fiangonana démodé

1. jaguar ( 28/11/2006 08:41)
slt daholoan!
RA ny fijeriko aloha dia efa démodé tanteraka mihintsy ity fomba fivavantsikia ity, ny tiko ho lazaina dia tsy maharaka ny fivotran'ny toen-tsaina intsony ity fitaritana atao any ampiangonana ity: mihaino toro-teny, manao hira kely, mis aza mifampijerijery fotsiny, dia manao rakitra, dia @ heriny indray e!
Dia lasa otran'ny hoe routine fa tsy mba iainana le zavatra, ka raha amiko manokana aloha dia tokony hovaina amzay ny fomba hitaritana olona e!
novalian'i prime ny 27/12/2006 11:00
2. LazaDaddy ( 28/11/2006 09:48)
angamba kosa tsy hoe ny fiangonana (na ilay trano na ny olona) no "démodé" fa misy zavatra hafa tokony hatsaraina ao?
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m452f1015a467f fa toa tsy mifanalavitra loatra @ io angamba ny tianao ambara sa?
3. Rasiligaoma ( 28/11/2006 10:32)
Maninona tsy ny fotony mihitsy no ovaina raha izany fa efa demode e.. le olona tompoina ohatra!
4. Rasiligaoma ( 28/11/2006 10:35)
na ilay andriamanitra tompoina koa afaka ovaina .. raha efa eritreretinareo fa lany andro ny fomba fivavaka aminy
ko raha tsy ovaivaina fotsiny araka izay maha diavolana ny loha io r'ianona ko:evil:
5. booboo ( 28/11/2006 12:03)
:-D:-D:-D
6. jaguar ( 28/11/2006 12:06)
diso be ela rasiligaoma an! Andriamanitra tsy azo ovaina, fa ny fomba hanantonana azy no azo ovaina, otran'ny zavatra rehetra manaraka fivoarana ihany!
7. ikaretsaka ( 28/11/2006 14:58)
raha ny hevitro dia tsy tokony ovaovaina izany fa lasa manjary manova ny fototra rehetra mihitsy ny ihafarany.. fa amboarina kely fotsiny ..
ohatra hoe ny ordre de la messe iny ihany fa ny fomba fitenenana azy nyovaina kely..

ohatran'ilay hoe manao baib's sy Rapaoly sy Razeso sy Ramadelenina sy ry Zareo ao ambony ihany io e
8. prime ( 28/11/2006 15:07)
jaguar> Ny fiangonana dia ilay mpino nandray an'i Kristy ka lasa tempoliny... ka raha izany no démodé dia Kristy mihitsy no lazaina fa démodé... ka tsy aleo tsy mivavaka intsony? lany andro fotsiny... rahateo koa moa ny tenin'Andriamanitra mamelona ny fiangonana tsy démodé mandrakizay... fa samy havaozin'ny Fanahy Masina ny amin'izany...

Raha "lithurgie" no tianao resahina dia toa efa nisy lahadinika momba izany teto...
9. soanja ( 28/11/2006 15:58)
Jaguar a, izay mahametimety anao atao fa ny zavadehibe dia ny fifandraisana amin'Andrimaniatra tsy tapaka isanandro. Aza miasa saina ny an'ny hafa fa izy mahafantatra izay mahatsara azY, ka matoa izy mbola hitanao fa manao an'iny fanaony iny ihany dia mety mety aminy zany ilay izy. Dia isaory Andriamanitra fa milamaina zany ny tanana. :-*:-*
10. majesty ( 28/11/2006 16:40)
hummm,ataovy izay mampametimety sy ahazoana aina fa @ farany ve ntsika tsy ho samy tsarain'ny karatra ihany e :lol:
11. Zina ( 28/11/2006 17:39)
jaguar [ Valio ] 28-11-2006 09:41:37
Lohateny : fiangonana démodé
slt daholoan!
RA ny fijeriko aloha dia efa démodé tanteraka mihintsy ity fomba fivavantsikia ity, ny tiko ho lazaina dia tsy maharaka ny fivotran'ny toen-tsaina intsony ity fitaritana atao any ampiangonana ity: mihaino toro-teny, manao hira kely, mis aza mifampijerijery fotsiny, dia manao rakitra, dia @ heriny indray e!
Dia lasa otran'ny hoe routine fa tsy mba iainana le zavatra, ka raha amiko manokana aloha dia tokony hovaina amzay ny fomba hitaritana olona e!

Ny fiangonana tsy ho demodé mihitsy fa isika no manomboka mangatsiaka, fantan'i devoly ny ataony, ataony izay rehetra hanavalaviran-tsika an'Andrimanitra - anjaran-tsika no manafana ny fiangonana
12. dailynews ( 28/11/2006 20:03)
azoko ny tian i jaguar lazaina saingy izao araka ny hevitry ny namana efa nandalo teto dia izao ihany koa ny fahitako azy.
raha mangatsiaka ihany koa ny mpitarika izany hoe ny mpitondra fivavahana dia jamba izy mitarika jamba.
mila mpitarika matanjaka ara panahy. olona resy lahatra @ zavatra lazainy ary olona tena manantanteraka ny zavatra lazainy fa tsy bla bla bla fotsiny dia avy eo tratran ny mpiangona mampiaraka @ tsy vadiny ohatra ........
ny olana dia misy ny mpitondra fivavahana, nianatra teolojia fotsiny dia nahavita fianarana dia nitarika fiangonana izy, ny zavatra mila fantany dia ny asan Atra dia mila ny hosotr Atra na ny Fanahin Atra miaraka aminy( tsy aminkery na ny fahatanjahana fa @ fanahiko hoy Jehovah). Raha tsy voahosotra io pasitera io dia hangatsiaka ary hanao telopolo andro fanjava iraika fotsiny. Dia tsy mahagaga fa betsaka ny fiangonana mihamangatsiaka sy mihareraka..ny mpitarika azy aza reraka.
mampalahelo saingy betsaka ny tahaka izany. :(
13. booboo ( 28/11/2006 20:33)
dailynews > eka ouz !
14. Fiffi ( 28/11/2006 21:19)
raha ny hevitro indray aloha de zao: tsy hitako izay antony hanovana an'zany .....satria arakarakin'ny tsirairay hiany io !
Raha nisy ve olona hoe lasa fahazarana fotsiny sisa ny antony andehanana any am-piangonana , na hoe matory fotsiny ny hataon'le olona iray , na hoe lava loatra zao sy zao......tokony ny tsirairay no hatsapa-tena fa tsy misy antony hanovana na inona na inona zany ! ny fon'ny tsirairay hiany no mitondra an'io !
Satria hisy zavatra hovaina indray de himenomenona indray ny hafa hitsara sy hitsikera avy eo ? Diniho hiany ange eh !
15. majesty ( 29/11/2006 04:38)
Hoy jaguar:

slt daholoan!
RA ny fijeriko aloha dia efa démodé tanteraka mihintsy ity fomba fivavantsikia ity, ny tiko ho lazaina dia tsy maharaka ny fivotran'ny toen-tsaina intsony ity fitaritana atao any ampiangonana ity: mihaino toro-teny, manao hira kely, mis aza mifampijerijery fotsiny, dia manao rakitra, dia @ heriny indray e!
Dia lasa otran'ny hoe routine fa tsy mba iainana le zavatra, ka raha amiko manokana aloha dia tokony hovaina amzay ny fomba hitaritana olona e!


Ka efa firy taona kosa moa zay no nanarahanao an'le routine no tsy ahatsapa ho mangatsitsika enao e,satria raha tsy misy fitiavana ange ilay izy dia tsy tafavoaka mintsy fa lasa toy ireny manao adidy ireny dia na tsy sitraky ny fo aza de tsy maintsy atao fa izay no efa mahazatra.Ahatsiarovako an'lay nivavaka tamin'ny mbola kely,dia mijery an'ilay hira alahatra ery aloha ery,tsy andry mintsy izay ahatongavana eo amin'lay hira farany :D
16. Fiffi ( 29/11/2006 07:05)
majesty:
Ka efa firy taona kosa moa zay no nanarahanao an'le routine no tsy ahatsapa ho mangatsitsika enao e,satria raha tsy misy fitiavana ange ilay izy dia tsy tafavoaka mintsy fa lasa toy ireny manao adidy ireny dia na tsy sitraky ny fo aza de tsy maintsy atao fa izay no efa mahazatra.
ka zay indrindra no nilazako hoe anjaran'ny tsirairay ny hanao zay ahatsara sy andraisana na hanova an'zany ao am-pony !


17. jaguar ( 29/11/2006 07:54)
ny ahy zao dia i dailynews zao no hitako fa mahatsapa tsara ny tiko ho lazaina hoe, rahay io systeme io no mbola arahina de tsy ahatonga antsika lavitra io.Tsy ho ahy anie! fa mba ho an'ireo olona izay maniry ny ho tafita kanefa indrisy, tsy lasa alivitra noho ny fahalalandry-zareo tsy ampy.
18. tywa68 ( 29/11/2006 08:39)
jaguar > tsy hoe démodé ilay miangona fa mety tsy ho antonina ny fiangonana raha mankany dhl ny "namana" :-D:-D:-D
19. Rasiligaoma ( 29/11/2006 12:35)
raha mijanona @ ilay litorzia ilay izy fa etsiketsehan'ny mpitarika de tsy misy demode izany mihitsy eo e.
20. prime ( 29/11/2006 13:12)
jaguar> izaho mahita fa tena lithurgie mihitsy no tian'i jaguar ahatongavana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7567