amour en amitié

1. piacer ( 19/07/2006 11:21)
Ialana tsiny raha nataoko teny vahiny ny lohateny
za zany efa elabe nisy sipa akamako be, akama fotsiny izy efa ho 6 ans teo angamba zay
nisy fotoana nefa tafaraka mission zahay sady ray discipline mihitsy d lasa niaraka ary reto zahay
d tena nifankatia zany e, efa naminavina fa hivady
nony taty aoriana anefa tonga ny olana
ny RAD ko mankasitraka azy tsara fa ny havandraiko d tsy tia olona tsy Merina mihitsy
voatery nandray fanapahan-kevitra ary za fa hisaraka zahay ary hiverina ho toy n y mpinamana teo alou ndray
zahay alou samy mbola tena tia e
fa tsy haiko zay any antsainy satria tsy mety miilaza amiko ny heviny izy fa hoy izy oe efa zay no hevitra notapahako d manaraka izy zany
d raha manana olona tiko ve za @ zao ka ampahafantariko azy d hadisoako ve?
mangataka ny fanampianareo namana
misaotra
novalian'i bobone ny 28/08/2006 13:06
2. cutie ( 19/07/2006 11:31)
quote]d raha manana olona tiko ve za @ zao ka ampahafantariko azy d hadisoako ve?
mangataka ny fanampianareo namana
misaotra[/quote]
tsy hadisoana ka:lol:
3. mamzelkely ( 19/07/2006 11:35)
hummmmm matao izy alou manaiky ny fanapahakevitrao de tia izy zay ary ts te hi-precipiter anao izy am zay decision anao noho ny fitiavany anao fa de anao no misafidy na hiady hatram farany enao ny aminareo na ny hamela ilay fiarahana nefa mbola samy tia
azoko tsara ny situation anao am le resaka fianakams nefa kosa tokony efa hainao hatram vôlou kosa we surement ts ho ekeny fianakams le izy mais bon sarotra ny fandidina

ra hitanao fa ts handratra azy ny famapafataranao azy ny olo-tinao dia ataovy zany fa mety ho sarotra kosa anefa zany satri izy mbola apparemment tena mbola tia anao

courage fôna ee:-*
4. xxx ( 19/07/2006 11:53)
Io resaka firazanana io alou tena saotra be mihitsy e! aleo ihany dieny voalohany mbola ts tafalatsaka tsara @ le fitiavana dia manapa-kevitra, marina fa tsy ny fianakaviana no hiaraka aminy na hanambady azy nefa mba tsinjovina ihany koa le disadisa any aoriana satria ho vadinao io ary ny havanao koa havanao ihany ka rehefa ela ny ela mety ho leo ianao na izy ka mety hahavita zavatra hafa ts hampoizina indray toy ny famoizam-po sns.... ary mety hifampitarika eny @ tribunal mihitsy aza, ka aleo ihany ety amboalohany dia efa mafantatra izay, tsy anjarako alou no mitsara oe mety ny décision nao na tsia fa refa izay no hitanao fa mety tsy olana izany,izao voalohany izao ihany ianareo no mety hifampihafahafa fa rehefa elaela mandeha hoa azy io e! sady ny fihavanana ange no taloha e! tohizo ny finamananareo, ts fantatro alou raha vao haingana io trangan-javatra hiananareo io na tsia, raha vao haingana mantsy sao dia maika loatra ianao hi-présenté ny sipanao vao2 aminy manjary marary ny fony, angamba olona hendry ianao, tsy hanaonao foana fa ianao ihany no mahita izy
okay mahereza
5. booboo ( 19/07/2006 12:17)
xxx > fa maninona no miafina nefa hendry be ny raha soratanao ?
6. sarobidy ( 19/07/2006 13:05)
na de zany aza , aza de ampijaliana izy fa tandremo tsara ny fihetsika teneinao azy an
7. cutie ( 19/07/2006 13:11)
Mpandefa : sarobidy [ Valio ] 19-07-2006 18:05:14
Lohateny : Re : amour en amitié
na de zany aza , aza de ampijaliana izy fa tandremo tsara ny fihetsika teneinao azy an

tsy azoko le ampijaliana:roll:
8. dadabe ( 19/07/2006 13:14)
efa aty @ taonjato 2006 ve dia mbola asina firazanana ihany le tsss :evil:
9. booboo ( 19/07/2006 13:16)
taonjato 2006


:-D:-D
10. cutie ( 19/07/2006 13:16)
dadabe zay le fiaraha monina e
11. mamzelkely ( 19/07/2006 13:37)
ka na inn n ataon dadabe na inn iny resaka firazanana iny mbola misy ary mbola hisy fôna ko :°)
12. booz ( 19/07/2006 15:40)
slt!tsy aiko alo fa mba t ilaza ftsiny za oe ra tena tinao iz d ny havan-drainao v d ampy isaraanao taminy?Tena fitiavanav zany.
d ra za ny eo @ toeranao d tsy lazaiko azy ra mis ol miarak aminao satry mety marary azy zany ra mbol tia anao iz.
13. cutie ( 19/07/2006 15:44)
ka namany ange tsinona le oul e, de tokony ilazany ihany
14. miangalyandria ( 19/07/2006 15:53)
fa tsy azoko ! amiko ny tena important dia ny avisn'i dada sy neny sy ny iray tampo amiko, ny tenin'ny havan'i dada ???? koa i dada aza tsy manisy blema fa mahazaka koa inona no olana ???

amiko tena tia anao izy matoa maaiky an'izany zavatra izany na dia somary mandeftra aza ! bon courage, aza dia mandratra ny fony loatra amin'ilay hoe vao eo no nisaraka dia iny dia efa manana olon-tiana vaovao be, sao dia raisiny hoe manenji-dresy !

bon courage e
15. ja ( 19/07/2006 16:51)
dadabe:

efa aty @ taonjato 2006 ve dia mbola asina firazanana ihany le tsss :evil:



ie mbola misy izany ka!
16. ounjasou ( 20/07/2006 04:49)
raha izaho alou no teo @ toeran'ilay sipa de tena tsy te haheno ny vaovao momba anao intsony miitsy aho e, ka ny hoe ho mpinamana de hifampitantara ny fiainana, raha ianao io ve zao no oe ipresenteny ny bandy sipany vaovao, de mba aona hoy ianao ?? de mety hoe ohatra izay koa ilay situation misy azy , ary na ilay oul vaovao aza mety ho sadaikatra ihany hoe, fa ireto ve tena mpiafanina marina amizao e !! eritrereto ihany fa sao votsi-droa eo.
17. pissoa ( 20/07/2006 04:53)
Ampahafantaro azy kou maninn, fa ny fiteny azy fotsiny no atao hendry tsara ...
18. xxx ( 20/07/2006 05:04)
dadabe:
efa aty @ taonjato 2006 ve dia mbola asina firazanana ihany le tsss :evil:

Aoka tsy hafangaro ny resaka fanavakavahana firazanana sy ny fitsinjovana ny tokantrano sy ny ho avy.

Toy ny fitsinjovana hafa rehetra ihany io. Izaho ohatra, dia amin'ny finoana no tena tandremako be. Ohatra hoe Silamo, na olona efa miteny eny an-dalam-be fa tsy Misy ny Andriamanitro, dia tsy hidirako. Miresaka amin'ny Silamo aho, miresaka amin'ny Athée, fa araka izay azoko atao dia tsy hivady aminy. Tsy fanavahana finoana io akory, fa io no hitako fa hampilamina tsara ny fiainako. Ny fanavakavahana dia toy ny hoe tsy mila miarahaba an'iny fa iny Athée na iny Silamo.

Dia toy izany koa io resaka firazanana io amin'ny olona.
19. raval ( 20/07/2006 05:06)
Ra nisafid o mpinmn nareo de tokony mifnrk tsara dieny eto @ vôloany zany oe tsy tompon'ny iray tsony ny iray fa tena libre @ zany tiany. Tsy foafeifey zany e! Tsisy mamatotra.Ary tkn aena ko ny fifanersrn @ zay de adino tsiklkl le tena amour teo alou.Tkny o matotra tsara @ fanapa-kvt raisina, ary atao @ faendrena tanterk @ saina tony tsara.
Ny mivvk ko aza adino miitsy fa tena mikaonty b io eto @ fiainantsika olombln.(iditra lalina @io za ra ilainao).
Fa de maereza e!
20. piacer ( 20/07/2006 10:02)
d voaray zany le sosokevitrareo e
samy manana ny hevitra nasehonareo daholo nareo fa d anjarako sisa ny mitsakotsako ny tokny hitondrana ntsara ny fiainana any aorina
misaotra betsaka fa d maivana ny adintsaina nisy anareo namana mba azo nifampizarana sy nanome torohevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2078