Hafatra kely

21. Vahinala ( 08/01/2006 11:59)
xxx za koa zao lasa mandinika be hatram nanaovanao ity resaka ity dia mijery ny ankizy ao am karajia foana, misy ny mahafinaritra fa misy koa hoe ireo arabaina tsy mamaly akory fa aza mivaky loha amizany e, refa niarahaba ianao dia efa afaka adidy aloha zany, d miheza hatrany mandroso sujet ho resahana fa ts maints misy foan ny mamaly anao, ze miavona avelao ho any.Matetika mants refa vita ny manaona sy ny hoe inn vao² d eo amzay le mba mila mamorona kely e, na mandray anjara amzay resaka efa teo. Fa tandremo fa marina koa io lazainy Fy-antsa io hoe maro ny manadala s milamila vaniny fa hodiana fann fotsiny e !
Mankasitraka ny akama rehetra koa e !
22. kally ( 08/01/2006 12:19)
Ny ahy aloha aleoko eto ihany aza no mahafinaritra kokoa dia rehefa mana-namana mifamotoana any @ karajia fa mora am-pitenenana ilay hoe japio ny train nefa ny resaka ifanaovan-dry zareo aza tsy misy azonao akory izay fiatombohany na dia miezaka manaraka aza,dia mifampiarahaba fotsiny dia samy lasa e!tsy ifanomezan-tsiny fa samy manana ny toetrany sy ny mahavarimbariana ny sainy avy!
23. xxx ( 09/01/2006 06:51)
hesham, misaotra betsaka anao, ho fantatrao eny ihany ny ps ko aoriana ao fa manomboka izao aloha dia tena fadiako ny miditra ao am karajia ao fa tena leo aho no sady mankarary fo fotsiny, mbola averiko ihany fa indrindra ireo op arabaina tsy mamaly nefa hitanao zao miresaka amin'olonkafa, ny mifosa izay tsy eo izany moa dia tsy lazaina intsony, tsy hilaza anarana aho hoa fa aoka izay op rehetra no ahatsapa tena, ny azoko lazaina fotsiny angamba dia i sipagasy tsy ao anatiny, misaotra anao fa ianao dia miresaka tsara foana rehefa afaka mamaly.Izany toetsaina izany no mbola tsy maha tafarina ny malagasy hatramin'izao satria ny ambonimbony sy mahitahita dia manambany ny sasany eny na dia amin'ny sehatra toy itony aza dia mbola ahitana ihany fa miseho ho ambony noho ny hafa foana izay mba manana fahefana kely. Mandratra fo ny mieritreritra azy fa dia ny ahy fotsiny, anisany mba efa nanohana ara bola ity serasera ity aho sy ny namako maro hafa malagasy mitovy amiko fa dia mialatsiny fa hatsahatro manomboka izao izany.
Misaotra anareo.
24. fasaly ( 09/01/2006 09:07)
xxx: a! zay miresaka aminao ihany resahana aza e!
fangah kou mou mila miresaka amin'ny rehetra fa tsy ho harakao ndray aza ny mikarajia raha izany
25. mamzelkely ( 09/01/2006 10:10)
marina mits io vôlazan fasaly etsy ambony io le momba ny forum fa eto ny ankizy no lasa mifandray kokoa sady njainjay le any am karajia misy olona manova ps de ts hainao we iza na iza
za alo ts mbola tratra fa ankizy maromaro no efa nilaza anzany ee fa refa miditra karajia enao de mila mahay mampiresaka fa ra ts zany ts tafaresaka ami ankizy :)
26. hery ( 09/01/2006 11:53)
Tsy dia tena hitako ilay blem

Ny karajia sy ny forum ary ny namana dia fitaovana hifaneraserana. Raha ohatra ka tsy mahay mifanerasera ny mpikambana dia ny mpikambana samy mpikambana no manana ny toetrany. Misy ireo mifandray tsara amin'ny tsirairay, misy ireo miavonavona, misy ireo mikakakaka etsy sy eroa, misy ireo mitsiky fotsiny, misy ireo montotra lava. Toetran'ny tsirairay izany. Tsy izany akory no tsy hidirana ao amin'ny karajia, surtout raha hitanao fa misy olona afaka miresaka aminao ihany ao.
Tahaka ny eny antsena e :-) Tsy hoe rehefa miavonavona amiko i ranona teny antsena dia tsy ho any intsony aho... kanefa tsy i ranona irery no teny.

Momba ilay nolazain'i kally hoe sarotra ilay miditra... dia misy marina tokoa. Matetika efa mifankahalala daholo ny ankizy, kanefa toa izany daholo ihany no nanombohana. Tsy hoe niaraka niditra tao @ karajia izahay rehetra dia nifankahalala, fa izay tonga dia niditr tsikelikely t@ le ambiance sns.

Farany. Aza miandry ny ops ho mpampiresaka... na dia miezaka ny hampiresaka aza ny ops dia tsy tena izay loatra no asany fa namana tahaka antsika rehetra ihany koa izy ireo. Manana ny manahirana azy, manana ny ataony. Raha mampiresaka olona iray ianao ka tsy mamaly dia mety tsy eo izy, mety tsy hitany ny zavatra nosoratanao, mety sahirana izy sns... dia mampirsaha olona hafa indray.

Mazotoa daholo e.
27. fasaly ( 09/01/2006 13:38)
zà alou de teto am forum no nahazahoako namana maro e! ary saika fantako plus ou moins aby ny toetrany satria mifanerasera sy mifampiresaka mamosaka ny heviny eto daholo!!!!!mbola tsy hitako zay tena hoe niavona alou fa mahafa-po daholo:wink:
28. ravakamalala ( 09/01/2006 21:03)
xxx:
Mampalahelo fa betsaka ny namana ato amin'ny serasera no miavona sy manavakavaka, tsikaritra ato amin'ity sehatry ny dikina ity izany


tsisy an izany kosa eto am dinika e! tsisy resaka zany eto ka hoe tsisy mpamaly, mbola tsy nahita aloha za e! tsy maintsy misy mamaly foana na dia ny hanala fotsiny ihany aza.

ny any am karajia no mety marina, fa any aloha ianao ra tsy mahay mampiresaka dia aleo miala fa zareo ao efa trop be e!

mijanona eto am dinika e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2613