teny mamy iray

1. nyeja ( 04/01/2006 09:53)


inty indray misy endrika fitiavana iray, ahoana ny hevitrareo ?


Ny fitiavana inoako

Fa talohanao, sina ny fitiavako
izay olo-nantenaiko ho vahatra hampitony
izao vao tena haiko,
fa sady tsy tia ahy, no tsy tiako akory.

Dia indro tonga ianao, tomaratra toa havana.
Ny lokon-danitrao, manga mavamavana
nandrandrana fitiavana tena ho doria
nanolotra hasambarana, tena fenomanana.
Ka tretrika aho ry aiko, finaritra ery
fa taminao dia haiko, haiko ny fitia!

raha any aoriana anie aho, *
tsy inoako ny fitiavana,
tsy inoako ny ho sitrany
tsy inoako ny voavitrany.
dia ireo sampinao, no sisa mba inoako
ilay teny maminao, voasikotra ao am-poko
fa sitraka sy teliko
raha ilaozanao manko aho,
ireny tsy mba veriko !.

Ny Eja

novalian'i lapino ny 17/01/2006 11:23
2. lapino ( 04/01/2006 10:00)
Ny hevitro àry:

Tsy mamokatra fitiavana ny mpanoratra fa manjifa fotsiny, tsy mampihatra fitiavana fa iharany sy ny vokany fotsiny, izany hoe manao tanty reraka ...

... toy ny ankabeazan'ny olona ihany, ny ankabeazan'ireo (vehivavy) mitaraina fa manana olana ara-pitiavana. :wink:
3. lapino ( 04/01/2006 10:09)
raha any aoriana anie aho, *
tsy inoako ny fitiavana,

Tsy nisy fanamarihana hadino ve eo amin'ilay kintana kely? Ohatra ny hoe diso position izany manko, ka aiza moa? :wink: :-D:-D
4. dadabe ( 04/01/2006 11:25)
:):)
5. akamatiana ( 04/01/2006 12:54)
Ilay fitiavako hatrizay
toa nandoro satria nahamay
Ka vao nahita anao aho
Dia sitrana ilay fery ka lasa vao

Teo alohanao, eny nitia aho
Nitia olona toa anao
Nefa toa rava foana zany
Sanatria tsy fitia,
Fa tsy natao ho doria
Ka inoko hatrany

ka ankehitriny
Tojo anao indray
Ilay fitiavako efa may
Ka nahasitrana ,sy nanadinoko ny fahiny

Tsy hanantena anefa aho
Fa ijanona ho ahy irery ianao
Koa raha sanatria ka hifandao
Dia ho sitraniko toy ny fery fahiny lasa vao !!

Raha mamboraka ny ao an-tsaina
Tsy hoe tsy mba misy fitia azo antenaina
Fa tsy maintsy atao ny hevitra rehetra
Mba tsy ho maty an-kazotokana ka anjoretra.

Akamatiana

6. hesham ( 04/01/2006 13:09)
Akamatiana =D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D:-*:*(l)
7. Veloo ( 04/01/2006 14:25)
za tsy mba mahay:cry:
8. lapino ( 04/01/2006 16:33)
Izay mahazo virjiny ry zalah tena tano mafy fa sarotra ny mila a! Tena marina, hafa ihany ny fitiavana voalohany.
9. Veloo ( 04/01/2006 20:45)
ie ilay premier amour tena dange be kle... ny ahy mbola tadidiko fona atrizao an andeha mbola ho tadiaviko izy zay raha itako any :-D:-D:-D:-D
10. majakely ( 04/01/2006 21:30)
Veloo hatraty io ...:-D:-D:-D
11. hesham ( 04/01/2006 23:35)
veloo et majakely hihihihihi de haninn refa hita . Bedy fa maditsa nareo .:-D:-D:-D
Tsy hoe mamparary fo anareo fa le bandy zao mety manadino anareio tanteraka any @ misy azy any hihihi . Laingako zany , tadiavo kamboko eee :-D:-D
12. ramajik ( 05/01/2006 07:40)

Maro ireo mpanoratra
nomeko ny safidiko
f\'ity Ny Eja ity
no tena mba ankafiziko

Maro ireo mpanoratra
no mahay mampiady rima
f\'ity Ny Eja ity
no mbola mahavariana

Maro ireo mpanoratra
manintona indraindray
f\'ity Ny Eja ity
no mbola mahatalanjona ahy

Hatramin\'i Tovo J\'Hay
sy ny hafa any ho any
omeny aingam-panahy
ka miihra \"Teny mamy\"

Ramajik


13. pissoa ( 05/01/2006 08:39)
Ramajik> =D=D=D

lapino:
Tsy mamokatra fitiavana ny mpanoratra fa manjifa fotsiny, tsy mampihatra fitiavana fa iharany sy ny vokany fotsiny, izany hoe manao tanty reraka ...

... toy ny ankabeazan'ny olona ihany, ny ankabeazan'ireo (vehivavy) mitaraina fa manana olana ara-pitiavana.

Tsy azoko tsara ilay tianao lazaina amin'ny tapany voalohany.
Ilay tapany faharoa, soa fa nataonao anay () ilay hoe vehivavy
14. Veloo ( 05/01/2006 16:16)
hesham a
mba mahafinaritra aky no ahita azy a, dia mba ho jerena izay fihetsiny oe ity aho zao ka ahona? tsy aleo ve za ihany? ny ahy aloha izy no niala e :(

majakely a andao tsika roa hanao rendez-vous dia hiraka hitady sa ahona? ny anjy ve njy no niala sa izy?
:-D:-D:-D:-D:-D
15. nyeja ( 06/01/2006 05:16)
[quote=ramajik]

Maro ireo mpanoratra
nomeko ny safidiko
f\'ity Ny Eja ity
no tena mba ankafiziko

Maro ireo mpanoratra
no mahay mampiady rima
f\'ity Ny Eja ity
no mbola mahavariana

Maro ireo mpanoratra
manintona indraindray
f\'ity Ny Eja ity
no mbola mahatalanjona ahy

Hatramin\'i Tovo J\'Hay
sy ny hafa any ho any
omeny aingam-panahy
ka miihra \"Teny mamy\"
Ramajik


salaman ianao Ramajik a
tsy aritro ny tsy hanoratra ho anao ho fankasitrahana manokana ilay tononkalo nataonao ho ahy ao forum io, ka dia faly tokoa aho fa misaotra be dia be an
Ny Eja namanao


16. nyeja ( 06/01/2006 05:20)
akamatiana:

Ilay fitiavako hatrizay
toa nandoro satria nahamay
Ka vao nahita anao aho
Dia sitrana ilay fery ka lasa vao

Teo alohanao, eny nitia aho
Nitia olona toa anao
Nefa toa rava foana zany
Sanatria tsy fitia,
Fa tsy natao ho doria
Ka inoko hatrany

ka ankehitriny
Tojo anao indray
Ilay fitiavako efa may
Ka nahasitrana ,sy nanadinoko ny fahiny

Tsy hanantena anefa aho
Fa ijanona ho ahy irery ianao
Koa raha sanatria ka hifandao
Dia ho sitraniko toy ny fery fahiny lasa vao !!

Raha mamboraka ny ao an-tsaina
Tsy hoe tsy mba misy fitia azo antenaina
Fa tsy maintsy atao ny hevitra rehetra
Mba tsy ho maty an-kazotokana ka anjoretra.

Akamatiana



akamatiana , tiako be ilay setriny an
misaotra e

17. nyeja ( 06/01/2006 05:32)
tsy voatery atao miaraka ny fanolorana sy ny fahatsapana ny fitiavana natolotry ny olona iray, fa azo ventesina anaty tononkalo roa samy hafa tena mafonja, efa mankasitraka fitiavana ve dia lazaina fa mpanjifa fotsiny ry lapino ? .
18. lapino ( 09/01/2006 12:07)
nyeja : tsy hoe ny mankasitraka ny fitiavana atolotry ny ankilany akory no ratsy sanatria, fa "sitraka enti-matory" izany :wink: Fa ny nahatonga ahy hiteny an'io, dia toa rehefa manga ihany ny lanitra, izay vao tsapa ny fisian'ilay fitiavana. Rehefa misy an'ilay "passion", rehefa tsapa ny hafanany. Kanefa tsy hita taratra ao amin'ilay tononkalo izay finiavana handroso kitay amin'ilay afom-pitiavana misy, dia manjary manahy ny mpamaky hoe ho faty vetivety izany afo izany. Toa mandroso tsy miverina ilay fanolorana fitiavana, dia manjary toy ny "passif" be izany ilay mpanoratra, ka "mpanjifa fotsiny" no nilazako azy.

Kanefa raha "tsy voatery atao miaraka ny fanolorana sy ny fahatsapana ny fitiavana natolotry ny olona iray, fa azo ventesina anaty tononkalo roa samy hafa tena mafonja", dia azoko ihany ny fipetrany.
19. ravatorano ( 10/01/2006 10:10)
za zany tena fanina eh:-D
sady za tsy mahay miady rima no tsy mahay mamakafaka tonokalo
20. Vahinala ( 10/01/2006 10:52)
:-w:-w:-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5624