"inona indray no ho handrahoina hatao sakafo androany"

1. fasaly ( 05/01/2006 12:01)
ho antsika vehivavy efa misahana tokantrano , tsy efa tojo an'io fanontaniana io ve nareo hoe inona indray ary no hatao sakafo anio rehefa efa tena lany fika iny amizay.... de inona sisa no hiazakazahana hatao laoka raha tsy mahita hevitra tsony????tena manirikiry be rehefa tratra izay e!
novalian'i pitchou ny 23/01/2006 18:43
2. kally ( 05/01/2006 13:21)
Ny ahy efa omaniko mialoha foana izay ho karakaraiko mandritry ny herinandro iny, rehefa kamo aho anefa na taraiky tany @ izay nalehako tany dia ataoko spaghetti bolognaise sady mora vita no mahavoky.
3. fasaly ( 05/01/2006 14:01)
mahavita aroky ka! manomana en avance ny ho hanina mandritra ny herinadro..... ny ahy ilay tena miasa saina hoe inona ndray ary no ho hataoko anio?????
rehefa tena kamo de mamoaka sauce bolognaise araka ny tenindry io fa raha efa lany lay sauce no teherizina ka tsy misy sauce tsony de eo vao tena ...
ny ahy alou achéko ny mandeha mitady frity sy frikadel e!
4. Vahinala ( 05/01/2006 14:04)
Ka na ilay manao courses pour la semaine aza ange aky mbola lany fika ihany indraindray e, hoe inona ndray no vidiana, inn no atao latsinainy, talata sns e ! Nena d ny pâté sy ny mortadelle sy ny pitsopitsony reny no ataoko betsaka, refa tena kamo za hieriteritra d reo no tairina, d ny atody koa ts adino foana isaky ny miantsena fa asiana atao omelette dia asiana jambon kely eo amboniny d efa mety e !
5. kally ( 05/01/2006 14:25)
Vahinala> Atao aloha ny planning izay vao mandeha miantsena (ny hena sy ny legioma)fa tsy lany fika izany, dia ny ahy asiako plats surgelés ihany fa rehefa tena raikitra dia micro-ondes sy frites dia vita.
6. vale ( 05/01/2006 14:41)
kally> saly njy! ié, ny plats "surgelés" ko mahavonjy ka! sady tena raim kely kno!:wink:
fa ny tena mety Fasaly dia io fika lazain'i kally io> alohan'ny iantsena izany toi de efa mieritreritra any an-trano oe alatsinainy izao no ataoko, talata sns.... fa rehefa maika iny de tairo @ surgelés na bolognaise na omelette..... mety doly é! Raha tsy de sarotiny ko moa ny "paté de foie" ireny raim kely atao @ mofo ko!
Fa mikasika ilay oe sakafo ara-dalàna alo tsisy otran'izay é, ka de io fikan'i kally io tena mety!:wink:
7. Herimiafina ( 05/01/2006 16:34)
Omelette aux fines herbes hatao refa tsy mahita fika njy de asio lard kely de fromage rapé de asio divay kely fa hummmmm, favy an. hehehehe:-D:-D
8. Vahinala ( 05/01/2006 17:37)
Herimiafina:

Omelette aux fines herbes hatao refa tsy mahita fika njy de asio lard kely de fromage rapé de asio divay kely fa hummmmm, favy an. hehehehe:-D:-D



wéééé nena koa herimiafina d io refa tsy atokona an ! :-D:-D:-D
9. pitchou ( 05/01/2006 18:04)
nenah klou d sandwich direkta na voankazo b d b rehefa tsy hita ze hoanina e!
10. fasaly ( 05/01/2006 18:06)
zay ihany anie no tsy ahafohizana an'i hery miafina io e! sady manaraka ny vehivavy foana no manakambara toy ny vehivavy! manja iny vonjy maika ndryi ny ka!
11. fasaly ( 05/01/2006 18:09)
ka ny ahy na lay hiantsena aza de efa hoe inona indray! toa ny eo ihany no eo! toa efa nanramana daholo itsy sy irokatra, mba te hanova kely fa e e e e ! rehefa tena tsy hitako iny kou ny fika hatao de mandeha mividy ireny efa plat préchuaffé fotsiny reny zà de ny épice-ny no ataoko masaka tsara de zay, satria ireny mantsy matsatso be ndraindray de tena tsisy ilàvava azy mintsy. de manao frity na vary aho ampiarahina aminy de zay....
12. kally ( 05/01/2006 18:31)
fasaly> Androky vy dia ho kamo miantsena no izaho?Izaho t@ mbola mandeha singla izany zavatra raha hihinankinam-poana tsy misy hevitra mihitsy fa rehefa manan-tokatrano tsy maintsy mba manao izay metimety e! dia ny ahy rehefa malalaka aho ny hariva dia mijery recette vaovao dia efa soratako ny ilaina aminy dia avadibadiko eo na sakafo mba tiako tany @ restau tany dia tadiaviko dia tsy maintsy vita foana e!lasa fahafinaretana indray aza anie ilay mikarakara sakafo rehefa mba ovaovaina ilay izy.
13. diamondra27 ( 05/01/2006 19:19)
ny ahy ndray de ze misy eo mety doly, na frais , na conserve, na congélé

Io arakaraka ny olona e! raha sarotiny le olona de sarotra be fa raha tsy sarotiny de mande ho azy toa ny ahy. De arakaraka ny fahasalaman'ny olona ihany koa satria raha misy olona marary vavony na aty de mila fitandremana.Ary farany ny isan'ny olona ao antrano.

De arakaraka ny olona koa na tia sakafo congélé na tsia. Ny tiako tenenina de tsotra, tena pratique be ny fiainana raha toa ka mahatanty sakafo congélé satria sady économie na vola na fotoana. Ny zavatra rehetra manko ny akamaroany de azo congélé na doly afa-tsy atody dure sy patate fa miteradrano
De karakaraina mialoha ny sakafo , ka raha misy ambony de tsy ariana na de kely aza fa alefa any @ congélateur doly ( de asiana date an! le nampidirana azy, sy anarana ihany koa). Na de gâteau aza de azo terizina , na reny persil na ciboulette reny mety doly fa karakaraina de refa mahandro de avoaka zay ilaina ... zay fa lava be
14. fasaly ( 05/01/2006 19:46)
kally! ka zà kou tena tia mahandro sy manaraka re-7 io fa lay fotoana no tena danz, fa raha misy fotoana kousa klou zà de hummmmm! andramako aby io recette hitako am boky io na ho any na tsy ho any, na hangidy na ho mamy hihihi! fa ny rapidos ny ahy alou de zay zavatra azo hatsipy ao anaty friteuse ao e! de zay mandry ny anio.....
15. fasaly ( 05/01/2006 19:52)
diamondra: tena tsy fan an'ilay congelé mihintsy e!
tsy mahazo kil mahintsy raha sakafo congelé zany fa rehefa tena tsy fidiny angaha sauf ny sauce bolognaise reny manao casserole be mahintsiny zà de zarazaraiko amin'ny boite de antsofoko any de zay fa ny ankoatrany tsy de voako loatra. rehefa iny ihany aho vao mitady hoe inona ndray no hataoko anio.
mila fandaminana tokoa angaha....
16. diamondra27 ( 06/01/2006 02:59)
fasaly:ka ny tiako tenenina ange de vidina manta le sakafo de atsofoka anaty congélateur e! de refa te hahandro vao avoaka mialoha les ingrédients, de refa misakafo 'nareo ka misy ambony de tsy ariana fa azo hanina @ manaraka le izy, tsy andrasana 3 andro vao atsofoka fa iny vao vita iny le izy de andrasana mangatsiaka , de jerendry oe 'ty zany mahampy androany de ny ambony atao any @ congélateur. Ngamba tsy azondry le tiko lazaina testy ambony, raha tsy zany de io voalazandry io hoe tsy hisy hisakafo aty amiko intsony raha ny sisa foana no aroso.TSY FANAO IZANY. Aoka hazava ny resaka fa sao de afa baraka eto. Raha olona vitsy manko no ao antrano kanefa le recette natao ho an'olona maro de mety mihitsy io hevitro io satria raha hanalanao dose ny le recette voasoratra de manjary tsy miady le sauce e!
Raha te-hanao la soupe aux choux zao indry de mila zavatra maromaro ireo ary tsy olona 3 na 4 ihany no mihinana le izy fa an'olona 8 io, de aha olona 4 izany nareo de rehefa masaka le izy de andraso hangatsiaka de zarao 2 @ zay de ny antsasany atao anaty congélateur.
Tsy voatery hoe ny olona rehetra aloha no ho tia an'io e! fa mba manoro ze mba tsy mandany fotoana sy tsy mandany vola za.
17. fijo ( 06/01/2006 04:46)
miseo indray ny hakamoan'ny sipa le.
18. mamzelkely ( 06/01/2006 06:51)
za refa ts mahita de mamorona zay hitako ao anaty frigo ao de atambatro zay afaka atambatro de anaovako recette mamzelkely :-D:-D

fa d'habitude za refa ts mahita de omelette de asiko creme fraiche de asiko fromage mhhhh :miam: tsara aaa :-D

de refa mazoto be de mahavita pizza hihihihi
19. kally ( 06/01/2006 07:02)
Marina ny lazain'i Diamondra hoe tsy mandany fotoana ny sakafo congelé-na fa izaho aloha tsy dia tia fa hafa ihany ny tsiron'ilay vao vita iny e! miankina @ fandaminanao ny fotoana ihany io fa ny ahy aloha ny hariva no tena manao sakafo, any @ 11 alina any aho tsinona vao misakafo hariva dia mbola mahavita zavatra be dia be alohan'izay.
20. fasaly ( 06/01/2006 07:15)
zà kou ny ariva vao tena miangaly ny lakozia fa aotandro juste mandalo raima sy valo de sandwich na pita na pizza no atao rapidos eny ...androky any kay alina be vao misakafo zany a! zà amizany 11h alina zany efa any ambony fanjina.....ny ora fisakafoanana hariva ao amiko ao de ver 18h30 de misy handevonako azy tsara de mijery tele kely eo na eto mi surf kely eto de zay tapitsa ny soirée....
mamzl: ary saika nitovy tam recette herimiafina ny recette mamzlkely!:wink::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5768