Mitady mpanohitra mba mahavoa kokoa

1. hery ( 23/06/2006 09:01)
O ry zalahy a. Akaiky ity ny fifidianana. Nisy ireo nimenomenona hoe tsy namely mihitsy Ravalo saingy tsy nitondra vahaolana akory... donc tsy azo ianteherana.

Sao dia mba misy mpanohitra tsaratsara kokoa e? Ho lany eo ihany ange i Ravalo raha izao no mitohy e!

Mitady mpanohitra mahavita zavatra... asehoy ny zavatra vita.
Mitady mpanohitra manome vahaolana matotra sy malaky.
Mitady mpanohitra hita amin'ny fiteniny sy fihetsiny, ny fombany sy ny hareny, hoe afaka manarina an'i Madagasikara
Mitady mpanohitra tsy mbola voaloto tamin'ny raharaha taloha (risoriso, fanodikodinana volam-panjakana, 10 aout, 2002 sns)
Mitady mpanohitra tsy miteny resaka foko sy mpampisara-bazana ny Malagasy
Mitady mpanohitra tsy mpitsikera be fotsiny ny fitondrana fa efa manana sosokevitra sy efa nampihatra izany.

Aiza no ahitana an'ireo? Toa tsisy?

Dia tsy maintsy hiverina amin-dRavalo ihany izany? :-(

Atao ahoana... mbola tsy vitanareo izany ny manolo azy kou.
novalian'i prime ny 14/07/2006 11:31
2. xxx ( 23/06/2006 09:18)
Salut Ra hery!!!!
Izaho ry akama mahita olona hitondra ny firenena a,hendry,manan-tsaina,tsy mirefarefa @ tany,matotra.
Tsy iza izany fa i marozevo sy rabaradaka,marozevo atao filoham-pirenena,i rabaradaka kosa ndray ben'ny tanana.:-P:-P:-P:-D:-D c kool,non??
Vazivazy e!io ry hery tsy hisy mpitondra tsara zany tsony a,izay tongaa eo dia kotozafy daholo (kotozafy ihany no lexis e!)Ary tena marina ny an'i hery hoe < tokony ho solona i ra8>
3. sareraka ( 23/06/2006 09:18)
NY TENA MARINA DIA IZAO : tsy mbà mahay maka lesona ny gasy mandrak'ankehitrio !
Izao fanohànana be fahatàny izao anie tsy vao omaly akory e!

Ny zavatra hita sy tsapa koa ny ankabezan'ny olona vao mitsikera ny mpitondra dia hoe AREMA!
nitondra teo i ZAFY ALBERT izay nitsikera azy dia AREMA ! izao in1 i RAVALOMANANA no eo vao mitsikera dia AREMA fa angaha moa tsy misy antoko mpanohitra afatsy AREMA? misy ary anie olona tsy mpanao pôlitika fa milàza ny heviny tsotra dia c'est l'éternel refrain!

Ny zavatra ataon'ny mpitondra @ izao nefa dia mbà MAMPANONTANY TENA IHANY?
TOA MANAO DIDIN NY BE SANDRY! toa tsy mitsinjo ny ampitso fa angaha ianao ho eo @ fitondràna foana?
ohatran'ny hoe azy irery i MADAGASIKARA!

Miàla tsiny aminao aho aloha raHERY fa isan'ny candidat atahoran'i RAVALOMANANA i PIERROT ary il cherche tout les moyens de le coincer!IZANY NO ZAVA-MISY SY MARINA!

Raha ho lany i RAVALOMANANA pendant 5 ans manaraka TSY ASIAKO OLANA ! fa rehefa avy eo HANAO AHOANA ? VETIVETY ihany anie izay 5 taona izay e!

Raha lazainareo hoe AREMA moa aho tsy mampaninona izany. Fa mbà mila sens d'analyse ny fiainana fa tsy bontolo lava izao!

4. hery ( 23/06/2006 09:57)
Izaho tsy mitady hoe iza no candidat atahoran'i Ravalomanana.

I Pierrot dia anisan'ny mbola teo @ fitondrana teo aloha... donc tsy ao anatin'io lisitry ny mpanohitra tadiaviko io.

Dia tena tsy misy hafa ve?

Ravalo ihany ange no hofidinay e.
5. sareraka ( 23/06/2006 10:04)
Izaho anie tsy miteny hoe i PIERROT ,ilay mpanohitra vaovao fa milàza ny marina fotsiny aho hoe atahoran-dRA8 izy .Raha tsy atahorany ve nahoana no mahatonga azy mitady izay moyens rehetra hi- coincéna azy?
6. caloh ( 23/06/2006 10:25)
bjr, amiko aloha de tsy hitako mihintsy hoe iza no hanolo an-dra8 e! izay tonga eo de mitovy daholo samy mieritreritra ny any ampaosiny sy ny fianakaviny daholo. Sao zay manolo azy eo vao maika tsy any, aleo izy aloha hanohy angalatra ihany e!
7. Fiffi ( 23/06/2006 11:01)
ho solohina Ra8 ka iza ary no hanoloana azy ?
8. sareraka ( 23/06/2006 11:06)
2166fmg tena mora ny gasy !!!
9. rabaradaka ( 23/06/2006 11:15)
Fomba fijery lany andro ny an'ny dadatoa sareraka sy ny ekipany teo, fa mitady hanaraka ny fomba fijerin'i sareraka koa ange radadatoa hery zany e! Ny hoe mpanohitra azo antoka amin'izao dia tsy misy. Jereo ange fa ry dadatoa Ndrema efa vizana be iny aza mbola mifofotra hahazo maherin'ny 01 % de miverina ny vola natao antoka tamin'ny fifidianana. Amiko, Rabaradaka dia tsotra : asaivo mitanisa ny zava-bitany hatramin'ny 1960 ka hatramin'ny 2002 ireo mpitondra rehetra teo dia asaivo manao ny azy dadatoa sylla fa ho hitanao fa mahamenatra ny fanoherana Malagasy. Lasa ady seza.
Rabaradaka mbola tsy hilatsaka fa aza matahotra, mbola hanohana an-dradadatoa Ravalo aloha. Tsy maintsy lany io sefo a, tsy maintsy lany io . Mba marina
10. prime ( 23/06/2006 11:42)
:-@
11. mandrindra ( 23/06/2006 11:59)
tena gravy izy ity e, tsy misy mpanohitra milay, ny mpitondra tsy izy izy koa. dia hisafidy izany hoe pesta sa kolerà. mamay zany an
12. prime ( 23/06/2006 12:45)
13. Robert ( 23/06/2006 13:18)
Ny tena marina de tsy handroso ao anatiny 50 taona izany ny Firenen-tsika(Contexte économique mondiale). Na izà no hitondra eo na Ra-8 na olona hafa, de mbola hahantatra foana isika. Fa raha za manokana aloha de aleo Ra-8 hanampitra ny 2e mandat-ny, satria i Rangahy io mba hita manao zavatra (lalana ohatra)sy mba miezaka hatrany(MAP). Fa na izany aza mbola mihena foana ny sanda-bola Ariary( miakatra ny vindi-piainana).
Fa mba tondiho anie ny 35 000 logments ny mpitondra teo aloha (Pierrot), firy no vita? écologique?
Ry ZaFy indray de MADA-RaiD no vitany...
14. jajaf401 ( 24/06/2006 12:50)
Raha ny marina tsy ny olo mahavita azy no tsy misy fa ifandimbiasana io toerana io eh;
Maro be angeh mbola maniry hitondran-dRa8 @ 2è mandat eh, izany hoe mbola manantena zavatra maro aminy, fa zaho kosa mahita fa efa reraka izy eh!
Tsy tratrany koa ny allure t@ demarrage zay (2002), ary ny ekipa koa efa zara fa maharaka; miraraka miandalana toy i Zazà; Lahiriko; sns tsy tanisaina;
Fa aleo izy hiala nenina raha zany eh!

Ny mpanohitra matahotra gadra de miafina ra-hery an!
15. boubounezy ( 24/06/2006 17:08)
:D refa tena tsy maita kia nareo ry fiffi dé za iditra anao solony a!:-D:-D:-D=))=))=))=))=))=))


Fiffi:

ho solohina Ra8 ka iza ary no hanoloana azy ?



16. marozevo ( 25/06/2006 11:47)
xxx < Msaotra amin'ilay soso-kevitra hanolotra anay ho candidat. Saingy malahelo aho milaza aminao fa tsy ananako ireo toetra nolazain-drahery ireo.
17. Mifenty ( 26/06/2006 06:42)

hoy rahery daholo reo a
Ho lany eo ihany ange i Ravalo raha izao no mitohy e!


ty koa

Dia tsy maintsy hiverina amin-dRavalo ihany izany?


conclusion

Ravalo ihany ange no hofidinay e.


REveko b le iz a hihihi

fa ozy ra jajaf oe
Ny mpanohitra matahotra gadra de miafina ra-hery an!
18. Fiffi ( 26/06/2006 09:19)
ka ho iza ary eh ?
19. marozevo ( 26/06/2006 14:24)
Dia i mifenty koa tokony hanolotra conclusion azy manokana, na dia efa tsara aza ilay conclusion-dRahery.
20. Robert ( 26/06/2006 14:25)
Nyhasina ndrema kosa aloha tsy de tsara, fa aleo rehefa mahavita 2e mandat Ra-8. Vao miditra izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2292