verset du jour! ;-)

1. LazaRandri ( 03/04/2006 02:01)
"Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy" Jenezy 2:18a
novalian'i Fiffi ny 06/05/2006 10:50
2. Fiffi ( 03/04/2006 04:03)
dia indro nataony i Eva.
3. hery ( 03/04/2006 05:52)
LazaRandri> Ny tenany ihany no nolazainy tamin'io :-)
4. Fiffi ( 03/04/2006 06:07)
nisy fahadisoana zany :oops: miala-tsiny:oops:
5. Achia ( 03/04/2006 07:32)
hery:

LazaRandri> Ny tenany ihany no nolazainy tamin'io :-)


Tsy mazava le hoe ny tenany .Ny tenan'iza ?
6. LazaRandri ( 03/04/2006 08:05)
hery:
LazaRandri> Ny tenany ihany no nolazainy tamin'io :-)


hahaha! kanefa anie Izy tsy irery e! hoy Izy: "andeha isika hanao olona mitovy amintsika" hahaha!
7. mandalo ( 03/04/2006 08:58)
eo ihany Andriamanitra vao mba niteny ao anaty baiboly fa "tsy tsara" fa "tsara" foana ny zavatra nolazainy rehefa namorona izao tontolo izao Izy.
Tsy midika akory izany hoe :"ratsy" ny lehilahy noforonin'Andriamanitra fa ny tena dikany dia mila mpanampy (ezer)izy mba ho lasa tsara dia noforiny ny vehivavy.( olona io fa tsy avy amin'ny zava-boary hafa)
amin'ny baiboly malagasy izy dia nolazaina mihitsy hoe: "vady sahaza". tena tsara izany ny resultat ho azo fa tsy "moyen"
8. Fiffi ( 03/04/2006 10:27)
tsy tsara hoy izy raha tokana ny lhl dia izay no namoronany ny vhv ?
9. mandalo ( 03/04/2006 10:50)
Vakio tsara ny Genesisy toko 1 fa io no famoronana izao tontolo izao. Ny genesisy toko 2 kosa dia milaza manokana ny namoronana ny olona; ny asa tokony ataony ary ny fomba tokony hiainany.
Toy io namoron'Andriamanitra io no tokony ho fiainan'ny olombelona, indrisy mantsy fa tsy nanaraka izany i Adama sy EVa ka nanjary tsy nahalala intsony izany fahasambarana velona ao amin'Andriamanitra izany.
Soa fa teo Jesosy Kristy namafa izany faharatsiantsika izany ka mamerina antsika indray hanana izany fiadanana sy fahasambarana nanomanan'Andriamanitra antsika tamin'ny voalohany izany; mila mino sy manaraka an'i jesosy isika raha mangetaheta izany fahavelomana izany. Ary tsy miova ny lamina efa napetrak'Andriamanitra momban'ny olona dia lahy sy vavy. (gen 1:28)
10. Fiffi ( 03/04/2006 12:06)
Dia Isaorantsika ny Tompo nohon'ny fitiavany antsika.
11. Achia ( 03/04/2006 20:17)
de ahoana ndray le lhl manambady lhl sy vhv manambady vhv :wink:
12. Veloo ( 03/04/2006 20:20)
achia io dia fady io
fadin-drazana
no sady fadin'ny baiboly:wink:
13. marozevo ( 03/04/2006 22:09)
Mazava le fifanakalozan-kevitra, fa ny lohateny no tsy azoko. Fa nahoana no io no atao hoe "verset du jour"?
14. Fiffi ( 04/04/2006 04:56)
marozevo: misy verset isan'andro ka! ohatra ity an! ny Alahady 26 Mars: "Koa mahereza hianareo, fa aza miraviravy tànana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
2 Tantara 15:7"
15. mandalo ( 04/04/2006 13:54)
Tsy mora ny manaraka ny tenin'Andriamanitra, ny devoly mantsy tsy mitsahatra ny mitady ny hevitra rehetra mba tsy hahazoanao izany fiadanana omen'Andriamanitra izany. azonao tokoa ny fiadanana rehefa manantateraka ny sitrapon'Andriamanitra isika.
Tsy maintsy miady amin'ilay ratsy izany isika amin'izany. eo anefa ny olana; raha ny herintsika irery dia ohatran'ny silak'hoho eo imason'ny fahavalo (devoly). Soa fa teo Jesosy nampindrana antsika ny anarany ho enti-miady aminy. Vao mahare io anarana io mantsy ny devoly dia mipararetra dia vaky mandositra ka raha arahintsika ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Kol 3:23-24.Dia matokia fa tsy very maina ny fisasaranao manompo Azy.
Ny tena manao izany ampandresen-dahatra na ankamehana fotsiny dia hain'ny devoly ny manavaka azy; ary raha tsy mifikitra tsara amin'i Jesosy ary mino Azy tanteraka dia tsy azeran'ny devoly isika ; Vakio tantaran'ny zanak'i skeva (asa 19:11-20).
Tsara ilay Tompo arahintsika ka az amiraviravy tanana na kivy amnbony ihany manoloana ny ady fa izay miaraka amin'i Jesosy dia ataony mpandresy tahaka azy (jean 16:33)
16. Achia ( 04/04/2006 13:54)
Veloo:

achia io dia fady io
fadin-drazana
no sady fadin'ny baiboly:wink:


ny tiako lazaina ne de zao e , efa manahoana ny fahotantsika olombelona @ zao fotoana zao , ary ny mahagaga de ty efa misy fiangonana manaiky manamasina ny fanambadianzany ne

17. mandalo ( 04/04/2006 15:20)
anao ny mieritreritra sy maminavina ny herin'ny devoly ary ny baiboly anie manazava tsara fa ny olona afaka hampiasain'ny devoly voalohany indrindra hanoherana ireo izay miankin-doha amin'i Jesosy dia ny mpitondra fiangonana sy ny mpitondra fanjakana(Rom 8:38).Moa tsy ny farisiana va no nanenjika ireo izay nino sy nanara-dia an'i Jesosy; tsy ny fanjakana romana mpanjanantany tamin'izany moa no nanenjika ny fiangonana volohany?
dia gaga ve ianao raha mamoaka ny fanjakana hoe :legal ny PACS; misy fiangonana manao marige homosexuel!
Efa miharatsy ity fiainan'ity, tsy mandainga ny baiboly ary efa akaiky tokoa ny farany.
tsy milavolefona hatramin'ny farany ny devoly satria efa fantany fa tsy maintsy any amin'ny afobe izy ary tsy zakan'ny eritreriny ny mahita ny olombelona mety ho avotra raha mino fotsiny an'i Jesosy Kristy ka miasa mafy izy ireo mba tsy hahazo izany famonjena izany isika.
Izany no mahatonga ny baiboly miteny hoe: "miambena ianareo!
18. marozevo ( 04/04/2006 21:58)
Fiffi:

marozevo: misy verset isan'andro ka! ohatra ity an! ny Alahady 26 Mars: "Koa mahereza hianareo, fa aza miraviravy tànana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
2 Tantara 15:7"


Conventionnel ve io sa samy maka verset eh ? Izay ilay tsy azoko manko. Ohatra io " Tantara15,7 io, an'i Fiffi ve io sa iombonan'ny rehetra, ary aiza no ahitana ilay verset du jour ?

mandalo > Tsara ihany ilay intervention-nao ireny, saingy matetika dia misy coupure be loatra ilay izy. Azavaiko ny tiako holazaina. Indraindray, na matetika, dia mandray anjara amin'ny ady hevitra ianao, nefa tsy mifandray amin'ilay hevitra eo aloha eo avy hatrany ny intervention-nao fa toa manana endrika toriteny na anatra izany ilay izy. Tsy olana akory izany, fa tena mety, fa ny vokany kosa dia very ny feeling-nay.

19. Fiffi ( 05/04/2006 05:03)
marozevo: ny ahy aloha dia izao no fanaoko an! fa asa raha conventionnel no hilazana an'izany na tsia fa ahy manokana aloha satria ity no arahiko isan'andro: http://cafebible.free.fr/lsg/verset-bible-jour-desktop.php
20. marozevo ( 06/04/2006 21:22)
Fiffi > Fisaorana sy fankatelemana no atolotro anao, ary enga anie izaho mba tsy ho tapaka hijery io site natolotrao io, fa mahasoa tokoa. Izay vao azoko ilay izy.(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.138