Fampanatenana raha holany

1. Robert ( 25/10/2006 12:36)
Mahaiza mamakafaka vao mifidy ry Malagasy.

Karama milay

Tsaroako foana io resaka io, Nisy filohan'ny SECES (syndicats prof univ. Mada) miady mafy momba ny karama sy avantage-dry zareo. Nefa nony taty aoriana de lasa io olona io mintsy no Ministre ny Fonction Publique, Nodiny tsy hita tsony ilay zavatra miadiny mafy tao @ SECES....Mahagaga eee...Nitohy foana ny grève ny mpampianatra ao @ SECES teny Ankatso sy any @ Faritany.. De izao indray misy milaza fa..(Vakio io ambany io)


Norbert Lala Ratsirahonana promet de doubler les salaires

La section Avi-Junior au sein du parti de Norbert Lala Ratsirahonana, composée de jeunes universitaires originaires des six faritany a vu officiellement le jour samedi 21 octobre, lors du meeting qu’a organisé ce parti en la salle des fêtes du Fokrifa Antsirabe.
Le meeting a vu la présence en personne du candidat fondateur de l’Avi entouré des membres du bureau politique ainsi que celle du Professeur Rakotomahanina Ralaisoa, ancien Recteur de l’Université d’Antananarivo. C’est d’ailleurs grâce à lui que l’Avi-Junior existe. En premier lieu, le devoir primordial de tous ses membres est de faire élire le candidat Norbert Lala Ratsirahonana. A son tour, ce dernier a déclaré que l’Avi-Junior fait complément à part entière avec l’Avi-Senior. D’ailleurs, a-t-il poursuivi, s’il arrive au pouvoir, 30% des membres de son gouvernement seront des jeunes de moins de 40 ans. 20% de ceux candidats aux prochaines autres élections, maires, députés et sénateurs, auront aussi la même tranche d’âge.
Selon toujours Ratsirahonana : «Si je suis élu, je serai à mesure d’octroyer annuellement, durant mon mandat, 120 milliards de Fmg à tous les jeunes de Madagascar pour leur propre développement et celui de notre pays. Le salaire minimum d’embauche des fonctionnaires et celui des privés seront également doublés.»
Il a fait savoir à l’assistance que son programme de travail est compris surtout dans le refrain de notre hymne national : «Hiadana sy ho finaritra ! He sambatra tokoa…» traduit librement par «Que tous les Malgaches vivent dans la prospérité, la joie et le vrai bonheur».
Jeannot Ratsimbazafy http://www.les-nouvelles.com/
novalian'i kitjo ny 28/10/2006 10:20
2. kitjo ( 25/10/2006 12:46)
Fanantenana vaovao aho e...individuel e..blablabla...ny efa hitanay ihany no itokisanay aloha amzao na samy mafy aza ny fiainana
3. prime ( 25/10/2006 14:08)
Robert> ny hevitrao ary?... iza no fidinao?...:wink:
kitjo> inona no efa hita dia iza ilay itokiana?...:lol:
4. Robert ( 25/10/2006 15:08)
Ny hevitro ve?
Raha afaka mifidy za de izay olona mba manome programme matotra, mety hovita na de ny 80% aza, ary mintsijo ny vahoaka rehetra, ny eny ambanivohitra koa.
Marina anie fa hanao kobaka am-bava ireo olona 14 ireo eee...Ahita zavatra moa isika...


5. tenagasy ( 25/10/2006 17:08)
Mankamamy!
Mikasika manokana ity fampisondrotana karama ity ry zareo ny fahitako azy dia izao a: manitra aok'izany ny mandre fa ampiakarina toy izao ny karama, mientanentana ery izay voakasik'izany; ny olana anefa dia tsy tapitapitr'izay miakatra torak'izany koa ny vidinjavatra. Tsy anomezana tsiny ny mpamokatra angamba izany fa mba te-hisondrotra @ fiainany koa izy ireo. Farany dia h@ lanjambolantsika mitotongana manaraka izay: ny zavatra novinidy 10 ariary teo aloha lasa 20 ariary, ny sandan'ny vokatran-tsika any ivelany anefa tsy miova.
Ka amiko izany ny fampiakarana karama dia fandrendrehana firenena sady tsy misy tombony ho an'izay voakasiny mivantana raha tsy misy tetika matotra hifehezana ny fiakaran'ny vidimpiainana.
Misy ve io ho an'ny AVI? Ary raha nisy izany ka tia tanindrazana tokoa, nahoana no tsy naseho hatrizay? Sa dia efa loza izay manahoana tokoa ny tsy fihainoan'ny fitondrana ankehitriny ka nisy torohevitra sy tetika matipaika aroso toy izany dia lavina fotsiny izao?
Raha nisy izany ka tsy nihaino tokoa ny mpitondra, naninona hatramin'izay no tsy nanao fanentanana mavitrika toy izao atao alohan'ny fampielezankevitra izao hanerena ny mpitondra hanaiky?
Ady hevitra ny ahy fa tsy fombàna n'iza n'iza!
Mirary soa!
6. Fiffi ( 25/10/2006 17:46)
zao kosa aloha angamba ny zavtra tokony jerena kely an!
-Tsy mora ny mitondra firenena

-Tena nisy ary mino aho fa tsy maintsy misy koa ny te hampandroso

-Betsaka ny programan'ny tsirairay hoe zao no zavatra ho tanterahako raha zah no ho lany eo...

-Nisy hoy aho no tena nanao saingy na nahavita aza izy de tsy maintsy misy foana ny fanenjehana sy ny fitsikerana

-Matoa koa tsy vita ny tanjona zay nampanantenana dia misy antony ao !

-Dia aza variana fotsiny hilaza hoe zao sy zao ! hoe nampanantena nefa tsy hita akory zay zavatra vita ! fa omeo fotoana zay olona lany mba hananany fotoana koa sy ny zavatra hilaina vola ohatra hananganany , hanomé fahafahampo ho an'ny vahoaka !
7. kitjo ( 25/10/2006 18:30)
prime> aiza enao zao?
inoako fa tsy any Dago...raha toa ka tsy mahita ireo zava-bita ireo

tazomy ny azo fa sarotra ny mila k!
8. oufouf ( 25/10/2006 19:21)
tena izany no démago.... resaka be fotsiny ... noheveriko ho mba tena izy ... hay moa rangahy io efa teo no niala ... marina fa nanao izay mba hainy sy vitany izy fa efa tsy tokony hijanona koa ve satria efa mihôtra ny 40 ans....
9. Zina ( 25/10/2006 21:15)
Tsy mora ny mitondra firenena

fiffi a marina io.. Tsy ho vita na valotaona ary ny mamerina sy manakatra an\'i Dago itamaso itam-pirenena ny fanitsahana an\'ny ra-malagasy sy ny taniny t@ ilay pitondra teo aloha...no sady ankehitriny miha-sarotra indray ilay fihainana na ny tany capitalista aza efa sahirana mihitsy ny manakatra ny fiainan-dry zareo ka voa maika ny antsika kely mitsilopilopy io...
Tsisy afa tsy i ra8 ihany no mahay manakatra an\'i Dago e... ho sarotra fa mandeha tsy mora2
10. fijo ( 25/10/2006 21:44)
marihina aloha fa ny fampanantenana rehetra dia tsy hoary tanteraka avoko,na iza lany na iza.
amiko ny tena mahaliana ahy dia hoe ,raha olona hafa ve no lany eo,mbola hanoy izao asa efa manomboka izao??????
11. Fiffi ( 26/10/2006 05:18)
fijo:
raha olona hafa ve no lany eo,mbola hanoy izao asa efa manomboka izao??????
tsara fipetraka ny fanontaniandry ry fijo an!


12. kitjo ( 26/10/2006 07:25)
fijo> ny ahy koa io no fanapenako daomy rehefa kamo za hiresaka

na hoe : ka iza ary zany no tokony ho eo e!
13. rabaradaka ( 26/10/2006 13:06)
Misaotra dadatoa robert fa za moa tsy mahay teny frantsay tsara fa zao zay mampanantena ange ka bala rora araka ny fiteninareo tanora e, Ratsirahonana ve nama ho lany eo, tamin'izy chef d'Etat aza tsa nahomby ka zao ndray ve ? Iza ary no hahomby ? Asa aloha e
14. Robert ( 26/10/2006 15:57)
Fa tena mivarotra SAKA BELOHA anie ny kandida rehefa tonga ny fifidianana.
15. besoiiin ( 26/10/2006 22:53)
raha tsy ra8 v no nitondra teo nanao ahoana re i Mcar t@zao fotoana izao e? mba dinio kely we ny fivoarana nisy t@ nitondran'ilaijamba antaonany maro? firy isanjato ny zavabita ary firy isanjato ny zavatra simba sy very? nino vare ianareo fa lasa lavitra sy nihananankarena lavitra noho izao ny gasy raha olonkafa no teo? mba dinio ihany lehireto a! ny toky fitaka fa ny atao no hita ary ny asa vita no ifampitsarana, Tokony hieritreritra ratsirahonana raha mbola ho mendrika ho an'ny antokony io anarana io na tokony tolorana olonkafa. Tsy mora tokoa ny mitondra firenena ary tsy izao manao kobakambava sy miseo mahay sy milay rehetra izao akory dia inoana, porofon'izany io syndicaaliste lasa minisitra io, teny ankianja be calcul sy miseo ho mahay ary tampimpahaizana ery ka nilaza fa tokony ho 950.000fmg au min ny smig. tonga eo @fitondrana izy izao dia tsapany tsara fa tsy mora ary tsy vitan'ny vava izany mitondra firenena izany. Asa re raha ahoana raha ianareo mpitsikera rehetra ireo no omena toerana e??? handroso v isika???
16. fijo ( 26/10/2006 22:55)
kitjo an,ndry kosa aza manao domy e
17. manantsoa ( 27/10/2006 04:22)
Ho antsika malagasy dia ny mamokatra ihany aloha no tsara indrindra sy azo antoka .
raha izao ianao no ilaza fa hanondrotra ny karama ho avo roa heny dia famosaviana ny malagasy izany .
Azonao atao tokoa ny mampiakatra ny karama fa ho lasa ohatrinona avy ny vidin' entana?
Ny mofo dipaina : 5000 Fmg
Ny frais bus : 5000 Fmg
Ny harina saribao : 75000 Fmg
Sns ....

Ary ny orinasa marobe mbola marefo eto an-toerana , afaka hampakatra ny karaman' ny mpiasa ao aminy ho avo roa heny ve ??????????
Porofon' izany : firy no mba afaka manome gratification na 13 mois amin' izao fotoana izao e.
18. besoiiin ( 27/10/2006 07:26)
resaka fotsiny no bobaka.....
19. tenagasy ( 27/10/2006 09:58)
Mankamamy eh!
Nisy "discours" tsy voafehy amiko no tena nahavoa ny AVI.
Tena mba babon-dry zareo aho raha "nanampy ny fitondrana" hatrany izy h@ izay, ka rehefa farany vao niala ary nanambara fa hirotsaka. Izany amiko no tena demokrasia, na mpanohitra aza, io aloha no lanin'ny be sy ny maro dia atao izay hanampiana sy hanosehana azy arak'izay tratra ((fanampiana koa ny milaza ny tsy mety saingy hanatsaràna fa tsy handabohana)). Ambonin'izay nanambara teo amboalohany ny filohan'ny AVI ary nitaona ny mpikambana fa tsy hanaratsy n'iza n'iza. => Raha nanambara ry zareo fa nahavita ihany ity fitondrana ity saingy mirotsaka izahay hanao tsara lavitra noho izany, inoako fa hafa kokoa noho izao ny lanjan'ny AVI. Ary io ilay lazaiko hoe: "discours diso" satria ny zavatra ventesiny ankehitriny dia fanaratsiana rano fotsiny.
Amiko, samy tao ihany ry zareo, ka raha ratsy ireo dia samy ratsy tao izany ianareo (na inona na inona antony, na tsy niady mafy ianao, na ny fandresendahatrao izany no tsy nahomby), raha tsara moa dia efa tsara izay izany ka tsy aleo tohizana?
Mankamamy!
20. besoiiin ( 27/10/2006 14:25)
ka izay ilay toetsaina e. Vola sy seza daholo izany, tena sarotra marina ny mahita olona fidèle sy hitokisana eto antany an! iza mou no hino we ratsirahonana izay niaraniasa sy nitakosina hatramizany no andeha hanaratsy sy hanosopotaka anra8? moa v tsy mamely tena iany lery @ zany? za alou sur hatreto fa tsy hisy hahasolo andra8,@ lafiny rehetra. Mino aho fa efa mba manana traikefa kou izy @ fangalana olona hiaramiasa aminy ao aoriana, satria tsy izay manao tompoko tompoko tokoa dia manoha anao....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.054