ancien et nouveau testament, sa 1er et 2e testament

1. tezitra ( 21/12/2006 17:31)
fanontaniana apetraka io, satria ny lazain'izy roa ireo tsy mtovy sa ahoana?

Raha ny fitondran'ny kristianina azy ankehitriny dia ny 1er sy ny 2e no mipetraka, l'un complete l'autre

Amiko ny ancien sy ny nouveau no izy, satria ny vaovao misolo tanteraka ny trananiny

misokatra ny debat,
2. dailynews ( 21/12/2006 17:56)
mifameno ireo.
ny tantaran ny testamenta taloha dia tantaran ny zanak israely sy ny fivoahany tao egypta izay tandindon ny testamenta vaovao mitory an i Jesoa.

ny fanandevozana tao egypta dia sary ny kristiana eo ambany ziogan ny fahotana( farao no Tompo- tsy kristiana ny devoly no tompo)

ny fivoahana tao dia tahaka ny fahazoana fiainambaovao ambany fitondran Atra(tsy farao intsony no tompoina fa Atra)

i mosesy dia tandindon i Jesoa izay nitondra azy ireo nivoaka.

lasa olona afaka ireo vahoana israley nony tafavoaka fa tsy ambany zioka fotsiny ihany intsony.

ny fandalovana ny ranomasina mena dia batisa.(I kor 10: 1-20). izany hoe hoe kristiana afaka t@ fanandevozan ny satana ka lasa mpino dia atao batisa. dia eto indray vahoakan Atra afaka t@ farao dia natao batisa.

tany ay=> tandindon ny fiainan ny kristiana mandalo eto antany, misy ny olana, misy ny fahagagana sns...

ady t@ testamenta taloha=> tandindon ny ady atrehin ny kristiana tsirairay eo @ fiainana, fakampanahy sns...rehefa niaraka t@ Atra ireo zanak israley dia jereo fa nandresy t@ ady, ary nisy fotoana izy ireo resy fa naditra.

tany kanana, tandindon ny paradissa, izany hoe ny lalan ny kristiana iray izany dia lalana mankany andanitra na dia mandalo tany ay aza....

ny boky sasany kosa tahaka an dry daniela, ezekiela..dia miresaka faminaniana...faminaniana tahaka an i apokalipsy.



3. dailynews ( 21/12/2006 18:22)
azafady fa I kor 10:1-2 fa tsy eo ambony io=> fa tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy fa ny razantsika rehetra dia dia tambanin ny rahona ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra natao batisa ho amin'i Mosesy tao @ rahona sy ny ranomasina. Hoy i Paoly apostoly.
4. tezitra ( 21/12/2006 19:04)
mifameno , je ne sé pas, fa izao @ izao mondialisation izao izay fifandraisana(internet etc..., sy fifaneraserana izao), dia mifankahita matetika ny monotheîste 3, ny jiosy hilaza aminao fa ny torah(boky masina jiosy...) dia io ancien testamenta io; ary ny musulman hiteny koa fa misy andininy henjana toa ny coran ny ancien testament

Moi je suis chretien et je parle bcp avec ces deux communauté, et j'essaie de les convertir, fa mampitandrina antsika chretien aho fa io ancien testamenta io mila haintsika tsara, ary ny richesse ny nouveau testament mila mazava koa

ny hevitro aloha dia samy hafa ireo, ary tsy mifameno

j'essaie d'avoir votre opinion
5. soanja ( 21/12/2006 19:54)
Raha ny nianarako dia angano ny boky 4 voalohan'ny TT hono fa anjarantsika na hino na tsia.
6. Zina ( 21/12/2006 21:16)
Amiko ny ancien sy ny nouveau no izy, satria ny vaovao misolo tanteraka ny trananiny


amiko mitohy ireo
7. dailynews ( 21/12/2006 22:21)
amiko ireo sady mifampitohy no mifameno.

raha manaraka ny tantara dia hita ny fivoatrany.
hita ihany koa anefa araka io efa nolazaiko eo ambony io fa mifampitaratra izy ireo, mifameno.
ny testamenta taloha dia miresaka ny hiavian i Jesoa ihany koa, ary ireo mpaminany izay milaza fa te hahita ny andron i Jesoa. ary ny testamenta vaovao dia mampahatsiahy hatrany ny zavatra nitranga tany @ testamenta taloha.
8. dailynews ( 22/12/2006 03:04)
tezitra> marina tokoa no lazainao fa ny jiosy dia io testamenta taloha io ihany no hinoany, saingy izy dia tsy nino an i Jesoa hoe nitsangana t@ maty....
anefa io no herin ny filazantsara satria izany no voalaza ao. koa na hahay betsaka ny testamenta taloha araka ny fahaizany jiosy aza aza anefa manda ny herin ilay Atry ny testamenta taloha nanadratra ambony an i Jesoa dia zava poana ihany izany.

ny silamo indray dia anisan ny mpaminany hono i Jesoa... dia amapahatsiahivo azy ary rehefa miresaka aminao izy fa tsy mpaminany ihany Jesoa fa Atra mihitsy.
9. Achia ( 22/12/2006 15:40)
NY fahitako azy indray de natao tsy ahafantatra mihitsy ny jiosy satria mivadika @ ATRA foana fa i Jesosy anie ka efa voalaza tao @ testamenta taloha e !
10. dailynews ( 22/12/2006 16:47)
ka izay ilay hoe mijery nefa tsy mahita, maheno nefa tsy mandre....
inona moa no tsy voalaza ao @ baiboly tokoa anefa jereo anie ny tsy finoan ny olona e, tsy ny jiosy ihany. indrisy.
11. niryna ( 23/12/2006 03:01)
Manohana ny tenin\'ny dailynews aho ary misaotra fa nianatra zavatra vaovao izahay.Ny TT dia manampy kely, nanao fanatitra velona nalatsa-dra ny olona, indray mandeha isan-taona ihany vao mivavaka mangataka fifonana ary ny pasitera na priest no antonona amin\'izany.Samy mitondra fanatitra izay foiny ka ny mahantra dia voromailala na dove no ateriny.Io vavaka io dia mbola tazomin\'ny jiosy hatramin\'izao.Efa misy anefa Jiosy minoa an\'i Jesosy.Ny TV kosa dia foana hatreo ny fanaovana fanatitra dorana satria Atra efa nanome ny zanany lahitokana natao fanatitra ka tsy tokony manao izany intsony isika.Izay no mahatonga antsika hatao batisa amin\'ny rano toy tao Jordana ireny, manadio ny ota rehetra ary lasa olom-baovao.Vao hatrany am-piandohana dia efa hita tao @ TT ny tantaran\'i Jesosy.Ary misy fifandraisany daholo izy roa ireo.Raha mamaky ny TV koa isika dia misy ny efa voalaza tany amin\'ny TT.Tsy tokony handoro zava-manitra ao am-piangonana intsony izany isika
12. Achia ( 23/12/2006 17:04)
Ye ny TT dia maneo ny lalàna nomen'ATRA sy ny fomba fanompoana t@ izany nisy t@ izany fomba izany anefa no najanon'i Jesosy dia ny fanatitra halatsadra sy ny fomba hafa tao @ tempoly , ny TT koa dia nanambara ny fahatongavan'ilay Mesia velona na ilay teny tonga nofo ary ahoana hoy Kristy ao @ Lioka 24/44: tsimaintsy tanteraka izay nanoratana ahy teo @ lalàn'i MOsesy sy ny mpaminany ary ny salamo . Ka noho izany tsy hazava mihitsy ary tsy misy dikany ny baiboly raha ny TT ihany na TTV ihany no raisina , mba ezho vakiana anie ny bokin'i Daniel sy ny Apokalipsy e! fa zavatra mitovy no lazainy ao e!
13. Fiffi ( 23/12/2006 21:23)
14. Zina ( 24/12/2006 01:07)
mi-appuyer ny lazain'i Achia aho fa na dia ny zavatra anjo an';i Jesosy ko ary dia nolazaina any @ Isaia 53.= matio, mark, lioka sy jaona.
15. niryna ( 26/12/2006 04:20)
Mitovy ny fanazavanay sy achia,ary izany no mahatonga antsika tsy hanao fanatitra hafa,na mandoro zava-manitra,na mivavaka amin'ny tsangambato na sari-vongana na ny masina efa maty izay maro karazany ka tafiditra amin'izany ny maria virjiny,ny masin-dahy paoly, ny anjely sns satria A/tra efa nametraka ireo ao anaty didy folo,toy izany ihany koa ny tsy fihinana an'ity na iroa.Satria Jesosy efa solon'ny fanatitra dorana,efa niteny hoe tsy misy afaka manantona an'Atra raha tsy avy amin'ny alalany.Efa fantatry ny mpaminany taloha izany ny fisian'i jesosy izay hanavotra izao tontolo izao,ary misy fifandraisany daholo ny TT sy TV.Ka ao amin'ny farany na apokalypsa dia Jesosy Kristy no miteny mivantana izay izy no niandohana sy ny fiafarana.
16. prime ( 26/12/2006 10:56)
Ny TT sy ny TV dia iray ihany no ambarany... Andriamanitra tia ny olona ary mikatsaka izany mandrakariva saingy lavin\'ireto farany, hany ka mikatsaka fomba maro Andriamanitra hamonjena azy ireo ka ny fahombiazana sy lalana farany tena hitan\'Andriamanitra dia ny Zanany mihitsy no natolony hisolo heloka ny maro...

Ny TT taloha manoro ny lalana, ny TV manatanteraka ny lalana mankany amin\'Andriamanitra... mifameno izany araka ny vanim-potoana avy fa tsy mifanipaka akory... raha tsy misy ny TT dia maivana ny TV, raha tsy misy ny TV dia maivana ny TT...
17. dailynews ( 27/12/2006 03:13)
niryna> :wink:
18. dailynews ( 27/12/2006 21:33)
tohanako daholo ny hevitry achia, zina, niryna, prime.
19. ikaretsaka ( 27/12/2006 21:51)
dailynews> hmmmm hisy hanao propagandy sy politika ato ny hiafarahany..misy mpanohana sy mpanohitra ko
20. prime ( 28/12/2006 13:42)
ikaretsaka> :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081