FIFOHAZANA

1. xxx ( 05/02/2007 23:40)
Fa maninona kay ny fifohazana refa manala adala devoly no mitabataba be de ndraindray otran miteny aminteny tsy fantatra inona no tena fotokevitra ijorony nadeha niaraka tam zanako zah de tsy nety andeha intsony izy satria natahotra fa zza no nalana devoly de otran gaga be fa nisy zavatra hafahafa tokoa niseho de nisy nioteny fa refa tsy mifantoka amin fivavahana zazaa sasany de any ndray le devoly no miditra de ahona zany rirezto zay moa tsy fifohazana fa mba te hijery oe otran ahoana zany fivavahana zany satri misy miytreny fa secte sns
novalian'i prime ny 23/02/2007 11:24
2. tsimiandravola ( 06/02/2007 00:22)
=))=))=))=))Alefaso indray ny akrobasia théologique ry LD â!=))=))
3. cutie ( 06/02/2007 03:08)
de tsy nety andeha intsony izy satria natahotra fa zza no nalana devoly de otran gaga be fa nisy zavatra hafahafa tokoa niseho de nisy nioteny fa refa tsy mifantoka amin fivavahana zazaa sasany de any ndray le devoly no miditra de ahona zany rirezto zay moa tsy fifohazana fa mba te hijery oe otran ahoana zany fivavahana zany satri misy miytreny fa secte sns

efa henoko koa io
fa za moa tsy sahy mandeha refa hanala devoly reny ry zareo fa sao de aty amiko njay no miditra le devoly :-D:-D:-D
4. Mandefitra ( 06/02/2007 05:32)
Jakoba 4:7 "Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy"
Lojika ra mitabataba ny mpiandry refa mandroaka devoly, toherina izy,roahina @ anaran i Jesosy.
....fa ra mahafaly an i Tsimiandravola sy Cutie ny hitoerany de tambatambazo izy.:lol:
5. Mandefitra ( 06/02/2007 05:41)
Matio 17:18 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay
Marka 1:25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina hianao ka mivoaha aminy
Marka 4:39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro
Marka 9:25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony
6. prime ( 06/02/2007 07:50)
xxx> Sao ny Mpiandry no tianao resahina fa misy mahasamihafa azy kely ny atao hoe Fifohazana sy ny Mpiandry...

Ny hoe mitabataba dia tsy mahagaga loatra satria ady no atrehina... ary amin'ny fahefàna no iasàna...

Ny foto-kevitra dia aleo amin'ny manaraka fa manasa ny namana hafa aloha mba hilaza ny heviny...

Mandefitra> Misaotra...
7. booboo ( 06/02/2007 08:29)
Sao ny Mpiandry no tianao resahina fa misy mahasamihafa azy kely ny atao hoe Fifohazana sy ny Mpiandry...


ié samihafa reo
8. pissoa ( 06/02/2007 09:08)
mba azavao :oops::-D
9. prime ( 06/02/2007 09:59)
Amin'ny fomba tsotra no iezahana anazavàna azy ary :


  1. Mpiandry=Olona nandray antso manokana avy amin'i Jesosy Kristy, niofana sy nianatra ary nozahàna toetra manokana, voahosotra, nomena fanomezam-pahasoavana manokana, ary mampiasa ny hery sy ny fahefàna rehetra nomena azy hiady sy handresy an'i satàna sy ny forongony sy hitory ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra ary manao an'i Kristy ho filamatra eo amin'ny fiainana... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy :
  2. "17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; 18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny 19 Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra 20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena" Marka 16:17-20
  3. Fifohazana=Mpiandry, Zanaky ny Toby Lehibe Fifohazana, Ray aman-dRenin'ny Toby Fifohazana, Fianakaviam-ben'ny Toby Fifohazana, Fianakavian'ny Mpiandry, Mpiomana ho Mpiandry, Mpitandrina, Diakona, Tompon'andraikitra isan-tsampana ao amin'ny Fiangonana... ny Fiangonana mihitsy amin'ny ankapobeny... Izay rehetra mandre ny antson'Andriamanitra araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :
  4. "Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy." Efesiana 5:14

... hatreo aloha...
10. scorpion ( 06/02/2007 10:31)
Misy mpiandry sy fifohazana izany koa ve any andafy sa eto madagasikara ihany no misy azy ireo?
11. booboo ( 06/02/2007 10:44)
Scorpion > ié, ny fg malagasy falehako misy fifohazana (sampana). Tsy haiko hoe miankina @ Toby aiza any M/car zareo ....
12. prime ( 06/02/2007 10:55)
Ie misy any ivelany... ary io tsy ao amin'ny Loteràna sy ny FJKM ihany fa efa misy koa izao ny Pretra, "Père, Mère, Soeur" Katôlika efa lasa Mpiandry sy Fifohazana... efa mahalala maro aho...
13. scorpion ( 06/02/2007 11:45)
dia gasy ihany no lasa mpiandry sa misy vazaha koa?
14. cutie ( 06/02/2007 16:33)
fa ra mahafaly an i Tsimiandravola sy Cutie ny hitoerany de tambatambazo izy.

whatever :-D:-D:-D
15. cutie ( 06/02/2007 16:33)
Mpandefa : booboo [ Valio ] 06-02-2007 09:29:51
Lohateny : Re : FIFOHAZANA
Voalaza teo :
Sao ny Mpiandry no tianao resahina fa misy mahasamihafa azy kely ny atao hoe Fifohazana sy ny Mpiandry...


ié samihafa reo

za koa nieritreritra we mitovy an'reo :lol:
16. booboo ( 06/02/2007 17:24)
Nenà ny hitiavako mamonjy fotoam-pifohazana ilay mihira zafindraony reny. Sady tondé ny andalana aby aby no hiraina, ankoatra ny manatona mpiandry refa misy asa fametrahan-tanana ....
17. cutie ( 06/02/2007 23:21)
Mpandefa : booboo [ Valio ] 06-02-2007 18:24:18
Lohateny : Re : FIFOHAZANA
Nenà ny hitiavako mamonjy fotoam-pifohazana ilay mihira zafindraony reny. Sady tondé ny andalana aby aby no hiraina, ankoatra ny manatona mpiandry refa misy asa fametrahan-tanana ....

za tsy tia hira zafindraony :lol:
18. prime ( 07/02/2007 06:02)
scorpion:
dia gasy ihany no lasa mpiandry sa misy vazaha koa?
... ny antson'Andriamanitra miantefa amin'ny olona rehetra, fa ny toby lehibe no teto Madagasikara no niaingàny ka tsy mahagaga raha Malagasy no betsaka...
19. Fiffi ( 07/02/2007 08:49)
Protestant zany .....
20. booboo ( 07/02/2007 11:02)
Cutie > zany ve ? tsara reny kouh ! lé tsy mitarevaka ange e ! hihihihihihihi ...misy an'ilay miventy kely eny am-povômbony eny tena mahazo aina mitsy zà hihihihihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2559