Ho avy i Rossy

21. Fiffi ( 16/05/2006 13:28)
ka lasa resaka politika daholo na ny mpanan-kanto na ny .... @ zao fotoana izao!
22. dadabe ( 18/05/2006 08:23)
:°):°):°)
23. vahatra22 ( 18/05/2006 14:49)
tena marina nen'i ainaheri hoe nampiady ny mainty sy fotsy izy! izy mintsy no nanangana ny fikambanan'ny andevo eto antananarivo d nanao ze hampifandrafy ny roa tonta ! aleo ho avy eo anaovan'ny merina azy!
24. tisera ( 18/05/2006 16:03)
:? Ka i Rossy angé merina f'ahoana ary é!
25. Fiffi ( 19/05/2006 12:59)
zah aloha de tsy mahafantatra eh! sady mbola tsy nahita azy no tsy mbola nahare ny hirany!
26. gena ( 24/05/2006 11:22)
dia hisy vovoka hitora-jofo ao antsahamanitra(nefa tsy omen-dravalomanana io raha ny eritreritro)na mahamasina aza tsy ho omby raha tonga i razokiny be.
(toa tsy omen'idramiaramanana koa io raha ny fandinihiko) akory atao fa lasan'-dry Manana isany ny tanana eh!
fa ny momba ny fikambananay maity sy ny taranak'andevo dia aoka hazava fa samy afaka manao fokambanana na ny andriana na ny mihevi-tena ho andriana na ny zafimbazaha dilambato na ny tanindrana koa nahoana rehefa izahay no manao fikambanana no misy resaka hoe mampiady fotsy sy maity? mba milazà hoe andian-dahatsoratra nampiadiana ny maity tamin'ny fotsy? na declaration an-gazety io na télé na Radio? valiny tsy misy . tsaho nentina nandotoana an-drazokiny no betsaka. miroso anefa ny raharaha eh. tongava soa lehiroa fa miandry ny akama rehetra ah.
27. xxx ( 24/05/2006 18:13)
mba henoy tsara nge le hiran'iRossy le hoe mampaninona anla iny e de tarafo @ zany ny hevitra ao anatin'ny lohany e :°)
28. Fiffi ( 25/05/2006 06:48)
gena:
fa ny momba ny fikambananay maity sy ny taranak'andevo dia aoka hazava fa samy afaka manao fokambanana na ny andriana na ny mihevi-tena ho andriana na ny zafimbazaha dilambato na ny tanindrana koa nahoana rehefa izahay no manao fikambanana no misy resaka hoe mampiady fotsy sy maity? mba milazà hoe andian-dahatsoratra nampiadiana ny maity tamin'ny fotsy?
gena: fa nga kosa aloha nisy resaka tahak'izao tao ? fa ny fahitako azy aloha de politika fotsiny zany an! fa ny antony de inona marina ? indraindray koa manko ny mpanao gazety de tafahoatra hiany ny zavatra lazainy.


29. gena ( 27/05/2006 13:01)
misy resaka manafintohina nilaza fa i Rossy indray no manavakavaka. tao amin'ny mutuelle eh! bomanga eh hoy eh!nampiady merina eh katsaka tsaramaso voanjobory.aoka hazava fa ny fiarovany ny mafy ady teto iarivo no nanenjehana an-drossy ary nilazànn ny sasany azy ho andevo.izy kosa tsy niontsona tamin'izany fa fiers ohatranay amin'ny maha mainty azy black is beautifull!
ary lé resaka dia maninona?
na inona na inona ilaina
na ny sandry na ny saina
samy manana an'izany...dia maninona
ity misy tononkira iray
zanak'indrema
zanak'andevo tsy vita sonia
zanak'alika tsy maha te ho tia
dia iza no mba nitsangana nilaza fa mmpanavakavaka i bekoto ao amin-dry mahaleo?
sa rehefa ianareo dia vorondreo fa rehefa ny hafa dia voron-dolo?
30. Fiffi ( 27/05/2006 13:38)
gena:
dia iza no mba nitsangana nilaza fa mmpanavakavaka i bekoto ao amin-dry mahaleo?
sa rehefa ianareo dia vorondreo fa rehefa ny hafa dia voron-dolo?
gena: tsy hitako mihintsy aloha hoe inona no mahatonga anao hiteny an'io ? satria ilay izy dia resaka fihodian'i Rossy ary efa hiaraha-mahita sy fantatra fa resaka politika daholo ireo , fa tena tsy azoko an!


31. dadabe ( 28/05/2006 08:58)
mivoka kosa io resaka io ry Fiffi satria hoy i ainaheri hoe
Mpandefa : ainaheri [ Valio ] 15-05-2006 13:48:02
Lohateny : Re : Ho avy i Rossy
vao tonga ao ivato iny d efa voatsenan'ny pra fa anisany nanakorontana ny saimbahoaka koa iny t@ resaka(BOMANGA) tsy haiko ra io lay izy fa to misy resaka andriana sy andevo lay izy!!


de ahoana??
32. Fiffi ( 29/05/2006 06:01)
ny zavatra nolazain'i gena no tiako fantarina fa tsy izay nolazain'i ainaheri. hoe "sa rehefa ianareo dia vorondreo fa rehefa ny hafa dia voron-dolo?"
33. dadabe ( 29/05/2006 11:18)
ah bon okay :roll:
34. titis ( 29/05/2006 19:45)
Ka raha ho avy ary Rossy dia maninona e!F'angaha izao misy andriana sy andevo intsony?
Io resaka politika nareo io an!mampiady an-trano io fa tandremo!
Sady Rossy ve no tena tsy tianareo sa ny hirany e?
35. Fiffi ( 01/06/2006 05:47)
titis: fa politikan'iza moa izy io ?
36. titis ( 02/06/2006 07:29)
Politikan'ny fotsy sy ny mainty re fiffi a!
37. prime ( 02/06/2006 11:29)
Ka na fotsy io na mainty, na andriana io na andevo, na inona fifanavahana eo na inona, Malagasy isika aloha e!
Aza mety fitahana amin'ny politika ry gena a! ny mpanao politika no mahazo vahana amin'io mifanavakavaka io mba ahafahany manjakazaka...
"Diviser pour régner..." hoy ilay iraikalahy izay... Ary tena politika frantsay t@ fanjanahan-tany izany dia mbola misy resy lahatr'izany ihany ve amin'izao???:?
38. Fiffi ( 08/06/2006 06:12)
indrisy....
39. pika ( 08/06/2006 06:49)
aminay aloha ny hirany no atao ao an-tsaina fa tsy izay resaka politika izany sady zoan'ny olona ts11 anie ny mirona any @ firehana politika izay tiny e aza afangaro @ zava-kanto nentiny nampahafantatra an'i Mada eran'izao tontolo izao

firi2 moa ny mpanankato izao ho karamaina hannetana mandritran'ny fanaovana propagandy ataoko fa tsy asina olana izany mba mikarama izy na hiharaka an-dr8 na hiharaka an'i Roland Rats oh
everiko fa tokony efa halalaka ny saina fa tsy hoe mpihira tinao be dia rehefa hitanao fa nanano propa niaraka t@ ilay atoko tsy tinao dia ho halanao koa
samy manao politika jiaby ny olona fa tsy atao mampiady akory izany ny mpivady aza mety tsy hitovy hevitra
40. Fiffi ( 08/06/2006 06:56)
pika: ka ireo voalazanao ireo anie no tsy mbola ao anatin'ny sain'ny olona sasantsasany eh! indrisy manko......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1269