inona no antom-pisiantsika eto an-tany

1. mandalo ( 27/03/2006 16:39)
raha fantantsika io dia ho mety mora ny mandrindra ny fomba fiaina eto amin'ity tany ity
novalian'i marozevo ny 10/05/2006 19:28
2. lapino ( 27/03/2006 17:23)
Ny fisiantsika eto an-tany dia tsy noho ny sitrapontsika, tsy isika no nanapa-kevitra ny amin'izany. Anontanio an'Andriamanitra, fa Izy no azo antoka fa mahalala ny valin'izay.

Fa raha hampahafantariny antsika àry ny valin'izay, ho takatry ny saintsika ve? mety ho haintsika mieritreritra ve? Tsy hidila ny lojikantsika ve? Ka raha hotenenina antsika ny antony marina mampisy antsika eto an-tany dia mety misy hino ve?

... izay raha ny eritreritro!
3. Fiffi ( 27/03/2006 18:46)
mba fanontaniana koa ny an'i mandalo an! mametraka fanontaniana ianao fa mba omeo aloha ny hevitrao :wink:
4. Achia ( 27/03/2006 19:34)
nalefa teto tsika mba hisafidianana zay ho any an-da nitra e .Ny ol mantsy nomena safidy roa na ho any @ elo na ny fiainana mandrakizay
5. Fiffi ( 27/03/2006 21:23)
Ny ol mantsy nomena safidy roa na ho any @ elo na ny fiainana mandrakizay
dia miandry izay anjarako aho izany.
6. marozevo ( 27/03/2006 22:00)
Io manokatra sujet amin'ny fomba hafahafa io dia manjary fahazarantsika eto. Mba fara faharatsiny milaza hevitra aloha, na iray ihany aza, ilay mpanokatra fa tsy avy dia fanontaniana be, satria manjary vague be ilay sujet. marina mihitsy io eritreritr'i Fiffi eo ambony io, ka ombako manana.
7. xxx ( 28/03/2006 02:29)
inona no antom-pisiantsika eto an-tany?
mba ho fitahan'i Rick Warren sy ilay purpose driven confusion
8. Fiffi ( 28/03/2006 05:05)
xxx : :roll::roll:
marozevo: ka izay indrindra manko eh! nisy dinika nataon'i hery @ fomba fametrahana lohateny sy ny fomba fametrahana fanontaniana fa toa tsy novakian'i mandalo izany ilay izy , sa ve hoe nandalo fotsiny izy dia nametraka fanontaniana de zay ?
9. mandalo ( 28/03/2006 07:42)
miala tsiny raha tonga dia fanontaniana no napetraka, ary tsy faly hanelingelina fijery fa tehahalala ny fototra ijoroantsika raha miresaka fivavahana sy finoana isika.
Amiko mantsy dia fototra lehibe tsy ilana adi-hevitra ny maha-olona noforonin\'Andriamanitra antsika (arak\'izay voalazan\'ny baiboly)ary ny tenin\'Andriamanitra ny baiboly (Dieu, le créateur se revèle aux hommes: c\'est ça la bible)
ka noho izany ny zavatra rehetra dia miainga amin\'ny tenin\'Andriamanitra fa tsy izay rehetra lazaina fa \"logikan\'olombelona\".
voafetra tokoa ny fahalalan\'ny olombelona satria noforonina izy ka raha tsy misy fototra iankinana sy mpanazava ny lalany dia tsy hainy ny ataony sy ny halehany; ny baiboly dia manambara mazava tsara fa tsy toy ny namoronana ny biby na zavatra hafa no namoronan\'Andriamanitra azy fa novolavolainy dia nasiany fofon\'aina dia velona (gen 2:7).
tsy afaka ny ho independant tsy hiaraka amin\'ny fofon\'aina avy amin\'Andriamanitra izany ny olona raha te-ho-velona.Ary ny mission naasainy natao dia ny miandry sy mikarakara ny saha (garder et cultiver) (gen 2:15).
Tsy hanao izay tiantsika sy safidin-pontsika izany no antony hisiantsika fa efa voatondro hatramin\'ny voalohany tamin\'Izy namoronana antsika fa dia ny hidera sy hankalaza ary hanompo Azy Andriamanitra velona Tompon\'izao rehetra izao (salamo 150:6).
Nohon\'ny fitak\'i satana tamin\'i Adama sy Eva anefa dia tapaka ilay fofon\'aina avy amin\'Andriamanitra.
lasa independant ho azy nohon\'ny otany ra-olombelona nefa ny mode de conception nanaovan\'Andriamanitra ny azy dia mitohoka Aminy. Very fanahy ny olombelona ka ny kely ananany dia ny sainy sy ny heriny ary fony no entiny mitady izay hahatsara ny momba azy ary izany no hiainantsika mandrak\'ankehitriny izao:
mikaroka ilay fototra ahazoana ilay fofon\'aina mba hahazoana ny fahavelomana ka izay rehetra tsapa sy hita fa misy ny fiainana dia tadiaviny sy tompoiny.
Izay zavatra iainany manodidina azy eo no hadihadiany amin\'ny alalan\'ny sainy sy ny fahaizany ka izay maharesy lahatra azy no omeny haja sy hasina ary voninahitra;ka raha ny razana no tsapany fa mitahy dia manompo razana izy; raha ny saina no heveriny fa tena fiainana dia ny science no tompoiny ary arak\'ireny ny fiainany.
fa raha tsaroany kosa fa olona noforonina izy ka tsy manana fifandraisana amin\'ilay Nahary azy dia nangetaheta sy nitady izany Andriamanitra mpahary azy izany izy.
Ary Andriamanitra na dia namela ny fofon\'aina hotapaka nohon\'ny otantsika dia tsy nitsahatra ny nitiantsika ary naneho izany mivantana tamin\'ny nanolorana ny zanany lahitokana mba hamonjy antsika (jaona 3:16)
Izy irery no lalana sy fahamarinana ary fiainana; ny fandraisantsika Azy no hahazoantsika ilay fofon\'aina ka hofantatsika mazava ny antom-pisiantsika dia ny hanompo sy ny hidera ilay mpamorona antsika . ka hotanteraka ny asa nanirahany antsika dia ny hiandry sy hikarakara ny saha.
Amiko , ny antom-pisiantsika dia nohariana mba hanompo an\'Andriamanitra (servir Dieu le créateur) fa ny devoly izay tsy tia ny fahasambarantsika no manova ny fijerintsika ka miezaka manala io antom-pisiantsika ao am-pontsika ary manome lanja ny tenantsika (ego na MOI).
Tsy midika izany rehetra izany hoe tsy ampiasaina ny tena sy ny saina nomen\'Andriamanitra antsika fa tena ampiasaina tokoa hanatanterhana ny anjara asantsika ety an-tany( mandat culturel :garder et cultiver)
10. sonwin ( 28/03/2006 07:55)
za mieritreritra hoe hanao "iraka" na "mission" ny antom-pisiantsika eto, fa miankina amin'ny tsirairay avy eo ny hoe handà sa hanaiky.
11. raday ( 28/03/2006 08:02)
sonwin:

za mieritreritra hoe hanao "iraka" na "mission" ny antom-pisiantsika eto, fa miankina amin'ny tsirairay avy eo ny hoe handà sa hanaiky.



Za ndray manao hoe hanomana ny tena fiainantsika ao aoriana kely ao raha vao miala ety isika
12. mandalo ( 28/03/2006 08:18)
ny Tompo tsy nanery an'i Adama sy Eva tsy hhihinana ny voankazo eo afovoan'ny saha fa afaka nanao izany tsara izy ireo; toy izany koa isika afaka mandray ny teny nomen'Andriamanitra ao anaty baiboly na tsia
Ary izany no maha Andriamanitra be fitiavana Azy fa tsy mba tereny ny olona na dia asan'ny tanany aza fa manana safidy (choix) malalaka be.
Ary soa fa olona isika fa tsy biby fa ireny anie tsy mba manan-tsafidy e nefa diniho fa:
-tsy misy alika lahy handeha hanambady alika lahy na akoho vavy
-tsy misy ruminant handeha hihinan-kena
-tsy misy voromailala hijanona ho celibataire mandrapahafatiny ect...
Ireny rehetra ireny dia manaraka ny lamim-piainana nanamboaran'Andriamanitra azy .
koa raha izaho manokana dia tsy miala amin'ny tenin'Ilay namorona ahy aho satria tsapako fa ao no tena misy ny fiainana ka entiko zaraina aminareo

13. Fiffi ( 29/03/2006 15:56)
Fa Izy no Andriamanintsika ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.
14. marozevo ( 30/03/2006 22:05)
Ny antony fisiantsika eto an-tany araka ny hevitro, dia tsy hoe isika no mendrika, na tokony hisy, fa ANDRIAMANITRA NO TIA ANTSIKA MIALOHA. Ka nohariany isika satria tiany.
15. Fiffi ( 31/03/2006 07:52)
be ny fitiavany antsika!
16. annie ( 31/03/2006 09:13)
mamorona indray mandalo!vakio tsara ny baiboly de ho hitanao raha voararan'Aa izy mivady olombelona voalohany na tsia
mahafinaritra raha manana tanjona hikatsaka an'Aa daholo isika olombelona
17. marozevo ( 31/03/2006 23:54)
Hoy i mandalo ao ambony ao :

Ary soa fa olona isika fa tsy biby fa ireny anie tsy mba manan-tsafidy e nefa diniho fa:
-tsy misy alika lahy handeha hanambady alika lahy na akoho vavy
-tsy misy ruminant handeha hihinan-kena
-tsy misy voromailala hijanona ho celibataire mandrapahafatiny ect...
Ireny rehetra ireny dia manaraka ny lamim-piainana nanamboaran'Andriamanitra azy .


Grave be ireo ohatra raisiny ireo --- homosexualité, henankisoa --- Celibat consacré... Ireo angamba no tiany hifanakalozan-kevitra ! ??
Raha diso anefa aho, ry mandalo, dia ahitsio fa tsy ireo akory no tianao ho lazaina.
18. Fiffi ( 01/04/2006 06:23)
tena nisy nifandraisany marina tokoa ny nolazain'i mandalo sy marozevo ka aleo aloha hiandry ny tohiny.
19. marozevo ( 02/04/2006 18:28)
Marina ny an'i Fiffi, aleo aloha miandry kely an'i mandalo.
20. Veloo ( 02/04/2006 21:46)
dia hiandry ela be eo njy ry marovezo:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1501