Fa inona marina ary?

21. Aino ( 08/01/2007 19:16)
ny anana efa tsy ampy ka mbola anesorana indray v ankia? hahahaha
dia ataovy vary sosoa indray aza eh!! asina patra kely dia ampy sady tsy dia manahirana firy fa ny vary @n'anana mbola asiana menaka,sira,voatabia sns:D
22. xxx ( 08/01/2007 20:16)
kally:

Dia variana ihany aho indraindray hoe fireharehana ve ? tsy fifanajana ve? Fahamaizana hiresaka fotsiny ka tsy miraharaha na azon’ny hafa ny tiana ho lazaina na tsia? Sa fisehoana ho tsy mahay miteny gasy intsony fa efa ela be nipetraka tany ivelany?
Tsy asiako adihevitra betsaka fa dia io no zavatra tsapako amin’ny teny vary amin’anana isan-karazany ato amin’ny serasera, sa ianareo rehefa mba miteny tenin’olon-kafa dia afangaro teny gasy kely ihany aloha? Raha miresaka amin’olona miteny alemà dia afangaro teny anglisy sa teny frantsay? Dia variana fotsiny aho fa mba nandalo ny eriteritro dia nivily, raha samy manao vary amin’anana amin’ny firenena ipetrahany avy moa manakory? Sa misy antoko isaky ny tenim-pirenena itenenany eto?:wink:




Marina izany ry kally. Ireo avy ao Lafrantsa ao no tena misehoseho.
23. fasaly ( 08/01/2007 20:42)
oadrayyyy! io fa mitady hifampitifitra ndray ny sasany:?
24. soanja ( 08/01/2007 21:02)
Lalah:

Ilay izy aloha aza tonga dia raisina hoe ratsy na tsy mety, fa zao ny @ itony forum tony an! sady firesadresahana no fianarana koa, ary tsy tokony hatao hanelingelina mihintsy raha araka ny hevitro ny fisian ny variamin ny anana, zah ohatra zao tsy mahay teny frantsay mihintsy fa mahita ankizy manoratra teny frantsay eto aho dia mahita hoe hay ve zany ny fomba fiteny, amin zay mba mahita rirany kely raha sendra miresaka @ olona miteny frantsay indray androany. Samia maka zay mahamety azy e!


Izany ka fahendrena!

Zah manokana dia tia manao vary amina'anana satria efa tsy miteny gasy isanandro ny atidohako fa 20%, eto aho vao manao ezaka. Saingy rehefa misy hafatra tena tiako ampitaina ka ny teny gasy tsy mahafoaka azy dia ampidiriko ny teny Anglisy. Io dia fomba entina hanamafisan-kevitra matetika fa ny tena votoatiny amin'ny ankapobeny tokony ho azon'ny be sy ny maro.
Ary amiko fahendrena koa ny mametraka fanontaniana rehefa tsy misy teny tsy azonao ka tianao ho azo manokana.
Fomba fijery ny fiainana daholo izany ary manamora fiarahamonina. Tokony hisy ny ezaka saingy kosa tsy hiala amin'ny mahaizy ianao tanteraka mba hanomezana fahafahampo ny hafa. :wink:


25. soanja ( 08/01/2007 21:04)
misy diso "raha misy teny tsy azonao" fa tsy hoe "raha tsy misy teny tsy azonao":)
26. xxx ( 08/01/2007 21:37)
Ka hita fa tokony handeha tsotra io. Fa ireo avy ao lafrantsa ao, manararaotra hoe somary mahay miteny frantsy daholo ny olona, dia miseho ho tena tampom-pahaizana mihitsy.
27. xxx ( 08/01/2007 21:48)
:?::?::roll::D
28. kally ( 08/01/2007 22:26)
Tsy fanakianana na fifampitifirana kosa aloha ry xx no nitondràko an'ity hevitra ity fa fanontaniana no napetrako, dia samy namaly teo sy nanazava teo, ny hitany mahamety na tsy mahamety azy ny tsirairay. Misaotra anareo nandray anjara.
Izaho aloha tsy manam-pahaizana amin'ny teny gasy, izaho koa anefa dia tsy miteny gasy mihitsy afa-tsy eto aty amin'ny firenena misy ahy.Ary tsy afaka hanafangaro ny teny teneniko eto aho satria sady tsy miteny anglisy no tsy miteny frantsay ka mino aho fa be koa ny tsy hahazo sy ho fanajako an'ireo izay tsy miteny ny teny teneniko, dia aleoko miezaka miteny gasy ihany.
Ka dia samia marina izany manao izay tiany fa samy olon-dehibe nahita fianarana daholo!:-D
29. Fiffi ( 08/01/2007 22:27)
heu.....taona vao2 be zao ve de misy mifampitifitifitra sahady klé ! hehehehehe fa inona indray ary ity ? :roll::?::roll:
30. soanja ( 08/01/2007 23:18)
kally:

Tsy fanakianana na fifampitifirana kosa aloha ry xx no nitondràko an'ity hevitra ity fa fanontaniana no napetrako, dia samy namaly teo sy nanazava teo, ny hitany mahamety na tsy mahamety azy ny tsirairay. Misaotra anareo nandray anjara.
Izaho aloha tsy manam-pahaizana amin'ny teny gasy, izaho koa anefa dia tsy miteny gasy mihitsy afa-tsy eto aty amin'ny firenena misy ahy.Ary tsy afaka hanafangaro ny teny teneniko eto aho satria sady tsy miteny anglisy no tsy miteny frantsay ka mino aho fa be koa ny tsy hahazo sy ho fanajako an'ireo izay tsy miteny ny teny teneniko, dia aleoko miezaka miteny gasy ihany.
Ka dia samia marina izany manao izay tiany fa samy olon-dehibe nahita fianarana daholo!:-D


Raha ny fahitako ny fanombohany tary aloha dia somary hafakely ny fipetraky ny fanontaniana.
Tena tsy misy fanakanana ny hafa hampiasa izay teniny any mihitsy saingy raha faniriana ka tafavoaky tanteraka amin'ny teny gasy ny tiany havoaka dia izay angamba no lafatra.
Satria araky izay voalaza tokoa fifanajana ny hafa koa tena isan'ny zavadehibe. Ka raha hafa ny fipetraky ny fanontaniana dia mety ho tsy tahak'io ambony io ny valiny.


31. xxx ( 08/01/2007 23:52)
Tsy mitifitra aho fa hoy i Kally:

Dia variana ihany aho indraindray hoe fireharehana ve ? ... Sa fisehoana ho tsy mahay miteny gasy intsony fa efa ela be nipetraka tany ivelany?....


Dia valiako hoe fireharehana.
Mba jereo ary, firy ny teny vary amin'anana ao. Dia firy amin'ireo no teny frantsay no fangarony? Dia firy ny teny anglisy? dia firy ny teny hafa?

Diso ve aho raha hiteny hoe ny teny frantsay no bobaka.
Tsy ilay teny tsy hay adika no tiako tenenina amin'io fa ilay fireherehana mihitsy.



32. xxx ( 08/01/2007 23:54)
sady angaha koa moa raha vaovao ny taona dia tsy holazaina ny marina?
33. Fiffi ( 09/01/2007 06:25)
xxx:
Fa ireo avy ao lafrantsa ao, manararaotra hoe somary mahay miteny frantsy daholo ny olona, dia miseho ho tena tampom-pahaizana mihitsy.
aiza kosa eh ! :roll:


34. majakely ( 09/01/2007 12:50)
misy teny gasy tena tsy haiko mihitsy ny dikany ,,,
35. Fiffi ( 09/01/2007 15:47)
36. fasaly ( 09/01/2007 17:11)
aza komplikéna wa lay la vie fa reveo manja e! nareo ve tsy mahay mankafy fiainana e! sady fiainana sarotra sy mandalo ity asina blem tsy de manao aon akory:wink:
37. andry08 ( 09/01/2007 17:44)
:-D:-D
38. xxx ( 09/01/2007 19:07)
ananan ka tsy blem ilay izy fa ilay fitiavana misehoseho mihitsy no manirikiry :evil::evil::evil:
39. fasaly ( 09/01/2007 19:09)
hummmm! ary otran'ny ho koboko i xxx zany an!:wink::-$:-w
40. xxx ( 09/01/2007 19:11)
hummmm! ary otran'ny ho koboko i xxx zany an!:wink::-$:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0538