Vendrana ve isika ?

1. lapino ( 09/10/2006 16:26)
Fomba handrefesana ny intelligence-n'ny olona hono ny QI. Tsy voatery ho tena marina sy rigoureux anefa io an! Fa raha atao hoe raisina araka izay ary ...

http://www.douance.org/qi/qicorrel.htm misy pejy mampiseho tarehimarika maromaro vitsivitsy; ery amin'ny farany misy ny salanisana QI an'ny mponina amin'ny firenena vitsivitsy.
- Ny dimy voalohany dia kely maso daholo (Hong Kong, South Korea, Japan, Taiwan), QI 107-103
- Manarakaraka ireo firenena eoropeana taritin'i Autriche, Allemagne, Pays-bas sy Italie, QI 102
- Ny frantsay sy ny amerikana any amin'ny QI 98
(ps: ny belge mbola misaina noho ireo, QI 100 ;))

Tsy ao anaty lisitra ny gasy aloha, fa ny mety hahaliana antsika angamba:
- Malaisie : QI 92, Indonesie : QI 89
- Ny afrikana amin'ny rambon'ny lisitra dia manomboka any amin'i Zambia : QI 77, ka hatrany amin'i Guinée Equatoriale : QI 59

Dia hono hoà, vendrana ve izany isika? :roll:
2. simplex ( 09/10/2006 17:24)

- moyenne no mitranga ao d mazava hoazy black box b zany. tsy hita taratra tsara hoe ahoana ny "niveau d'intelligence" an'le firenena. Tokony nomena koa fara faharatsiny ny "variance" satria ny sasany mety hoe olona vitsivitsy ati-doha b fa ny ambiny aotra doly kanefa ny ny sasany samy somary ati-doha doly izy retra...

- corelation @ GDP sy "reussite economique" no votoatin'ilay fanadihadiana, poinsa fa any @ gidany ny gasy kely :oops: :D mety hoe tsy azo hitarafana tsara an'le hoe vendrana sy dondrona le izy :-D:-D

fa tsika mahay an :°) korazy korazy foana, tena kozy e ;-):D:D

:-*:-*
3. pissoa ( 09/10/2006 17:43)
Fa inona no tena atao hoe "intelligence" aloha ? :roll:

Raha oharina amin'ny gasy fantatro aloha dia vendrana zah e :oops: fa ankoatra izay ( izany hoe tsy gasy) tsy haiko :oops::-D:-D:-D
4. xxx ( 09/10/2006 19:35)
be dia be indray izao no hilaza fa vendrana eo!:lol:
5. Fiffi ( 09/10/2006 19:58)
teny efa mahazatra io :wink::-D
6. vale ( 09/10/2006 22:06)
:-D:-D:-D:°):wink:
7. Fiffi ( 09/10/2006 22:22)
:-D
8. vale ( 09/10/2006 23:09)
:-D:-D
9. soanja ( 10/10/2006 00:36)
Tsia tsy vendrana isika fa tsy tazan'ny olona satria tsy zatra manao zavatra mihoatra (firenena hafa)ny vitan'ny olona matetika . Ny antony dia satria isika tsy manana self confidence na koa efa nozarina hoe mahaiza mionona amin'ny kely ananana na mangalatahaka fa tsy mba mamorona.
Noho zany dia mety mbola tsy nisy nanapakevitra hoe ndeha ho tester-na ny IQ ny gasy amin'ny ankapobeny na ny firenetsika koa mbola tsy nangataka ny hatao izany.
10. mandrindra ( 10/10/2006 09:10)
zah klou tsy vendran fa tsy intelligent koa e
11. fiderana ( 10/10/2006 09:58)
Izah kounkou aloha tsyvendrana izany ê!, mba mahay ihany aho mihoatra n'ireo vazaha mba fantatro ireo.:lol:
12. adidy ( 10/10/2006 11:48)
Tsy vendrana ny gasy fa ilay kolon-tsaina no tsy mitovy!! Ny fitaovana koa tsy mitovy ny enti-manana!! Fa raha omenao fitaovana mitovy ny gasy @ hafa dia tsy ho mena mitahy!!Ny tena mahafinaritra dia rehefa anontaniany ianao raha nianatra t@ sekoly vazaha dia lazainao izy hoe sekoly gasy ka!!!
13. lapino ( 10/10/2006 20:22)
Za koa tsy te-hanaiky mihitsy hoe vendrana izany ny gasy. Any amin'ny adihevitra politika ihany no ahitako gasy vitsy an'isa (mody?) mitapitapy, fa ankoatra an'izay toa mahira-tsaina tsara daholo.
14. Fiffi ( 10/10/2006 20:26)
tena maranin-tsaina marina !
15. xxx ( 11/10/2006 04:51)
:?::?:ny kelimaso intelligent :?::?: raha hanao tsianjery maimbo aloha dia antsoy izy e :-P izay no fantatro, omeo ny sinoa mianatra teny anglisy ny diktioneranao 440 pejy iny fa ho hitanao fa vitany tsianjery iny fa ny hampiasa azy :^):^)
16. Fiffi ( 11/10/2006 06:22)
raha vitany tsianjery ve de tsy hainy ny mampiasa azy ? :roll:
17. xxx ( 11/10/2006 10:10)
ié :^)
18. Fiffi ( 11/10/2006 10:14)
zany an ? hummmm !
19. LazaDaddy ( 12/10/2006 03:49)
lapino:
Vendrana ve isika ?
Fa ahoana? Isika angaha nividy baoritra importe avy any Bulgarie? :lol:
20. Solitikabe ( 12/10/2006 04:17)
Za aloha leiretsy dia vendrana an. Tsy haiko fa mahay maerin-desona aho fa raha asaina hoe mamorona ambadiky ny lesona dia hitako hoe aotra aho. Ka inona no tokony ataoko. Satria lasa mahay maka tahaka ny ataon'ny olona fotsiny aho fa tsy mahay mamorina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1629