fiangonana démodé

21. ikaretsaka ( 30/11/2006 04:43)
tsy ny fiangonana no demode angamba fa ny fomba fivavaka
22. Rainikarabo ( 30/11/2006 10:15)
izay mihitsy angamba
23. prime ( 30/11/2006 12:07)
ka lithurgie daholo ihany izany...
24. dailynews ( 30/11/2006 17:43)
izaho manokana aloha na hanova litorjia aza moa maninona? inona ny olana raha izay no hahazoana fanahy ho an ny Tompo, izany hoe olona ho an ny Tompo fa tsy ho an ny fiangonana. saingy hanao izany ve ny olona raha efa zatra be ny fombafomba tao izy? toa sarotra ihany izany raha ny fijeriko ny realite any anaty fiangonana.....

hitako mantsy fa saropiaro be ny fiangonana @ io fombafomba ivelany io, anefa...

ny atin ny filazantsara amiko dia ny manarato olona.....tsy manarato olona ho an ny anarampiangonana iray fa manarato olona ho an i Jesoa.

ny zavatra nolazain i Jesoa t@ mpianany dia hoy Izy hoe:
manaraha Ahy ary ataoko mpanarato olona ianareo.
manaraha Ahy ary ataovy mpianatra ny olombelona rehetra

Donc, raha manampy ny fanovana ny litorjia @ fanaratoana olona ho an Ny Tompo sy hahatonga ny mpanaraka Azy hatanjaka ara panahy kokoa dia hoy aho hoe: maninona tokoa moa??? why not?


ny olona ao ampiangoanna sy ny olona ety ivelany be dia be ny mihazakazaka ho any @ helo...ny fiangoanana mbola saro piaro be @ resaka litorjia sns...amiko fombafomba ety ivelany daholo ireny....

anefa raha ny fahitako azy dia tsy hiova io litorjia io fa efa tradition ela loatra... ary izany no mahatonga ny fiangonana hafa hitsangana....tsy manome tsiny aho.... rehefa Jesoa Kristy no toriany ary mitondra olona ho an ny Tompo izy fa tsy hanandratra anaran olontokana na hanandratra ny anaran ny fiangonana hoe: ny fiangonanay ihany no marina e sns...fa hanandratra ny anaran i Jesoa Krsity sy hitory ny filazantsarany ary hitondra fanahy ho an Atra fa tsy ho an i pasitera na anarampiangonana dia okay aho @ io fiangonana io.





25. besoiiin ( 30/11/2006 20:49)
ny litorjia dia aratantara ary efa nolovaina fahagola tany @ fototry ny fiangonana mihintsy, tsy possible hiova io satria lasa ny fototra hijoroana mihintsy no miova, donc izay mangetaheta fiovana dia voatery mihataka @ renifiangonana ka manokatra fiangonana hafa ho azy, ka teo no mipoiran'ny secte; ohatra iray mivaingana @zany ny catholik sy ny protestant ary ny loterana, i Luther izao dia catholik nanana hetaheta hanova ny fombafombampiangonana ary nanana ny fiheviny ho marina, tsy afaka nanao na inona na inona izy teo anivon'ny fiangonana katholik dia tsy maintsy ni-protester, ka izay ilay izy, efa ifandovana io litorjia io ary anisan'ny fototra iray hiorenan'ny fiangonana ka sarotra iany no ahitana fihovana na fanovana tampoka
26. dailynews ( 30/11/2006 22:22)
indrisy marina izany. saro piaro be mihitsy ny fiangonana @ io; ary mahavita manao "ady masina" mihitsy angamba raha misy mitady ny hanova izany indray izao.

ny faniriako fotsiny dia na hiova ny litorjia na tsy hiova..ny mpitarika ilay fiangonana mihitsy ihany koa no hahafanatra hoe aiza no lalana haleha..hitondra fanahy n ny olona ho an ny Tompo sa hitondra olona ho an ny fiangonana. (izany hoe saro piaro be @ anarampiangoanna fotsiny fa ny mpino ao zara raha misy mahalala sy mandeha marina araka ny tenin Atra fa dia resaka sosialy be fotsiny ao ampiangonana fa tsy hita taratra mihitsy ny herin Atra fa dia mpino reraka be daholo, tahaka ny nidirany tao ihany no nivoahany tao ampiangonana)


27. ikaretsaka ( 01/12/2006 01:50)
ka ny sasany ny ataony hoe mivavaka dia miresaka amin'andriamanitra sy mangataka fotsiny fa tsy mahay misaotra ko
28. majesty ( 01/12/2006 11:34)
jaguar:
ny ahy zao dia i dailynews zao no hitako fa mahatsapa tsara ny tiko ho lazaina hoe, rahay io systeme io no mbola arahina de tsy ahatonga antsika lavitra io.Tsy ho ahy anie! fa mba ho an'ireo olona izay maniry ny ho tafita kanefa indrisy, tsy lasa alivitra noho ny fahalalandry-zareo tsy ampy.


sao dia mba misy soso-kevitra avy any aminao ary hanovana azy e,ohatra hoe tokony asina spot ve ao ampengonana dia atao maizimaizina ny ao anatiny dia avadika techno sy dance daholo ny hira fa ny sasany ajanona ho slow dia afaka mifampaka partenaire,dia i pasitera na i mopera ve asaina manentana ôtran'reny Dj reny.....hummm
29. besoiiin ( 01/12/2006 12:12)
majesty> efa maro ny secte manao ireo voalazanao ireo ka, ny tsy fantatra fotsiny dia tena hampiray ny olona @Atra sy ampitombo ny finoana ananany ary hampiditra any @ fanjakan'ny lanitra tokoa v??? si oui, inona ny olana fa izay no tanjona eto antany kou, si non kousa dia tsy maintsy mbola handalo fitsarana daholo d any zany mahita azy kou....
30. rakaroka ( 01/12/2006 12:56)
'zaho mahatsapa fa "une bonne réfléxion" ny sujet napetrak'i jaguar ity, mifanitsy rahateo amin'ny voalazan'i Prime mikasika ny lithurgie! ... Ary efa nentiko tao am-piangonana mihitsy ny resaka, dia ny zava-nisy moa misy olona efa zatra iny no mila zarina hono ny ankizy hanana faharetana hanaraka ny fizotran'ny fotoam-pivavahana iny.'Za aloha tsy convaincu amin'ilay izy bien que hoe notezaina tamin'izany aza... tsy marina ny hoe "zaro amin'ny
lalana tokony alehany ny zaza" raha tamiko satria na ny lalana fandehanako aza toa efa BBbbe no tsy nolalovako intsony efa firy taona izay?..Ny tsapako dia misy zotra hafa eken'ny fisainana ary lalam-piainana...Marina ara-bakiteny fa niha vitsy dia vitsy ny fiangonana malagasy niangonako ary nisy size hafa nataoko koa aza nahatsapana izany...Hi-contredire ahy ianareo hoe ny anay miroborobo:
Izay no mahatonga ny hoe ny mety any tsy voatery hitovy amin'ny aty fa dia samia fotsiny miatrika izay mahamety ny fiainany: dia samy hotahian'Andriamanitra!...
31. prime ( 01/12/2006 13:05)
majesty> koa tsy lasa bal ve izany?:-D:-D... mba mivazivazy tokoa ianao kah...:)
32. dailynews ( 01/12/2006 20:22)
Ny hanovana azy ve???=> farafaharatsiny raha tsy miova ny litorjia(ary mety tsy ho voatery koa anie e), ny mpitarika no tokony hiova voalohany indrindra amiko satria important be mihitsy io mpitarika io @ fiandrasana ny ondry. raha matoritory izy na variana dia misy mi attaque ny ondry. raha ratsy ny sakafo omeny dia marary ny ondry...

jereo ange e, amin ny saina tsy miangatra e, fa rehefa ny mpitarika fiangonana iray no mahalala hoe inona no zavatra important indrindra @ fitoriana ny filazantsara ( izay tsy inona fa ny fitoriana an I Jesoa ary ny fitoriana ireo izay mandre indray ho any olona hafa) dia jereo raha tsy miha matanjaka ny mpino ao.

raha mijery ny tantaran ny mpiantra ianareo. ao @ Asa 11: 19-26... jereo ny mpino tao antioka...rehefa feno ny Fanahy Masina( olona voahosotra) ny mpitarika, dia be dia be ny olona voatarika ho an Atra( fa tsy ho an ny fiangoanana n...marihiko foana io mantsy satria dia misy ny fiangonana mialona fiangonana iray hafa rehefa mitombo ny olona ao amin ilay iray hoe...lasa any daholo ny mpiangona...ny tena marina anefa dia na lasa any aza moa maninona??0

oharin ny TA fa tahaka ny vatantsika mantsy ny fiangonana...koa raha mahazo kiraro ve ny tongotro dia hialona ny lohako hoe tsy nahazo??? na nahazo t shirt ny vatako ambony dia hialona ny tanako???

miara miasa daholo io amiko ka raha salama tsara ny rehetra dia faly ny vatana.... mahazo olona maro ny FJKM ho any andanitra dia faly ny loteriana, mahazo olona ho an ny Tompo ny evanjelika dia tokony ho faly ihany koa ny tsy haiko.........
tena miara miasa daholo ireo ary ny tanjona dia ny hitondra olona ho any andanitra fa tsy ny hitondra olona ao ampiangonana.....

oay..de inona moa izany no hifandraisany @ ilay litorjia teo..??? aleo handeha aho sao hors sujet...

33. ikaretsaka ( 05/12/2006 00:52)
Izy io iznay dia heverinareo fa ohatran'ny akanjo de rehefa leoleo de ovaina ve?
34. prime ( 07/12/2006 13:29)
Ny fiangonana tsirairay tokoa aloha mila mandinin-tena satria sao dia ny fiainam-panahy manokana no marary dia ny hafa no ilaina miova?...
35. Achia ( 07/12/2006 17:44)
Ny fiangonana ankehitriny dia tonga @ ilay vanimpotoana voalaza ao @ Apokalipsy hoe laodikia , izany hoe sady tsy mafana no mangatsiaka . Io zavatra io anefa dia halan'i Kristy tantera , ny fiangonana tiako lazaina eto dia ny fiangonana milaza ho kristiana rehetra satria efa tonga @ vanimpotoana @ fiainan'ny fiangonana farany isika izao . Nahoana no hilazako fa isika @ izao fotoana izao no fiangonana laodikia , saria isika @ izao dia samy mifampiavonanavona raha misy namana milaza ny fahamarinana ao @ baiboly dia ny fandavana izany aviatrany no valiny manao hoe : ny anay tsy izany fa izao . Fa angaha moa izy io an'iza ila tenin'ATRA io a !
36. ikaretsaka ( 08/12/2006 03:20)
ny ahy aloha dia tsy ekekko ilay hoe tsy mety de ovaina e..ny finoana amiko tsy akanjo na slipy na tsy haiko (azafady an) ka hoe rehefa tsy azoazonao de ovaina...
AMBOARINA fa tsy ovaina
37. Achia ( 08/12/2006 16:12)
Mba azavao kely ary hoe ovaina manao ahoana aloha fa tsy azo e !
38. ikaretsaka ( 08/12/2006 16:17)
ovaina hafanana sy asiana fanahy bebe kokoa e
39. Achia ( 09/12/2006 18:55)
fa ilay fanahy nga moa azo apetaka @ izao fotsiny , ary ilay hoe hafanana ve hoe mba atao mihetsiketsika ve zany refa mihira ao ampiangonana sa oe ahoana zany ?
40. ikaretsaka ( 09/12/2006 19:04)
ohatra!
-Mba manao sexysexy... hihihihi fa tsy le zipo lava sy kapa na tsy haiko aby: izany hoe tsy asiana "dress code" rehefa mankany ohatra (tsy ny fiakanjo manko no jerena fa ny fihetanam-po sy fanahy).. ny an-dry piera sy ry joany aza "le akanjo maimbo trondro"
be iny no tonga de nanaovany fa tsy nande nisolo izy

-tsy voatery el motimotina be ireny nefa vao vita ny any de ..

-ny hira mba ovaina fa tsy le mitarozaka mampatory be reny..

-ny fomba filaza ao ampiangonana mba atao mientanentana fa tsy le heo .. mitsangana isika rahavana... mipetraka indray... fa tonga de heo tairo lehiretsy ..mitehakaaaa, mitsangana hivavakaaaaaaa.... aoka zayyyyyyyy, ndao ndrayyyy re olona an...ao sa tsy ao? lasaaaaaaaa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2715