fanjakazakana!

1. jentilisa ( 25/01/2006 06:55)
Nisy tranga vitsivitsy nisehoana fanjakazakana indray teto an-tanàna. Saiky teny amin'iny lalana mampitohy an'Akorondrano amin'Alarobia iny avokoa izany no niseho.
Ny voalohany dia raha mbola nitohatohana iny ny lalana, nisy fiara roa samy 4x4 avokoa nifanjohy ka ana-depiote( izay nisy nilaza mivantana fa Zakahely Boniface) no taoriana! asa! niseho maika angaha ity depoite ity fa noantsoantsoiny anjomara hatrany ity fiara talohany. Vao nisy ny fijanonana noho ny fitohanana ka nijanona ilay fiara teo aloha avy dia nodonin'ity Depoite ity. Nivoaka nijery ny fahavoazana noho izany ilay teo aloha! nivoaka avy hatrany koa ingahy depiote ary nofelahany ny tehamaina ilay olona nodoniny ny fiara ( asa aho na tsy mahay na mba mahay ihany fa diso hatrany moa ny fiara izay mandona fiara hafa avy ao afara?). Raikitra ny vazavaza sy ny karazany. Ilay olona teo aloha dia saofera fotsiny ihany fa tsy tompona fiara ka tsy hitany izay ataony fa nanindry avy hatrany ity depoite tsinona. Nanjary vitavita ho azy teo ny raharaha.
Ny faharoa manaraka izany indray dia ny fanaona zanaky ny laibany e! noesorin'ny zanaky ny tompon'ny fiara (mpianatra ao amin'ny Lyfra) ny saofera fa hanaovany pointe! ireo zanaka dia mbola tsy ampy taona akory ary tsy manana permis mazava ho azy. Nataon'ireo laibany kelyireo amin'izay ny sitrapony ka kodiarana efatra manaka-danitra no niafarany! Raha haka sary ny mpanao gazety nahita ny zava-niseho dia saiky hodarohan'ny naman'ny laibany ny cameraman! ireo namana ireo kosa indray dia vazaha kely mpianatra ao amin'ny Lyfra koa moa izany. nandrara ireo fa hoe tsy azo alaina sary io. Nifamaly tamin'ireo olona nanatri-maso noho izany ry zareo. Ny MBS radio moa no nilaza ity tranga faharoa ity.
novalian'i Veloo ny 28/01/2006 23:28
2. lolabe ( 25/01/2006 07:48)
Ka ohatr'izay ny toetran'ireo milaza fa nofidiam-bahoaka sy mamim-bahoaka ireo ka asakasakareo izay mbola miaro sy manome rariny ireo depiote ireo ihany ka hoy za hoe mendrika andry zalahy ireo ny teo @ 13 may t@ 17 desambra lasa teo, aleo rangaha ataon'ny olona any rehefa miseho milay a!!!
3. Veloo ( 25/01/2006 16:06)
zany ve?8O ts mba ratsy ndray zany kle
4. fasaly ( 25/01/2006 16:45)
misaotra nampitza aovao fa tena fanjakan'ny baroa izy izany raha dinihina, izay matanjaka ihany no afaka manjàka, indridy mantsy:cry:
5. lapino ( 25/01/2006 17:50)
nivoaka avy hatrany koa ingahy depiote ary nofelahany ny tehamaina ilay olona nodoniny ny fiara

Mampi-te hamono izany depiote izany le! Dia naninona koa no tsy novalian'ilay bandy, f'angaha raha depiote dia ambonin'ny lalàna?

Sa ve ny immunité parlementaire izany no ilana azy?
6. Herimiafina ( 25/01/2006 19:51)
Otran'ny tsy te hody tsonitsony njay zah klé. Marina mafy tsy tena loza raha hiara-monina amin'ny olona otsan'izany, sady amin'izay injay ny fahitako azy toa tsy misy remedy mihintsy fa de efa toetra nentim-paharazana tsy afaka esorina na ahintsy klé. :twisted::twisted:
7. fasaly ( 25/01/2006 19:54)
hery::-* korazy!!!
8. Herimiafina ( 25/01/2006 19:59)
Misaotra akia ry Neny an.
Fa na dia izany aza misy karazana olona tokony haboridana de karavasiana eny amin'ny place public mihintsy ao Dago ao klé, mbo kozy e!:roll::roll::twisted:
9. fasaly ( 25/01/2006 20:04)
zay kalou de marina e!grrrrrrr:evil:
tsara andadizana sy kakerin'ny volavo eo aloha fa tena mahatsiravina lay pouvoir.
10. Herimiafina ( 25/01/2006 20:10)
Abus de pouvoir anie izany e, zady usurpation de titre be izao klé.
Ny maha-depioté ohatra tsy hahafahanao mamelaka olona izany mihintsy e, azo toriana soa amantsara pour agression any amin'ny chambre administrative na dia depioté aza.
Betsaka anie ny toa izany e, misy koa aza tao Frantsa tao le ambassadeur maizina nanitsaka olona de mi-appel immunité diplaomatika foana.

Aty aminay tsy azo atao na mitazona tanan'olona aza fa tonga de mihidy klé, tsssss:twisted::twisted:
11. fasaly ( 25/01/2006 20:24)
ié any aminareo koa toa hoe ny police aza hono tsy mahazo misava carte d'identité amzao fa matoa misava zay de nanao betizy enao....marina ve zany.
12. Herimiafina ( 25/01/2006 20:29)
Efa vita teny amin'ny aeroport ny fisavana rehetra de refa ato anaty territoire ianao de tsy misy n'iza n'iza mahazo misava anao na dia carte d'identité na passipaoro e. Hany ka be ny mi-klandy refa lany taratasy.

Ny polisy aty koa tsy mahazo mikasika anao izany mihintsy fa na misy miady aza eo de jerijereny fotsiny de halaminy à distance.

De eo ihany koa ireny mpisipa ireny raha miady ka mitomany ny iray de azo iantsoana 911 de tamy ny polisy.

Ny mikasi-tanana izany de zavatra fady be mihintsy aty klé, na manao harcelement psychologique aza, le mifosafosa izany azo toriana e!
Ary tsy ankiandriandry fa tonga de eo no ho eo de mahazo taratasy mi-comparaitre any amin'ny tribonaly an.
13. fijo ( 25/01/2006 20:32)
hafaka nitory koa anie le olona e.naninona ary no tsy nitory?
14. Veloo ( 25/01/2006 20:50)
ie wa?
o ry hery mba lazao sy hazavao tsara ny 911 tsy manana an'izany olona afa ry lety a:roll:
15. Herimiafina ( 26/01/2006 02:56)
911 anie ry Veloo 11 septembre no dikany e! 11 septembre 2001 izany, izany hoe urgence, mila interevention polisy, hehehehehe:-D:-D
16. fasaly ( 26/01/2006 05:51)
fijo: hainjy ihany ny any dago e! na hitory aza ny vaventy no mandresy e! ho aiza mou ny madinika, ny mamplahelo zao de lay chauffeur madinika nitondra lay fiara iray de mbola ho voan'ny tsindry azo lena ihany hanonitra ny pempo tam fiara, izany hoe capable lay patron hanàla ny fanamboarana rehetra am karamany, tena marina io an! mampalahelo wa! fa duia litsetsetra fotsiny ny fo e!:(
17. fasaly ( 26/01/2006 05:52)
hery mana zany any aminareo zany, mahatsara ny fiaraha-monina ihany lay hoe izay mifosa olona dia azo toriana:wink:
18. Herimiafina ( 26/01/2006 05:56)
Marina izany kah, any Dago anie eo ny lalàna aratsosialy, sns fa ny olna de ny fahassarotan'ny fampiarana azy e. Ny aty mantsy dia feno lalàna toa ny any ihany saingy kosa tena favy be ny fomba fampiarana azy satria tena mora be ny mitory.
Mila mitandrina anefa satria mety misy olona mitady vola de mitoritory fahatany fotsiny. Firifiry moa ny bandy efa voatory taty fa lazaina fa nanao harcelement sexuel ohatra?
19. jennifer2 ( 26/01/2006 23:06)
Zany an!
20. dadabe ( 27/01/2006 11:29)
humm!!:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2119