mivavaka

1. fijo ( 10/02/2007 06:16)
amin'izao andron'ny fandrosoana sy ny fikarohana siantifika izao ve,tsy tsapanareo hoe fandaniana andro sisa le hoe mivavaka?
novalian'i tywa68 ny 05/03/2007 20:36
2. niryna ( 10/02/2007 06:41)
fijo:

amin'izao andron'ny fandrosoana sy ny fikarohana siantifika izao ve,tsy tsapanareo hoe fandaniana andro sisa le hoe mivavaka?


Andriamanitra manampy izay tsy mahafantatra ny hoe ahoana no hanavotany ny tenany."God help those who do not know how to help themselves.'
Satria ny fitiavana ara-nofo no tadiavin'ny olona ankehitriny ka izany no mahatonga azy hilaza fa mandany andro ny mivavaka.
Tsy ny rehetra ihany koa no olomboafidy fa mbola maro ireo izay mahita na mandre na mijery aza izy ireo dia tsy ahafantatra,tsy ahalala ary tsy ahatsapa ny herin'Atra sy ny tenin'Atra.
3. Fiffi ( 10/02/2007 08:00)
fijo:
amin'izao andron'ny fandrosoana sy ny fikarohana siantifika izao ve,tsy tsapanareo hoe fandaniana andro sisa le hoe mivavaka?
fijo: nefa akia @ mpivavaka sy ny mpino ....@ zao fotoana zao indrindra no hanamafisana ny fivavahana....


4. lapino ( 10/02/2007 10:27)
vao omaly aho no nahita tamina revue siantifika izay, fa hoe ny olona mivavaka hono tsy ahitana stress firy noho ny olona tsy mivavaka.
Izany stress izany anefa, toa hatramin'ny nivoaran'ny teknolojia no tena nahabe azy koa.
Ka na dia izay fotsiny ihany aza ...
5. Fiffi ( 10/02/2007 10:53)
lapino:
ny olona mivavaka hono tsy ahitana stress firy noho ny olona tsy mivavaka.
tena marina io ....satria mivavaka foana ry zareo ary mino fa tena manampy azy Andriamanitra @ zavatra hataony rehetra d'où .....tsy mi-stress ry zareo...


6. andry08 ( 10/02/2007 12:08)
marina izany , fa ny mampahakivy ny olona mivavaka matetika dia ny mijery ny olona "miseho ho mivavaka" nefa toa be tahotra sy fisalasalana na mampiseho toetra tsy mifanaraka @ finoany.Tonga dia mihemotra ny hafa ary dia lasa resa-be fotsiny no miseho.
7. Salut ( 10/02/2007 14:22)
Inona moa ilay hoe fandrosona e? Moa mahavaha ny olana rehetra misy ve ilay antsonao hoe fandrosoana eto? Nahoana no lazaina fa ny mivavaka no mandany andro, na manakana ny fandrosoana mihitsy aza? Sa ve tsy ampy ny fotoana iasana ka anampiana ilay ora kely tokony ivavahana? Raha izany moa tsy ny fotoana isakafoana sy hatoriana ve no tokony lazaina hoe mandany andro e? Ora firy no lany amin'ireo?
Manakana izay tsy mitondra soa ny fivavahana ka lazaina fa tsy ilaina. Manafaka ny olona tanteraka izy ka ambara fa vato misaka ho an'ny fandrosoana. Ireo mihevi-tena ho tena afaka manao izay tiany atao no andevozin'ny filan'ny nofony, ka tsy afa-mivaotra intsony fa lasa mihemotra.
8. diamondra27 ( 10/02/2007 17:43)
lapino:

vao omaly aho no nahita tamina revue siantifika izay, fa hoe ny olona mivavaka hono tsy ahitana stress firy noho ny olona tsy mivavaka.
Izany stress izany anefa, toa hatramin'ny nivoaran'ny teknolojia no tena nahabe azy koa.
Ka na dia izay fotsiny ihany aza ...



tena marina io ry lapino a!
raha tena mpivavaka marina izy fa tsy sadasada , tsy hita soritra eny aminy 'zany stress zany satria manana an'i Jesosy izy hitarainany ny zava-manjo azy, dia mahalala. Sady Atra tsy mba mamitaka tahaka ny olombelona tsy mena-mivadika fa mitàna ny teny fikasany. Saingy mila faharetana ny miaraka @ Tompo.
Courage

9. diamondra27 ( 10/02/2007 17:50)
Raha manaiky ianao fa ny tanan'ny olombelona dia composés de corps, âme et esprit , izay tsy hitovizany @ biby , dia tokony hahalala fa ilaina ny vavaka.

Ao anatin'ny 1 andro impiry ianao no misakafo ho an'ny vatanao? Ary impiry ho an'ny sainao? ary impiry ianao no manome sakafo ho an'ny fanahinao.

Hita @zany fa matetika tsy équilibré ilay izy dia tsy mahagaga raha misy ny stress.
Atao hoe: maraina atoandro hariva no misakafo isika sans compter les goûters, ny saina dia iny moa tsy lazaina intsony fa 7H minimum ho an'ny mpianatra na mpiasa , na mpilalao vidéo etc... refa mampiasa saina d'efa mi-nourrir le saina izay, et enfin le fanahy :impiry nahazo sakafo izy? INDRISY....

10. diamondra27 ( 10/02/2007 17:51)
azafady fa diso frappe:

tsy hoe: tanan'olombelona fa tenan'olombelona
11. simplex ( 10/02/2007 17:55)
:D:D

lap,
zany akory tsy midika fa ze ol mivavaka rehetra d mande jolie doly ny fiainany ;-):°):D:D

fijo,
Afaka miaraka tsara izy roa ireo k. Izay tsy vitan'ny siansa, tsy voazavan'ny siansa vitan'A/tra.:P^:^^:^

Ra le hoe mivavaka isaky izao rehetra zao no kozin'la d ekeko :@ 8)8)
12. bozylove ( 10/02/2007 20:33)
"aides toi et le ciel t'aidera :-)" tsy hoe vavaka dia mande ho azy ny fianana.
Ary raha mivavaka enao tsy tokony hitsara ny ataony mpivavaka sasany e , enao sy ANDRIAMANITRA no miresaka = vavaka.
Miaraka @ n'Andriamanitra aloha dia ohatra ny hoe matoky azy. Akinina @ n'Andriamitra ilay fianana e dia ohatra ny mande ho azy e :-) na eo aza ny fahasahiranana e , omen'Andriamanitra solution fona fa isika no manaiky na tsia ny solution omeny .
Humilité koa no zava dehibe @ fianana e! ny fahitako azy efa tena sahirana, manetry tena manatona ny olona miteny mahazo fa tsy entiny ambopo; "aide toi (humilité) et le ciel t'aidera".
(l) Love koa ny base ny rehetra, efa tianao ny fiananao dia mande ho azy(l)
13. Salut ( 10/02/2007 22:56)
Andriamanitra kosa aloha tsy famenoana ny banga velively e. Ka ambara fa misy izy rehefa misy zavatra tsy hay hazavana, na ekena fa ilaina ny mivavaka satria misy ny olana... Nefa rehefa avy eo indray dia tsy ilaina satria mba nahita mazava kely... Ataoko fa tena diso izany fiheverana izany.
14. simplex ( 11/02/2007 09:21)
salut salut salut ;-)

ekena, marina tokoa :)
saingy hoe enao miresaka @ ol efa mivavaka ngambany fa tsy @ siantifika tsy mivavaka o?:P

:°)
15. Achia ( 11/02/2007 13:15)
Fanontaniana ho an'i fijo ianao ve mino fa misy ATRA
16. Salut ( 11/02/2007 13:19)
Salama e
Ny olona rehetra no iresahako.
Fa izao no fataro aloha e raha olona tena mandinika dia tsy mantsy hanaiky ny fisian'Andriamanitra, ary hino azy, sy hiresaka aminy (io no vavaka) satria azo ifandraisana tsara Izy.
Ohatra: Ireo mpandinika siantifika dia afaka mamorona taova vaovao (Saingy tsy mitovy velively amin'ilay voajanahary). Izy ireo dia manaiky fa hafa ihany ilay voajanahary, ary mahita koa fa tsy misy mitovy ny olona, eny fa na dia ireo kambana aza (io no olona amin'ny famindrana taova)
Manaraka izay dia izao: niainga avy amin'ny kisendrasendra daholo ny "decouvertes" nataon'olombelona hatramin'izao

17. Salut ( 11/02/2007 13:21)
fanitsina kely: olana amin'ny famindrana taova fa tsy olona amin'ny famindrana taova
18. simplex ( 11/02/2007 16:15)
:D:D
olona tena madinika nga ny mpandinika siantifika? :-P:°);-)

Tsy mifampitohy ny hevitr'i toi an :°)

le zavatra nokoziako tetsy ambony d tsotra fotsiny ny antony. Ny siantifika tsy fataliste hoe "izay no sitrapon'A/tra", azonao? zany hoe izy mikatsaka ny fanazavana "siantifika" foana alohan'ny fanazavana hafa. Bon, mazava wazy fa bedebe ny zavatra mbola tsy voavahan'ny siantifika. Ny siantifika, integre, moa hilaza hoe mbola tsy fantatra fotsiny io fa tsy hoe mistery akory. Ny fomba fijery moderee kosa anefa milaza fa misy fetrany ny fahaizan'ny olombelona ary misy hery hafa mikajy sy manambatra ny rehetra. Io ilay lazaiko hoe, ze tsy vitan'ny siansa vitan'A/tra :)

Ekena tokoa fa A/tra eo foana ary tsy tokony atao hoe issue de secours izy k hoe refa mikatso d "mon tres cher Dieu aide moi" fa refa mande jolie ny fiainana d samy mande samy mitady. Fa izay fiheverana izay wa hoan'ny ol efa mivavaka sy "miresaka" aminy no metimety kokoa. Mitovy ihany ny hevitritsika fa le approche no teneniko hoe fa @ iza enao no miresaka :)

Point voalohany aloha misy A/tra. Faharoa, A/tra lavorary, nisy talohan'ny taona rehetra, mahavaly ny zavatra tsy hainao ary heverinao impossible. Fahatelo, Ilaina ny miresaka aminy. Fahaefatra vao mande ireo pitsopitsony hafa... :-*

19. kitjo ( 11/02/2007 18:53)
Aleo fa hain' Andriamanitra foana ny manova ny fon' ny tsirairay fa tsy misy foiny isika e!!

Mbola tsy tonga fts ilay fotoana...
Fantaro ny zavatra rhetra fa tano mafy izay tsara....

Fa misy kosa aloha lay olona fanatika be reny lasa manome fanafintohinana nddray satria na ato @ forum aza dia hita taratra lay izy

vao miresaka ny olona dia alahany ny Tenin' Andriamanitra..tsy ilay teny akory no ratsy an! fa ny fombany satria oh reny milaza ireny fa mpanota be daholo ny rehetra afa-tsy izy irery ary mamely mafy mihitsy mamely ny sasany ka lasa manome fanafintohinana fa tsy mba manome korazy...
20. dailynews ( 11/02/2007 18:57)
fijo:

amin'izao andron'ny fandrosoana sy ny fikarohana siantifika izao ve,tsy tsapanareo hoe fandaniana andro sisa le hoe mivavaka?

Misaora an Atra raha mahazo fahendrena sy fahalalana nomeny saina handalina izany, fa raha ny saina izay ireharehantsika io no alany ao anty indray mipimaso dia ho aiza anefa? eny fa na ny fofonaindraolombelona aza?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.473