RADO

1. Fiffi ( 10/03/2006 05:36)
RADO , poeta feno sy manan'amby: karazan-tononkalo maro no voasora-dRado.Sehatra tsy voafetra no hianahan'izany.Fo , saina , vatana , fanahy tsy voaisa no iantefany.Tsy nahitana trangan-javatra navahana manokana i Rado teo amin'ny sanganasany fa rehefa fantany fa ilain'ny mpiara-belona aminy ny famoahana azy ireny " nikorisa ny peniny ".Izany no ilazana fa poetan'ny vahoaka izy.Tsy mijanona hatreo amin'ny talaky maso anefa i Rado fa mamoaka ny ambadika ihany koa.Endrika samihafa no hanehoany izany , fa ny iraisanireo , notandrovany mafy ny maha kanto ny asa sorany , ary izay no heverina fa nahatonga azy ireny tsy ho afaka am-po sy am-bavan'ny rehetra.Nanamafy izany rahateo ny filàn'ny vahiny ny sanganasany ka nahatonga azy hanao ilay boky " Fiteny roa " .Ny fanetsehana ny fananan-karenan'ny teny malagasy nataon-dRado no nahatonga izany.Sehatra maro no niantefan'izay fahavitrihana izay indrindra teo amin'ny fampianarana sy ny fikarohana.Nampihavaka azy koa ny fampitohizana ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy.Fitsinjovana ny taranaka aty aoriana avokoa ireny.Asa raha fantatrao fa vao nivoaka an-gazety ny " Raha mbola misy " , tononkalo nosoratan-dRado , dia vitan'i Bessa avy hatrany ny feony , ary dia tsy afaka am-bavan'ny rehetra am-polotaona aty aoriana.Ny antony?Tafaray ny samy kanto.
Tafiditra ao anatin'ny "Lohataonan'ny Poeta " ny "Rado manontolo ".Fanehoan-kevitra nataon'ireo mahafantatra an-dRado , teo anivon'ny fiarahamonina sy ny tontolon'ny soratra.Anisan'izany i Bessa izay namadika ity tononkalo ity ho hira ka tsy afaka am-bavan'ny maro hatramin'izao:

Raha mbola misy
Raha mbola misy tsiky
Azonao hasetra ny ronjon'ny ankaso ,
Nahoana indrindra , iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina ,
Nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina ?

Raha mbola misy kalo
Azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
Mahita vodilanitra mosarena taratra ?
Rado( Dinitra 24/02/70)
HaRy Razafindrakoto tao amin'ny gazety Taratra faha-0627
novalian'i ponita ny 28/03/2006 08:33
2. cutie ( 10/03/2006 17:30)
Fiffi, tena tiako io hira io, fa tsy haiko we i RAdo no nanoratra azy, merci e.
3. Veloo ( 10/03/2006 17:42)
iza zany rado zany?
cutie ilay ao @ madaclub ve? :-D:-D vazy2 ny ahy an
4. cutie ( 10/03/2006 17:45)
veloo,le mpitsaty ve :-D:-D:-D:-D:-D
5. Veloo ( 10/03/2006 17:46)
cutie a ieeeeee:-D:-D:-D
6. cutie ( 10/03/2006 17:48)
veloo, mety mahay ohtran'io koa izy ka :-D:-D:-D
7. Veloo ( 10/03/2006 17:52)
cutie zany ve? efa nijery azy moa injy io?
8. Fiffi ( 10/03/2006 18:00)
zah ary zay vao nahafantatra hoe an'i Rado io hira io ary tena gaga mihintsy aho fa hira tena tsy afaka am-bavan'ny gasy mihintsy io an!
9. fijo ( 10/03/2006 19:25)
aiza re nareo zany rankizy e
10. era ( 10/03/2006 19:56)
aiza tokoa !!!
11. Fiffi ( 10/03/2006 20:02)
eto hiany izahay eh! :-D:-D:-D:-D
12. cutie ( 11/03/2006 17:42)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 10-03-2006 21:52:25
Lohateny : Re : RADO
cutie zany ve? efa nijery azy moa injy io?

nahita an'iza?
13. cutie ( 11/03/2006 17:43)
nijery an'iza manko e 8O
14. Fiffi ( 11/03/2006 17:51)
fijo: fa efa olona antitra ve io Rado io sa ... ? mitovy taona @ fijo ve ? :-D:-D
15. Veloo ( 12/03/2006 23:17)
cutie a ny sariny ka:-D:-D:-D ndana jereo
16. Fiffi ( 13/03/2006 04:43)
Veloo: fa aiza akia no ahitana ny sariny zany ? mba tiako ho hita koa :)
17. Veloo ( 13/03/2006 16:42)
fiffi a an3 ka namanay io :wink:
18. cutie ( 13/03/2006 17:28)
veloo, njaso hojereko :wink:
19. Fiffi ( 13/03/2006 17:34)
Veloo: ah ! ok ! :) :-*:-*
20. ponita ( 28/03/2006 08:33)
ary ono ho aho ry reto , oviana kay "maty ilay mpivaroten" no nosoratana, ary inona ny hevitra tiany havoaka araka ny hevitrareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992