Voavonjy v zay rehetra miangona?

1. hearty ( 09/02/2007 20:28)
Malaza ho maro kristiana eto amitsika aty Dago
Hono hoaho araka ny hevitrareo:
Zay rehetra miditra ampengonana , mivavaka isak'alahady , manao asa soa sy activite ao ampengonana v dia azo antoka fa voavonjy avokoa ?
novalian'i fijo ny 03/03/2007 01:41
2. Fiffi ( 09/02/2007 20:44)
fa nahoana no tsy ho voavonjy ry zareo ,
3. fijo ( 10/02/2007 05:42)
raha "miangona" aloha,aleo miangona mirevirevy e.toa izay handany andro mody hanao hira malahelo eo,nefa ny ampitso miketrika ny hanambakana ny sasany fotsiny.
4. Achia ( 10/02/2007 05:51)
Tena marina ny an'i Fijo fa maninona moa ianao raha mba mandeha miangona de manao ilay tena tsara be refa avy eo tsy mamitaka ol manao ny tsra e ! mba hianaran'ireo izay mpiangona mpanao ratsy e!
5. fijo ( 10/02/2007 06:12)
ka za aleoko miangona miaraka amin'ny namako ko
6. niryna ( 10/02/2007 06:33)
[quote=hearty]

Malaza ho maro kristiana eto amitsika aty Dago
Hono hoaho araka ny hevitrareo:
Zay rehetra miditra ampengonana , mivavaka isak'alahady , manao asa soa sy activite ao ampengonana v dia azo antoka fa voavonjy avokoa ?

Rehefa manana finoana an'i kristy ka niaky ny fahotana,rehefa nametraka azy ny fiainana eo an-tanany,ary rehefa nahatsapa fa izy dia maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotany,ary nino fa nitsangana tamin'ny maty izy.Ireo ihany no zavatra hangatahiny dia voavonjy izay rehetra mino azy.Miditra any am-piangonana isika mba hidera azy,hisaotra azy amin'ny feontsika na gara na migoboka na mangafeo,midera azy amin'ny fontsika tanteraka no tadiaviny,faly izy fa tonga hiara-hidera azy miaraka ireo olomboavonjy rehetra.Ilaina tanteraka ny miara-midera sy mankalaza ny anarany.Samy manana ny antony hidirana any am-piangonana ny tsirairay fa ny tena antony dia ny hisaotra azy fa tsara izy ary mandrakizay ny famindram-pony.Efe 2:8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana:ary tsy avy aminareo izany ,fa fanomezana avy amin'Atra;tsy avy amin'ny asa fa sao hisy hirehareha."For it is by grace you have be saved through faith-and this is not from yourselves,it is the gift of God - not by works so that no one can boast "
7. Fiffi ( 10/02/2007 08:02)
fijo:
raha "miangona" aloha,aleo miangona mirevirevy e.toa izay handany andro mody hanao hira malahelo eo,nefa ny ampitso miketrika ny hanambakana ny sasany fotsiny.
indrisy fa tena misy ary mi-existe mihintsy io ....arak'ilay dinika efa nandeha teto hoe ny ampitso mangalatra akoho.....


8. Salut ( 10/02/2007 14:46)
Ny fitiavana sy ny finoana no mahavonjy. Averin'i Kristy matetika ny hoe :"ny finoanao no nahavonjy anao". Ny mino dia tsy ireo miseho ivelany fotsiny (toy ny fariseo) fa ireo miaina izay inoany. Ny manaraka an'io dia ny fitiavana. Atao am-pitiavana an'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Mivavaka aho satria tiako ilay iresahako (Jesoa). Fa tsy sanatria noho ny tahotra ny afobe no ivavahana. Na noho ny fitiavako te ho voavonjy fotsiny(fitiavan-tena io). Amiko raha tena mino dia tsy tsara ny manao fampitahana amin'ny hafa. Ilay "inoanao sy tiavinao ary tia anao" no banjino isan'andro dia ho sambatra lalandava ianao (manomboka ety an-tany sy ho mandrakizay)
9. dailynews ( 11/02/2007 18:53)
hearty:

Malaza ho maro kristiana eto amitsika aty Dago
Hono hoaho araka ny hevitrareo:
Zay rehetra miditra ampengonana , mivavaka isak'alahady , manao asa soa sy activite ao ampengonana v dia azo antoka fa voavonjy avokoa ?

izay mandray an i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fianany manokana no voavonjy. Izany hoe izay ireo izay nateraka indray.
Inona indray izany? mino aho fa ny namana sasany manana hambara betsaka ihany koa.

mandalo matetika eto ity lohahevitra ity fa tsy maninona fa valiana foana, miovaova ihany koa ny olona koh.

10. niryna ( 12/02/2007 03:17)
Salut:

Ny fitiavana sy ny finoana no mahavonjy. Averin'i Kristy matetika ny hoe :"ny finoanao no nahavonjy anao". Ny mino dia tsy ireo miseho ivelany fotsiny (toy ny fariseo) fa ireo miaina izay inoany. Ny manaraka an'io dia ny fitiavana. Atao am-pitiavana an'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Mivavaka aho satria tiako ilay iresahako (Jesoa). Fa tsy sanatria noho ny tahotra ny afobe no ivavahana. Na noho ny fitiavako te ho voavonjy fotsiny(fitiavan-tena io). Amiko raha tena mino dia tsy tsara ny manao fampitahana amin'ny hafa. Ilay "inoanao sy tiavinao ary tia anao" no banjino isan'andro dia ho sambatra lalandava ianao (manomboka ety an-tany sy ho mandrakizay)



=D=D=D=D=D^:^
11. prime ( 12/02/2007 12:45)
dailynews:
izay mandray an i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fianany manokana no voavonjy. Izany hoe izay ireo izay nateraka indray.
... Deraina anie Andriamanitra noho izany lazain\'i daily izany...=D=D^:^^:^
12. xxx ( 12/02/2007 13:54)
Mila ateraka indray ny olona vao voavonjy.Toy ny milomano ka lena tanteraka tao anaty rano.Ny ran'ny tompo no nanavotany ahy ka ny finoako azy maty noho ny fahotako sy noho ny fanantanterahako ny hafany no mahavonjy ahy.Ny finoana tsy arahan'asa dia namany finoana maty.
13. jefra ( 12/02/2007 14:44)
Hay moa mbola misy ateraka faninondroany izany! Mbola mahazo manantena ve zany na somary bebe kibo aza?

Dia hohararaotina hatao daholo izany ny voarara rehetra satria efa voatery mi-pasy 2nd session ihany :lol:
14. niryna ( 13/02/2007 07:19)
jefra:

Hay moa mbola misy ateraka faninondroany izany! Mbola mahazo manantena ve zany na somary bebe kibo aza?

Dia hohararaotina hatao daholo izany ny voarara rehetra satria efa voatery mi-pasy 2nd session ihany :lol:

Ny fahalalako azy dia tamin'ny mbola kely isika natao batisa fotsiny ,tsy mbola nanana safidy ary misy miteny hoe sao sanatria misy mahazo ilay zaza dia tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra.Ny fantatro aloha dia izay zaza maty tonga de mandeha any an-danitra daholo fa tsy mandalo fitsarana e.
Ilay ateraka indray dia ianao mihitsy no manao solontena ny hanantona ny tompo noho ny sitraponao ary dia miova olom-baovao.Ny lasa rehetra dia voavela ary dia olon'Atra vaovao ianao.Na dia ratsy sy maro aza ny fahotana ka rehefa nanolotra ny tena ho an'ny tompo dia madio sy fotsy toy ny oram-panala

15. prime ( 13/02/2007 09:35)
hearty> Tsy izay rehetra miditra am-piangonana no voavonjy fa izay mino araka ny voalazan\'ny soratra masina...

Kanefa na ireo izay milaza ho mpino koa aza dia mila mandinin-tena fatratra sy mitandrina dia mitandrina fa Kristy mihitsy no nampitandrina hoe :

\"21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin\'ny fanjakan\'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon\'ny Raiko Izay any an-danitra.22 Maro no hanao amiko amin\'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin\'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin\'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin\'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.\" Matio 7:21-23
16. eritra ( 14/02/2007 08:40)
Misaotra anreo namaly fa eo no tiako iaviana satria asa ra tsapantsika anie fa maro ny miditra apengonana nefa firy am reny moa no tena mitady ny ny tavan'ny Tompo tokoa sy mihevitra fa ny manao asa soa de maha voavonjy.
Mankahery antsika e
17. fijo ( 14/02/2007 22:47)
ny fiangonana dia toerana fanafenanany ratsy fotsiny.izay ,rah atena mino sy mivavaka izany tsy mila miangona vao mahavita azy.
ary ny soa sy ny fanaovana tsara,io tsy hilana finoana.
18. prime ( 15/02/2007 06:55)
fijo> indrisy fa tena misy tokoa izany...
fiffi:
fa nahoana no tsy ho voavonjy ry zareo ,
... satria tsy ny fanaovana asa soa sy ny fidirana am-piangonana, fanaovana activité ao am-piangonana sy fivavahana isan'alahady no lazain'i Kristy hoe fototry ny famonjena...
19. Fiffi ( 15/02/2007 07:00)
prime:
satria tsy ny fanaovana asa soa sy ny fidirana am-piangonana, fanaovana activité ao am-piangonana sy fivavahana isan'alahady no lazain'i Kristy hoe fototry ny famonjena...
prime: marina zany saingy......inona moa no mahatonga ny olona hanao an'zany rehetra zany ? moa ve tsy ny finoany sy ny fanetren-tenany hanompo an'Andriamanitra ?


20. prime ( 15/02/2007 07:53)
fiffi> ka tsy izany no lohahevitra hoe inona no asa sy vokatry ny finoana fa hoe inona no mahavonjy, ny fanaovana asa soa ve?

Ny finoana ihany no mahavonjy ary ny asa soa sy ny fankanesana any am-piangonana sns... dia vokatry ny finoana fa tsy mahavonjy velively... izay no mahavokatry ny fitiavana sy ny finoana izany fa... tsy azonao ve?

Tsy hoe izay manao asa soa rehetra dia miditra any an-danitra... izay no mahamarina ny fanamarihan'i fijo fa ny tsy mpino aza no tena mahavita be hoy ny Tompo izay raha resaka asa soa sy fanompoana...
fijo:
ary ny soa sy ny fanaovana tsara,io tsy hilana finoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0851