mbalazao tokoa re

1. xxx ( 29/01/2006 09:12)
Manaona dôly ô!
Inona no atao mba hanadinoana olona iray izay tinao indrindra, sy tsy foinao?
2. fasaly ( 29/01/2006 09:28)
oufffff! amiko manokana sarotra bre amikoi ny handino ilay olona tiko be sy tsy foiko izany,
fa ezahinao ny handino azy , manaova zavatra mahafinaritra anao dia manandrama miaraka amin'olona hafa izay tianao koa! de ezaho eviter-na izay mirakitra souvenir rehetra momba azy sy momba ny fiarahanareo taloha, sarotra aloha fa ela ny ela ny fo tsy mitempo ho azy tsony fa ny hanadino aloha raha otrahy dia tsy hadino e!:wink:
mahereza e!
3. lapino ( 29/01/2006 09:33)
Raha hainao ny hanadino azy dia ho tadidinao foana! Impossible izany fanadinoana izany!!!!

Ny olana angamba hoe ahoana no atao dia mba tsy dia marary ny fisarahana?! Raha izay dia mety hisy fomba ihany. Ohatra hoe miasà be!! Dia aza manahy fa misinda miandalana ihany io.

Tandremo anefa fa mety misy ny hanao hoe: "Miaraha amin'olona hafa", dia tandremo fa mety misy danger be izay satria:
- tsy fitiavana fa fitiavan-tenanao fotsiny
- sao dia vao mainka diso fiantefa eo
4. hertix ( 29/01/2006 10:06)
Ny saina sy ny fo no tsara amboarina fa ny fanadinoana dia tsy hisy mihitsy. Ohatry ny hoe "forget to remember me" sy ny "remember to forget me". Izany hoe tsy maintsy tavela ao anatinao foana izy fa ny mety dia ny mametraka hoe "efa nivalona ho tantara izany rehetra izany" isaky ny mahatsiaro azy ianao.
5. Ragadona ( 29/01/2006 10:39)
Tsy voatery hitady zay hanadinoana azy ianao ka, ekeo ny fisiany ho isan ny namolavola ny tantaram piainanao, tsy hadino zany io na dia be aza ny fanazavana sy torolalana avy etsy sy eroa, fa ny tokony hatao raha tonga ny fisarahana dia hoe ahoana ndray ny fomba vaovao hiainana an le izy
6. sonwin ( 29/01/2006 12:20)
xxx:

Manaona dôly ô!
Inona no atao mba hanadinoana olona iray izay tinao indrindra, sy tsy foinao?



tsy misy tokony atao fa hadinoy fotsiny izao hevero toy ny tsy nisy fa nofy sendra nandalo
7. dadabe ( 29/01/2006 14:32)
hummmm tsy haiko satrria zah tsy mbola nisy
8. Vahinala ( 29/01/2006 14:53)
Ny manadino angamba tsy possible indrindra fa olona tena tianao ilay izy, fa mihezaka miatrika ny fiainana fotsiny ary mamadika pejy, ny lasa omba ny lasa, ny hoavy no banjinina.
9. lapino ( 29/01/2006 14:54)
Ny mifampody no tsara indrindra e! :wink::wink:
10. fasaly ( 29/01/2006 15:28)
lapino: ko raha tsy mety mody lay ampodiana de zay no tena vao maika mankarary fo de mbola lasa ho pire njay ny fandehanjavatsa.....8)
11. zandrikely ( 29/01/2006 18:32)
mety ho adino ilay olona fa miankina @nao fona io , ny manavao ndray non mety e , ary aza eritreretina be e , hijaly enao ra zay fona no eritreretina eo
12. vivi ( 29/01/2006 18:49)
sarotra b aloha ilay anadino vetivety akia fa ny mety aloha d mandeha mivavaka fa io no manampy voalohany indrindra satria raha ny heriny tena aloha tsy vita raha tsy ela b , ny ahy aloha zany , satria za rehefa tia d lai tia b reny , ka azoko mihintsy ny situation misy anao , za zao efa ho 6 mbolana hilaza hisaraka fa eeee, ny saiko mbola any foana e!, zahay sy ilay olona aloha tsy misy contacte intsony satria za mandositra mihintsy satria rehefa mahita azy d tsy mahatanty fa rehefa tambatambazany d miverina indray , nefa ilay olona efa fantako we mankarary ny saiko ny fisiany , ka ny fanafodi hitako akia d ny mivavaka sy ny mihezaka ny tsy hifanena @, satria rehefa ela akia mihena ihany l fitiavana an , ny ahy aloha mba tsy mitovy ny taloha fa mba efa kelikeli sisa, mahereza akia fa tsy mora hampitenana io !, sady mahasosostra koa anie , ny tena hotrany tsy mi-raisonne zany @ lay cas , ny saina manaiki fa ny fo tena resy e!
13. akamatiana ( 29/01/2006 18:51)
Ny hanadinoina ilay olona ngamba sarotra fa ny hanadinoina ilay FITIAVANA no mora amiko !!! Ataovy ao an-tsaina fotsiny wee efa samy tsisy tia ianareo d adino ho azy ilay fitiavana :)
14. cutie ( 29/01/2006 18:54)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 29-01-2006 13:12:15
Lohateny : mbalazao tokoa re
Manaona dôly ô!
Inona no atao mba hanadinoana olona iray izay tinao indrindra, sy tsy foinao?

aza adinoina zany e, raha miezaka ny hanadino eo enao, de tsy adino mitsy iny.
15. Veloo ( 30/01/2006 00:04)
size efa nandalo izy ity : ny valin-teniko dia nataoko oe sarotra fa dia tsy maintsy mi-se confronter ny fianana vao2 e... indray2 ary mbola manonofy fona...hihihiih:-D
16. Herimiafina ( 30/01/2006 00:28)
xxx:

Manaona dôly ô!
Inona no atao mba hanadinoana olona iray izay tinao indrindra, sy tsy foinao?

Efa niteny anao anie zah ry xxx hoe andana mifanerasera amin'ireny bandy hafa ireny fa raha tsy izany ianao mbola tia foana e!
Raha mbola tia mantsy ianao de mbola halahelo foana ka sarotra ny hanadino e!(l)
"Raha fitia no nandratrana anao, mba fitia ihany koa no mba hany fanafodinao e!" (Vola sy Noro)

17. Chuan ( 30/01/2006 05:47)
Ny tena zava-dehibe angamba dia ianao ilay tia an`ilay olona satria midika izany fa olona be fitiavana ianao . Amiko dia toetra tsara izay ka tsy tokony hiezaka ny hanadino ianao ( miendrika ho valifaty izay tsinona )fa arakaraka ny hiezahanao hanadino an`iny no vao maika ho tadidinao izy ary vao maika hisongadina ao aminao izy , fa io sitran`ny fotoana eny ihany . Miezaha maka sary an-tsaina hoe tratranao miaraka sy mifanoroka be am`olon-kafa izay milay be izy kanefa ianao tsy taitra , tsy tezitra fa vao maika aza mi-féliciter azy amin`fo madio . Raha vitanao io fanamby tsotsotra io de mino aho fa izay ilay fanafody tadiavinao .
18. pissoa ( 30/01/2006 06:04)
Tsy mitady aretina ve izany ry Chuan? Ny tena misy ary efa tsy fidiny koa ny tsy misy indray no foronina :-w

Aza mieritreritra ny hanadino izany akory e, miaina norma tsara fotsiny. Aza mijanona manjoretra irery ao hoe rahoviana ary iny vao ho hadinoko ... Manery tena hieritreritra any foana izany :-*:-*
19. mamzelkely ( 30/01/2006 06:37)
ny tena tsara indrindra ra te handino enao de occuper-o fôna ny fiainanao ts vôtery hoe hiaraka am olona (sipa) fa na de iaraka am namanao ftsn az enao de efa ampy mitady distraction eee
20. lapino ( 30/01/2006 07:24)
Aza mamaky ny tohiny intsony ry xxx!!!
Vao mainka mampahatsiahy anao ny tianao hohadinoina daholo tsinona!!! :lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9096