fanontaniana hafahafa

1. diamondra27 ( 12/01/2006 06:18)
misy olona natokana tsy hanana chance @ fitiavana ve?
Raha eny,inona no mahatonga izany?
Raha tsia nahoana no misy mimenomenona foana fa misy olana eo @ fitiavana
2. Vahinala ( 12/01/2006 07:48)
diamondra27 > Eo ndrindra tsika zao aky, za koa aza toa mba manontany tena koa, zay le hoe le fitiavana zany ohatr'ilay fiteny hoe "kekeriny amboa kely tiana" e, mampijaly indraindray fa dia hiaretana eny ihany e !
3. kiry ( 12/01/2006 09:52)
misy mihintsy ny hoe tsy mnana anjara @fitiavana nefa miankina aminy ihany
no mahatonga izany
4. ari.malala ( 12/01/2006 11:22)
ts mino an'zany ah!! ny tsirairay d samy manana ny anjarany aby, zay le we vodisobika aza manan-tandrify! ny antony mampimenomenona ndray d satria tsin tsy mahay mijery ny lafitsaran-javatra ary tsy mandini-tena fa tonga d wawawa ra vpo mitranga ny olana...
5. pika ( 12/01/2006 11:48)
marina tokoa io tenin'ny ari io hoe tokony handinintena ny olona toa ireny satria ny vy tsy mikitrana irery hoy ny fitenenana dia toa manome tsiny olona foana hoe fa dia vitan'inona ity ahy ity nefa....

misy koa ny fatrampifidy loatra sy ny mitady ny tonga lafatra na diso manambonimbony tena dia miavona sy ny kizitina diso tafahoatra na masika be koa .....

nefa ao koa ny nisafidy mihitsy ny ho tokantena fa tsy midika hoe inona akory
6. lilbon ( 12/01/2006 12:05)
mino ve nareo fa misy ny anjara sy ny lahatra ?
amiko de mino io aho .noho izany de misy ny manana chance @fitiavana misy kosa ireo izay tsy manana loatra fa kosa mety mameno izany ny harena,ny zanaka ,na @hafa ...
fa ny olona tsi11 de samy mizaka ny anjarany daholo sy ny tandrify azy
7. lilbon ( 12/01/2006 12:12)
misy ampahany miankina amy tena ary misy tsy miankina amy tena mihintsy .
8. diamondra27 ( 12/01/2006 12:13)
kiry: miankina aminy ahoana
9. MAMINIRIANA ( 12/01/2006 13:18)
Misy : Nisy olona iray na maromaro ohatra tia azy nefa tsy nahataitra azy izy ireo. Noho izany dia hivadian'ilay vitana izy ka sarotsarotra ihany vao mety hahita ilay olona tia azy indray.
10. xxx ( 12/01/2006 14:06)
:roll:
11. vivi ( 12/01/2006 14:59)
ndraindray aloa marina we misy ny fatram-pifidy sy miseho dadany , fa misy kosa mba olona tena mpivavaka sy tsotra d mbola tratran'io pbl mpitiavana io foana , ary raha maha-remarque-nareo ,fa reny montina sy mpitandrin-tena b reby aza no tena mijaly @ io fitiavana io fa ny somary tsy mivakiloha sy gangs no tsy misy olana !
ary io ko an! na d efa manao fananiana ny tena we hiaraka @ olona tsotra ndry sady tsy d manja loatra no milamina ilay bandy fa toa mbola mampijaly ihany!, eo koa aza no mba mipetraka ny fanontaniana we tsy mba ho heureuse mihitsy v za @ ty fiainana ty?, ny ahy aloha zany mihitsy no mahazo ahy, satria bandy tsotra no nahitako azy ,nefa ahy izy ty manafin-talenta b, tia vhv,@zay na mikoty izy eo amasonao zao nefa rehefa hiteny ndry himpitsika hotrany toto , izy manaraka anao ,fa izay ilay mahatonga ny tena miseho tsy t ahalala sy miseho tsy miraika @ lhl zany
12. ravakamalala ( 12/01/2006 15:29)
an3, tsy izany mihitsy fa ny tena izy dia misy olona mi compliquer an ilay fitiavana, zavatra tokony mandeha norma io dia hasarotina.

mahereza daholo e!:wink:
13. Veloo ( 12/01/2006 19:46)
ravaka a ie tokony mihitsy ka fa ilay satana eo akaiky eo fona hanimba an'ilay fitiavana sa ahona oy injy?:wink:
14. Vahinala ( 12/01/2006 20:43)
Ny fiainana anie tsy fiainana raha tsy misy olana etsy sy eroa e, zay le tiako lazaina hoe sahala ny kekerin'ny amboa kely tiana ny olona rehefa mitia. Tsy misy izany hoe mpifankatia ka tsy misedra olana izany eo amin'ny fiarahana, "raha tsy miady hono tsy mifankatia". Angamba ataoko fa samy manana ny anjarany daholo ihany saingy misy ny sasany tsy mahay mitazona ny azy sy mikolokolo ilay fitiavana dia lasa mahita indrony kely foana nefa raha ny lesona azoko notsohaiko tao amin'ny dinika narosoko ohatra hoe "misy ve ny fitiavana tonga lafatra" dia ny tsirairay no afaka mamaritra sy mampa tonga lafatra azy io rehefa sendra ny tena tia sy tena tiana. Tano ny azo fa sarotra ny mila ! :wink:
15. ari.malala ( 13/01/2006 05:37)
marina 100% ny tenindry ry Vahinala!!! d io le noteneniko teo we mila koa mahay mijery ny lafitsaran'ny fiainana, d refa sendra misy olana d mila mahay mandini-tena koa hoe sao d mba avy @ko ary iny olana iny, fa ts faly hitaraina sy hanome tsiny ny ankilany foana.

Lilbon, manontany enao ao ambony ao we misy v ny anjara? eny misy tokoa, ts adala ilay nanao ilay hira we ny anjara voatendrin'ny vintana tsy handositra anao fa andraso.
16. pissoa ( 13/01/2006 05:56)
17. Herimiafina ( 13/01/2006 06:02)
diamondra27:

misy olona natokana tsy hanana chance @ fitiavana ve?
Raha eny,inona no mahatonga izany?
Raha tsia nahoana no misy mimenomenona foana fa misy olana eo @ fitiavana

Ny olana anie akia misy foana e, ary tsy iray na roa fa modiana tsy hita daholo.
Na fofotongotra aza de mety azo atao olana eo amin'ny fiarahana klé.
Misy ny mahay mikipy maso ary tonga saina hoe fohy ny fiainana antany, misy kosa ireo tsy mahay afatsy ny mikaroka karazana olana.

Raha te hampirafy ohatra izaho de amanjatony sy aman'arivony ny karazana olana mety azoko haroso hi-justifier-na an'izay.

Izay ilay hoe, zatra miaina anaty angano ny olombelona, nefa ny réalité de hafa mihintsy. Ary dia diso fanantenana lava isaky ny mahita ruirarny amin'io realité io.
18. diamondra27 ( 13/01/2006 06:28)
maminiriana: marina aloha ny anao fa ahoana kosa ary no itiavana ny olona tsy tianao?

vivi: io mihitsy no matetika mitranga

AZA MBA MANAO IZAO IANAREO AN!
Misy tantara tena marina ity an!
nisy vhv mpiaramivavaka tamiko taloha GBT dia nijoro vavolombelona izy io fa izy moa zany tena tao anatin'ny fivavahana tokoa de nisy bandy tara taminy de nanomboka nanaraka azy nijery ze zavatra mahaliana an'ilay vhv eo @ fiainany, dia le mamonjy fivoriambavaka foana moa zany no adiny eo; de iny ary lery fa mba niditra mpikambana tao @ GBT ihany koa , de mba nody nanolotena ... de nanomboka nikoty le sipa de raikitra de niafarany nivady. Afaka 1 volana après ny mariage hono de tsy navelan'le bandy namonjy fivoriana intsony le sipa, de refa avy mamonjy fivoriana de voalako foana, de le sipa koa moa tsy nijanona @zao fa mamonjy fivoriana foana, de ny fiafarany moa narary le bandy de maty de zay . Koa io sipa io ve zany, tsy nanana chance @ fitiavana sa ahoana?
Soa aloha fa tsy betsaka ny olona (lhl) manao izany e! tsiriritinao le zanak'olona anefa de ampijalianao refa azonao inona ny dikan'izany? 'zay ry vivi le asan'i satana a!
19. Fantara ( 13/01/2006 07:51)
Tsisy voaozaon tsy hanana fitiavana tsar zany, fa ny maro dia mitomany ny randrana tsy an'ny tena. izay ananana anie rah kolokoloin de tena tsara e: izay tiana mitombo tarehy...
20. lilbon ( 13/01/2006 07:57)
herimiafina >
samihafa tokoa ny olona rehetra an !
izany olana bdb efa hita zany ho anao ohatra de tsy qoui daholo!fa iaretana ihany fa tia e ?
tssss, en amour il faut jamais accepter de soufrir wa
tsy normal zany
ny normal de we
aimer=etre heureux
fa refa tsy zay de aleo tsiss,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3868