inona no antom-pisiantsika eto an-tany

21. Fiffi ( 03/04/2006 04:10)
marozevo: ka ilay izy koa manko manome hevitra izy fa tsy voalaza tsara izay tiany lazaina fa mihodikodina koh!
22. mandalo ( 03/04/2006 08:46)
tsy misy resaka mihodikodina na zavatra hafa tiana hoambara, mazava angamba ny zavatra nosoratako fa ny olona dia Andriamanitra no namorona azy. Noforoniny isika ary nisy rafitra napetrany sy nataony mba arahina mba hahazoantsika ny fiadanana ; noforonina isika mba hanompo sy hidera Azy Mpamorona antsika ,ary hanjaka sy hitandrina ny zava-boahary.
Ka raha tsy manaraka ireo isika dia tsy hofantatsika tokoa ilay fiadanana notononin'i jesosy homena antsika raha mino Azy isika; tsy toy ny fanomen'izao tontolo izao hoy Izy.
mila isika izany aloha mahatsiaro ny maha-olona noforonina antsika; ary Andriamanitra no mpamorona.
mila koa isika mahatsapa fa tsy velona isika raha misaraka amin'Ny Mpamorona antsika.
ary tadidio fa efa tapaka io fifandraisana io nohon'ny ota izay nolovantsika tamin'i Adama sy eva.
Fa tiantsika loatra Andriamanitra ka tsy namela antsika ho very fa mbola natolony ny zanany lahy tokana hampitohy indray io fitohizan'aina io.efa vita ny famonjena.
Fa anjaran'ny tsirairay no manapa-kevitra na te-hovelona dia hino an'i kristy ka hanoa ny teniny eo amin'ny fiainana na tsia.
tsy misy issue hafa hahazoana fiainana anefa ankoatran'io lalana io ka izany no antony hampahatsiahivako ny "antom-pisiantsika" fa maro no mihevitra fa mbola misy choix hafa azo atao ahazoana ny fahasambarana sy ny fiadanana.
io sehatra ity mantsy arakin'ny fahazoako azy (mamela ahy raha diso fijery aho) dia sehatra hilazana ny fahazoana ny atao hoe :mivavaka;mino ary rariny raha samy maneho ny fijeriny ny tsirairay ka samy mamoaka ny fomba handraisany izany lohahevitra izany.Ary ar-dalana koa raha samy manana ny faharesen-dahatra ary inoako koa fa "mamafy" ny teny no anjara nasain'i Jesosy nataontsika fa Izy Tompo irery ihany no mandresy lahatra ny tsirairay.
ilaina tokoa ny mahalala izay inoana mba hampitombona izany finoana izany; ny fomba tokana marina ahazoana ny tena marina dia "ny famakiana ny tenin'Andriamanitra".
sambatra isika afaka mandray sy mamaky izany tsy misy teritery koa manasa antsika rehetra hitohoka amin'izany rano velona izany fa ao ihany no misy ny "fiainana " dia Jesosy ilay maty mba hamonjy antsika izay efa voahozona ho very.
23. Fiffi ( 03/04/2006 20:00)
Fa anjaran'ny tsirairay no manapa-kevitra na te-hovelona dia hino an'i kristy ka hanoa ny teniny eo amin'ny fiainana na tsia.
io aloha dia ekeko satria tena ny tsirairay hiany no mahafantatra ny lalany hizorany saingy hoy indray ianao
tsy misy issue hafa hahazoana fiainana anefa ankoatran'io lalana io ka izany no antony hampahatsiahivako ny "antom-pisiantsika" fa maro no mihevitra fa mbola misy choix hafa azo atao ahazoana ny fahasambarana sy ny fiadanana.
ka efa hoe anjaran'ny tsirairay no manapa-kevitra koh!
24. marozevo ( 03/04/2006 22:28)
Ekeko tanteraka fa ny Baiboly mirakitra ny Tenin'Andriamanitra no loharano ipoiran'ny aina ho antsika, saingy aoka ho fantatsika fa raha tsy miampy famakiana tahirin-kevitra hafa ny Baiboly, na fara faharatsiny ahay ny sasin-tenin'ny boky tsirairay, dia maro no mandray ara-bakiteny, mihinana am-bolona, tsy mahavita mamakafaka, toy izay mitranga matetika eto amin'ity sehatra ity.
25. Fiffi ( 04/04/2006 06:35)
indrisy fa marina tokoa izany lazainao izany , nefa hatao ahoana moa eh ?
26. mandalo ( 04/04/2006 13:18)
izany hoe misy boky hafa tokony harahina ankoatran'ny baiboly izany?? mba ilazao sao tara ny akama.
amiko manokana di ny baiboly dia "revelation de Dieu à ses créatures". ary tenin'Andriamanitra io fa tsy tenin'olona; manan-karena araka izany ny teny.
Ary izany indrindra no hangatahana ny fanahy masina hampazava ny teny rehefa mamaky azy fa tsy ny fahazoan'ny tsirairay no lazaina fa ny hafatra ampitainy amin'ny olona.
Eo mantsy no mahabe ny interpretation ka mahatonga io fivakiasan'ny fiangonana io nefa ny Tompo manambara tsara fa Iray Izy ary ny fiangonana vadiny dia iray.
noho izany mila mitandrina isika rehefa mitory ny tenin'Andriamanitra fa ny heviny sy ny hafatra napetrany no tokony hambara fa tsy hevintsika.
27. cutie ( 04/04/2006 17:38)
Mpandefa : mandalo [ Valio ] 27-03-2006 20:39:18
Lohateny : inona no antom-pisiantsika eto an-tany
raha fantantsika io dia ho mety mora ny mandrindra ny fomba fiaina eto amin'ity tany ity

Fitiavana:)
28. marozevo ( 04/04/2006 22:20)
Hoy i mandalo ao ambony ao : " izany hoe misy boky hafa tokony harahina ankoatran'ny baiboly izany??".

Ie tena izany mihitsy. Asa ianao na efa niresaka tamin'ny Témoins de Jehowah (Azafady manonona anaran'antokom-pinoana, ary azafady raha T de J ianao.)fa izaho efa im-betsaka nifanena tamin'izy ireny. Rehefa mitory teny izy dia tena hitanao fa ohatran'ny azo tsakoina avy hatrany daholo izay lazainy, rehefa mandinika akaiky kokoa anefa ianao dia ho hitanao fa tsy misy logique na iray aza izay lazainy satria ho azy, dia mitovy ihany ny FOMBA FAMAKIANA ny texte rehetra, na aiza io na aiza ka ao amin'ny Baiboly. Vakiana kely ny Izaia, dia mitsambikina any amin'ny Hebreo, dia miverina Levitikosy, dia miakatra Daniela, dia miantsampy Apokalipsa sns... Izany ve dia mba ahoana ? Manana ny maha izy azy anie ny boky tsirairay ao amin'ny Baiboly fa tsy mitovy daholo eh. Tsy maintsy jerena aloha hoe iza no nanoratra, oviana, inona no zava-nisy tamin'izay fotoana izay, iza no anoratany...

Ny ahitana ny boky hafa manazava ny Baiboly ve ? Voalohany dia ny sasin-tenin'ny boky tsirairay aloha (Introduction), avy eo misy be dia be hafa. Vao miditra librairie iray ianao (Na Katolika io na Protestante) dia tsy maintsy ho hitanao eny amin'ny rayons eny ny hoe BIBLE. Dia jereo fa tsy baiboly daholo akory ireo boky ireo fa misy hafa.
29. Fiffi ( 05/04/2006 07:00)
sady maro be mihintsy no isan-karazany ireny boky ireny.
30. mandalo ( 05/04/2006 16:15)
na maro ary ireny dia miainga amin'ny baiboly daholo ary miezaka manazava ny tenin'Andriamanitra; tsy mandà ireny aho fa mbola olona koa no mamakafaka ireny ka tokony hiverina amin'ny teny fototra foana isika dia mangataka ny fanahy masina hahazoana ny hafatra hitan'Andriamanitra hampitaina amintsika.
marina tsra ny tenin'i marozevo hoe :fapetraka amin'ny contexte nisy azy nyboky izay vao mijery ny hafatra valable amintsika ankehitriny raha tsy izany dia mihodikondina isika ary ny niafarany dia mihozogozona ilay finoana raha mifanena amin'ireny témoin ireny izay tadidio fa manana ny baiboliny manokana ary ry zareo tsy mino an'i Jesosy ho Andriamanitra.
tsy hanaratsy ny hafa no atao eto fa mianara ny tenin'Andriamanitra dia aza manaiky hampiresahan'ny hafa.
31. marozevo ( 06/04/2006 21:39)
Tsy hanaratsy ny hafa tokoa no hatao eto. Marina izany... nefa kosa rehefa zavatra hitako izao ve fa tsy mety ny ataon'ny namako dia tsy hiteny aho hoe "tsy mety ny ataonao ry rahalahy". Sa avela izy hizotra amin'ny lalan-disony. Izay manoro hevitra mamindra aina.
O ry mandalo ah... Fa ny baiboly angaha heverinao fa tsy tanan'olona no nanoratra azy ? Aza mba sodoka loatra ianao. Ary ireo boky hafa voalazanay sy i Fiffi ao ambony ireo anie tsy hoe manohitra ny baiboly fa manazava azy eh. Tsy misy dikany koa ireo raha tsy vakiana miaraka (parallèlle) amin'ny baiboly. Raha hamaky boky nosoratana momba an'i Matio ianao ohatra (Boismard), dia tsy maintsy eo ambany masonao koa mandritra izany ny Evanjely nosoratan'i Matio.
Ary mba ahoana ny hevitr'i mandalo amin'ilay sasin-teny (introduction) ary ?
32. Fiffi ( 08/04/2006 08:50)
raha samy hamaky hiany kosa aloha dia aleo hatao parallèle tokoa arak'io voalazanao io ry marozevo an! dia mba tonga dia ho hita eo ny fandehan-javatra.
33. marengarenga ( 08/04/2006 11:55)
salama inao ho valiako ny fanotanianao ka henoy
fantatsika fa andriamanitra andriamanitra izany hoe izany hoe nohon'ny maha izy azy ny zavatra rehetra dia ampisiany @ izay araka itiavany azy ,ary anisanireo zavatra mampiseho ny maha izy azy koa dia ny fisiany zanakolombelona izay namboariny .satria rahatsy namboariny izao tontolo izao dia tsy miseho ny maha andriamanitra azy ka mba anisany mba hampisehoany ny maha andriamanitra azy ny fanamboarany atsika olombelona sy fanamboarany ny zavatra rehetra izay misy , azonao angamba ny tiako holazaina , FA HANOTANY ANAO AHO KA VALIO milaza ianao zavatra tsy misy @izao tontolo izao ka tsy namboarin'andriamanitra ?????????????? ataoko hoe tsy ahavoa dinika izany ianao satria ny zavatra ho eritseretinao sy avoakany vavanao dia zavatra misy avokoa sa tsy zany ?
FAHAROA(2)RAHA OHATRA ANDRIAMANITRA tsy namboatra ny devoly na koa hoe lazaitsika hoe nanafoana ilay satana ilay namadika azy ka moa ve andriamanitra izy aminizany?????? ataoko hoe tsy andriamanitra izy amin'izay satsia andriamanitra amiko dia nahary ny zavatra rehetra ary tsy miangatra sy tsy mitongilana @ zava-boary ka avelako eo aloha sao dia fanina eo ianao fa raha mbola tsy mazava dia manorata @ io adiresiko io ianao ok merci @ ilay lohateny bye
34. Fiffi ( 08/04/2006 13:17)
fa iza aloha no nilaza fa tsy Andriamanitra no nanao an'izao tontolo izao eh ?
35. marozevo ( 10/04/2006 22:22)
Fa fanontanian'iza koa aloha no valian'i marengarenga ?

Tsia, tsy hoe mba hisehoan'ny maha Andriamanitra azy kosa no nahariany izao tontolo izao eh... Tsy ekeko kosa izany. Asehony amin'iza moa ? Fa ny nahariany an'izao tontolo izao dia noho ny fitiavany.
36. diamondra27 ( 11/04/2006 00:36)
raha tianao dia manasa anao aho hamaky ilay boky nosoratan'i RICK WARREN mitondra ny lohateny hoe:UNE VIE MOTIVEE PAR L'ESSENTIEL Pourquoi suis-je sur terre?

voir www.40-jours.com

mino aho fa hahavaly ny fanontanianao
37. Fiffi ( 11/04/2006 06:19)
OHATRA ANDRIAMANITRA tsy namboatra ny devoly na koa hoe lazaitsika hoe nanafoana ilay satana ilay namadika azy ka moa ve andriamanitra izy aminizany??????
fa iza aloha no nilaza hoe tsy Andriamanitra izy eh ? Andriamanitra avokoa no nanao izao tontolo izao ka tsy arako mihintsy izao an!
ka avelako eo aloha sao dia fanina eo ianao
fa fanina @ inona eh ?
38. ranini ( 11/04/2006 08:59)
ra sady mijery ny logika no mijery ny Baiboly de de zao: noforonina isika mba hiaina sy iadana, maty sy mijalty anefa isika ary miaina ao anty fahoriana isaknrzany.tsy misy olombelona maniry ny ho faty izany mitsy anefa f a miezaka foana ny ho velona.raha marary enao makany @ dokotera . mihinankanina mba ho velona sy hatanjaka.donc raha izay izany no jerena de maniry ny ho ela velona daholo ny olona eny fa na de 115 ans aza.Efa ao anty ny olona izany izany besoin izay naturel, napetrak' Aa ao anatintsika.
Raha tsy nanota zany adama sy eva de velona infini ny olona.
Eo koa anef
39. Fiffi ( 11/04/2006 09:13)
anefa ............. :roll:
40. marozevo ( 11/04/2006 11:31)
Ho an'izay mino anao, ry Tompo, miofo ny aina fa tsy levona. Ary ny fiaina-mandalo eto an-tany dia hisolo fiainana maharitra mandrakizay any an-danitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913