nanomboka omaly alarobian ny lavenona izany ny karemy

21. routa ( 08/03/2006 10:36)
zany hoe tsy ara-baiboly zany io karemy io ?ny itako manko de ny hoe tena tsy mihinana eny na rano aza tsy sotroana ary 24ora no hifadina mandritra ny 40 andro zany hoe raha tsy mivoana @ tenin'Andriamanitra de izay no tokony hoe mifady hanina .Zao zany ,karemy tsy mitovy @ fifadiankanina?
22. Achia ( 09/03/2006 19:57)
Zani hoe refa tsy mihinana zany zevo defa mihinana ho azy le tsy mihinana de tonga de tafiditra mianatra le zaza tsy nandia sekoly
23. marozevo ( 11/03/2006 00:35)
routa > Na ara-baiboly na tsy ara-baiboly, rehefa hita fa tsara dia atao. Lainga be izany hoe "tena tsy mihinana na tsy misotra" izany. Tsy resaka lalàna fa finiavana.
Achia > Tsy hoe automatique kosa eh... ianao mody adala fotsiny. Za izao mifoka sigara iray pake isan'andro (3,20euro ny 1 pake), ahenako 1/2 pake io dia manana tahiry 1,60 euro aho izany. Arotsako amin'ny ezaka karemy iny dia ny Vatikana no mitantana azy araka izay filàna hitany. Io ilay organisation eh... Tamin'izaho tany Madagasikara, dia nahita Sekoly fito vaovao nahorina aho, afaka mandray mpianatra 700 noho ny ezaka Karemy.
24. dadabe ( 11/03/2006 03:52)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 11-03-2006 04:35:45
Lohateny : Re : nanomboka omaly alarobian ny lavenona izany ny karemy
routa > Na ara-baiboly na tsy ara-baiboly, rehefa hita fa tsara dia atao. Lainga be izany hoe "tena tsy mihinana na tsy misotra" izany


zah nefa rehefa manao toa tsy mihinana mihitsy ary tsy misotro rano mihitsy , toa mety :-w fa ny an'i zevo tsy mety ve ?:-w
25. marozevo ( 12/03/2006 00:22)
Ka ny an'i dadabe ange tsy Karemy no atao fa fifadian-kanina eh... Averina indray fa tsy ny fifadian-kanina no lohahevitra voalohan'ny Karemy... Raha misy aingan-kevitra ifanentanana telo amin'ny Karemy, dia fahatelo ny lafiny fifadian-kanina. Ireto avy ireo aingan-kevitra ireo : Mivavaka, manao asa soa, mifehy tena amin'ny sakafo (Fa tsy hoe mifady hanina).
26. marozevo ( 14/03/2006 00:42)
Azon'i dadabe amarinina ao amin'ny Matio 6 io.
27. bichette ( 30/03/2006 10:06)
28. marozevo ( 30/03/2006 22:33)
Bichette !... Taiza ianao izay ela be izay ?
29. Achia ( 31/03/2006 17:46)
fa inona aloha ilay fetin'ny lavenona fa tsy azoko mitsy e ?
30. marozevo ( 01/04/2006 00:29)
Tsy misy fetin'ny lavenona izany ka !... Iza no miteny fetin'ny lavenona eo ?
31. Achia ( 01/04/2006 13:28)
an3 ka alarobin'ny lavenona kay ka
32. marozevo ( 02/04/2006 18:44)
Raha izay dia azo valiana :

1- fanombohan'ny 40 andro alohan'ny herinandro Masina.

2 - Tandindona ihany ny lavenona, fa ny fo no tena andrasana hibebaka. Miseho matetika ao amin'ny TT ny lavenona manambara fibebahana (Davida - Jonasa).

3 - Fa hoy i Jesoa hoe "Raha mibebaka ianareo dia aza mba..." Mt 6, ss
33. Achia ( 03/04/2006 19:39)
mba omeo ahy hoe ny toko misy izany hoe azafady
34. marozevo ( 03/04/2006 23:00)
Mifona amin'i Achia aho, fa tsy kapoakako ilay mitadidy tsianjery referansy eh... i dadabe no tena maranitra amin'io.
Marihiko kosa aloha fa ny n° 1, io ambony io, tsy hita mivantana ao eh... Ny roa sisa dia ao tsara, ary ny fahatelo io efa nasehoko io. Santionany ihany ireo, fa mbola bobaka be ao.
35. Fiffi ( 04/04/2006 09:46)
Mifona amin'i Achia aho,
ndryyyy
36. Achia ( 04/04/2006 20:34)
mba jereo kely hoe zany dadabe azafady indrindra
37. marozevo ( 04/04/2006 22:50)
Fa maninona no dryyyy ry Fiffi ?
Fomba fiteny fotsiny io ka ! Ilazana hoe miala tsiny amnin'i Achia.
38. Fiffi ( 11/04/2006 09:15)
marozevo: fantatro ka! saingy rehefa mahita olona mifona aho satria nahatsapa fa nanao fahadisoana dia mampisento kely ahy an! :oops:
39. zatoarivo ( 11/04/2006 10:52)
dadabe:

de paka aloha izany inona marina e?? :roll:



Paka ve??? maty ho antsika kristy, nisoloheloka ny nanadio tamin'ny rany. Karemy??? tokony ho isanandro satria natao hiadiana amin'ny fakampanahy maro sy handianihan-tena. Jereo ny Tompo anie ka 40/40 tany amin'ny desert nifanadrina tamin'ny D. Ny antsika isanandro mifanena amin'io D io foana ka tokony hi-Karemy foana mba handresena azy

Dia manaova Paka sambatra ary e!!!!!!!
40. zatoarivo ( 11/04/2006 11:09)
dadabe:

de paka aloha izany inona marina e?? :roll:



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759