inona no antom-pisiantsika eto an-tany

41. Fiffi ( 12/04/2006 05:40)
AMEN
42. marozevo ( 19/04/2006 20:59)
Dia izaho ve izany mitarika ny fivavahana moa i Fiffi mamaly ?
43. mandalo ( 20/04/2006 14:39)
mpandalo sy mpivahiny ihany isika eto amin\'ity tany ity. izay tonga teto anefa dia matahotra tokoa izany ho faty izany.nefa tsy maintsy ho faty satria mpanota (ny fahafatesana no tambin\'ny ota). miezaka ny olona ny mikaroka ny hampitombo ny andro iainana amin\'ny alalan\'ny fikarohana siantifika isan-karazany; tsy misy maharatsy na tsy mahamety izany; aoka anefa ho tadidy fa voaisa ny androntsika ety (Job 14:1-2).
Ary na mino na manda ny lazain\'ny baiboly dia tsy mbola nisy afaka niala io fahamarinana io; ka tsy ny maha-be fahaizana anao na ny fitokianao amin\'ny fandrosoan\'ny siansa no hanova ny lala-kizoranao fa tsy afaka ny hijanona mandrakizay ety ianao.
Ka raha manambara aminao ny baiboly fa misy toerana efa nomanin\'i Jesosy ho anao any rehefa miala ety( jaona 14:1-4), moa ve hisalasala sa mbola miandry porofo ara-tsiantifika vao hanaiky koa ny fisian\'izany; ny fomba hahafahana mahazo izany dia tsy mila volabe, na tapi-pahaizana fa ny fonao hino Azy ho mpanavotra (rom 10:9-10).
Ny devoly dia efa sûr 100% fa tsy mankany amin\'io toerana io, tsy te-ho irery any amin\'ny toerana sahaza azy anefa izy sy ny miaramilany ary miezaka mafy ny hanakana izay rehetra maniry io toerana any amin\'i Jesosy io tsy ho tonga any.
Satriny ianao olombelona izay niangaran\'Andriamanitra satria tiany loatra tsy ho tonga any, ampisaiany arak\'izany ny tetika rehetra mba hanakana hanao tsy ho any; fantany tsara ny fisian\'ilay toerana ka hainy toy izany koa ny manafina azy tsy ho fantatrin\'ny olombelona.
Ampiasainy na ny mpitondra fivavahana; ny mpanao politika, ny manam-pahefana rehetra handrebireby anao tsy ho tonga any (vakio tsara ny tantara, fa ny fanjakana romana sy ny farisiana anie no nanenjika an\'i Jseosy kristy sy ny mpianatra izay nomba azy e).
aza gaga raha mahita olona toa hoe: kristiana anefa toa manao ity tsy fanao rehetra ity; toa miseho hompivavaka anefa toa variana amin\'ny fanaon\'izao tontolo izao izay manindrhindra ny fahafinaretan\'ny nofo (plaisir materiel).
manenjika ireo izay mitoky amin\'ny finoana an\'i Jesosy ireny ka laziny matetika fa efa nilaozan\'ny toetr\'andro izany finoana izany (dépassé). tsy ekeny matetika ny zavatra tsy misy porofo ary ambarany fa fialokalofan\'ny kely hery sy kely aina ny fivavahany amin\'Andriamanitra;
Raha fantany mantsy fa ny devoly no manampina ny sofiny; manajambena ny masony tsy hahita ny voninahitr\'Andriamanitra sy ny heriny.
Raha hainy ny hery entin\'izany anaran\'i Jesosy izany dia tsy nikaroka baomba mahamaty olona izy fa nitady izay hikolokoloina ny zava-boahary noharian\'Andriamanitra.Nieritreritra ny fiainany aorian\'ety an-tany izy fa tsy nitady izay fomba tsy mahafaty .
Na izany ary ny fijeriny dia matahotra an\'io ankoatran\'ny eto an-tany io izy.
mazava ny baiboly sy ny teny ambarany ny momban\'io ho avy io fa ry zareo ireo no tsy mety manaiky ny fahamarinany.
izany no antony nilazan\'i Jesosy talohan\'ny nialany teto hoe:\"torio fa betsaka ny tsy mahalala\". izany no anjara asantsika izay mino ny teny fa tsy hanenjika na hihataka amin\'izy ireny ary tsy herintsika no manova azy ireo fa ny fanahin\'Andriamanitra izay efa miasa ao amintsika no manamboatra ny fony ka horesy lahatra amin\'ny fanaontsika; satria isika dia epistily mandehadeha; baiboly mivelatra ary mazava noho ilay Mazava mitsilo ny fiainantsika.
Meteza ary ho jiro apetraka eo amin\'ny fitoerzn-jiro isika kristiana fa tsy labozy manetroka no maizimaizina mba ho voninahitr\'ilay Naniraka antsika sy hinoantsika;
itony sehatra itony no fitaovana hanehoantsika izany voninahitr\'ilay Andriamanitra inoantsika sy ankalazaintsika izany ka aoka ho mendrika izany voninahiny izany ny soratra avoakantsika ;ka hitondra finoana velona tokoa ho an\'izay mamaky azy fa tsy zavatra hafa
44. marozevo ( 20/04/2006 15:19)
"torio fa betsaka ny tsy mahalala"... tsy misy an'izany kosa ao amin'ny baiboly ry mandalo ah.

Ankoatra izay dia itovizana ny hevitra, afa-tsy ny filazana fa ampiasain'ny devoly ny ... mpitondra fivavahana... hanafenana ilay toerana omanin'i Kristy.
45. mandalo ( 20/04/2006 15:28)
tsy ny mpitondra rehetra raha miteny izany fa ireo izay manaiky ampiasainy tsy miorina tsara amin'i Kristy.
tsy miteny koa aho hoe io soratra tel quel io no aho fa ny hafatra nomeny no tiako lazaina; rehefa miresaka ve dia tsy maintsy teniko teninao, ambavako ,ambavano foana e; ny ventin-kafatra discuter-na fa aza manao zazakely loatra
46. marozevo ( 25/04/2006 00:05)
Ka aiza ho aiza ary ilay referansy milaza ilay vetin-kevitra eh.
fa mba firy taona hono izato mandalo ry tony eh...
Tsara vava ery.

za kosa tsy d'accord raha adika vilana ny voalazan'ny Baiboly. Na ny teny voasoratra aza tsy voahajanao, maika fa ny hevitra lazainy. Sady izao koa, tena nataonao entre "..." anie ilay izy eh. Raha olona nianatra ianao dia ho azonao tsara ny dikan'ny hoe "...". Style direct sy ny style indirect. Fara faharatsiny lazainao hoe "mitovitovy amin'izao", fa tsy adikadika fahatany akory ny Baiboly.
47. Fiffi ( 26/04/2006 08:56)
aleo aloha zah hiheritreritra fa ..
mandalo: ohatra hoe mba azonao hatao ve ny mizarazara ny hevitra rehefa mandefa ianao fa somary lava be ilay izy dia tsy araka intsony hoe aiza ho aiza moa izany momban'ilay fanontaniana mipetraka? Satria raha ho valiana tsirairay na dekortikena ireo voalazanao ireo ka ho valiana dia mety tsy ho araka koa. Misaotra anao.
48. marozevo ( 27/04/2006 21:41)
Efa im-piry ny olona no niteny tamin'i mandalo fa lava loatra ka mahamonaina. Tokony mba hozarazaraina. fa izy ve miova. Izy anie mandalo ihany eh... après lui le .....

Anisan'ny specialiteany koa ny tsy mamaly ny hafa fa ny "fa-ho-any-fa-ho-any" ihany no asesiny.

Dia lazainy fa zazakely raha mitsikera azy amin'izany.

Masiaka ve aho ?... Tsikera iriana hanorina, ary teny atsipy ho an'ny manam-panahy.
49. Fiffi ( 28/04/2006 19:58)
izany hoe ny tena olana , amiko aloha an! lava be loatra ilay izy nefa tsy dia tena hitako hoe aiza ho aiza , na inona no tokony havaliko ao satria somary miparitaka be le hevitra fa tsy dia mamaly loatra ny lohateny. Voavakiko tsara ara-dalana hiany aloha io , saingy inona re no hazoko hamaliana ao eh ?
50. marozevo ( 30/04/2006 09:18)
Izay indrindra
51. Fiffi ( 01/05/2006 07:12)
inona no antom-pisiantsika eto an-tany
Ny fisiantsika eto an-tany dia tsy noho ny sitrapontsika, tsy isika no nanapa-kevitra ny amin'izany. Anontanio an'Andriamanitra, fa Izy no azo antoka fa mahalala ny valin'izay.
somary tafaverina kely teny ampendohana aho ka lasa heritreritra kely .
52. marozevo ( 01/05/2006 23:17)
Tsy fantatro na iza na iza no nanoratra io quota citen'i Fiffi io, fa ny hitako dia boribory ihany ilay valin-teny.
53. Fiffi ( 02/05/2006 13:36)
zany hoe naveriko eto io fa mbola mampiheritreritra ahy aloha sady mbola mandinika koa!
54. marozevo ( 02/05/2006 23:08)
Non ! Ilay hoe "anontanio Andriamanitra", no lazaiko hoe boribory ihany ilay valin-teny.
Valin-teny boribory izany no tiako ho lazaina eh..
raha azo anontaniana an'Andriamanitra va izany tsy ho anontaniako koa ny sisa rehetra... ka raha mamaly Izy dia ataoko inona intsony namana !!..
55. Fiffi ( 03/05/2006 03:48)
ka izay mihintsy koa ny antony namerenako azy , de miheritreritra koa aho hoe: raha izany dia tsy hisy fanontaniana intsony eto amin'ity fiainana ity satria tsotra dia tsotra ny hahitana ny valin'ny fanontaniana izay tiana hapetraka fa tsy misy hamakiana loha intsony.
56. mandalo ( 03/05/2006 21:40)
ny antony hisiantsika eto an-tany dia hanompo sy hidera ny mpamorona antsika: tsy mahay izany isika raha tsy miray amin'i Jesosy.
noho izany tsy misy choix hafa isika raha te ho velona (efa fohy kosa io e)
57. marozevo ( 04/05/2006 00:06)
Fohy loatra indray...
Hoy angamba i mandalo hoe manadala mihitsy ry marozevo itony ... Aza tafintohina fa "tora-baton'i Babay, ka izay voa aza tezitra".
58. Fiffi ( 04/05/2006 08:49)
tsy mahay izany isika raha tsy miray amin'i Jesosy.
marina ny anao ry mandalo! saingy raha tsy misy ny finoana , tsy ho tanteraka io , ary raha tsy misy ny fivavahana hatrany ny fangatahana an'ny Tompo mba hanampy antsika hatrany hanantanterahana an'izany dia tsy ho tanteraka koa izany.
59. marozevo ( 04/05/2006 15:21)
Ny lazain'i Fiffi sy marozevo koa tsy diso ka !
60. Fiffi ( 06/05/2006 10:29)
marina daholo zany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082