Isika ihany no antony

1. eritra ( 07/03/2007 22:05)
Raha ny fahitako azy dia indraindray na matetika dia ny ataontsika mitonona ho Kristiana ihany no mahatonga ny olona sasany na hihemotra amin'ny fanompoana ny Tompo na tsy hiditra akory ho amin'izany.
Jereo anie rehefa miresaka amin'ny olona tsy resy lahatra ny amin'i Jesoa isika dia hoy izy ireo hoe ianareo aza mitoona ho mpivavaka kanefa misy mangalatra , mpiteny ratsy , mijangajanga sns e

Misy koa ny olona mitonona ho Kristiana nefa tsy matoky tanteraka ny herin'ilay Andriamanitra inoany ka zary mila toky amin-javatra hafa.

Ny hafa indray dia mety manao araka ny tokony ho izy ihany saingy mihevitra fa ny azy ihany no marina ka raha vao misy zavatra tsy mifanaraka amin'ny finoany dia sady manakiana ny hafa no tsy miezaka akory hahafantatranilay olona itoriana an'i Jesoa

Sns tsy ary ho voatanisako !!!

Inona ary no vahaolana hoy isika ary heveriko fa tokony hampiharina dieny eto amin'ny serasera izany ary tohizana eny anivon'ny fiarahamonina koa ?
novalian'i booboo ny 15/03/2007 19:12
2. fijo ( 07/03/2007 23:05)
marina tokoa io.
za dia mpampianatra sekoly alahady ahy,no nametaka tehamaina ahy tao ampiangonana ,no tena antony voalohany tsy nitiavako fiangonana intsony.vao 11 ans aho tamin'izany.
3. Zina ( 07/03/2007 23:30)
fijo [ Valio ] 08-03-2007 00:05:20
Lohateny : Re : Isika ihany no antony
marina tokoa io.
za dia mpampianatra sekoly alahady ahy,no nametaka tehamaina ahy tao ampiangonana ,no tena antony voalohany tsy nitiavako fiangonana intsony.vao 11 ans aho tamin'izany.


Fijo a tsy omeko tsiny ianao fa olona anie iny nanome anao tehamaina iny e, olona mitovy aminao samy panota isika raha mbola eto an-tany ka tsy tokony ho baser-nao amin;izany ny tsy andehananao any am-piangonana, mande any an-piangonana ianao HIvavaka sy hidera an"Andriamanitra,sy hihaona amin;ny olona panota otranao, raha mijery olona ianao dia tsy lasa lavitra mihitsyary tsy tokony ihizingizina amin'izany ianao. Manana(avec accent) finoana fa misy Andriamanitra izay tia antsika ary mbola miandry antsika rehetra hiverina aminy mbola ao ilay fahasoavana lehibe mbola azo alaina/ekena...:wink:
4. fijo ( 07/03/2007 23:33)
hay le,mbola ankizy aho no tany ampiangonana,mba hivavaka sy hianatra ny ataon'ny lehibe .izay no ohatra mba itako.ka naleoko niala moramora fa toa resaka fandaniana andro fotsiny le izy
5. Zina ( 07/03/2007 23:45)
hay le,mbola ankizy aho no tany ampiangonana,mba hivavaka sy hianatra ny ataon'ny lehibe .izay no ohatra mba itako.ka naleoko niala moramora fa toa resaka fandaniana andro fotsiny le izy


Ka zay mantsy mbola ankizy ianao tamin'izany fotoana izany fa izao inao efa lehibe hafa mihitsy ny fisainana t@ mbola ankizy sy rehefa lehibe:wink:
6. cutie ( 07/03/2007 23:56)
Inona ary no vahaolana hoy isika ary heveriko fa tokony hampiharina dieny eto amin'ny serasera izany ary tohizana eny anivon'ny fiarahamonina koa ?

MAnana ( avec accent, (mianatra an'i zina io :-D))fo sy saina madio feno fitiavana sy fahendrena :lol::lol::lol:
7. fijo ( 08/03/2007 00:02)
izao efa lehibe,ary mbola ratsy noho izany no itako izao.
mpitondra fiangonana mampirafy,pasitera any antranona mpivarotenano alain'ny zanany vavy.dekonina manodikodim bola sns.vao miha ratsy ny ohatra itako.
ka hoy aho ho eianareo mino aloha ,manomeza ohatra ,vao misarika
8. Zina ( 08/03/2007 00:02)
cutie hahahha ka za tsy manana a avec accent ko

adinon-njy ko ity, mahaiza mifanaja:wink:
9. cutie ( 08/03/2007 00:11)
hhihihihi
za koa nga manana avec accent
efa tafiditra ao @ le fo madio io fifanajana io ka :lol::lol:
10. Zina ( 08/03/2007 00:18)
fijo [ Valio ] 08-03-2007 01:02:02
Lohateny : Re : Isika ihany no antony
izao efa lehibe,ary mbola ratsy noho izany no itako izao.
mpitondra fiangonana mampirafy,pasitera any antranona mpivarotenano alain'ny zanany vavy.dekonina manodikodim bola sns.vao miha ratsy ny ohatra itako.
ka hoy aho ho eianareo mino aloha ,manomeza ohatra ,vao misarika


fijo a
marina mihitsy izany, ary raha mbola eto an-tany isika dia tsy hisy akory ny ho lafatra... ka izay no lazaiko anao oe:
Fijo a tsy omeko tsiny ianao fa olona anie iny nanome anao tehamaina iny e, olona mitovy aminao samy panota isika raha mbola eto an-tany ka tsy tokony ho baser-nao amin;izany ny tsy andehananao any am-piangonana, mande any an-piangonana ianao HIvavaka sy hidera an"Andriamanitra,sy hihaona amin;ny olona panota otranao, raha mijery olona ianao dia tsy lasa lavitra mihitsyary tsy tokony ihizingizina amin'izany ianao. Manana(avec accent) finoana fa misy Andriamanitra izay tia antsika ary mbola miandry antsika rehetra hiverina aminy mbola ao ilay fahasoavana lehibe mbola azo alaina/ekena


asa ianao raha namaky tsara izay nolazaiko hatramin;ny voalohany io...

11. Zina ( 08/03/2007 00:19)
efa tafiditra ao @ le fo madio io fifanajana io ka


yep no doubt about it:wink:
12. Rasiligaoma ( 08/03/2007 00:47)
fa indraindray kosa aloha isika reheffa manao asa kristianina sia tokony hanao toetra kristianina..
fa tsy hoe pasitera mampirafy na hoe mamelapa ampiangonana na ohatran'izany!
fa ny toetranao anie no hijeren'ny olona anao voalohany fa tsy izay torianao e.. iny manaraka ihany!
13. cutie ( 08/03/2007 00:55)
Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 08-03-2007 01:47:22
Lohateny : Re : Isika ihany no antony
fa indraindray kosa aloha isika reheffa manao asa kristianina sia tokony hanao toetra kristianina..

ka tsy misy ooul manana toetra tena krsiitana zany wa fa samy mbola miezaka daholo :lol::lol::lol:
14. Zina ( 08/03/2007 00:57)
cutie ka zay mihitsy anie e...:wink:
fa tsy tokony ny olona wa no jerena any ampiagonana
15. cutie ( 08/03/2007 01:01)
eny e
tsy ny oul no jerena, fa refa izy kosa no maniratsira ny fiainan'ny sasany , nefa ny tenany tsy hitany akory , de tonga ho azy le lasa mijery oul koa :-D:-D:-D:-D
16. soanja ( 08/03/2007 04:25)
eritra:

Raha ny fahitako azy dia indraindray na matetika dia ny ataontsika mitonona ho Kristiana ihany no mahatonga ny olona sasany na hihemotra amin'ny fanompoana ny Tompo na tsy hiditra akory ho amin'izany.
Jereo anie rehefa miresaka amin'ny olona tsy resy lahatra ny amin'i Jesoa isika dia hoy izy ireo hoe ianareo aza mitoona ho mpivavaka kanefa misy mangalatra , mpiteny ratsy , mijangajanga sns e

Misy koa ny olona mitonona ho Kristiana nefa tsy matoky tanteraka ny herin'ilay Andriamanitra inoany ka zary mila toky amin-javatra hafa.

Ny hafa indray dia mety manao araka ny tokony ho izy ihany saingy mihevitra fa ny azy ihany no marina ka raha vao misy zavatra tsy mifanaraka amin'ny finoany dia sady manakiana ny hafa no tsy miezaka akory hahafantatranilay olona itoriana an'i Jesoa

Sns tsy ary ho voatanisako !!!

Inona ary no vahaolana hoy isika ary heveriko fa tokony hampiharina dieny eto amin'ny serasera izany ary tohizana eny anivon'ny fiarahamonina koa ?


Ny zavatra lazain'i vava ary tanterahin'ny tanana sy ny vatana ary ilay miteny no modely voalohany no vahaolona ny fahitako azy.
Tsy vitan'ny resaka sy toriteny intsony mantsy izao no takian'olombelona tsy ampy na marefo finoana ka zara lasa tsy satry izy fa mila ezaka bebe kokoa asehon'ireo izay mino. Matetika anefa dia mihevitra ny Mpino fa ny asan'ny fanahy ihany no afaka hamitana izany fanaparitahana ny fitiavan'Andriamniatra izany.
Tsia anefa no havaliko fa mila manomboka amin'ny "zavatra tsapain-tanana vao miakatra ara-panahy" no valiny raha ny olombelona no resahantsika satria izay no nataon'i Andriamanitra. Mila tsy maintsy tonga Nofo mihitsy IZY teo anivontsika vao nino isika.
Tsy misy mahakivy anefa izany satria manana ny tandrifiny daholo ny rehetra ary fikasan'Andriamanitra daholo izany. Ny mission takian'Andriamanitra amintsika no mila vitaina dia milamina ny saina rehefa mihaona aminy any amparany.
"Aza mitsahatra mikatsaka ny tsara indrindra, dia tsy iza fa ilay Andriamanitra nahary anao." Soanja.


17. rakaroka ( 08/03/2007 07:45)
Dia tena MITOMBINA TANTERAKA ity "size" ity.
Voalohany dia ny fahatsapa-tena hoe "Misy ny lesoka"
aloha fa ny olana toa tsy "tsapa" akory matetika ny
fisian'io "lesoka" io na takonana fotsiny @ hoe tsy misy tonga lafatra, olona ihany, dia mihanina @ izany! Tsapako fa misy andian-tsoratra masina MARO
tena "Négliger-na" tahaka ny hoe raha "Miaiky ny fahitantsika isika...". heverindrizareo mpivavaka fa
tsy fahotana mahafaty lé "acte" tsy mety ; tahaka ny resaka nataoko t@ fandinihan-tena nanao "remarque mikasika ny "fotoan-gasy" raiki-tapisaka @ fiangonana eto koa aho, ny fiheverana ahy dia hoe:
manenjika fiangonana: tsia tiako ny fiangonana fa ny
ataony misy tsy mety no tiako hihitsy. Rehefa nitondra ny madilana tokony hotentenana sy ny tsy fandragaragana izany aho dia naleoko "izaho" sy ny ankizy no nisintona niala: tsy mety @ fitaizako ny ankizy ilay sehatra!...
Fa "Invité" t@ voka-piangonana Paris aho vao haingana aho nahafinaritra ahy ny fahatsapan'ilay Pasteur hoe "Be ny fikambana sns efa MAMIRATRA @ izao androntsika izao: Andrandraina fatratra koa ny
FAMIRATANTSIKA eo anivon'ny fiaraha-monina..."
Fa raha ny fanasina no tonga matsatso inn no ahasira azy? ary tsy hipetraka any ambany vata famarana sanatria ny "jiro natao hanazava":idea::lol:
18. eritra ( 08/03/2007 07:57)
ka tsy misy ooul manana toetra tena krsiitana zany wa fa samy mbola miezaka daholohttp://

Heveriko fa tsy dia marina tanteraka izany tenin\'i Cutie izany satria raha tena resy lahatra tokoa izy hoe Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ny fiainany dia hanana fahatahorana izy na dia kely fotsiny aza amin\'izay zavatra ataony ( mangalatra , miteny ratsy sns.mijangajanga.) Iza moa no tsy mahalala fa ratsy ireo voalazako ireo na dia ny olona tsy mpino aza kanefa misy mitoona ho mpino manao izany koa dia hilaza v isika fa tsy dia mampaninona izany?

Tsy mbola lalimpaka angamba ny fijeriko azy ilay tenin\'ny soratra Masina hoe \" Raha Ray Aho aiza izay hajako ary raha Tompo Aho aiza izay tahotra Ahy\" ka mahatonga ny sasany sahy manao ireo .

Tsy midika akory izany hoe vitantsika indray mipimaso ny fahamasinana fa miandalana tokoa izany ary miankina amin\'ny herin\'ny Fanahy Masina

Ity misy fampianarana azoko ka ampitaiko amintsika raha tena te hitory ary hitarika ny olona ho ao amin\'i Jesoa Kristy isika ary heveriko fa io no tena mahomby noho ilay toriteny lavabe izay heveriko fa ho an\'ny olona efa resy lahatra kokoa no tokony hiantefany : PACTE no fanafohezana azy

P comme priere : ento ambavaka aloha ny olona itoriana
AC comme Acte izany hoe asehontsika amin\'ny olona itoriantsika fa ny Tompo izay inoantsika dia nampianatra antsika hanao asa tsara mba ho voninahiny rahateo .Tsy voatzery hitezny isika eo fa dia hoe maneho eo amin\'ny fiarahamonina izany fahatsarana izany ( Epistily velona e )

T comme Temoignage : rehefa hitan\'ny olona amiun\'izay ireo fahatsarana ao anatintsika ireo vao hijoro vavolombelona isika izay nataon\'ny Tompo tamintsika , teo amin\'ny fiainanytsika sns

E comme Eglise : rehefa resy lahatra amin\'ireo izy dia tarihintsika ho any ampiangonana amin\'izay ary heveriko fa dingana tsara arahina ireo indrindra ho an\'ny olona mifanerasera amintsika , amin\'izay izy tsy ilay taitaitra iny fotsiny kanefa refa avy eo hiveirndalana indray


19. vahatra22 ( 08/03/2007 09:09)
io ilay hoe : " Aza mitsara mba tsy hotsaraina." Ny tenanao lo jerena zay enao vao mijery ny hafa; tsy natao hifampitsikerana koa akory eto! " zay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy! fa hono oa! nareo miteny io ve tena masina ! ary tsy manota mihitsy ve? " miloloha lanitra tsy maintsy lena;mandia tany tsy maintsy solafaka." Izay f' aza lany andro mifampitsikera fotsiny!
20. prime ( 08/03/2007 14:14)
Fanamarihana : raha ny tena izy dia ny olona efa mandroso no mety hihemotra na hisy fihemorana... ny olona efa mino, mandroso amin\'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanompoana an\'Andriamanitra raha ny marimarina kokoa no mety ho tratran\'ny fihemorana...

Raha ny hevitro dia antony telo no mety mahatonga fihemorana araka ny voalazan\'ny soratra masina :
[list=a]
  • ny fahavalon\'Andriamanitra voalohany dia ilay fanahin\'ny fahamaizinana izay tsy mitsahatra andro aman\'alina (24h/24, 7j/7) mandavo ny olona maro ary mampivily ny olona tsy ho voavonjy, hino an\'Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Kristy :
  • \"Fa isika tsy mitolona amin\'ny nofo aman-drà, fa amin\'ny fanapahana sy amin\'ny fanjakana sy amin\'ny mpanjakan\'izao fahamaizinana izao, dia amin\'ny fanahy ratsy eny amin\'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]\" Efesiana 6:12... io no miasa tsy mitsahatra mampivily ny olona ary ny tena halany aza dia ireo izay milaza ho mpino... ny fihemoran\'ireo no dingana voalohany amin\'ny fandreseny...
  • ny fahavalon\'Andriamanitra faharoa, ilay izao tontolo izao sy ny fampianarana maro manakona ny tavan\'Andriamanitra amin\'ny endrika rehetra no mitarika fihemorana ihany koa... araka ny voasoratra hoe :
  • \"Fa raha misy efa afaka amin\'ny fahalotoan\'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an\'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr\'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.\" II Petera 2:20
  • ny mitarika ho amin\'ny fihemorana fahatelo dia ny filàn\'ny nofo araka ny voasoratra hoe :
  • \"Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.\" Galatiana 5:17
    \"19 Fa miharihary ny asan\'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan\'Andriamanitra.\" Galatiana 5:19-21... amin\'izy telo ireo nefa dia ny ady amin\'ity fahatelo ity no tena anisan\'ny sarotra indrindra satria tena mikoriana ao anatin\'ny tena...

    Raha misy olona hita fa misy kilema izany raha samy mpino dia tokony hifananatra, hifampihaino, hifankahery amin\'ny Tenin\'Andriamanitra, hifanohana, hifanoro, hifankatia... amin\'izany nefa dia tsy maintsy miatrika ady mandrakariva ihany koa amin\'iretsy fahavalo etsy ambony iretsy fa tsy vita mora satria ny fahalavoana amin\'ny iray amin\'ireo dia mety miteraka fihemorana avokoa, na ho an\'ny mpino hafa na ho an\'ny tena ihany koa...
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1314