FIFOHAZANA
41. lamie
(
13/02/2007 11:01)
rehefa misy ny TSARA,dia misy ny ratsy,ny filalaovana fanafody no mahatonga ny ratsy ao aminao,ny devoly tsy miditra anaty olona akory,ny nataonao ihany no mipetraka anatinao,valin'ny nataonao ireo (azo atao hoe devoly )raha tianao,ny sainao koa ratsy dia ny fanahinao koa zany ratsy koa,dia fijaliana no asetrin'Andriamanitra aminao,azo alàna io ratsy io ary tsy maintsy alàna satria be loatra, zany no mahatonga anao hamono, hanao herisetra,marina ny filazanao oe misy rora sy ny sisa fa izaho aloha tsy hijery an'io fa zany izy oe ratsy!ary ianao no te hilalao fanafody any dia zakao e!
42. rush
(
13/02/2007 16:47)
ka ny olana dia i niryna miziriziry fotsiny @ zay lazainy nefa tsy marina akory ny zavatra lazainy fa dia ny azy hiany no hasesiny , ary tsy mba manaiky ny hevitrin'ny sasany .
43. lamie
(
13/02/2007 17:58)
anatra omena antsika:ny baiboly tsy mety raha discuter-na,mifanoro,mifampianatra, mitory, izany no mety fa samy manana ny fijeriny,finoany isika ka sarotra be ny mi-insiste eto satria ianao efa zao, efa zao,tsy maninona izany fa fahasoavana nomena anao io ka tano ary anasoavy ny namanao,omeo aza ny ainao ho an'ny namanao, aza miseho ho tena mahay ny baiboly fa ny pasitera aza mbola mamaky rehefa manao vavaka sy mitory teny,ary mbola mianatra mivavaka,
44. niryna
(
15/02/2007 06:42)
lamie:
rehefa misy ny TSARA,dia misy ny ratsy,ny filalaovana fanafody no mahatonga ny ratsy ao aminao,ny devoly tsy miditra anaty olona akory,ny nataonao ihany no mipetraka anatinao,valin'ny nataonao ireo (azo atao hoe devoly )raha tianao,ny sainao koa ratsy dia ny fanahinao koa zany ratsy koa,dia fijaliana no asetrin'Andriamanitra aminao,azo alàna io ratsy io ary tsy maintsy alàna satria be loatra, zany no mahatonga anao hamono, hanao herisetra,marina ny filazanao oe misy rora sy ny sisa fa izaho aloha tsy hijery an'io fa zany izy oe ratsy!ary ianao no te hilalao fanafody any dia zakao e!
Mitombona tanteraka ny teninao,izany no mahatonga ny olona mamono olona dia milaza izy fa tsy izy hono no namono fa ny fanahy ao anatiny.Asa aloha raha hividy izany ny mpitsara e
45. niryna
(
15/02/2007 06:45)
rush:
ka ny olana dia i niryna miziriziry fotsiny @ zay lazainy nefa tsy marina akory ny zavatra lazainy fa dia ny azy hiany no hasesiny , ary tsy mba manaiky ny hevitrin'ny sasany .
rush a isak'izay size ataoko dia milaza ianao fa miziriziry aho,mamorona indray aza size hiarahan'ny maro mifandinika e.Tadidio fotsiny,matoa ny olona rehetra eto manome size,efa misy valiny izy izay.Io no atao hoe fifanakalozan-kevitra.(l)niryna
46. niryna
(
15/02/2007 06:45)
lamie:
anatra omena antsika:ny baiboly tsy mety raha discuter-na,mifanoro,mifampianatra, mitory, izany no mety fa samy manana ny fijeriny,finoany isika ka sarotra be ny mi-insiste eto satria ianao efa zao, efa zao,tsy maninona izany fa fahasoavana nomena anao io ka tano ary anasoavy ny namanao,omeo aza ny ainao ho an'ny namanao, aza miseho ho tena mahay ny baiboly fa ny pasitera aza mbola mamaky rehefa manao vavaka sy mitory teny,ary mbola mianatra mivavaka,
Misaotra betsak lamie a .
47. prime
(
15/02/2007 07:23)
O ry zareo ah... tena misy ny asan'ny devoly sy satàna fa tsy honohono... tena misy ny fanahy ratsy miditra amin'ny olona fa tsy hoe fanahy mirenireny fotsiny ihany... tsarovy ny fampianaran'i Kristy indray andro mikasika ny olona iray tsy niambina fa raha lasa ilay fanahy ratsy iray tao aminy dia nirenireny teny izany fanahy izany fa rehefa avy eo hitany fa madio ny tranony teo aloha (ilay olona nitoerany) dia niverina izy ary mbola nitondra fanahy ratsy fito hafa amboniny...
48. lamie
(
15/02/2007 17:07)
marina io prime;fa isika zao!aza mety rebireben'ny ratsy, andro kely hiainana ty, tsy fantatra raovina no ho lasa!ny aina hono tsy mifametra, manaova mandrakariva ny soa dia ho sambatra ianao mandrapahatapitra ny fofon'ainao!
49. xxx
(
16/02/2007 07:33)
prime:
O ry zareo ah... tena misy ny asan'ny devoly sy satàna fa tsy honohono... tena misy ny fanahy ratsy miditra amin'ny olona fa tsy hoe fanahy mirenireny fotsiny ihany... tsarovy ny fampianaran'i Kristy indray andro mikasika ny olona iray tsy niambina fa raha lasa ilay fanahy ratsy iray tao aminy dia nirenireny teny izany fanahy izany fa rehefa avy eo hitany fa madio ny tranony teo aloha (ilay olona nitoerany) dia niverina izy ary mbola nitondra fanahy ratsy fito hafa amboniny...
Ireo efa mandrava ny fivavahana eto ireo izy koa porofo inona indray no tadiavintsika.Aoka isika rehetra samy ho mafy ny finoana indrindra ireo enjehina sy haratsiana.
50. booboo
(
16/02/2007 11:46)
xxx tary @ voalohany ndrindra eeee > tsy haiko na aiza no misy anao, fa raha te-hanatrika fotoam-pifohazana, dia @ 8 Mai eny @ fjkm anosivavaka ambohimanarina mandeha. Asa raha hainao ny tantaran'ny 8 mai-n'Anosivavaka ...
51. xxx
(
17/02/2007 00:01)
booboo:
xxx tary @ voalohany ndrindra eeee > tsy haiko na aiza no misy anao, fa raha te-hanatrika fotoam-pifohazana, dia @ 8 Mai eny @ fjkm anosivavaka ambohimanarina mandeha. Asa raha hainao ny tantaran'ny 8 mai-n'Anosivavaka ...
Mitombo any ny devolin'i xxx ry booboo a,izy hanantena hijery fotsiny,ilay miala any amin'ny hafa mitsambikina manampy ny efa ao aminy=))=))=))
53. prime
(
20/02/2007 15:02)
booboo> Efa hainohaino fa tsara raha mba zarainao mihitsy hoe inona marina no nitranga...:lol: sa tsy mety?
lamie> Misaotra... marina izany voalazanao izany... fa ilay fanahin'ny fiambenana no tsara angatahina hitoetra mandrakariva satria ny olona milaza ho mijoro indrindra no tena halan'ny devoly fa tsy ny efa azy akory...

54. niryna
(
22/02/2007 06:33)
Samy nomeny fahasoavana isika rehetra koa raha misy ny fotoana azo am-piasaina azy dia ataovy fa tsy misy nenina na kely aza.:):)
55. prime
(
22/02/2007 12:02)
Ny devoly tsy mihaza ny efa ao anaty haratony fa ny mbola tsy azony...
57. naritsimba
(
23/02/2007 05:53)
Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. Manajà ny ray sy ny reninao fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy. Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo, amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona, satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy. Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
[Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra] Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra; izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo. Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena. »
Efesiana 6:24
Mazava angamba ireo voalazan'ny Soratra Masina ireo fa dia antsika no mieritreritra.

58. prime
(
23/02/2007 06:37)
naritsimba> =D... misaotra amin'ny fampatsiahivana... deraina Andriamanitra amin'ireo Teny notsongainao ireo...^:^
59. naritsimba
(
23/02/2007 11:02)
tsy misy ady hevitra fa voalaza fa misy ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]

60. prime
(
23/02/2007 11:24)
nary> Io lazainao io no fampianarana lehibe nentin'i Kristy mikasika ny fifandraisan'ny olona samy olona... na eto amin'ny sera2 aza dia tsy misy mpifahavalo fa ny hevitra sy ny finoana no tsy mitovy...
Ny fahavalon'ny mpino an'i Jesosy Kristy dia telo ihany :
- Satàna sy ny forongony
- Izao tontolo izao sy ny firehany
- Ny tena isam-batan'olona sy ny filàny...
Amin'ireo nefa dia ity farany no sarotra iadiana indrindra...