INONA NY VAOVAO MANERANA NY TANY ?

1. sareraka ( 22/06/2006 07:17)
INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY ? herinandron'izao :

-nividy 4*4 NISSAN miisa 137 ingahy RAVALOMANANA ao @ kitapom-bolam-panjakàna ho an'ny HCC sy ny chef de district mitentina 22 milliards,matahotra ny tsy ho lany dia manambitamby ny HCC..

-mitaraina i RAMATOA minisitry ny fitsaràna fa tsy manam-bola intsony ny fanjakàna hanomezana sakafo ny gadra.!!!!!!!!

-tsy mety mandoa ny volan'olona ny TIKO.

-orin'asa afak'aba miisa 37 no voatery tsy maitsy akatona nohon'ny halafosan'ny JIRAMA mpiasa 13.000 no tsy an'asa vokatr'izany, HANAO INONA IZANY IREO OLONA IREO aza hitako ka hanendaka anay vao maraina!!!

-i GHANA no hany fanantenan'ny afrikanina ao @ mondial any ALLEMAGNE .


SILENCE TAISEZ VOUS !!!!méditation!!!
novalian'i rapala ny 26/06/2006 09:27
2. LazaRandri ( 22/06/2006 07:34)
tandremo ry sareraka fa mahafaty tampoka ny fahakizitinana an! hahaha!
3. Bonz ( 22/06/2006 07:39)
hahaha! :-D
4. kally ( 22/06/2006 07:39)
Hono ho'a ry namana isany : Moa ve mendrika ho valiana ny mpametraka lohahevitra fotsiny fa tsy mba mandray anjara amin'ny adihevitra, ohatry ny fanaon'i Sareraka? :?:
5. sareraka ( 22/06/2006 07:43)
Saika adinoko miantso ny vazaha toy ny canadiens ny gasy hanadio ny tanàna fa tsy voadion'ny gasy intsony ny tanànany !!!HA HA HA ...
6. LazaRandri ( 22/06/2006 07:43)
kally> aza mampiakatra ny tosi-dra an'i sareraka sao maty tampoka eo io! hahaha!
7. sareraka ( 22/06/2006 07:45)
repoblika 3 izay no voazera noho ny tenako tsy maty aho fa ny mpitondra no nirodana

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY ????

atahorana tokoa ny hirako !!
8. toovs ( 22/06/2006 08:06)
kally:

Hono ho'a ry namana isany : Moa ve mendrika ho valiana ny mpametraka lohahevitra fotsiny fa tsy mba mandray anjara amin'ny adihevitra, ohatry ny fanaon'i Sareraka? :?:



Ny fahitako an'io aloha de tsy mangataka ny mpanoratra hoe mba valio ry reto a, fa ianareo no manenjika azy eo fotsiny.
de izao koa no fahitako ny hevitra avoakan-dranamana io: milaza ny vao² toy ny mpanao gazety izy ka misy sokajin'olona 3 afaka manao réaction araky ny heviny avy. Ny sokajy voalohany de izay mpanohana anjambany izay fitondrana misy ka de milaza hoe be menomenona i sareraka; ny sokajy faharoa de izay mpanohitra anjambany ny fiondrana misy ka de manaiky tsy ampihambahamba fa marina tokoa fa tsy alehany mihitsy ny fitondrana; ny sokajy fahatelo kosa de ireo izay malalatsaina afaka mandinioka sy manao récule kely foana refa misy zavatra hita na heno. io sokajy farany io no idealy sy mendrika ary ara-pahendrena indrindra amiko satria tsy ho andevozin'ny firehana pôlitika na oviana na oviana fa afaka mijery tokoa hoe marina sa tsy marina ny zavatra hitany sy henony.
9. kally ( 22/06/2006 08:07)
Izao izany ilay hoe "Henoy izany ry hazon-damosiko" an? Tsy an-kiraharaha izay lazain'ny namana eto fa dia fa ho any fa ho any foana. Mahagaga ihany :roll: Raha resaka mivantana nampanontany tena hoe sembana ara-tsofina ary ve ilay hoe Sareraka ao amin'ny serasera sa ahoana!Sa sembana ara-maso ka tsy mahita izay voasoratra hany ka tsy mamaly fanontaniana sy resaka.:?:

LazaRandri> Sao sanatria hitombo eo tokoa ny fahasembanany raha izao fa aleo hilam'.

10. Fiffi ( 22/06/2006 08:23)
sareraka:
atahorana tokoa ny hirako !!
Fa inona no hiranao ry sarereka ? nga anao ireo hira ireo ? aza mi-fopla fa tsss
KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?


11. Fiffi ( 22/06/2006 08:27)
kally:

Hono ho'a ry namana isany : Moa ve mendrika ho valiana ny mpametraka lohahevitra fotsiny fa tsy mba mandray anjara amin'ny adihevitra, ohatry ny fanaon'i Sareraka? :?:
Tokony tsy valiana mihintsy ireny dinika ireny satria toa fandrebirebena olona fotsiny.


12. caloh ( 22/06/2006 08:32)
ny ahy ndray aloha ny fahitako azy de zao e , isika gasy de mampalahelo mihintsy fa tsy mba mahay mifanampy mihintsy jereo nge mandehana mividy zavatra ao traralàlana de miady varotra na ariary aza e! raha mahazo ianao , de jereo nefa izy samy izy mahay mifamelina sy mifanampy de jereo fa izy no manjaka any @ tanin-tsika .Ka izao no izy na inona na inona tenentsika eo efa izy aloha no mitondra ka na mbola omeny HELICOPTERE tsi11 aza ny dèpute sy ministre tsy afaka hanao inona isika . tsikera sy menomenona fotsiny no azontsika atao kanefa anao inona ny eo ambany fifehezany aza matahotra azy, de ny zanaky ry zareo avy eo no mitondra ny 4 4 , mampalahelo izy e eee!!!!
13. petsambava ( 22/06/2006 08:58)
Ka nahoana moa no handroso ny gasy e? TSY MBA MIPITRAPITRA MAMPALAHELO FA MIVANDRAVANDRA MAMPITAHOTRA firifiry izay firenen-dehibe milàza fa isan'ny tany fadiranovana eto ambany masoandro ny gasy ...maro no tezitra ka mandefa taratasy sy menace hoe aza atao an'izany ny ny gasy.

Tonga eto ny institution financiére hafenina sy roahina ny mahantra .Asaina mitaingina hélico sy AIR FORCE 1 .

Tsy ho tafavoaka isika raha tsy ampian'ny firenen-kafa nefa moa ny kely ananana sy azo ary ity na mivily any ampaosin'ny mpitondra na ividianana 4*4 ka aiza no handeha e

AZA MISY MIMENOMENONA e !!
14. Ragadona ( 22/06/2006 09:47)
Samia mandinika ry akama isany fa aza entim po. Mandrangitra angamba i sareraka saingy andramo diniho amin ny saina tony hoe, dia asory ny fironana mangeja anao, fa mety hisy ampahany marina iniana anapenana maso ihany ao
15. rapala ( 22/06/2006 11:12)
message


@ fomba ahona kou no hanafenana ny mahantra? Tsy biby ireo ka hoe hodina any anaty lakazy any.

Navoka t@ radio mihintsy izany ilay resaka hoe ' aza mivoka ny trano nareo mahantra fa ho avy ny institution finaciera'.

Propagandinao daholo fotsiny io ry petsambava satria ho avy ny fifidianana:twisted::twisted::twisted:
16. rapala ( 22/06/2006 11:14)
tsy tafiditra ilay message: HAFENINA SY ROAHINA NY MAHANTRA (petsambava)
17. Fiffi ( 22/06/2006 12:11)
sareraka:
atahorana tokoa ny hirako !!

sareraka: aza mamadi-dresaka fa tssssss !! fa inona no hiranao ? Nga anao ireny hira ireny ?

-O ! ry zareo an! t@ andron'i ratsiraka dia namoaka hira maro i SARERAKA TENA MARINA fa tsy i sareraka fopla eto !

-Ireo hira ireo dia nihentiny t@ tolona t@ fitondran'i ratsiraka tsy rariny!!!

-Zao indray de ho hentin'i sareraka hanakorotana sy hitabatabaina eto ireo hira ireo nefa tsy azy akory!

-KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IANY ?



18. kally ( 22/06/2006 13:09)
toovs:

kally:

Hono ho'a ry namana isany : Moa ve mendrika ho valiana ny mpametraka lohahevitra fotsiny fa tsy mba mandray anjara amin'ny adihevitra, ohatry ny fanaon'i Sareraka? :?:



Ny fahitako an'io aloha de tsy mangataka ny mpanoratra hoe mba valio ry reto a, fa ianareo no manenjika azy eo fotsiny.




Dinika ny eto fa tsy blaogy, ka ny fahalala-pomba voalohany raha mandefa dinika eto dia mamaly izay fanontaniana apetraky ny hafa na izay tenin'ny hafa fa tsy mametraka lohateny dia lasa. Tsy fantatr'i Toovs aho na mpanohana na mpomba ny hevitr'i Sareraka (araho daholo ny dinika nataony raha te-hahalala ianao), ny manirikiry dia ilay tsy fanajana ny namana amin'ilay tsy famaliana ny fanontaniana na ny resaka izay atao nefa izay no maha-DINIKA ny DINIKA.:-P


19. rapala ( 22/06/2006 13:28)
sareraka, petsambava: inona ary ny solutions-nareo? Tianay ho fantatra satria dinika ity ka izay kritika rehetra tokony hasiana ala-olana na fanazavana misy fototra!
20. sareraka ( 22/06/2006 20:57)
hamaly an'i rapala hoe inona no solution
-jereo tsara eo ambony dia somary mampihomehy ihany ny fahasahian'ingahy RAVALOMANANA mividy 137 4*4 mitentina 22 milliards etsy andaniny ramatoa minisitry ny fitsaràna milàza fa tsy manam-bola hividianana sakafo ho an'ny gadra!mbà rariny ve izany?

-Atsangàno ny HAUTE COURS DE JUSTICE , io no tena zavatra tsara mbà tsy ahafahan'ny mpitondra manao ny danin'ny kibony momba ny volam-panjakàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5336