mivavaka

21. Fiffi ( 11/02/2007 21:25)
andry08:
marina izany , fa ny mampahakivy ny olona mivavaka matetika dia ny mijery ny olona "miseho ho mivavaka" nefa toa be tahotra sy fisalasalana na mampiseho toetra tsy mifanaraka @ finoany.Tonga dia mihemotra ny hafa ary dia lasa resa-be fotsiny no miseho.
tsy ampy finoana zany ! Tena marina aloha io lazaindry io ry andry08 an ! misy tena mampahakivy mihintsy........


22. eritra ( 11/02/2007 21:47)
Andraso kosa aloha eh
Ekeko fa tsy dia tsara ilay hoe fanatique amin'ny fivavahana fa ny conviction kosa notena ilaina ( heveriko fa zv samy hafa ireo ).
Ny tiako hambara dia momba ilay teny etsy ambony hoa raha vao miteny tenin'Atra dia fanatiqua zay : tsia fa au contraire resy lahatra tokoa izy koa matetika ny olona rehefa tena tafaray ^ Kristy dia mikoriana ao anatiny tokoa Izy koa na ny zv lazainy sy ambarany aza dia ao mandrakariva Kristy toa izany koa ny teniny ary ny tenin'Atra aza annie milaza hoe "Aoka rehefa miteny ianareo dia toy ny milaza tenin'Atra e"koa tsy fanatisme izany.
Ny olana amintsika milaza ho Kristiana anie dia na ilay Kristy ambara ho inpoantsika aza tsy fatantsika akory eh!
Ahoana moa no ahafatarantsika azy raha ny teniny aza tsy haitsika akory nefa "Ny teny dia Atra"

Manaraka izay dia mila mailo koa isika fa maro ny teny heverin'ny olona fa tenin'Atra kanefa tsy izy akory toy ny hoe "Aide toi et le ciel t'aidera"
Autre sujet de reflexion
23. niryna ( 12/02/2007 03:13)
lapino:

vao omaly aho no nahita tamina revue siantifika izay, fa hoe ny olona mivavaka hono tsy ahitana stress firy noho ny olona tsy mivavaka.
Izany stress izany anefa, toa hatramin'ny nivoaran'ny teknolojia no tena nahabe azy koa.
Ka na dia izay fotsiny ihany aza ...

Izay olona rehetra manana zavatra hiankihinana na hivavahana dia mitovy amin'io tsy manana stress io na ny bodista koa aza dia maro no olona tsy dia misy stress satria manana zavatra andaniany andro izy ka tsy dia mivaky loha zavatra hafa .

24. prime ( 12/02/2007 11:44)
fijo> Inona no tena fandaniana andro? ilay mivavaka sa ilay tsy mivavaka?...:wink:
25. xxx ( 12/02/2007 13:49)
Mivavaka dia kely ny andro laniany fa saingy mifantoka amin'ny zavatra hafa ny sainy dia very ilay eritreritra.
Manontany zavatra an'i dadarabe8O,nahazo toky azy ilay mpanontany dia very ny eritreriny.:P
Mivavaka amin'ny zavatra noheveriny hohamonjy azy dia very koa ny olana misy.:roll:
Mivavaka amin'ilay Tomposoa dia mahatoky azy amin'ny fiainana ka manana fanantenana dia very koa ny adisaina.:P^:^
26. mignone ( 12/02/2007 16:44)
prime > mazava be ngé ilay fanontaniany i fijo e !... (ilay mivavaka ):wink:
27. lamie ( 12/02/2007 21:52)
ora vitsy no angatahan'Andriamanitra amitsika ahatsiaro azy,na @ alàlan'ny fivavahana izany na hafa,miambena hoy Izy fa efa tsy ho ela ilay andro!
28. niryna ( 13/02/2007 07:13)
Ao anaty izay ora vitsy izay koa dia tena tsara raha mivavaka ny hafa koa
29. prime ( 13/02/2007 07:20)
mignone> Misaotra... ekena fa izay no fomba fijerin'i fijo... fa ny fanontaniako dia te hampieritreritra lalina fa sao ilay "tsy mivavaka" no tena lany andro...

Ho an'ny mpino mantsy dia tsy izao ankehitriny izao no ilay tena fiainana fa ilay ho avy, ilay mandrakizay... ka raha manomana fanahy ho amin'izany fiainana izany ka mivavaka ve no tena lany andro? sa ilay tsy mivavaka fa mahita fifaliana ny amin'izao fiainana mandalo izao fa ho very mandrakizay?...
30. Fiffi ( 14/02/2007 18:01)
prime:
mivavaka ve no tena lany andro? sa ilay tsy mivavaka fa mahita fifaliana ny amin'izao fiainana mandalo izao fa ho very mandrakizay?...
ary raha tsy mivavaka le olona nefa mino ?
heu....de ho very mandrakizay koh ve ? satria toa misy hiany manko ny olona zay milaza fa tsy ny fivavahana na fandehanana any am-piangonana no midika hoe mpino an'Andriamanitra.....de ho very koh ve ireny olona ireny ?


31. fijo ( 14/02/2007 22:38)
prime ,le mivavaka no mandany andro ka;fotoana tokony hiarahana amin'ny akama ve laniana mihaino resak atsy valiana ary anaty trano manjoretra ary le.
nefa raha niaraka tamin'ny akama misy gitara sy farara ,ary mafana kely,tena sady faly no afakandro.
32. prime ( 15/02/2007 06:50)
fijo> mazava kah, misaotra...:)
fiffi:
ary raha tsy mivavaka le olona nefa mino ?
heu....de ho very mandrakizay koh ve ? satria toa misy hiany manko ny olona zay milaza fa tsy ny fivavahana na fandehanana any am-piangonana no midika hoe mpino an'Andriamanitra.....de ho very koh ve ireny olona ireny ?
... Ny olona "mino" fiffi dia mivavaka a... tsy resaka fandehanana any am-piangonana no mahampivavaka na tsia fa ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny firaisana Aminy mihitsy ary ny fanatanterahana ny sitrapony...
33. Fiffi ( 15/02/2007 07:20)
eny hoa....zah ange tsy mandaha an'io an ! ary marina zany saingy ....hoy aho hoe: (efa nahita) misy olona zay tsy mivavaka nefa mino....tsy ny fivavahana hoy izy no hilazana ny olona mino na tsia...fa ao ny firesahana directa @ Andriamanitra...
34. prime ( 15/02/2007 07:47)
fiffi:
tsy ny fivavahana hoy izy no hilazana ny olona mino na tsia...fa ao ny firesahana directa @ Andriamanitra...
... fa inona ny atao hoe mivavaka raha izany? sao dia mifanohitra ny lazainao...
"tsy ny fivavahana no mahampino hoy ianao fa ny firesahana direct amin'Andriamanitra"???:wink:
35. Fiffi ( 15/02/2007 08:06)
prime: tsy mifanohitra ny zavatra nolazaiko kah ! nilaza aho hoe "efa nahita" zany hoe: efa nahita olona aho nilaza fa tsy ny fivavahana no hilazana ny olona hoe "mpino" fa ao ny firesahana @ Andriamanitra direct (tsy mivavaka hanao hoe "Andriamanitra ô ! ampio aho...) fa miresaka tsotr'zao Aminy...(resaka fa tsy vavaka)
36. xxx ( 16/02/2007 07:10)
fijo:

amin'izao andron'ny fandrosoana sy ny fikarohana siantifika izao ve,tsy tsapanareo hoe fandaniana andro sisa le hoe mivavaka?

Mbola lavitra ezaka ianao satria manantena ny fahaizanao ka manenjika ny mpivavaka

37. prime ( 16/02/2007 12:29)
Tsy fandaniana andro sisa ilay mivavaka fa fitiavana an'Andriamanitra "sisa"...:)
38. xxx ( 16/02/2007 13:11)
ndeha miverina mianatra !
39. prime ( 16/02/2007 13:50)
Tsy fandaniana andro sisa ilay mivavaka fa firaisana amin''Andriamanitra "sisa"...:)
40. Fiffi ( 16/02/2007 20:31)
http://viacrucis.free.fr/prieres/priere.html
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.524