Hafatra kely

1. xxx ( 06/01/2006 15:53)
Mampalahelo fa betsaka ny namana ato amin'ny serasera no miavona sy manavakavaka, tsikaritra ato amin'ity sehatry ny dikina ity izany ary indrindra fa ao amin'ny karajia. Samy malagasy ihany daholo anefa ka mahagaga ny toetsaina toy izany, kanefa ny "site" toy itony indrindra fa malagasy dia natao mba hahafahan'ny mpiray tanindrazana rehetra mifandray na dia maro aza ireo miparitaka any amin'ny vazantany efatra, ary hisaorana ny mpikarakara tokoa izany.
Ireo izay mahatsiaro tena ho tafiditra ao anatin'izany dia hiangaviana mba hiova sy haieritreritra fa tsy faly ny handà be fotsiny ihany. Soa ho antsika rehetra no hilazàna izany fa tsy fanendrkendrehana akory, efa vaovao ity ny taona ka manantena fiovàna avy amin'ny rehetra koa.
Mirary fiadanampo ho antsika rehetra.
Misaotra tompoko.
2. xxx ( 06/01/2006 17:01)
tena marina zany !! indrindra anie ao @ karajia!! tô reo mifankalala ihany no mifapiresaka fa ny vao² atao bjr dé basta!!!!! 8-) ( nefa mba oé mila anao ho namana... "hono")ny eto @ dinika mou dé modina tsy hita ary tsy valina mitsy ny hafa :evil: .... vao² ny taona ka manatena fiovana é!! biz dôly!! :-* dé ampio tsiky dé ampy :°)
3. kally ( 06/01/2006 18:08)
Asa aloha e!mba nanandrana niditra karajia aho nefa toa manahirana be tokoa, satria efa olona mifankazatra daholo angamba ny ankamaroan'ny ao.
Tsy hiteny aho hoe manavakavaka ry zareo fa hoy kosa aho hoe sarotra be ny miditra miresaka ao satria resaka hafa be efa tohin'ny tany aloha tsy arako tany no ifanaovan-dry zareo dia mifampiarahba fotsiny dia miôl be eo na dia miezaka manakatra aza.
Dia naleoko nianina eto @ forum ihany aloha fa eto koa aza no tena mba hifankafantarana fa rehefa manana namana tsara eto aho dia ho entiko any e!:wink:
4. pissoa ( 06/01/2006 18:26)
Io lazain'i Kally io no marina kah!
5. Vahinala ( 06/01/2006 18:43)
Za koa aloha mba mandalo matetika ao amin'ny karajia e, misy ny namana miresaka tsara fa misy tokoa ny tonga amin'ny tenin'i kally io ka d tsy hita re, samy manana ny eritreriny ny olona e, ny eto am forum kosa angamba ataoko fa milay be daoly ny akama rehetra e !
6. Veloo ( 06/01/2006 20:18)
ny zavatra mahagaga ahy ahona no hiavona nefa na ny tarehy ary samy tsy hita????? za aloha tsy miavona eeeeeeeeeee za miavona za ry xxx????
7. LouAnne ( 06/01/2006 20:37)
oulalala , zâ lô tonga m'resaka amy salon fâ m'resaka amko doly olna e! zany mô Vahinala ô ? nefa zay zâ vô nahita any Vahinala amy salon ato , de zâ kô nefa azany nahazo zoky bdb ao an! waouuuuu!!!!:-*
8. Vahinala ( 06/01/2006 20:51)
LouAnne > Oulalalala tena marina aky zany an, za ko aloha ts mba miavona zany fa izay miditra ao dia raisiko ho namana daholo e, arabaiko daholo na dia misy aza ny tsy mamaly, tsy maninona e ampiana tsiky kely d ampy sa ahoana ! :wink::-*
9. hesham ( 06/01/2006 23:16)
Ny fahitako azy dia zao . Tsy hoe sanatria akory miavona ny olona . Ianao kosa anie misy miarahaba fona eee dia matetika misy manontany fona hoe inona ny vao2 dia ny valin`izay dia ny hoe tsisy ihany ka inona ary no tinareo ataonilay olona manontany , tarito ny resaka fa mamaly fona ny olona iresahanao . Ny tiako ambara zany dia miaramiasa mifampiresaka fa tsy ny andaniny ihany no hiresaka dia manjary mifampitanaka eo fotsiny avieo . Tsy de haiko manazava azy ee , za klou tsangoako doli ze resaka de mahazo resaka ihany za , hatramizao aloha za tsy mahita le hoe miavona fa ngamba varina any @ pejy hafa na manao posy fa tsy hitan`ny vao niditra ... .Misaotra betsaka oooo
Saika adinoko kely arakaraka ilay resaka ataonao aminilay olona koa raha ohatra ve ianao miresaka fikotina na manontany tona na toerana ipetrahana mety tsy te hamaly anizay ny olona sasany fa maninona moa raha miresaka tsotra fotsiny mety ho lasa namanao be ange iny olona iny na tsy fantatrao ary ze momba2 azy mety hiafara @ fifanakalozana email ihany ange ny farany eeee , mety diso ny hevitro aaa tsy votery marina :-D:-D:-Ditsikio fona eee
10. fasaly ( 07/01/2006 07:27)
ny hitako de rehefa mitsofoka ao aloha de miarahaba dooly ny efa ao e! fa mila miresaka sy mampiresaka marina satrai zareo ao efa manga be ny resaka de tsy hainao zay hidirana amilay resaka de anajaranao no mody manipy resaka fa hitanao fa handray anjara dooly angamba:wink:
fa ato am forum kosa klou tsy hitako zay miavona ato fa miaraka mi kivala zay te hikivala fa ny hafatra kou misy mpmamaly foana indrindra raha mahaliana ny ankizy lay izy fa raha sizé tsy de manintona ny ankizy de mra miato lay izy.....
fa izao e! ianao aza ange miafina ambadiky ny xxx de aiza no hamantaran'i ankizy anao rehefa tena hiseho eto ianao?????
11. Fiffi ( 07/01/2006 07:51)
fasaly: marina mihintsy io lazaindriko io an!
xxx : izaho aloha dia tsy miditra any @ karajia fa eto fotsiny. Nefa na izany aza dia izao angamba no mba hevitro: ianao manao xxx io raha mba nasinao ps ilay izy dia mba mety ho tonga angamba ny namana hiresaka aminao vao vatany miditra any ianao , mety eo koa no hiresahan'ny namana anao hoe , na koa nahita ity dinika ity ny namana dia raha sendra hoe tsy niresaka t@ nao dia tonga dia andeha hiresaka @ nao izy ireo. Ilay izy koa manko na hoe efa tena mafana be ilay resaka ao dia anjaranao koa anie no mitsaingotra mba manjay anjara @ ilay resaka fa tsy hoe tonga dia atao hoe fihavonavonana ilay izy e!
12. sipagasy ( 07/01/2006 07:52)
ary maninona moa no miafina ao ambadiky ny xxx nefa mba misy hevitra tsara tahaka izao aroso e!


tongava ao @ karajia dia nahoana tokoa moa ny efa ao ihany no hitondra resaka e! mba anjaran'ny vao miditra ihany koa anie no mitondra ny resaka e! tsy ho vita kosa aloha raha hoe isaky izay misy olona miditra ka hamerina ny resaka efa natomboka e! hihih mba anjaranareo vao miditra koa anie no mijapy train efa mandeha e!

Izay fa tongava aby ho namana e!
13. Fiffi ( 07/01/2006 09:35)
sipagasy: zay mihintsy manko an! andraso aloha ho hoe ho any koa :-D:-D:-D:-D
Fa na izany aza dia ny hilazako hoe tsy misy miavona izany satria hitako @ izao fotoana izao fa ny zanako LouAnne dia nahazo zoky maro dia maro tokoa ary hisaorako anareo rehetra nandray azy ho zandry sy nandray azy tanan-droa koa izany , hafaliana moa ny azy ato !!! misaotra anareo:-*:-*:-*:-*
14. Vahinala ( 07/01/2006 11:32)
Fiffi > Hay ve zanaky ndry i LouAnne e, d mahafinaritra aky ny fiarahana eto am serasera an !
xxx samy mba mihezaka daholo fa dia manantena fiaraha miasa avy amin'ny rehetra na avy aminao koa aza e, io tenin'i sipagasy io mintsy no tena marina.
15. xxx ( 07/01/2006 11:51)
Misaotra anareo rehetra namaly, nisafidy ny nanao xxx aho satria sarotra ny milaza anarana azony manahirana ihany ny mety ho fandraisan'ny sasany azy. Izany koa no antony tsy hitenenako anaran'olona eto na dia efa hitakitako daholo ihany aza ireo mpiavona lazaiko ireo indrindra fa ireo mpandrindra na koa "op" no filaza azy ao, ny ankamaroanareo namaly ireo d efa hitako tao amin'ny karajia avokoa satria za ndray dia any no mandeha matetika fa tsindraindray no maketo amin'ny forum rehefa mba manankevitra, tsy hiteny aho hoe misy miavona ve aminareo fa d aleo ny tsirairay no hahatsapa tena.
Ekeko tokoa fa hifanampiana ny resaka aroso nefa dia maro ireo izay arabaina aza tsy mamaly fa tsy araka'ireo voalazanareo ireo hoe miarahaba foana an'izay miditra akory. Manontany vaovao sns dia vita eo ny resaka, mba mampiditra resaka hafa ohatra hoe nanao ahoana ny fety ? Manaona ny andro any aminareo sns ? Nahafinaritra, tsara : ireo no valiny. Maina be ary avy hatrany dia hita hoe sahala ny tsy te hiresaka amin'ny tena ilay olona satria manao valinteny maina hoy aho, tsy misy ampidirana intsony, lehilahy aho io miteny io tsy manan'eritreritra ny hikaoty olona mihitsy ary tsy mbola nanao izany tao, manana ny vady amanjanako aho fa mba faly mahita itony serasera itony satria ny tena aty antanin'olona,ka mandray anjara ao am karajia mba ahafahana miresaka amin'ireo mpiray tanindrazana.
Izay fa dia misaotra anareo rehetra.
16. xxx ( 07/01/2006 13:27)
:!::?:
17. hesham ( 07/01/2006 13:38)
Misaotra anao xxx an , za tsy op fa raha hitako ao ianao de hiresaka be aminao za, za koa tena te hiresaka be aminao zany samy antanilavitra mantsy tsika .Ataoko tsy te hiala mintsy ianao raha hitako ao hihihihi . Aza malahelo otranizany moa fa mety misy mahavarina azy ilay op eee kony an .Andefaso hafatra za de teneno ana iza ny ps nao . Za aloha vhv an ary tsy manana eritreritra ny ho kotina tahaka anao koa eee fa namana tsotra :-*:-*:-*
18. fasaly ( 07/01/2006 15:53)
zà klou tsy mpitsofoka ao e! fa mahalana be mahintsiny aho no moiditra ao rehefa miafanao fotoana amina namana ihany, fa tena mahalana fa raha ny tsaroako izà niditra tao de misy ihany alou ny miarahaba de manohy ny resany fa misy ny tena miresaka, fa raha mandray anjara amin'ny resaka ianao na mmapiditra tresaka kosa de hiresaka aminao foana ny ankizy e!
19. fasaly ( 07/01/2006 15:54)
saika hadinoko fa eto am forum no tena ahafantarana ankizy betsaka ary lasa mifanakaiky daholo ny ankizy eto am forum no hita taratra kely eny ny toetrany ka midira eto am forum e!....mahafinaritra ange eto e!
20. nani ( 07/01/2006 16:23)

Salut daholo an !!!!
Za aloha de mankao @ karajia foana , Fy-antsa ihany za , de bizzz ho an ny namana rehetra an .
Ny afaka azoko lazaina angah de izao , refa miditra ao ianao ry xxx de refa vita ny fifampiarabana de aza miandry ny olona hampiresaka anao fa tonga de mijapy ny train , sinon de eo fotsiny enao satria ny resaka efa lasa ka , hono an . Fa ra mijapy enao no misy milaza hoe : hey , midina ! de tonga de miverena eto de lazao eto ny anaran ilay miavona an .
De ankoatra izay , misy namana sasany kosa de tsy mahay afatsy ny milakisa sy manome fahasorenana fotsiny izao ao @ KARAJIA ! Ka de mazoto ry xxx ary tongava foana ee !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1365