Matsiro ilay sakafo eny amoron-dalama/madio ve?

1. niryna ( 03/01/2007 18:08)
Tena feno hipoka ny mpivaro-tsakafo eny amoron-dalana.Matsiro tanteraka ilay izy,saingy vao tonga any an-trano ny tena dia mivala mipiriritra.
Moa ve azo antoka ny dihon\'ireny?Ny tena tsy zakako dia ilay mpivarotra yaourt eny amoron-dalana,sotrokely telo no hifandimbiasan\'ny olona ary rano iray kopikely ho ahotsakotsany hanadiovana azy ireny.Tokony asiana fanarahana ara-pahasalamana ny fivarotana fa tena maloto ,ary izany no tena maha-be ny aretina aty amin-tsika.Vokatry ilay loto dia mitombo ny lalitra,ny saosisy efa telo andro maimbo mbola amidy ihany,ny mofo efa mihinjitra toy ny hazo mbola tetehina ihany.Efa zatra ny kibotsika ka tsy marary fa raha vao misy olona mipetraka any ivelany mihinana ireny tonga dia marary ary hakana dokotera mihitsy,lany mihitsy ny rano ao aminy vokatry ny fivalanana sy ny fandoavana.Saingy kosa ny ankizy rehefa marary dia tena mijaly,mivoaka hatrany ambava-sy orona ny kakana,vokatr\'ilay loto io.Na dia misarona fitaratra aza ilay sakafo,hitanao feno lalitra sy kalalao ihany ilay izy.Misy vaomeran\'ny fahasalamana ve manara-maso ireny mpivarotra ireny sa dia ..Dia tena tsy misy fanafany mihitsy ve ny famonoana ny lalitra sy ny kalalao e ?8O8O
novalian'i fijo ny 30/01/2007 23:31
2. Fiffi ( 03/01/2007 19:00)
aza mi-exazy kosa eh ! :roll::roll:
3. DONGAKA ( 03/01/2007 19:35)
mivalana mipiriritra h ih i
4. Fiffi ( 03/01/2007 19:50)
niryna:
ny saosisy efa telo andro maimbo mbola amidy ihany,ny mofo efa mihinjitra toy ny hazo mbola tetehina ihany.
mba nandeha tany hiany aloha zah ka na de nahita an'ireny mpivarotra ireny aza an ! fa mbola tsy nahita an'zao zavatra lazainao zao ry niryna an ! :roll:


5. ikaretsaka ( 03/01/2007 20:49)
arakarak'ilay "amoron-dalana" sy sainao daholo io!
6. dongadonga ( 03/01/2007 21:19)
tany andalam-pandrosoana eeehhh:miam::miam::miam:
7. ikaretsaka ( 03/01/2007 22:20)
na tany mandroso aza misy sakafo amoron-dalana foana ko

ary arakarak'ilay lalana ny diony
8. Fiffi ( 03/01/2007 22:34)
niryna:

Efa zatra ny kibotsika ka tsy marary .

Na dia misarona fitaratra aza ilay sakafo,hitanao feno lalitra sy kalalao ihany ilay izy.
:roll::roll: O ! ry niryna aahh !!!!! aiza kosa no hisyan'zany ? de midika zany fa isika efa zatra mihinana ny sakafo maloto foana ? :roll:

de sur @ zany ve enao fa tena misy lalitra sy kalao ao @ ireo sakafo hamidin'olona ? nefa fantany tsara fa io no fotom-pivelomany ?

Ny zavatra hitako anefa de zao: na de tsy manana fitaratra aza ireo mpivarotra hiharovany ny zavatra hamidiny , mba attentif hiany ry zareo @ fanakopakopahina raha ohatra ka sendra misy lalitra mandalo.....fa zany hoe misy kalalao zany kosa aloha de efa trop kosa zany lazainao zany an !


9. soanja ( 04/01/2007 04:51)
Ny ahy satria zah miasa any ambanivohitra be foana rehefa any Mada dia ny fomba iadiana amin'ireo aretina no ataoko vonona. Vao mianga avy aty US aho dia efa manao vakisiny Hepatitis A- B- C.
Ny vakisiny amin'i Malaria sy ny mivimbina foana fanofody cholera.
Manao vakisina contre tetanus.

Satria rehefa tonga any tsy de tsara loatra le miavonavona rehefa misy manome sakafo. Saingy ny hividividy foana eny andalana kosa angamba azo ialana tsara. Mitondra ireny fanafody fanadiovana rano ireny/ na manana filter mba hialana amin'ny rano maloto.

Rehefa hihinana dia sasana tsara ny tanana sady aza de mikasikasika tarehy loatra rehefa eny andalana eny. Izay hohanina raha novidiana teny antsena tokony sasana tsara zay vao hanina sady zavatra mba misy hodiny no tsara fa tsy zavatra mihanaka eny amin'ny masoandro, tsy misy sarony.

Na izany anefa na tsy izany dia ny kibontsika avy aty an-dafy no resahiko dia tsy de mahazaka loatra ny sakafo any. Nefa asa moa fa io no tsapako avy aty lavitra aty fa aza omena tsiny aho raha an-dafy foana no resahiko.
10. watafon ( 04/01/2007 07:18)
niryna: ataoko hoe iray @ 1000 @ mpivarotra amoron-dalana kosa angamba io lazainao io ! trop loatra kosa aloha ilay filazanao azy e! na dia mahantra aza ny gasy mba ahenao kely le izy fa tsy dia izany loatra kosa angamba e !
Ny dion'ireo sakafo amidy eny amoron-dàlana aloha samy manana ny azy e! ary raha tsy diso aho d misy manara-maso ihany izy ireny k ! Ary marina mihitsy fa efa zatra ny kibon'ny gasy mipetraka aty dago.
soanja: ny ranon'ny JIRAMA aty ange nga "azo sotroina" tsara e, fa io miankina @ tsy 1 1 ihany k !
11. kally ( 04/01/2007 08:13)
Samy manana ny amoron-dalany marina angamba io, izaho mihinana ny rehetra any, tsy manao vaksiny sy ny sisa izany fa tsy maninona mihitsy.Izay hanin'ny olona no hohaniko,rehefa tarihin'ny ankizy hihinana amoron-dalana dia lasa koa, ny fiainana tsy miova rehefa tonga any raha mbola te hanana ny ambiansy fiarahana amin'ny besinimaro.
12. simplex ( 04/01/2007 08:56)
Le izy ngamba tsy hary atao hoe madio doly na hoe maloto doly fa misy ny madio ary misy ny maloto. Ny andr'i nirina kou moa toerana efa tsy azo itokisana mbola andehanana ihany kou aiza ary.
Matetika izy ireny azo ihafiana ihany ny fahadiovana fa indraindray asian'zala karbonetra le izy d iny no mamparary kibo. Io ndray tsisy fika fa ze voa manodidina fotsiny :°)8)8)

wata: ny rano natsakaina any ambanivohitra aza azo sotroina kou ny an'ny Jirama ndray ve no tsy azo. Zany hoe ny tsirony fotsiny no tsy mampazoto fa otran'ny be chlore be zany le izy, d aleo ranovola no sotroina refa mangateta e ;-) sady matsiro :P:D
13. watafon ( 04/01/2007 10:20)
simplex: marina mitsy zany k ! sady ny ranovola a,i dirétika tsara e!
Ny olona avy any ivelany mandalo kosa aloha malemy kibo na izany aza e !
14. ikaretsaka ( 04/01/2007 15:39)
io anie le teenniko hoe 'arakarak'ilay amorondalana alehanao e'
15. niryna ( 04/01/2007 17:53)
Tsy mamorina aho fa tena marina ireo, mety tsy mahita isika fa ny olona vahiny mahita ireo.Hitanareo ny mporofo tenenin\'i soanja io.Io koa anie no mahatonga ny namantsika miteny hoe tsy mba sahy miteny ny marina ny olona e ka rehefa mahita zavatra dia hatao hoe sao dia mba tafahoatra ary izany.Ny fantatry ny mpizaha tany rehetra aloha indrindra ny mitsidika ny Afrika dia marary daholo matetika na ny kaiki-moka fotsiny aza anie dia mety mahafaty mihitsy e.Nahita zaza aho narary ary efa nivatsy ireo fanafody marobe sy vakisiny nataon\'i soanja ireo izy saingy kepaka ny tenany ary hoy ilay mpitsabo hoe aleo aloha hajanona ireo fanafody vazaha ireo fa aleo izay fanafody misy eto no omena azy hainga dia haingana ary tapabolana tany vao tafarina tanteraka ilay zaza ary nody kepaka be ny takolany sy ny vatany iray manontolo.Tsy afaka misotro rano ny olona fa tsy maitsy mividy ireny rano amin\'ny tavoahangy ireny ary raha miditra hotely ambony aza misakafo ka mangataka ranovola dia omeny fa mazava ho azy fa tsy hangotraka mivadibadika vao omeny anao.Ny jus de mangue na papaya izany moa dia tsy mba afaka ny hanandrana fa mipararetra hoy aho aminareo.Efa mivatsy papier hygienique mihitsy anie sy ny harona sao mandoha .Ny rano aloha dia feno ny fiara fa tsy afaka misotro mihitsy.Ny fofona lasantsy aoka fotsiny fa tena sepotra.Tsy mahatsikaritra isika satria mahita ilay olona isan\'andro na ny tena koa mety voadiniky ny olona fa tena maity ny sigara sy lasantsy mihitsy ny olona ry ireto a.Mampalahelo anie ilay izy izany no mahatonga ahy miteny hoe sao mba misy vahaolana e:-*:*
16. booboo ( 05/01/2007 11:09)
:roll: samy manana ny amoron-dalana aminy tokoa...
17. melody ( 05/01/2007 16:29)
Hoy i Soanja
Ny vakisiny amin'i Malaria sy ny mivimbina foana fanofody cholera.

Misy vakisiny na malaria ve akia?


18. soanja ( 05/01/2007 17:56)
melody:

Hoy i Soanja
Ny vakisiny amin'i Malaria sy ny mivimbina foana fanofody cholera.

Misy vakisiny na malaria ve akia?





Ny Vakisiny moa izany fitandrovana tsy ho voany mialoha ka eny io dia misy fa amin'ny endrika pills no misy aty. Zany hoe alohan'ny hiainga ho any Afrika na aminle toerana misy "malaria" dia mihinana ilay pilina iray isan-kerinandro 3 herinandro alohan'ny hiangana ary 1/isan-kerinandro any amile aleha ary 2 herinandro afaran'ny tonga amin'ny fodiana.
Ny Malaria io anefa tsy eran'i Mada no misy an'io fa toerana voafaritra ao anaty carte refa handeha ka mijery dokotera ianao hoe ho any. Tropical Doctor mantsy no miandraikitra an'io aty ary vitsy io dokotera io aty US. Ilay tazo any amintsika mantsy toa tsy tena malaria ilay lazaina eto fa hafa. Fa ilay any Afrika notena izy. Saingy raha mankany amin'ny faritra antsoina hoe " any Ambany" ao Mada zany hoe faritra "Atsinanana, Atsimo antsinanana sy be ala" no misy azy tanteraka. Ka raha ho any Tana sy Antsirabe ary ny toeran-kafa manodidina ianao dia tsy hila an'io akory fa any Mada dia efa misy ny fanafody manasitrana an'ireo tazo ireo. Na manao ny fomba tsy hikakeran'ny moka anao dia efa ampy. Milamivatsy foana ireny mosquitoe repellant ireny dia ahositra amin'ny hoditra.


19. soanja ( 05/01/2007 18:04)
Saika hadinoko, mety be ny mihevitra fa tsy ilaina ny vakisiny ialana amin'ny loto sns any Mada amin'ny sakafo saingy hiteny aminareo aho fa io aretina Hepatitis isankarazany io no mahafaty ny olona be dia be any Mada satria aretina misoko ireo ary mifindra vetivety ary rehefavoa de mijanona ao anatinao mandrakizay ny sasany.
Tadidio anefa fa tsy ny Malagasy rehetra no mampiasa taratasy na papier hygenique rehefa mivoaka fa betsaka any amin'ny coty misasa ry zareo ary vitsy dia vitsy ny mampiasa savony refa avy eo. Ireo anefa no likely hikarakara ny sakafonao raha any amin'ny hotely gasy no alehanao na hihinana sakafo matsiro fijery eny an-dalana.
Koa asakasakareo izay tsy hitandro ny fahasalamany fa hanaraka fotsiny ny intuition hoe zah cool de hoaniko daholo ny rehetra.
Ny ahy kosa de hoe arovy ny tena fa saingy ny "being cool" azo atao ihany koa.
20. kally ( 05/01/2007 19:39)
Ilay saro-tahotra be amin'ity aretina izatsy sy zaroa koa anie tahaky ny antitra be.
Atahorana daholo io rehetra io, izany ve hisy hiainana intsony fa io h'a samy manana ny amoron-dalany, samy mananana ny hery fiarovany sy ny toe-batany ka samia manao izay maha-diavolana ny sainy rankizy a!Rehefa maty samy halevina ihany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7885