fiangonana démodé

41. kallakelly ( 12/12/2006 19:04)
Ny ankanesana any am-piangonana anie ny hivavahana izany hoe ny hiankohofana sy hanompoana an'Andriamanitra no tena izy fa tsy ny hampifalifaliana Azy e!( nous venons dans sa maison pour l'adorer et non pour lui offrir des divertissements!)
Koa noho izany ilaina ny fisian'ny fahamaotinana sy ny fahamendrehana rehefa miseho eo anatrehany.Ka na lazaina hoe démodé aza izany fomba fiankohofana izany dia atao ahoana moa fa Jehovah tsy mankasitraka ny kotaba sy ny tsinjatsinjaka tsy mampisy ny fahamasinana ao amin'ny tranony. Izay aloha ny mab hevitro ry ireto a!
42. Rasiligaoma ( 12/12/2006 19:18)
Ny ahy ny hankanesako any am-piangonana dia: hidera, hiankohoka, hisaotra, ary hizara...
ny fanompoana efa vita @ fiainana andavanandro
Izay akanjoko sy fihetsiko entiko midera dia izay tiako ko.. fa tsy misy didy koa hoe voatery ho izao n atsy maintsy izao
43. prime ( 15/12/2006 08:36)
O ry zareo a, tsy ny fombafomba tokoa no mahavoavonjy fa na izany aza ny fanatonana an'Andriamanitra ilay Masina indrindra tsy mba azo atao kitoatoa... hanatona olo-manan-kaja aza isika, tsy manao jean sy t-shirt ka hanatrika an'Andriamanitra ve dia hoe ataovy sexysexy... toa mba hafa indray izany kanooo... tsy lalàna tokoa ny fitafiana any am-piangonana fa kosa fanehoana fahendrena araka ny voalaza hoe :

"Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]" I Timoty 2:9

sy ny hoe :

"ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana," Titosy 2:7
44. Achia ( 15/12/2006 08:58)
ka @ olona sasany anie tsy baiboly ireny nolazain'iTitosy sy Timoty ireny e ! raha vao tonga @ ireny de avadika fa tsy raisina ireny :-D:-D
45. prime ( 15/12/2006 11:17)
46. ikaretsaka ( 16/12/2006 03:39)
za aloha tsy raharahako izy na titosy na ticornera fa ny ahy ny niantsoan-drajejosy an-drapiera sy ny namany tompoko de teo am-panjonoana...

ny niantsohan'i Andriamanitra Ray an-dramosesy dia teo am-piandrasana omby

Ny niantsoan'andriamanitra an'i Adama sy Eva dia teo am-piboridanana.


na akanjo maimbo trondro, na maimbo tainondry, sy vilona na tsy miakanjo mihitsy ... tsy olana izany fa lasa ireo olona taloha ireo rehefa voaantso ..

ny @ izoa fotoana jeans sy minizipo ny lamaody.. rehefa @ izay ianao no voaantso.. inona ny olana?
sa mbola hanao koa hoe andraso aloha fa tsy mety zao akanjo zao?
47. Achia ( 16/12/2006 06:35)
oadray fa nga moa misy manda ny fiantsoany e! fa ilay minizipo sy ny karazany ve mendrika @ ilay fiantsoana , ary raha tena ATRA no niantso afaka hoazy ireny
48. ikaretsaka ( 17/12/2006 05:05)
izao ary.... lahady ny andro... maloto ny akanjo (atao hoe tsy mendrika izany e) .. tapakevitra ianao fa handeha hilalao androany na hijery baolina no voaantso tampoka lasa te hivavaka raha sendra nandalo teo @ lalana mankany am-piangonana...
de ahoana? hody aloha hisolo akanjo?
49. Achia ( 17/12/2006 08:34)
hihi de refa miverina @ alahady heriny ve enao de mbola ireny ihany no hanaovana ?
50. prime ( 21/12/2006 13:09)
:wink:
51. Rasiligaoma ( 21/12/2006 20:28)
ka t@ io alahady io ianao no voaantso ko
52. prime ( 27/12/2006 11:00)
Hafakely indray izany fiantsoana izany an...:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4313