Andriamanitra, Zanahary, Andriananahary ...

1. booboo ( 22/01/2006 13:47)
Naninona kay no ireo anarana ireo no nasain'ny misionera voalohany tonga taty M/car iantsoana an'i Jesoa ? Nefa dia hain-dreo tsara ( sa tsy hainy ? )fa raha samy hafa mihitsy ireo teo @ tontolo tsy hita maso @ malagasy ?
Nitady tao @ Baiboly zà fa tsy nahita mihitsy hoe rehefa nanafika tany hafa ny zanak'Israely dia novainy ho Bâal, na iza koa ilay déesse vavy iraika iry ?
novalian'i Nehemiah ny 17/12/2012 05:33
2. marozevo ( 22/01/2006 19:48)
Tsy mazava amiko ity sujet ity
3. Vahinala ( 22/01/2006 20:47)
booboo > Azavao tsara :roll::roll::roll::-*
4. dadabe ( 22/01/2006 23:44)
zah koa tsy mahazo fa afaka manampy kely
sao dia ilay deese DIANE (avy ao ephese)
5. booboo ( 23/01/2006 10:16)
:°) kou klou aza ....

Andriamanitra na Zanahary na Andriananahary dia iraika @ Krisitiana satria samy anarana iantsoana an'i Jesoa aby zany.
Nefa ireo anarana 3 ireo dia ohatra hoe grades-n'ny karazana hery tsy hita maso t@ Ntaolo : esprit na dieu na tsy haiko @ teny frantsay.

Maninona kay no ireo nampianarina sy mbola raiki-tapisaka @ gasy mandrak'ity nefa tsy Jesoa mihitsy ireo ?
Sa ve hoe mitovitovy toetra @ Jesoa zareo dia tsy olana ? Nefa Boudha kounkou misy toetra itovizana @ Jesoa nefa @ kristiana tena atsimo sy avaratra mihitsy izy roa ?
Azonareo @ zay ve ny tiako hanontaniana :°)?



6. diamondra27 ( 23/01/2006 10:35)
tsy Jesosy ve Andriamanitra?

Araka ny finoanao ihany io ka ! Raha araka ny baiboly de marina io satri ANDRIAMANITRA dia telo izay iray: "Andriamanitra ray zanaka ary fanahy masina"

Jesosy zanaka dia Andriamanitra nanaiky ho faty sy hisolo antsika ho afaka @ fahotana
7. jentilisa ( 23/01/2006 11:42)
fa ilay telo izay iray tsy hoe Jesoa dia Andriamanitra Zanahary Andriananahary :lol:
8. Nickovy ( 23/01/2006 13:12)
Andriamanitra, Zanahary, Andriananahary dia anarana niantsoan'ny Ntaolo ny Hery tsy hita maso sy tsy azony faritana nefa ninoany fa mandrindra sy MAHARY ary ambony noho izy ka mahefa ny tsy takatry ny sain'ny olombelona.
Eo amin'ny Kristianina dia tsy iantsoana an'i Jesoa na Jesosy io fa iantsoana an'Andriamanitra Trinite (Ray, Zanaka, Fanahy Masina)
Araka ny fahafantarako dia ireo no teny malagasy mifanandrify amin'ny toetra maha Andriamanitra an'Andriamanitra ho an'ny kristianina ary nampiasainy indrindra mba hahamora ny fitoriana ny filazantsara tamin'ireo izay nanaraka ny fivavaha-ndrazana. Mahamora ihany koa ny "inculturation". Hevitra ihany io an! Mety ho marina na tsia.
9. namanao ( 23/01/2006 13:27)
fiheverako azy
Andriamanitra midika "zava-miaina misy", manankery tsy tohaina izay tompoina.
Zanahary midika nipoiran'ny zava-misy rehetra.
Andriananahary midika Andriamanitra Nahary: zany hoe le anakiroa mitambatra.
Amin'ny maha nentina namoronana ny zavatra rehetra an'i Jesosy(satria tenin'i Jehovah Jesosy) dia azo lazaina Zanahary izy. Amin'ny maha tompon'ny fahefana ety antany sy any andanitra Azy kosa dia raisina ho Andriamanitra Izy.
Fa raha ny tena tian'ny Ntaolo hampitaina amin'ireo dia tsy Ilay Nahary manana toetra sahala amin'ny Jehovah na Jesosy fa hafa mihitsy( hita izany amin'ny fombafomba fanompoana azy, sampy sns, eo koa le hoe hotahin' Zanahary sy razana.)
10. booboo ( 23/01/2006 14:42)
Nickovy, Namanao > aaaaaaaaah ! azoko sady mazava @ zay fa misaotra :D
11. diamondra27 ( 23/01/2006 18:28)
Jereo hoe nahoana no tsy mampiasa an'izy telo miaraka na azo ampifamadihana nizy 3 @ito hira ito:

1°/Zanahary o! tahio
'ty tanindrazanay,
hahomby tsara ...
kinga sy mahay


2°/Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary
nasaina nanohy ary nandavorary
ny zavaboary eratany ....
mitory fitiavana lalina izany

3°/Andriamanitra fitiavana ianao
ka mihevitra ny momba anay ety
Raha mifoha maraina izahay
de tsy afaka ambavany ny hoe:
ampy ho anay ny fahasoavanao...

De azo tsoahina amin'ireo hira masina ireo zany ny mahasamy hafa azy 3 ireo e!

De jesosy indray, resaka hafa iny

12. marozevo ( 23/01/2006 23:56)
Misy petra-kevitra diso io...
I Jesoa tsy natao hoe Zanahary, na Andriananahary izany hatramin'izay. Andriamanitra Ray no omena io anarana io.
My hoe Andriamanitra, na Andriananahary na Zanahary, dia tsy samihafa fa teny telo mitovy hevitra ihany. Tsy misy grady izany na elanelana fa teny mitovy hevitra tanteraka.
Ilay paragrafy faharoa ary amin'ny petra-kevitra voalohany dia tena tsy azoko mihitsy na dia efa misy miezaka manazava kely aza.
13. diamondra27 ( 24/01/2006 00:11)
miombokevitra aminao za ry marizev momba an'i Jesosy
14. rakekely ( 24/01/2006 08:02)
Atra Zay Nahary izao tontolo izao no Andriana Nahary
Anaran'Andtra Ray avokoa ireo, ary talohan'ny nidiran'ny misionera no efa nahalala natahotra izany ny malagasy,ka nataony hoe Zanahary no anarany. Io ilay Atra nekeny fa mahita ny miafina rehetra, tompon'izao rehetra izao. Tsy mba novainy hoe Bàal na déése.
Ny hany niantsoana azy dia hoe Jehovah Tompon'ny maro, Tsitoha, Andriamanitra mahery
Tsy misy grady ireo fa mitovy avokoa, satria samy anaran'ilay mpamorona sy mpifehy izao rehetra izao Atra Telo izay iray dia ilay endrikaisehoan'ATRA teo @ fanavotana izao tontolo izao.
Atra Ray mpamorona, Atra zanaka ( Jesoa Kristy) mpamonjy, Atra Fanahy Masina mpanavao antsika ao @ Atra. Mitovy ireo tsy misy hafa fa zavatra iray ihany no ataony dia ny hamerina indray ny voaary manontolo ho @ fiainana mandrakizay ao aminy
izany no nahatonga an'i Jesoa nilaza hoe: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany" Jaona 10 / 30;
15. routa ( 24/01/2006 15:55)
rakekely > tena tsy mazava mihitsy fa mba azavao kokoa hoe azafady.
zao mantsy misy teny zay hoe ny eo aloha tsy tadidiko fa ny tohiny hoe :izay miteny ratsy ny Fanahy masina tsy hahazo famelan-keloka ary misoratra ao @baiboly ve ny teloizay iray mba aiza ho aiza fa tsy hitako de aona le trinité ?
16. marozevo ( 25/01/2006 00:53)
Tsy hisolo vava an-drakekely aho akory, raha hanoro referansy ho an'i routa.. Jereo ny andininy voalohandohany sy ny faramparany amin'ny taratasin'i Paoly rehetra dia ho hitanao ao ny momba ny Trinité na ny Telo izay iray.
Ary mba ahoana kosa ary ny hevitrao, na ny hevitsika rehetra amin'ity : "Andeha ISIKA hanao olona mitovy tarehy sy endrika aminTSIKA". Iza avy ary ireo ISIKA ireo?
17. jentilisa ( 25/01/2006 07:37)
elohim!
18. diamondra27 ( 25/01/2006 11:44)
zao e! isika de image n'Atra ka tokony tsy hanao tsinotsinona ny namantsika satria manjary manao tsinotsinona an'Atra
19. marozevo ( 26/01/2006 00:24)
diamondra27:

zao e! isika de image n'Atra ka tokony tsy hanao tsinotsinona ny namantsika satria manjary manao tsinotsinona an'Atra



fa eto angaha misy manao tsinontsinona eh... Ny ady hevitra no mafana loatra indraindray, fa tsy misy manao tsinontsinona izany eo. Matoa valian'ny olona ny hevitra iray, dia midika izany fa consideré izay manoratra io hevitra io. Ny manao tsinontsinona dia ny tsy mihevitra akory fa misy ilay olona, maika moa fa ny heviny.
20. diamondra27 ( 26/01/2006 06:32)
tsy eto akory no resahako @io fanaovana tsinotsinona io ry marozevo fa @ fiainana andavanadro ka!
ary fanamafisana ny voalazanao no nilazako etsy ambony momba le image de Dieu.Za ndray tsy mba mitsara olona zany ka! tsy anjarako zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3013