nanomboka omaly alarobian ny lavenona izany ny karemy

1. ravatorano ( 02/03/2006 09:34)
ho an ireo mpino kristianina katolika dia nanomboka omaly alarobian ny lavenona ny karemy ary haharitra efapolo andro moa izy io satria maiafara amin ny andron'ny Paka.
taloha dia fifadia-kena no nitondrana ny karemy ary isaky ny alarobia sy zoma izany.Amizao dia tsy izay intsony satria ny andron ny karemy dia natao ho andro pibebahana miitsy , hanavaozana indray ny fiarahanao amin ilay Nahary.Ny karemy amin izao dia ny fahaizana manampy ny manodidina aminao,ny fahaizana mamela heloka ary ny fialana amin ny fahzaran dratsy.
Raha mifady hena tokoa nefa manao feti-tsonjo defa tsy karemy izany , ny fifadian amizao dia entina indrindra hanampiana ireo tsy manana na ory manodidina anao ka raha manana arizato enao hividiana sigara na mofo d manaova karemy dia ividiano ho an ny tsy manan izany fa tsy hoe ampirimiko ity d raedem indray za manao doble ration hihihihihihi.


novalian'i Fiffi ny 12/04/2006 06:01
2. Fanja1 ( 02/03/2006 10:02)
misotra zoki ravatorana fa voaray ny hafatra bizzzzzzzzzzzzzzzzzzzzzzzz
3. Fiffi ( 02/03/2006 10:11)
ravatorano: =D=D=D=D marina avokoa izany voalazanao eto izany an! fa ilay radem manao double ration tena :-D:-D:-D:-D
4. ari.malala ( 02/03/2006 10:18)
Marina mintsy zany e, d miezaka miala @ fahazaran-dratsy koa, ohatra raha mpiteniteny foana na mpitezitezipoana d mba miezaka falifaly foana sy tsy miteniteny foana tsony :)
5. ravakamalala ( 02/03/2006 13:05)
Fa maninona no miandry karemy vao hanao izany?

tsy tokony ho isan ndro ve no miezaka?

"tandremo manao toa ny mpihatsaravelatsihy, hoy Izy, fa efa nahazo ny valim pitiany ireo.

BON CAREME DAHOLO!
6. xxx ( 02/03/2006 14:08)
fa ara baiboly ve zany fifadiankena izany
7. marozevo ( 02/03/2006 15:07)
Tsy voatery hiandry karemy ny tsirairay vao hanao izany fa afaka manao izany hatrany, fa ilay Karemy kosa dia mba iarahan'ny rehetra manao, ka eo rahateo ireo hevitra voalaza eo ambony, miampy ny fanehoana firaisan-kina koa.
Ara-baiboly ve izany ?, hoy i xxx. Eny tokoa, jereo fa misy be dia be ny resaka fifadian-kanina ao amin'ny baiboly. Raha tsy hiteny afa-tsy izay voalaza ao amin'ny Marka toko 1.
Etsy an-daniny anefa tsy dia hoe izay tsy voalazan'ny baiboly dia tsy azo atao, raha hita fa zavatra tokony hatao.
Voalaza ao amin'ny Baiboly ve ny hoe "mifampizarà ianareo ny finoanareo ao amin'ny ordinatera"?. Nefa hitantsika fa tokony hatao ka ataontsika.
8. dadabe ( 02/03/2006 15:44)
de paka aloha izany inona marina e?? :roll:
9. Fiffi ( 03/03/2006 05:16)
dadabe: 8O8O8O
10. Fiffi ( 03/03/2006 05:18)
ny ahy aloha dia efa ela tokoa no tsy nihinanako hena ny andro zoma eh! tsondro hiany raha minana aho
11. ravatorano ( 03/03/2006 07:32)
dadabe
12. dadabe ( 03/03/2006 14:20)
ravatorano>fa le hira rehetra atao ao ve tsy ho resaka hoe ny nitsanganan'i Jesosy t@ maty daholo e??:-w:-w
13. Veloo ( 03/03/2006 16:18)
:-w
14. routa ( 04/03/2006 04:33)
ravarotorana>le manao karemy ve tena tsy mihinana na kely tsy misotro rano koa sa fady hena hiany .
le mifady hanina ao @ baiboly 40 andro misy ka Jesosy mihitsy no nanao azy io fa ny hoe hena hiany no tsy hohanina nikaroka aho fa tsy hitako mba mangataka toko aho e!.
15. dadabe ( 04/03/2006 05:58)
mba tsy hahalava le resaka dia aleo tsorina ele hoe Paska na PAQUES na PAKA dia ara tsoratra masina ary i Kristy rehefa niakatra indray any andanitra dia nilaza hoe isaky ny mihinana sy misotro ianareo dia manambara sy mahatsiaro ny nahafatesan'ny Tompo (io le pASKA ) fa tsy resaka andro intsony tandremana, vakio

apokalypsy 13:8

8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.

efa voavono hatramin;ny nanorenana izao tontolo izao ny zanak'ondry , efa ela no vita ny paska fa asain'i Kristy hotsarovatsika isaky ny manao fandraisana fanasan'ny Tompo zah sy Ianao .

16. marozevo ( 05/03/2006 00:02)
dadabe > Efa niresaka lava momba ny paka isika eh... Karemy no loha hevitra eto. Na izany aza, misy hevitra mba lazaiko anao ihany ity.
Mahasosotra ahy ianao fa ampiasainao araka izay itiavanao azy fotsiny ilay Soratra Masina, fa tsy araka ny tena voasoratra.
"Isaky ny mihinana sy misotro ianareo dia manambara ny nahafatesan'ny Tompo MANDRAM-PIAVINY". Aza adino io teny farany io fa manjary miova le zavatra.
17. dadabe ( 05/03/2006 00:29)
okay aaz e :( , saingy tokony ho tsapan'i marozevo fa mba misy fahamarinana kely ihany ny zavatra ambarako anie e:(
18. marozevo ( 05/03/2006 01:25)
Za angaha moa miteny amin'ialahy hoe diso ny lazain'ialahy eh... Izay indrindra no mahafinaritra ahy miresaka amin'ialahy... fa rehefa mandray tapany ohatran'io ialahy dia tsy reviko.
19. Achia ( 07/03/2006 12:32)
[quote=routa]
ravarotorana>le manao karemy ve tena tsy mihinana na kely tsy misotro rano koa sa fady hena hiany .
le mifady hanina ao @ baiboly 40 andro misy ka Jesosy mihitsy no nanao azy io fa ny hoe hena hiany no tsy hohanina nikaroka aho fa tsy hitako mba mangataka toko aho e!.

[/quote

Za ko tsy mahita fa zay ngamba no sitrapon'ny ol han ompoany an' ATRA e
20. marozevo ( 08/03/2006 00:34)
Ny Karemy anie ry reto tsy ilay fifadian-kanina no tena baziny eh. Vokany fotsiny iny, fa ny Karemy dia fotoana mba atokana hieritreretana bebe kokoa ny hafa. Any ho any misy olona zara raha mahavidy anan-tsinahy hatao laokan'ny zanany maro an-trano. Any ho any misy zaza tsy mbola nahita varavaran-tsekoly, any ho any misy fianakaviana mijalin'ny ady... Mba mandray anjara amin'ny famonjena azy ireny aho, sady mandinika ny tenako sy ny fiainako manokana, ka mifady hanina INDRAINDRAY mba ho afaka hanampy bebe kokoa.
(raha ilaina dia hotohizana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.358