Ny malagasy ve misy taranaka JUIFS

1. patrick2002 ( 04/08/2006 08:05)
Mba lasa ny fisainako rizareo,ka mametra-panontaniana io lohateny io, satria betsaka ny namana no somary namaly ahy t@ ilay hoe fantaro israely tao @ fivavahana sy finoana ,ka dia liana tokoa izaho no hafantatra anio, ny fantatro aloha dia misy synagogue ao Antananarivo izany hoe misy manaraka ny finoana Judaisme izany. Dia misaotra izay mampita vaovao.
novalian'i seraphin ny 19/08/2007 15:04
2. Fiffi ( 04/08/2006 08:25)
mety ho possible nefa asa aloha an! :roll: tena tsy fantatro!
3. diamondra27 ( 04/08/2006 08:45)
za koa tsy fantako na jiosy na tsia fa andraso aloha atao ny ankety
4. Fiffi ( 04/08/2006 08:46)
hummm ! de miandry andry zany ry diamondra fa mahaliana ahy zany an! :):-*
5. xxx ( 04/08/2006 10:06)

otran'ny maha-probable ny hisian'ny ra arabo ao @ gasy no maha-probable ny hisian'ny ra jiosy ao @ gasy.

Tsy ny fandehanana any @ sinagaoga akory no maha jiosy anao na tsia an! fotom-pivavahana ohatry ny kristianina sy silamo ihany io.
6. Hubert ( 04/08/2006 10:30)
Ny efa reko koa dia ny Foko Antandroy hono no mitovitovy @ zareo Jiosy; na ny fomba amampanao, na ny fiainana andavanandro e! Ohatra: ilay mampirafy. Saika hadinoko fa mbola misy itovizany ihany koa hono ny fitenenana.
Ary izany no an'isan'ny ikoizana ny malagasy raha eo am'fahaizana; raha voalohany ny Jiosy dia manaraka ny malagasy:wink:.
7. agoago ( 04/08/2006 10:36)
Pasteur Tolotra RATEFY no nanao fandalinana lavitra be @ io hoe "jiosy ve ny malagasy", niseho ta@ fandaharan'ny télé iray teto mada izy nanazava ny fikarohany sy ny nanamarinany hoe taranaka jiosy hono ny gasy.
Nanoratra ao @ forum de dicussion www.madanight.com koa izy @ io lohahevitra io.Efa ta@ avril lay forum, ka miditra moteur de recherche eo @ madanight zany hoe theme "jiosy" no atao dia jereo eo ny fanazavany azy
8. Fiffi ( 04/08/2006 11:39)
xxx:
Tsy ny fandehanana any @ sinagaoga akory no maha jiosy anao na tsia an! fotom-pivavahana ohatry ny kristianina sy silamo ihany io.
zany ve ?


9. soanja ( 04/08/2006 12:44)
Izahay dia taranaka Jiosy. Tsy misy mahaJiosy anay intsony izao saingy ny razam-be dia isan'ny izy mihitsy.
10. patrick2002 ( 04/08/2006 13:39)
xxx:


.

Tsy ny fandehanana any @ sinagaoga akory no maha jiosy anao na tsia an! fotom-pivavahana ohatry ny kristianina sy silamo ihany io.



Raha ny fantatro aloha dia olona manana ra juifs ihany no mahazo manaraka ny finoana judaisme ,tsy finoana sahala @ katolika io na protestant ka rehefa mino ianao dia afaka miditra ao am-piangonana ,fa stricte ry zareop aminio.
Sahala ny karana any Dago ,na dia te hanaraka ny finoany ianao tsy tafiditra ao @ Mosqué na karana mihintsy.
11. Fiffi ( 04/08/2006 13:43)
ka na katolika na protestant ve de mety ho juifs ?
12. Zina ( 04/08/2006 13:50)
Misy tokoa moa izany... Za jiosy
13. Lalah ( 04/08/2006 15:35)
Za taranaka Osy he he he
14. booboo ( 04/08/2006 16:09)
ié misy taranaka jiosy ny malagasy sasany dia mandala ny finoana judaïsme kounkou. Fa ireo zay fantatro dia kristiana fa mahalala ny tantaran'ny famille fotsiny hoe ny razam-be nipoiran'ny fianakaviana dia jiosy avy any anona, nipetraka tao an'anona sns.
15. patrick2002 ( 04/08/2006 19:10)
misy jufs musulman, chretien,fa kosa raha ianao no te hanaraka ny finoana judaisme ,tsy ekeny raha tsy avy @ foko jiosy.
16. Fiffi ( 04/08/2006 19:15)
ka le juifs ve hoa mety katolika na protestant ?
17. sekabe ( 05/08/2006 01:46)
Ny juifs dia izay manaraka ny judaïsme. Ary izay ihany no maha-jody na tsia azy. Ny israéliana dia misy kristiana toy ny hoe misy arabo kristiana. Aza hafangaro izany ny toerana hipetrahana sy ny fomba-pivavahana.
Momba ny hoe misy taranaka juifs ve ny gasy dia hoy aho hoe : misy tantara iombonana. Ohatra vitsivitsy :
- ny lehilahy gasy sy jody dia tsy maintsy mifora araka ny fomban-drazana fa tsy raison médicale;
- ny malagasy mbola manaraka ny fomban-drazana dia tsy mihinana hena-kisoa mihitsy ary mbola manasina. Raha mamaky baiboly ianareo, na mino na tsy mino izay voalaza ao fa référence fotsiny, dia manao sorona foana ny jiosy rehefa mangataka fitahiana amin'Andriamanitra, ary ny toerana hanaovany izany dia lasa toerana fanasinana. Mitovy amin'ireo malagasy mbola mitana izany fomba izany;
- ny malagasy rehefa misy maty dia tsy mirandrana ary misasa eny amin'ny rano mandeha toy ny jiosy;
- ny "nation" amin'ny teny malagasy dia firenena izany hoe ny reny no important, ny an'ny jiosy dia "juifs" ianao rehefa juive ny reninao, fa ny ray tsy kaonty;
- ny fiteny dia betsaka ny radical itovizana izay mety iraisana amin'ny silamo koa satria iray ihany ny niandohan'ireo foto-pinoana ireo na dia mifankahala toy ny alika sy saka aza.
Dia izay no mùba hevitro e!
18. Rafotsy ( 05/08/2006 04:44)
Fiffi:

ka le juifs ve hoa mety katolika na protestant ?


Misy ny juifs messianiques : jiosy mino fa i Jesosy Kristy ilay Messie , ka mandeha katolika na protestant na evangelika !

19. Fiffi ( 05/08/2006 05:10)
Rafotsy: misaotra anao ! noheveriko manko hoe rehefa juifs zany de judaïsme na silamo .:-*:-*:-*
20. Herimiafina ( 05/08/2006 13:30)
Israelianina ssa Jiosy no tianareo ambara kay? Kony? :roll:

Misy malagasy israelianina maro mantsy fa tsy jiosy izany, misy indrya tena jiosy veritabla fa tsy israelianina. i pissoa izao anisany! :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3368