Ho avy i Rossy

1. Fiffi ( 15/05/2006 06:16)
Ho avy tsy ho ela i Rossy, dia inona no olana hoy ny sasany ? Io no mety ho fanontaniana hipetraka ao am-bavan'ny maro raha nandre fa milaza ho avy tsy ho ela eto an-tanindrazana ity mpanan-kanto nalaza teto Madagasikara ity ary nitana anjara toerana lehibe teto amin'ny firenena, na dia ny naha mpanolon-tsaina manokana momba ny Zavakanto azy teo aloha fotsiny aza.
Tao amin'ny Radio Aceem omaly, nivantana avy tany Parisy no nilazany izany, ka ny famoahany ilay raki-kira vaovao no antony hahatongavany eto an-tanindrazana. « Tsy misy antony tokony hatahorako hiditra ny fireneko », hoy ny lehilahy ka noho izany dia eto no hitondrako ny vokatra voalohany. Nahataitra ny maro ihany io filazan'ity mpanan-kanto iray nanao sesin-tany ny tenany any ivelany ity, satria iza no tsy mahalala fa manakaiky ny fifidianana eto Madagasikara izay fotoana mampafana vay ny tontolo politika eto amintsika no indro fa hitodi-doha an-tanindrazana ny lehilahy.
Ny fijerin'ny mpanara-baovao maro dia misy kandidà ho tohanany eto ka hanao izay hampandresy io ny tenany, ary tsy vitsy koa no nanambara fa mety handoto rano fotsiny izy. Ny zava-dehibe amin'ny maro aloha dia ny fahasahiany milaza fa hiverina an-tanindrazana ny tenany, koa moa heloka ve izany raha manina ny tany niaviany izy ?

Naivo kely Madagascar Tribune
novalian'i bibilax ny 15/09/2006 22:11
2. Fiffi ( 15/05/2006 06:19)
Ny zava-dehibe amin'ny maro aloha dia ny fahasahiany milaza fa hiverina an-tanindrazana ny tenany.
ary tsy vitsy koa no nanambara fa mety handoto rano fotsiny izy.
3. gasypantin ( 15/05/2006 06:58)
amiko tsy maninona raha mbà mankany izy e ! refa tsy lany ve ny candidat tohanany tsy hitany ny lalana mody
4. Fiffi ( 15/05/2006 07:20)
marina aloha zany an!
5. jentilisa ( 15/05/2006 08:11)
Mody aiza? :roll:
6. ravatorano ( 15/05/2006 08:11)
mody aiza
fa angah efa any nedala no mody ? huihihihih
io reefa fifidianana d taitra dhl eh toy ny sobakaka ambodiriana ! ka aleo taitra mialou sao afara vao mahavaky takotra ! hihihihih
aleo ho avy zay ho avy e hoy ny hiran i rossy !
7. Fiffi ( 15/05/2006 08:16)
mody aty paris koh! fa izy io noheverko fa tsy sahy mody any an-tanindrazana zany intsony ?
8. Fiffi ( 15/05/2006 08:18)
asa moa hoe naninona ?:roll:
9. ainaheri ( 15/05/2006 08:48)
vao tonga ao ivato iny d efa voatsenan'ny pra fa anisany nanakorontana ny saimbahoaka koa iny t@ resaka(BOMANGA) tsy haiko ra io lay izy fa to misy resaka andriana sy andevo lay izy!!
10. tiatsara ( 15/05/2006 08:49)
Misaotra ny mpanome vaovao : Fiffi, fa izahay dia tena mpankafy tena mankamamy azy, ny anay izany dia any @ izay lafiny iray izay e !

Tsy maninona izy raha hanao politika koa aza e ! maninona moa : " dia maninona an'ialahy, mampaninona an'ialahy ... " hoy izy @ hirany, sa ahoana.

Dia miandry zahay aty dago e ! ho tonga soa izy aminay mpankafy, efa ela izay leisy, sady ireny no tena mpanankato gasy manana ny maha-izy azy e !

Tongava soa lay andro malaza !
11. Fiffi ( 15/05/2006 09:03)
tiatsara: tsara zany an! :)
Fa zay vao tadidiko fa t@ i Rossy nanao spectacle t@ fetin'ny mutuelle gasy dia lasa nivadika racisme be ilay nataony ka nahatonga ny olona nitoraka azy voatabia , vato sns.... Nisy article zay tao anaty gazety fa mbola mitady an'io aho.
12. petsambava ( 15/05/2006 09:06)
mahagaga ihany aloha raha @ izao efa andro efa mazava izao no mbola misy hoe andrian e andevo e! na ny vadin'i rossy i jôjô ary anie merina e ka tsy hitako !
13. Fiffi ( 15/05/2006 09:13)
ka iza anefa no nanao an'izany eh ?
14. Fiffi ( 15/05/2006 09:18)
tiatsara: ohatran'ny ahoana moa ny hirany ? tsy de mahafantatra loatra azy manko zah fa mbola mitady ny momba azy aloha zao! :)
15. jentilisa ( 15/05/2006 12:04)
dray, tonga hitako ato ilay fanavakavahana! izaho anie tsy niteny hoe avoahy ny fanavakavahana nataony e! Efa paik'ady politika nataon'ny sasany io fanavakavahana niainga avy any Frantsa io.
16. Fiffi ( 15/05/2006 13:03)
jentilisa:
dray, tonga hitako ato ilay fanavakavahana! izaho anie tsy niteny hoe avoahy ny fanavakavahana nataony e! Efa paik'ady politika nataon'ny sasany io fanavakavahana niainga avy any Frantsa io.
fa niainaga avy any frantsa ahoana zany ? de avy t@ iza ?


17. Fiffi ( 15/05/2006 13:04)
jentilisa: hoy ny gazety aloha io nalefako eto io an!
18. dadabe ( 16/05/2006 06:40)
:roll::roll::roll:aza hitakokoa zah ka tsenain'ny pra raha vao mody any :roll:
19. Fiffi ( 16/05/2006 06:45)
20. pika ( 16/05/2006 07:42)
ny maha mpanankato anisany nitondra avo ny maha mlg any ivelany no tokony ho jerena fa tsy resaka lokona politika
koa tsy hitako izay hanantsakantsanana azy amin'izany ny mlg koa anie efa misaina mahay manavaka ny izy sy ny tsy izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1783