Fa inona marina ary?

1. kally ( 07/01/2007 14:42)
Dia variana ihany aho indraindray hoe fireharehana ve ? tsy fifanajana ve? Fahamaizana hiresaka fotsiny ka tsy miraharaha na azon’ny hafa ny tiana ho lazaina na tsia? Sa fisehoana ho tsy mahay miteny gasy intsony fa efa ela be nipetraka tany ivelany?
Tsy asiako adihevitra betsaka fa dia io no zavatra tsapako amin’ny teny vary amin’anana isan-karazany ato amin’ny serasera, sa ianareo rehefa mba miteny tenin’olon-kafa dia afangaro teny gasy kely ihany aloha? Raha miresaka amin’olona miteny alemà dia afangaro teny anglisy sa teny frantsay? Dia variana fotsiny aho fa mba nandalo ny eriteritro dia nivily, raha samy manao vary amin’anana amin’ny firenena ipetrahany avy moa manakory? Sa misy antoko isaky ny tenim-pirenena itenenany eto?:wink:
novalian'i melody ny 18/01/2007 15:22
2. fasaly ( 07/01/2007 14:47)
efa resaka nande imbetsaka teto aky io kally fa akory atao a! efa fahazaran-dratsy angamba ka tanana zàtra mivonkona tsy afaka mitsotra tsotry e!
anisan'ny tafiditra amin'ilay atao hoe fiaraha-monina eto am forum ihany izany ka aleo asiana tsiky dia ampy :wink:
ary tsy ny gasy ihany no manao an'i fa na any am site vazà aza ny fomba fanoratra dia hafa mihintsy e!
revelisionera dool zany angamba:wink::-D
3. kally ( 07/01/2007 15:17)
Tsy fomba fanoratra akia Fasaly no resahiko fa ny vary amin'anana a! satria nisy resaka teto indray mandeha dia teny nifangaro be ilay izy dia nisy namana tsy nahazo ny tian'ilay olona ho tenenina.
4. kelly13 ( 07/01/2007 16:06)
za klou d mpanao vary @ anana e, ary d tsoriko fa fahazarandratsy tokou le izy, nefa akory atao. misy kou ange teny tsy hita ze ilazana azy @ teny gasy e! miezaka iany fa d eh eh eh, tsy mety fa misy anana majinika mijapy fôna e :lol:
5. Fiffi ( 07/01/2007 16:17)
heu.....raha mba manao vary @ anana hoe mba misy teny tsy voadika @ teny gasy de mba hadika @ teny frantsay mba mety hiany fa ny an'ny hafa de teny anglisy vary raraka be zao klé ! hehehehe tsy ny rehetra ange no mahay teny anglisy eh !
6. fasaly ( 07/01/2007 16:52)
kelly: tsompony raha feno hana-dratsy aky de amzay madio ny vary:wink::-D

kally: ah ok! ka mifangaro ihany reo mantsy aky! ny vary am'anana miampy fanortra de tena very tanteraka ny tsy maharaka:-D loza mitry:?
7. pissoa ( 07/01/2007 16:55)
Kally : Ny lojika indrindra angamba rehefa maneho hevitra ny olona iray, dia izy no voalohany tokony hahazo ny zavatra soratany. Ka raha vary amin'anana no hahazahoany azy, dia aleo iny no asehony. Ary na atao teny gasy koa ary dia mino ve i Kally fa ho azon'ny olona rehetra ? Isika rehetra eto ve mahafantatra ny atao hoe "takamoa" ohatra :idea: Raha izaho dia aleo hanazava amin'izay tiany hafangaro izy rehefa mbola tsy mihoatra ny vary amin'anana, fa izay tsy mahazo no manontany.

Tsy voatery amin'ireo tanisain'i Kally ireo ny mahatonga ny vary amin'anana ataon'ny olona iray.

Fiffi > Ka eto koa aza misy teny Frantsay be vary raraka knou ... fa na teny Anglisy na teny Frantsay na inona, samy tsy haiko de mitovy ihany zany amiko : mila mpandika teny :lol::-D
8. kally ( 07/01/2007 17:08)
Asa raha novakianareo tsara izay nosoratako, fanontaniana be dia be no napetrako ka i kelly izao no namaly ny iray tamin'ny fanontaniako ( misaotra kelly a!):-*
Fiffi moa nanampy fanazavana, nanamafy ny zavatra voalazako.
Pissoa> Tsy fomba loatra ny mamaly fanontaniana amin'ny fanontaniana mipetraka:wink: Takamoa izany tsy noforonin'ny gasy noho izany mijanona ho ampoule @ voambolana namoronana azy na nitondrana azy teto Madagasikara tahaky ny radio sy ny tele ary ny ordinatera sy ny bisikileta.
Fa tiako foana anie ianareo ho'a na izany aza e!:-*
9. pissoa ( 07/01/2007 17:19)
Dia tsy nanaraka ny fomba aho zany ka inona no olana ? Tsy tianjy tampoka ve ? :-*:-D (Mbola fanontaniana koa io, saingy toa tsy valin'ny fanontaniana hafa tampoka :-D )

Fanazavana no nentiko tamin'ny takamoa, hitenenana hoe tsy ny gasy rehetra no mahay ny teny gasy rehetra. Fa tsy hitenenana hoe tsy ampy ny voambolana malagasy noho ny antony betsaka.
10. Fiffi ( 07/01/2007 17:21)
pissoa:
Fiffi > Ka eto koa aza misy teny Frantsay be vary raraka knou ...
heu....marina aloha zany fa ....manadio tena indray zah zao an ! mandefa vao2 avy @ gazety ohatra na nalaina avy t@ rohy "TSY VITA NY FANDIKANA AZY" ny tiako lazaina an ! fa ny hafa tiako lazaina eto de hoe manomboka manazava @ teny gasy , nazava tsara le izy saingy tampoka teo de misy fanazavana na zavatra hafa lazaina @ teny anglisy ohatra hoa io an !


11. kelly13 ( 07/01/2007 20:31)
kally>tsisy fisaorana ankia izany an, fa na izany aza, mino kosa aho fa tsy dia hoe "fireharehana ve ? tsy fifanajana ve" ilay izy fa efa fahazarana araka io voalazako eo ambony io :-*

fasaly :lol:, ny anana efa tsy ampy ka mbola anesorana indray v ankia? hahahaha

12. fasaly ( 07/01/2007 21:15)
:-D:-D:-D:-D
13. Fiffi ( 07/01/2007 22:18)
de :) de ampy zany ...:)
14. niryna ( 08/01/2007 04:46)
Amin\'ny voalohany aloha mety tsy ho azo ny teny tenenin\'ny olona ato ka matetika izay ao anaty saina ao daholo no soratany ary samy manao diso tsipelina tsy teny tsy teny gasy hafahafa daholo isika.Matetika kosa izy raha misy teny izay amin\'ny teny hafa no mahafoaka azy dia azavainy amin\'ny teny gasy kosa e.Raha tsy ohatra hoe zava-baovao efa voasoratra amin\'ny teny hafa dia mety ho anjarany kosa izany no miezaka manazava azy amin\'ny teny gasy fa reraka ny maso mijery azy.Sa ahoana hoy ianareo,izay lanin\'ny be sy ny maro e:-*
15. booboo ( 08/01/2007 09:29)
lé teny angalisy sy teny faran'tsay lava beeeeeeeee reny klou dé tsy azo tsy araka sady tsy mazava amiko matetika e
16. majakely ( 08/01/2007 12:29)
matetika koa de mila mitandrina bebe kokoa lay olona rehefa te hiteny gasy ranoray,,,zah zao mitandrina be raha tsy zany lasa ho azy ny teny vazaha eny anelakelany eny,,tsy midika zay hoe tsy manaja anlay olona za,,,fa mety hoe isan'ilay maha olona anlay olona lay izy(personnalité),raha tena manahirana ny mihaino ahy manao vary amin'anana de lazaina amiko fotsiny de miezaka be manao teny gasy ranoray za,fahazarana hatram mbola kely koa io ,na tao an-trano aza zay de mifangaro ny epinard sy anamafana ,,,hiihihi ,fa revena manja fotsiny ,mety fona io,:-D:-D
17. Lalah ( 08/01/2007 18:15)
Ilay izy aloha aza tonga dia raisina hoe ratsy na tsy mety, fa zao ny @ itony forum tony an! sady firesadresahana no fianarana koa, ary tsy tokony hatao hanelingelina mihintsy raha araka ny hevitro ny fisian ny variamin ny anana, zah ohatra zao tsy mahay teny frantsay mihintsy fa mahita ankizy manoratra teny frantsay eto aho dia mahita hoe hay ve zany ny fomba fiteny, amin zay mba mahita rirany kely raha sendra miresaka @ olona miteny frantsay indray androany. Samia maka zay mahamety azy e!
18. pissoa ( 08/01/2007 18:27)
Fiffi:
heu....marina aloha zany fa ....manadio tena indray zah zao an ! mandefa vao2 avy @ gazety ohatra na nalaina avy t@ rohy "TSY VITA NY FANDIKANA AZY" ny tiako lazaina an ! fa ny hafa tiako lazaina eto de hoe manomboka manazava @ teny gasy , nazava tsara le izy saingy tampoka teo de misy fanazavana na zavatra hafa lazaina @ teny anglisy ohatra hoa io an !

Ny gazety anie efa hifanekena hoe tsy voadika e ! Fa misy hatsikana ... nisy koa tany amin'ny Fivavahana no tiako nambara. Sady zah tsy dia sarotiny, fa hoe mila mpandika fotsiny :-*:-D
19. fasaly ( 08/01/2007 18:53)
zà kou mila mpandika:P
20. Aino ( 08/01/2007 19:13)
ny ahy indray dia matetika rehefa miresaka aty aho dia lasa misy teny gasy tampoka mitsivalana tampoka.

Fa ny ahy koa tsy dia tiako laotra le gasy miteny vahiny aminko, indrindra moa fa hoe mahay teny gasy nefa miteny vahiny, dia ekena fotsony, nefa akory atao fa dia samy manana ny tiany ny ts’iray iray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1738