1 million de dolara

1. Fiffi ( 23/01/2006 11:40)
Lasa indray ny saiko ato ry namana fa vao nijery vao2 teo aho dia nahita an'ity hoe " akanjo iray vidiny 1 million de dolara " akanjo iray hoy aho , ary efa naheno koa fa nisy akanjo koa lafo vidy be tahak'izao nefa dia nisy dia nisy tokoa olona nahavidy azy.
Avy eo anefa dia nisy pub milaza hoe " journée mondial contre la lèpre " ary naheno Ry Tanindrazanay malala " ka lasa ny saiko hoe dia tena misy olona mahavidy io akanjo i nefa raha jerena ny fahantran'ny olona sasany mila vonjy , mila fanampiana na dia ho an'ny lèpreux aza izany , asa re raha mba mahapitombona ny saina ny fividianana izany akanjo lafo be izany ?
novalian'i Fiffi ny 28/01/2006 18:53
2. dadabe ( 23/01/2006 12:09)
marina izany ry Fiffi , tokoony mba omena ny tany andala-pandrosoana e?:(:(
3. Vahinala ( 23/01/2006 12:49)
Humm tena marina zany nefa tsy ny aty ivelany ihany io fa na ao amintsika ao Gasikara koa aza, maro tsy voatanisa fa aleo tsy hitarina fotsiny e, mampalahelo !
4. Lejim ( 23/01/2006 16:37)
Be fitiavan-tena loatra ny olombelona. Izay mba tsara fanahy ary tadiavina izay hamonoana azy. We need to "heal the World".
5. pissoa ( 23/01/2006 18:44)
:(:(
6. lapino ( 23/01/2006 19:26)
Izaho kosa aloha tsy hanome tsiny an'izay nividy an'izany akanjo izany e. Mety manana ny antony azy manokana izy, eny fa na dia rendrarendra aza!

Ohatra an'izany koa aho nahita blouson cuir 1000€ no vidiny, dia halahelovako ve raha misy olona mividy iny?

Raha ny fampitahana amin'ny olona mahantra no antony mahalasa eritreritra, dia maninona tokoa moa isika raha avela daholo ny karazana rendrarendra rehetra, fa mijanona amin'ny "besoins vitaux" dia zaraina amin'ny mahantra ny fananana rehetra sy ny karama isam-bolana? Tia tena daholo koa ange isika, kanefa marary fo rehefa ny hafa no manao!

Tsy mitovy ny olona! Tokony hekena sa tokony hotoherina ny tsy fitoviana?!
7. Herimiafina ( 23/01/2006 19:41)
Fiffi:

Lasa indray ny saiko ato ry namana fa vao nijery vao2 teo aho dia nahita an'ity hoe " akanjo iray vidiny 1 million de dolara " akanjo iray hoy aho , ary efa naheno koa fa nisy akanjo koa lafo vidy be tahak'izao nefa dia nisy dia nisy tokoa olona nahavidy azy.
Avy eo anefa dia nisy pub milaza hoe " journée mondial contre la lèpre " ary naheno Ry Tanindrazanay malala " ka lasa ny saiko hoe dia tena misy olona mahavidy io akanjo i nefa raha jerena ny fahantran'ny olona sasany mila vonjy , mila fanampiana na dia ho an'ny lèpreux aza izany , asa re raha mba mahapitombona ny saina ny fividianana izany akanjo lafo be izany ?

I Fiffi angaha Neo-Malthusienne? Ireo mpandinika Neo-malthusiens mansty no mivoitra io fiparitahan'ny ressource io.
Toa ny hoe: tsy ny vola no tsy misy fa ny fiparitahany no mitongilana, na tsy ny rano no tsy misy fa ny fiparitahany eto antany no tsy mitovy.

Hany ka teraka taty aoriana ny antsoina hoe "Avantages Comparatifs", ny andaniny tompon'ny vola, ny andaniny tompon'ny Ressources naturelles ohatra de miady ny fifanankalozana avy eo.

Par implication: raha namboarina avy amina akora avy aty amin'ny tany andalampandrosoana, na nampiasaina mpiasa avy aty andalampandrosona na nisy nidiran'ny tany andalampamdrosoana ny fanamboarana io akanjo io dia tsy dia maninona loatra raha misy mandany vola 1 millions aza hividianana azy.

Ohatra: ny Annales de Physiques nosoratan'i Einstein, boky tsy misy dikany tsy hahitana bibliographie fa sora-tànana iray manontolo, tamin'ny taona 1905, momba ny théorie de la relativité, dia nisy nividy 6 millions de dollars tany Amerika avaratra.

Manarak'izay dia misy koa ny sens de la valeur hafa, na ny antsoina hoe "valeur ekonomika total", ny karazana valeur avadika vola izany ka ny ragidro noheverina tsy misy dikany fahiny dia lasa manana valeur ambony noho ny omby iray noho ny vola hoeritreretina hampidiriny amin'ny resaka tourisma (valeur d'option, valeur d'usage, valeur d'existence, valeur de non usage, valeur ethique, valeur complémemtaire).
8. Lejim ( 23/01/2006 20:58)
Tsara be kosa aloha ny sujet e. Tsy resaka alahelo na aretim-po amin'ny fanan'olona fa mba saina mandeha fotsiny. Tsy rariny ve raha mba tafandinika izany ny saina tsindraindray?
Ohatra hoe, raha mba nataony fanampiana ho an'ny mahantra moa iny vola iny dia mba mihena ny isan'olo matin'ny mosary androany. Ohatra fotsiny izany.
9. Veloo ( 24/01/2006 00:26)
eeeeeeeeeeee aty zany tsisy dikany ry reto nefa etsy akaiky ary misy ny ol mahantra... be mahantra anie aty ko ry reto e aza heverina oe US ka oe manankarena an:(
10. Fiffi ( 24/01/2006 04:43)
Herimiafina: an3 tsy hoe neo-malthusienne akory fa arakin'ny filazan'i Lejim io dia mba halahelo ny ahy , nefa kosa sy halahelo na eretim-po @ fananan'ny olona sasany koa anefa an ! saingy mba heritreritra ny ahy hoe " misy y olona mahavidy zavatra @ izay akanjo anie ilay izy e! fa tsy hoe ohatra chateau :-D fa dia akanjo iray izay tsy aharitra firy akory , nefa hoy aho hoe raha jerena ny fihantran'ny olona mila vonjy , mila fanampiana eny na dia ny fanampiana mikasika ny fikarohana momba ny fanafody fotsiny aza , dia hoy aho hoe raha mba io vola io izao no omena ireo mpikaroka ohatra io an ! hitadiavana fitsabona na ny sida , ny cancer sns... dia mety ho avotra fa ilay akanjo tsy aharitr'ela
11. Herimiafina ( 24/01/2006 04:49)
Ka ô ry Fiffi kely an! Efa misy organisama sy vola natokana hanampiana ny ory sy ny mahantra anie any e.
Fa izany tsy midika hoe izay vola rehetra eto antany de tokony homena mahantra daholo avokoa e!
Misy koa ny vola entina sy natokana hampiodina zavatra maro, misy ny vola ampiasaina amin'ny zavatra tsy misy dikany (fanamboarana misily nucleary ohatra).
Ka tsy ny vola any US mihintsy no tokony hampalahelo ny mahantra any Inde tsy akory, fa ny vola be lany ao Inde ihany izay entina hividianana fitaovampiadiana maherivaika. hehehehehehe:-D:-D
12. Fiffi ( 24/01/2006 06:15)
dainnnnn koa i Herimihafina mody tsy maharaka resaka eo !!!:-D:-D:-D nefa rehefa tena dinihina ny valiny halefany tena matotra beee :-D:-D
an3 fa izao ka: marina ny anao hoe efa samy misy vola natokana ho an'ny fampihodinana ny zavatra maro , fa ny ahy indro kely fotsiny!! ary tsy nilaza mihintsy aho hoe izay vola rehetra eto an-tany dia tokony omena ny mahantra akory. Ny ahy dia "indro" kely hoe akanjo iray ve dia ho vidiana lafo be tahak'izao raha hanaovana "comparaison" @ firenena na ny olona mahantra izay mila fanampiana ny vidin'nio akanjo io , mety ahavita zava-tsoa e! hehehehehehe:-D:-D:-D
13. Herimiafina ( 24/01/2006 06:32)
Ka izao anie e! Mety misy valeur tsy fantatsika io akanjo io ka mety ho mendrika izay vidiny izay, inona moa no mety tantaran'io ankanjo io no mahalafo azy toa izany!
Ao anatin'ny art ve? ao anatin'ny kiltiora ve, ireo karazanjavatra izay tsy dia omena lanja firy matetika, ny lamaody, satria heritreretina ho firingan'hevitra, kanefa misy tantara ireny, sivilizasiona amantaonany nifandimby, mampitombo ny valeur-ny.

Marina fa mila fanampiana ny mahantra saingy tena complexe be izay sujet izay, hianarana amantaonany, ankehitriny na ny hevitry ny teny hoe mahantra aza de tena mbola vague be mihintsy.
Misy olona manambolabe fa tsy mihinana afatsy indray mandeha isan'andro, nefa dia voa-classer ao anatin'ny atao hoe mahantra izy raha ny marimpandrefesana ny fahantrana aratsakafo international no jerena.
14. vale ( 24/01/2006 09:45)
Fiffi:

Lasa indray ny saiko ato ry namana fa vao nijery vao2 teo aho dia nahita an'ity hoe " akanjo iray vidiny 1 million de dolara " akanjo iray hoy aho , ary efa naheno koa fa nisy akanjo koa lafo vidy be tahak'izao nefa dia nisy dia nisy tokoa olona nahavidy azy.
Avy eo anefa dia nisy pub milaza hoe " journée mondial contre la lèpre " ary naheno Ry Tanindrazanay malala " ka lasa ny saiko hoe dia tena misy olona mahavidy io akanjo i nefa raha jerena ny fahantran'ny olona sasany mila vonjy , mila fanampiana na dia ho an'ny lèpreux aza izany , asa re raha mba mahapitombona ny saina ny fividianana izany akanjo lafo be izany ?

Eny wa ry Fiffi! misy ary tena misy ny olona minia tsy halala ny fahantran'ny sasany, ny voninahitra ihany no mafatifaty azy e.Hum!:{


15. vale ( 24/01/2006 09:55)
Herimiafina:

Ka izao anie e! Mety misy valeur tsy fantatsika io akanjo io ka mety ho mendrika izay vidiny izay, inona moa no mety tantaran'io ankanjo io no mahalafo azy toa izany!
Ao anatin'ny art ve? ao anatin'ny kiltiora ve, ireo karazanjavatra izay tsy dia omena lanja firy matetika, ny lamaody, satria heritreretina ho firingan'hevitra, kanefa misy tantara ireny, sivilizasiona amantaonany nifandimby, mampitombo ny valeur-ny.

Marina fa mila fanampiana ny mahantra saingy tena complexe be izay sujet izay, hianarana amantaonany, ankehitriny na ny hevitry ny teny hoe mahantra aza de tena mbola vague be mihintsy.
Misy olona manambolabe fa tsy mihinana afatsy indray mandeha isan'andro, nefa dia voa-classer ao anatin'ny atao hoe mahantra izy raha ny marimpandrefesana ny fahantrana aratsakafo international no jerena.


Herimiafina : tsara tokoa rehefa manana fijery "positif" fa ny hoe mampahantra ny firenena iray aloha raha ny fijeriko an'izay indray dia tena mahantra raha mijaly ara-tsankafo ny olona ao aminy e, ary ny lafiny ara-pahasalamana koa tsy zarizary! zaho alou dakôro @ Fiffi é, tena hita fa mahantra ange ny firenentsika e , fa raha fahalalana sy fahendrena kosa no manan-karena i mcar, fa raha ny lafiny farim-piainana tena mahantra e!!!


16. Vahinala ( 24/01/2006 12:29)
Hitako tamin'ny pub am télé zao fa manao hetsika ny fondation Raoul Follero eto Frantsa manangombola halefa hanampiana ny ady amin'ny "lèpre" any amintsika ao Madagasikara mihitsy. Ka dia ho hita eo ndray raha mba misy malala-tanàna reto mpanakarenandry zareo reto e.
17. vale ( 24/01/2006 14:44)

Izany mihintsy aky ry Vahinala à!
18. mandrindra ( 24/01/2006 15:16)
eny amin'ny mpivarotra isanakarazany dia feno ireny boaty kely fanangonana vola madinika ho an'y fondation raoul follero. koa noho izany aza dia miandry an'izay manankarena mba hanome fa mandehana isika malagasy tsirairay mandatsaka izay foy.
19. cheboman ( 24/01/2006 15:59)
ankoatra izay antony manokana nividianan'ilay olona tsy misy mahafantatra koa isika raha efa nanome sy nanampy izay tandrify azy io olona io
20. Fiffi ( 24/01/2006 16:18)
cheboman: marina ny anao fa tsy nisy fitsarana an'io olona io an! fa resaka no mandeha hoe raha mba io vola be io izao no omena mba ho fanampiana na hoe tena nisy mahavidy ka!
Herimiafina: ilay akanjo aloha an ! dia tsy mbola nisy hoe ao anatin'ny art ilay izy fa misy diamondra kosa aloha e! izay no mahalafo vidy azy!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2158