanina izany ka please!Izay zavatra rehetra hita ao anaty baiboly dia zavatra niainana,iainana ary hiainana. Teny avy amin'Atra ary ny olona izay noresahiny sy nahita fahitana no nanaratra azy.Mosesy anie no nanoratra ny Genesisy e dia ahoana koa izany ry niryna? Kanefa Atra tsy nanao olona raha tsy tamin'ny andro fahaenina?
Ika a somary lava fa mitapatapaka ity ary tena mandany ny androko mihitsy aho hanome antsika rehetra ity zavatra miseho ity.Raha mbola misy izany fomba ahafahana hanavotana olona amin'ny tantara nisy ka tsy hiteny kosa aho hoe o re olona ity misy boky hitako tsarabe vidio.Tsy misy tombotsoa ho ahy izany.Izahay mivady izao hisaorako an'Atra fa samy mianatra soratra masina any am-piasana daholo.Fisaorako manokana Azy izany.Eny ika a ao amin'ny Jaona 1-4 no misy fanambarana izany ary efa niverimberina io amin'ny fanazavana.Tsy maninona fa averiko indray."Tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny Teny tao amin'Atra ,ary ny Teny dia Atra.Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany.Izy no nahary ny zavatra rehetra;ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao.
12. niryna ( 10/03/2007 04:52)
[U]INONA NO ZAVATRA HITANY RAHA NIARAKA NY TOMPO TANY AMIN'NY HELO IZY?[/U]
Feno lavaka mirehitra afo betsaka ho izy eo am-povoan'ny lavaka manodidina io dia misy lavaka boribory lehibe misy afomena miredareda sady mamay ao no milatsaka ny fanahy very(lost soul)rehetra izay fanahin'ireo maty ary lasa any amin'ny helo.Any ambany indrindra ny afo no manomboka mirehitra mandoro ny fanahy.
**Naheno feo aho avy ao anaty lavaka miantso hoe "Jesosy vonjeo aho!"Vehivavy tsy misy volo intsony,tsy misy maso na sofina intsony fa lavaka sisa,manomboka mandoro azy ny afo eny amin'ny tongony ary ny lohany dia tady no mihazona ny taolany."Tompo o,te-hiala ato aho!
Tsy mitsahatra nijery an'i Jesosy ary feno alahelo ny Tavany."Anaka,eto ianao miaraka Amiko,ataovy ho fantatry ny tontolo fa fahafatesana no tambin'ny ota,ny helo dia misy."the sin results in death,that the hell is real
13. fijo ( 10/03/2007 06:36)
izy io anie samy hafaka milaza hoe za nisehoan'i jesosy e.tadidinareo ve le sipa hoe nisehoan'i jesosy,tany mada,kay le izy resaka fitaka fotsiny???ary io be no te hivarotra boky
14. Achia ( 10/03/2007 07:24)
Ie izay lzain'i fijo izay aloha mety mitombina ihany fa ny fanontaniako kely de zao nanao ahoana hono ilay ramatoa refa nahita an'i Jesosy , fa ny fitaka mantsy maro ka aleo manontany ary izay no antony hamakiana ny baiboly mba tsy ahazoana ilay fitaka
15. ikaretsaka ( 10/03/2007 13:41)
niryna> mila mandeha aby aloha ny ankety sy ny porofo rehetra vao kanonizena le olona fa tsy hoe namoaka boky izy dia hoe otran zao ny fiainako taloha fa lasa otr'zao hatram nahitako an'i jesoa de iny de tonga hino aby!
kay nanao izay hivarotana boky fotsiny
16. niryna ( 11/03/2007 05:06)
fijo:

izy io anie samy hafaka milaza hoe za nisehoan'i jesosy e.tadidinareo ve le sipa hoe nisehoan'i jesosy,tany mada,kay le izy resaka fitaka fotsiny???ary io be no te hivarotra boky

Marina izany fijo a misy ny tena novain'Atra ny fiainany noho ny fitiavany azy sy ny vavaka narahana ara-pinoana,misy ny te-hivarotra boky ary feno lainga (masina moa ilay fitenin'ny olona azy) :roll:

17. niryna ( 11/03/2007 05:13)
ikaretsaka:

niryna> mila mandeha aby aloha ny ankety sy ny porofo rehetra vao kanonizena le olona fa tsy hoe namoaka boky izy dia hoe otran zao ny fiainako taloha fa lasa otr'zao hatram nahitako an'i jesoa de iny de tonga hino aby!
kay nanao izay hivarotana boky fotsiny

MItombona izany ary tsy voatery hanoratra boky koa anie ry Ika a.Raha hilaza aminao aho hoe ny fahasoavana nomen'Atra ahy fony mbola zaza ka hatramin'izao ora hitenenako izao,tsy efa boky firy no natotako!Na mikipy aza ny masoko dia tadidiko ny ankabeazany.Eny,mino tanteraka koa aho fa maro ny olona toy izany na dia tsy miteny aza izy.Misy ny ao anaty fahoriana na fahantrana no maneho ny fitiavany antsika izy rehefa mino sy mitady azy.Tsy ho voatery hisy fahoriana ihany koa anefa.
18. niryna ( 11/03/2007 05:25)
linarako2:

niryna a !Dia ahoana io,misy tohiny sa misy fanontaniana?

Lina a dia hitantara ny zavatra hitan'ilay olona aho fa tsy misy fanontaniana ka.
Araka ny voalazany dia izay hitan'ny masony dia fanahy voadoro etsy sy eroa.
Eny anaka hoy Izy,izay rehetra tonga aty dia mitovy daholo ny eritreriny sy ny ao an-tsainy-mahatsiaro ny havana sy ny namany izy ireo-matetika mihitsy no manana fotoana hibebahana sy hiverenana izy ireo fa mandaha foana-ny fahatsiarovana dia miverina ao amin'izy ireo foana-kanefa raha nino sy nifona izy ireo taloha..saingy indrisy tara loatra.
"Ianao hoy izy manana fotoana betsaka hivavahana, hanompoana Ahy ary hibebahana dia ataovy izany "-endrika maloka sy ranomaso mirotsaka ny Tavany hoy izy no tazako tamin'i Jesosy.

19. niryna ( 11/03/2007 05:36)
Achi a niafaran'ilay ramatoa dia nanomboka nitoriteny sy nanambara ny vahoaka maro ary nanoratra boky izy fa tsy maitsy ho lazainy ny olona fa misy ny fahaverezana ary dieny mbola manana fotoana isika dia aleo mivavaka sy manantona ary mibebaka.
Misy manao hoe aleo aloha izahay hanao fotoana fa rehefa akaiky ho tonga ny fotoana ahafantesanay izay izahay vao mibebaka.
Rehefa ho avy ny tsy ampoizina mety miampita ny arabe ohatra no hitsahin'ny fiara,tena marina raha misy hieritreritra hoe ity ilay fotoana aleo aho aloha hifonakely amin'izay.
Tsy mba nahalala aho hay toy ny mpino izay samy omena valisoa rehefa any an-danitra,toy izany koa ireo fanahy irahin'ny satana ireo fa omeny valisoa koa hono.:roll:

20. niryna ( 11/03/2007 06:13)
Ireo karazana zavatra niseho sy ny fahorian'ny fanahy very:
*vao zaza izy dia efa voaantso saingy niteny izy hoe avelao aho aloha hanao fiainana ary dia nandaha hatrany izy na dia efa nisehoako hoy Izy.Tamin'ny 16 taonany ,nantsoiko ihany izy.Nantsoiko foana izy nandritra ny andro-piainany fa tsy nety nanaraka ahy fa niandry ny ampitso lava.
* Vonjeo aho Jesosy , may ny fanahiko ,tsy misy lalana hivoahako.Nananako izay rehetra,na bika na arena na fahaizana hay tsy nisy azoko noentiko ireo,tsy misy tany hialako sasatra na atoandro na alina,mijaly aho Tompo o."
* Nahita aho hoy izy mitoriteny,manambara ny manodidina azy ny tenin'Atra ary dia gaga aho fa maninona aty izy kanefa mitory teny tsara?Hoy Jesosy taminy"fantany ny tenin'Atra,notoriny izany tamin'ny olona,notoriny ny fahamarinana saingy nanavaka ny olona izy,nampiasa ny vola hanasoavana ny fiangonana izy,ny teniny no marina fa tsy ny teniko,nanantona azy aho mba hibebaka izy kanjo fankahalana no setrin'izany toa azy io no atao hoe mpiverina na backslider nahafantatra kanefa niverina.Niteny tamin'ilay pasitera Izy nanao hoe Nahafantatra ianao fa marina ny teniko saingy nanaiky ny tenin'ny satana ianao."Hoy ity pasitera,Tompo o avereno aho fa hilazana ny vaovao mahafaly ny olona amin'izay."
- Nasaiko nibebaka ianao fa tsy nety ary ny teniko dia marina- Nihodina ny lohan'ilay pasitera ary dia nanopa teny ratsy an'i Jesosy izy.
* Efa efapolo taona aho Jesosy no may sy mijaly ny fanahiko rahoviana aho no mba ahafahanao!
*Hafaro ireo havako fa maro izy ireo ho hakatia ka mba asio mibebaka izy Tompo o!
-Namaly azy Jesosy.Efa nalefako daholo ny oloko hitory ny filazan-tsara,fony kely izy dia efa nianatra ny soratra masina,araka ny naha lehibe azy dia tokony nihaino,namaky ny teniko izy.Tsy ny baiboly ihany anefa no nahafahany nihaino ny teniko fa maro ireo olo-masina ireo hirako nampianatra azy.Ny fitsarana dia efa voasoratra ka raha tsy mibebaka sy manantona ahy izy dia anaraka anao koa.
Isaky ny mandalo ny fanahy mijaly sy azom-pahoriana izahay hoy izy dia mitomany Jesosy satria efa voasoratra ny fitsarana:roll::cry::cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5647